Famakafakan'i Tsimaito ny tononkalon'i Robert Solo

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
29 janoary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

AHY NY TANIKO



FAMAKAFAKANA TONONKALO

Mpanoratra : Robert Solo (Fanjandranomasina)
Taona namoahany azy : avrily 1973
Namakafaka : Rarivonirina Emiliarison (TSIMAITO)

AHY NY TANIKO

Mahantra ny taniko; fantatro izany,
Kanefa ny taniko, taniko ihany.
Tsy haiko hatakalo, tsy hasandako harena
Fa ahy ny taniko, ilay Nosy Mena.

Mahantra ny taniko, hoy ianareo
Kanefa dia tsoriko kosa zareo
Fa ahy ny taniko, tsy hozaraiko
Mandra-pialan'izay fofon'aiko.

Ho avy ny andro mba hanan-karena
Ilay tany andrianiko, ilay Nosy Mena
Kanefa tsy nila ny volanareo.

Ny sandriko roa sy ny Herin'ny saiko
No hampandrosoako ilay tany lalaiko
Ary eo dia ho mena ny masonareo!

Robert Solo (Fanjandranomasina)

TENY FOHY MOMBA NY MPANORATRA
Andriamatoa Robert Solo dia mpanakanto feno satria sady mpamoron-kira no mpihira ary poeta ihany koa. Marihina avy hatrany anefa fa saika ny talentany amin’ny maha mpihira azy no ahafantaran’ny maro azy izay nampiasany ny solon’anarana hoe Fanjandranomasina. Mbola maro ireo mahatsiaro ny hirany toy ny "NGAOMA" sy ny "TAOMBAOVAON’NY TAFASARAKA" izay navoakan’ny DISCOMAD tamin’ny fotoanandro.
Teo amin’ny sehatry ny soratra indray dia singanina amin’ny maro ny "Tsianjeriko" sy ny "Emboka" izay samy nivoaka tany amin’ny taona 1974, izany hoe taona iray tao aorian’ny AHY NY TANIKO ka izy ity indrindra moa no hiarahantsika manao topimaso dimy amby efapolo taona taty aorian’ny nivoahany voalohany.

FANAKARANA IREO HEVITRA RAKETINY
Fanambarana tsy mifono fihafahafana no tonga dia nanaingany ny fanehoan-keviny manao hoe “Mahantra ny taniko, fantatro izany". Ilaina hotsiahivina ve fa niaina tanteraka ireo zava-dehibe nanamarika ny taona 1972 ny mpanoratra tao anatin’ny hetsi-bahoaka voalohany tao aorian’ny noheverina fa fahaleovantenan’i Madagasikara? Ka ilay NOSY MENA izay tsy foiny eto dia nanehoany ilay tany lasa karakaina fa koa ary indrindra ireo zaka sisa navelan’ny fanjanahantany tamin’ny endriny vaovao. Tsara ny manamarika fa ny Malagasy dia manana fiheverana manokana momba ny tany izay tsy voafaritry ny bolongan-tany na vovoka miavosa. Ankoatra sy ambonin'izany dia inoany fa hery tsy hita maso manana ny hasiny izay tsy maintsy hajaina ny TANY. Azo inoana fa tao an-tsain’ny mpanoratra izany ary fantany tanteraka. Ny mpandalina ny teny Malagasy Rahaingoson Henri moa nampilahatra ny Tany tamin’ny Teny arak’izay heviny mifandraika amin’ny lafiny ara-metafizika izay.
Dia notohizan’Andriamatoa Robert Solo tamin’ny fanondroana sokajin’olona ny tononkalo izay nantsoiny hoe IANAREO sy ry ZAREO. Ianareo izany hoe tsy izaho na isika. Toa nisy tahotra tao amin’ny mpanoratra ny amin’izay mety hisian’ny fivarotan-tanindrazana tamin’izany fotoana izany. Ary izay indrindra no nijoroany ary nanehoany fahavononana hiaro ny taniny na dia haka ny ainy aza. Hevitra sady manan-danja no maha te hidera tokoa izany.
Azo lazaina fa mifanindran-dalana amin’ny ohapitenenana “mongol” izany fanomezana Hasina ny tany izany raha nilaza izy hoe “Na Andriamanitra aza no miteny aminao hoe amidio ny taninao, aza manaiky”. Ary mbola hamafisin’i Antoine de Saint Exupéry izany raha niteny izy hoe “Isika tsy mandova fa mindrana amin’ireo taranako avy" ka ao anatin’izany tsara mihitsy ny tany. Ny tany izay niandohana sy hiafarana ihany koa hoy Ramalagasy.
Dia nanohy ny fanehoan-keviny ny mpanoratra tamin’ny fanolorana faminaniana : “ho avy ny andro mba hanan-karena ilay tany andrianiko,…” . Ilay kianteny hoe “mba” eto dia mametraka an’i Madagasikara, ilay Nosy Mena, ho anisan’ireo firenena nanan-karena saingy tratra hafara. Hevitra iray izay. Fa ny mahaliana fatratra dia ny fanondroan’ny mpanorata indray ilay IANAREO tany ampiaingana sy ny volany.
Ny vola izay nasehony amin’ny endriny miiba satria tsy nilaina velively tamin’ny fandrosoana ara-toe-karena nolazainy. Mampitsiry hevitra ity nanasongadinany ny vola ity. Azo heverina àry fa ilay hoe IANAREO sy ry ZAREO dia mety ho teratany Malagasy nefa enti-maneho ihany koa ireo mpamatsy vola avy any ivelany izay be mpihevitra fa hany mpiantoka ny fampandrosoana. Tsy miombon-kevitra amin’izy ireo ny mpanoratra satria zavatra hafa no narosony ho hany hampandrosoana ny tany sy ny firenena.
Inona ary no zava-dehibe nahasolo izany tanjaky ny vola izany ? Mazava sady tsotra dia tsotra : “ny sandriko roa sy ny herin’ny saiko” izay tsy inona tsy akory fa ny asa ary ny faharanitan-tsaina. Misy hevitra mifanojo tanteraka amin’io resaka sandry roa io nambaran’ny filoha Sinoa Mao-tse-Toung manao hoe “Marina fa ny zaza teraka iray dia vava iray hofahanana fa sandry roa hiasa ihany koa”. Sandry roa izany mira asa ary izay fomba fijery izay no tsiambaratelon’ny fahombiazan-dry zareo Sinoa : famadihana ny isan’ny mponina ao aminy ho fototry ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny asa. Ny lanjan’ny saina mandinika indray moa dia tsy azo iadian-kevitra. Io irery ihany no fitaovana ara-tsaina amam-panahy iatrehana sy amahana ireo olam-piaraha-miaina ao anatin’ny fahasarotana lalim-paka sy maro lafy. Io fa tsy ny torapo no hifanandrinana amin-dry “ZAREO” tompon’ny vola ary hitondra ny fampandrosoana marina ny “TANY MENA”.

FAMINTINANA
Nahay naminany ary ve ny mpanoratra ka nahatsinjo mialoha ireo mpivarotra tanindrazana amin’ny endriny maro sy izay mety ho vahaolona ny amin’izany ? Hevi-dehibe roa izay mifanjohy ka nahatonga ity tononkalo ity ho sahaza tanteraka ny vaninandro iaianantsika amin’izao ankehitriny izao.
Asa fa ny azo antoka dia ny fananany fahakingan’ny tena pôeta marina : afaka maneho hevitra tsy tontan’ny ela izay azo raisina lalandava hosainina sy hoeritreretina mandrakariva.
Rariny raha anehoantsika fankasitrahana feno an’Andriamatoa Robert Solo izany, indrindra fa isika solofo dimbin’ny ala ary vato namelan-kafatry ny tantaran’ity Nosy irariana mba tsy ho mena intsony atsy ho atsy tsy ho ela satria samy ananantsika ny sandry roa sy ny herin’ny saina.
Pôetawebs©2019 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 29/01/2019