Créer un site internet
Fantaro i Rô Andriamaneva

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

15 febroary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja Fantaro i...
Rô Andriamaneva
(1939 - 2013)
Poeta
Mpanoratra
Mpanao gazety
Mpikabary
Mpanabe
Mpitandrina

— Lahatsoratr'i Toetra Ràja 


"... Ny sakafo madarasy
Na vary maina tsisy laoka
Nefa ain’ny Malagasy
Ary anisan’ny vahoaka
Moa tsy izany no hetraketraka
Ny hafa anefa toa mipetraka
Ambony seza dia mitango
Amin’endrika mandango
Satria nasondrotry ny vintana?"
Andinin-teny mitolona am-pototry ny fitroarana, andinin-teny irina hipololotra eo imolotr'izay heverina ho mpisolovavan'ny "mpitrongy" iharan'ny hetraketraka sy fanaporetana...
Izany no karazan-kanto nampikorisa ny penin'i Rô Andriamaneva ka nahatonga azy hioitra teo amin'ny androm-piainany.

Ny 1 febroary 1939 i Rô Andriamaneva no nahita masoandro tao Ambohipotsy Antananarivo ary ny sabotsy 15 Jona 2013 no nikimpy, teto Antananarivo ihany. Nanambady an-dRtoa Rasoamaromaka Aimée izy tamin'ny taona 1967 (tsy niteraka).

Rô Andriamaneva no solonanarany eo amin'ny penina saingy efa nisalorany koa ny "Oram-panala". Roland Ratsimihah no ampiasainy tamin'ny fiainana andavandro.

RÔ SY NY FANABEAZANA

Nobeazina tao anatin'ny finoana protestanta i Rô saingy sekolin-dry Masera tao Ambohipotsy Antananarivo aloha no nianarany ny abidia, fa tsy lavitra teny moa ny fonenan'ny fianakaviany tamin'ny fahakeliny. Niroso lalindalina kokoa tamin'ny asa fanompoana izy ka nanapa-kevitra ny hiofana ho mpitandrina tao amin'ny Kolejy Teolojika Protestanta Ambohipotsy. Iray tarika tamin'ny Pasitera Randrianantoandro filohan'ny FPVM izy ary tena mpinamana akaiky tokoa satria izy roalahy no niray efitra fatoriana nandritra ny naha kilasimandry azy ireo. Nivoaka ho mpitandrina izy ny taona 1966.
Ankoatra ny fiofanana ho mpitandrina dia efa nianatra lalàna izy tamin'ny 1959-1960 ary ho mpanao gazety tamin'ny 1966-1967 saingy tsy afa-nanohy ny taona faharoa noho ny adidy mavesatra niantsorohany teo amin'ny fiangonana.

Rehefa nandray ny fanabeazana sahaza azy izy dia niroso ary tsy nitsahatra nanabe olona.

- Mpikambana tao amin'ny CEMEAM (Centre d'Entraînement aux Méthodes d'Education Active de Madagascar) izy, sampan'ny vondrona lahika iraisam-pirenena (CEMEA) misahana ny fanabeazana andia-mpiala voly (colonie de vacances). Vao 16 taona izy, araka ny fahatsiarovan'ny namany Rabefananina, mpanao gazetin'ny Maresaka, dia efa mpitarika andia-mpiala voly (moniteur) ary lasa Tale tato aoriana kely. Navitrika tokoa izy tamin'io asa fanabeazana io satria na herintaona talohan'ny nahafatesany aza, hoy hatrany Rabefananina, dia mbola nitarika ankizy nankany Mahajanga ihany. Marihina fa mpiandraikitra mandavantaona tao amin'ny CEMEAM mihitsy i Rô.

- Noho ny asa fanabeazana niantsorohany izay tsapan'ny Fanjakan'i MONACO dia voaantso tany an-toerana izy tamin'ny 1990 hitsara horonan-tsarimihetsika ho an'ny loka AMADE (Association Mondiale des Amis de l'Enfance) teo anivon'ny Sahobin'ny Fahitalavitr'i Monte-Carlo.

- Mpampianatra taranja Malagasy tao amin'ny sekoly IEC Antananarivo izy ary Lehiben'ny mpiandrimaso (surveillant général).

Roland Raymond Ratsimihah Andriamaneva
no anarany feno ao amin'ny karapanondrony fa Rô Andriamaneva no tena ahafantarana azy eo amin'ny penina. Rô no nanafohezany ny Roland; ny Andriamaneva kosa dia nolovany tamin'ny anaran'ny rain'ny raibeny, Andriamaneva, komandin'ny tafika tamin'ny faha-mpanjaka, izay milevina eny amin'ny fasan'ny Rovan'Antsahadinta. Andriamaneva niteraka an-dRatsimihah Andriamaneva izay namboatra ny fasany teny Ankadilasora, ambanin'Antsahadinta, noho ny nanambadiany an-dRtoa Rasoavero terak'Ambohimalaza. Ratsimihah Andriamaneva indray no niteraka an-dRatsimihah Jean-Paul, mpamari-trano, rain'ny Pôeta Rô Andriamaneva.

Rasoanoro Denise no anaran-dreniny ka i Rô no farany amin'izy enina mianadahy mpiray tam-po. Rasoanoro Denise dia zafiafin-dRadaody Rafaralahiberonga, ilay nantsoina hoe Rainidaordina, lehiben'ny tafika sady lehiben'ny arofenitry ny lapan'i Manjakamiadana. Avy amin'io andraikiny faharoa io angaha no naharaikitra ny anarana Rainidaordina noho izy mpisahana ny fandraisana sy fampatoriana ireo manam-pahefana nitsidika ny Mpanjaka, araka ilay teny frantsay hoe "qui dort dine". Ny fahombiazany tamin'ny fampandrian-tany koa dia nahazoany valim-pankasitrahana avy tamin'ny Mpanjaka ka nanomezana azy tany midadasika, ny lemaka nanjary zaridainan'i Tsimbazaza taty aoriana. Ary na ny tranony sy ny fasany aza dia mbola hita misoritra mazava eo afovoany. Rtoa
Rasoandrazana no vadin-dRainidaordina ary nahazoan-dry zareo an-dRalarosy, iray tamin'ireo dokotera valo malagasy voalohany. Ny Dr Ralarosy no niteraka an'i Dr Radaody Ralarosy, Malagasy voalohany niantsoroka ny toeran'ny filohan'ny Akademiam-pirenena Malagasy. Izy no lahimatoa ary Rasoanoro Denise renin'i Rô no faravavy.

FAHAMARINANA : FOTO-KEVITRA NIJOROANY

Amin'ny alalan'ny asa fanompoana niantsorohany no andeha hamaritana an'izay fanandratana ny fahamarinana novoiziny izay. Teo amin'ny faha-26 taonany, ny 5 desambra 1965 raha mbola tsy tafavoaka ho mpitandrina akory izy, dia efa voatendry ho mpitandrin'ny FJKM Ambohitrarahaba. Nisy tokoa ny fahasahiana tao anatiny na dia mavesatra aza ny asa miandry azy araka ny voalazany hoe :

"Fantatro ny laza sy ny toetran'Ambohitrarahaba kanefa raha ho resin'izany Andriamanitra izay fahamarinana dia tsy hijoro intsony ny fiangonana fa hikatona".

Izay "fahamarinana" izay no nijoroany ary namaritra ny tolony tamin'ny androm-piainany.

NY TOLON'I RÔ

Fanavaozana maro no nentin'i Rô teo amin'ny sehatry ny fiangonana fa ny lehibe indrindra dia ny famongorana ny hafetsena, fitsentsefana, fanararaotana, fanavakavahana ary ny fiheverana ny fiangonana ho fananam-pianakaviana. Mbola ao anatin'ny fahamarinana nijoroany koa ny nitolomany hisian'ny mangarahara eo amin'ny raharaham-bolan'ny fiangonana ka nahatonga ny fanenjehana azy. Nangotraka ny adiny, tonga hatrany amin'ny fanonganana azy tsy ho mpitandrina aza ny raharaha. Nanampy trotraka an'izany ny fifanandrifian'ny fisaraham-panambadiany tamin'ny 3 febroary 1977.
Nanangana ny fiangonana Jerosalema Vaovao tao Andafiavaratra Ambohitrarahaba izy izay lasa FJKM Tranovato Andafiavaratra Ambohitrarahaba taty aoriana. Tao no nisotroany ronono. Maro tamin'ireo mpiangona no nanana fari-piainana tsotsotra kanefa dia nahatsangana tranovato azo lazaina ho niainga avy tamin'ny tanam-polo sy finoana. Nahatalanjona an'i Daniele Rabary izay fahafoizan-tenan'i Rô izay :

"Izay nananany rehetra dia natotony tao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Tsotra ny tranony kanefa nahavita fiangonana sy nikarakara ireo mpiangona izy".

Andeha hatao hoe velona ho an'ny fiangonana ary maty ho an'ny fiangonana izy satria safidim-pony ny tsy hilevina am-pasan-drazana fa ho ao amin'ny tanin'ny fiangonana nisotroany ronono. Saika tanteraka ara-bakiteny ilay hira katôlika hoe:
"... Ialao ny tranonao sy izao tontolo izao e! Ka avia manaraka Ahy ianao".
Nitolona tokoa i Rô ary taratra ao amin'ny sanganasany avokoa izany.

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra RàjaRÔ : OLON'NY SORATRA

Voalaza tetsy am-piandohana fa mpikabary i Rô. Porofon'ny mahahavanana azy amin'ny fitenenana ny nitanany ny laharana voalohany hatrany tamin'ny taranja Toriteny teny amin'ny Kolejy nanofanana azy ho mpitandrina. Ny mety ho tononkalony voalohany dia izay hita ao amin'ny boky IRAKA (tak. 25) nosoratana teo amin'ny faha 16 taonany (janoary 1955) ho an'ny herinandron'ny ala teto Madagasikara. Tao amin'ny gazety Loharano koa dia nahitana ny diam-peniny, tamin'ny taona 1955 ihany, namoahana ny tantara indray miseho nahazoany ny loka faharoa.

I Ampamoha (Razafiarivony Wilson), Havàtsa-Upem anisan'ny akaikiny teo amin'ny soratra, dia nandray azy ho olomangan'ny literatiora araka izao fanazavany izao :

"Samy mitondra ny anarana Oram-panala izahay mirahalahy, niara-niasa tao amin'ny gazety Loharano. Nanokan-tena ho an'ny asa soratra izy, tanora dia tanora tokoa dia efa namiratra ary fantatry ny eran'Antananarivo tamin'izany ny maha mpanoratra azy. Azo lazaina fa olomangan'ny literatiora i Ro".

Nanamafy izany i Ny Kanto (Fabien Gaston Razakandrainibe), pôetan'ny Havàtsa-Upem sampana Frantsa, izay nifanerasera taminy :

"Tsapako tamin’ny fihaonanay mianaka ny fitiavan’i Rô ny Teny Malagasy. Azoko antsoina hoe Mpakafy ny fikirakiran-teny na koa Mpanao tao-teny izy. Vitsy ny olona ankehitriny no mitondra ny fandalinana ny Teny amin’ny sehatra lalindalina kokoa toa azy". Tena manampy ny mpiara-belona aminy hitia ny teny malagasy i Rô raha zohina tsara ny nanohizan'i Ny Kanto ny teniny : "hita sy re tamin’ireo resadresakay ny finiavany mikaroka sy mampiasa ny alokaloky ny teny samy hafa, mijery ny fiavian’ny teny sy ny tena dikany ka mahatonga ahy ho resy lahatra hatrany hatrany fa manankarena ny teny malagasy, ampy hilazana ny zavatra rehetra".

ASA FANAOVAN-GAZETY

- Niasa tao amin'ny gazety Loharano
- 1968-69 : niandraikitra ny gazety Faneva
- 1973 : niara nanorina ny gazety Ako Takariva tamin'Atoa Razafindrazaka
- 1976 - 1977 : voafidy ho Mpitahiry vola tao amin'ny Holafitry ny Mpanao Gazety.
- Mpanentana fandaharana tao amin'ny Radio Feon'Imerina, "Diam-penina sy ritsoka" sy "Tsiokam-piainana". Toy izao indray ny fanazavan'i Ampamoha izany : "Namirapiratra tokoa izy tamin'ny fanadihadiany ny mpanoratra tranainy efa lasa nodimandry sy ny tanora mbola herotrerony ka miara-mamindra eo amin'ny sehatry ny literatiora."

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja
BOKY NOSORATANY

- Bitsika Krismasy (1968)
- Sangodina (1972)
- Iraka (1975), amboaran-tononkalo.
   (Teny fanoloran-dRabemolaly Fanomezana)
- Setro-tsigara (1977), tantara
- Hetraky ny tolona, Tantara tsangana
- Lova tsy mifindra (2006) - Tantara. Mbola tsy nivoaka
- Mpamoaka tononkalo an-gazety koa izy : Loharano, Hehy...

LOHAHEVITRA NOVOIZINY

Ny tononkalom-pitolomana no tena novoizin'i Rô Andriamaneva ka nampivelatra ny aingam-panahiny : "29 mars", "Vonona ny Malagasy", "Fahatsiarovana" (ny 13 mey 1972)... Nitodika matetika tany amin'ireo kamboty sy sahirana ara-pivelomana ary ireo mitady fahafahana ny eritreriny toy ny "Adiriman'ny ZOAM" (1973), "Vahoaka alin-kisa" (1970), "Mainty aho" (1971)...

Amin'ny maha mpitandrina azy dia tsy nahavahiny azy ny lohahevitra momba ny finoana : "Talaho" (1974), "Tompo ô, nahoana" (1975), "Sambatra ianao mijoro" (1975). Noho izay resaka finoana izay ihany angamba no tsy nankasitrahany ny fampifandraisana ny fiainan'ny maty sy ny velona araka ity tononkalony hoe "Aza heverinao akory" ity :

"Tsy ny ranomasonao no hampiverina indray,
Na ny sentosentonao no hampifoha ny vovotany.
Fa ny maty aoka ho maty ary handry fahizay,
Ka fafao ny ranomaso, ajanony ny tomany."

Tafiditra ao anatin'ny lohahevitra ankafiziny koa ny resaka fanabeazana, fa mpanabe moa izy hoy isika. Anisan'izany ny "Ireo tanora" (1968) sy ity hoe "Mijoroa ialahy" (1972) ity :

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja
"Mijoroa ialahy leitia !
Ialahy… ialahy indrindra.
Tsy olon-kafa, sanatria !
Tariho leitsy ny famindra"

Mampiaina ny hakanton'ny fitiavana ao amin'ny tononkalony koa i Rô izay mampiontana tokoa toy ny "Nikimpy aho" (1963), "Iza?" (1972) :

"Iza anefa no ilazako ny ato am-poko tsy miloaka,
Moa ny olona mandalo? – Moa koa ireo vahoaka
Tsy mitovy hevitr’amiko, tsy mahatsapa ny ijaliako?
Tsia dia tsia… Ianao irery… Ianao tia sady tiako."

Eo amin'ny tantara sy sombintantara indray dia hain'ity mpanoratra ity mihitsy ny mamaritra ny vaninandro nanoratana azy saika ho isaky ny takila. Anisan'izany ohatra ny sombintantara "Herin'ny finoana" navoaka tao amin'ny bokin'ny Havàtsa-Upem (Havàtsa notsongaina) ho tsangambaton'ny faha-60 taonan'ny fikambanana. Vao eny am-piandohan'ny bokin-tantara "Setro-tsigara" fotsiny koa dia efa arangarangany ny volon'andro nampiainana ny tantara :

"... Na nitete aza ny hatsembohako ary na horaky ny hafanan'ny harerahana mitarika sarety noho ny fanararaotana ny andro tsena aza aho dia toa mandiso ny fivadiky ny natiora aho, satria sompatra loatra izy ka tsy mihantra ity izaho anaty lobaka manify tsy misy atiny sy pataloha manga izay tsy ho maina rahampitso akory, ary ity kapa kodiarana namboarina mba hiaro ny tongotra tsy ho vakivaky sy haratran'ny vakitavoahangy sy ny fantsika".
Setro-tsigara, tak. 7.

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja

FIKAMBANANA NISY AZY

- UPEM izy nanomboka tamin'ny 1956 ary voafidy ho Tonian'ny Birao foibe hatramin'ny 1962, niova ho HAVATSA-UPEM taty aoriana
- CEMEAM (Centre d'Entraînement aux Méthodes d'Education Active de Madagascar)
- AJDM (Association de la Jeunesse Démocratique de Madagascar) izay niova ho FTDM tamin'ny naha-Birao Nasionaly azy
- Holafitry ny mpanao gazety ary efa Mpitahiry vola tao.
- Sinodam-Paritany Ambatonakanga, voafidy ho tonia tamin'ny 1975.

MARI-BONINAHITRA

- Officier de l'Ordre National Malgache"

- Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres
   et de la Culture"

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra RàjaVAZIVAZY SY FAHAHENTERANA

Nitolona i Rô araka ny jaliny voalaza tetsy ambony ka nahavaky vava an'i Daniele Rabary hoe :

"Ny fieritreretako azy dia olona hanana fijaliana izy ka afeniny ao anaty vazivazy sy hehy ary hasiahana indraindray".

Olona tia vazivazy tokoa izy ary mahavatra manambara tsiahy eny amin'ny lanonam-pianakaviana sy korana samihafa. Iainany mihitsy aza ilay zavatra tantarainy indraindray araka ny namaritan'i Sariaka Ratsimihah azy hoe :

"Ilomanosany tanteraka ny zavatra tantarainy ka matetika no ifamonjena izy satria tonga amin'ny fitenenana hoe "toran'ny hehy" ara-bakiteny mihitsy".

Tsy arakaraka izay anefa fa eo amin'ny resaka fandrindrana sy filaminana dia hentitra tokoa izy araka ny fanazavan'i Nivo Andrianasolo, mpiara-miasa taminy tao amin'ny CEMEAM :

"Hentitra be izy, masiaka mihitsy aza indraindray eo amin'ny resaka filaminana sy fandrindrana; sarotiny amin'ny fitsipika sy ny fahamarinam-potoana ary tsy zakany mihitsy ny tsy fahatanterahan'ny zavatra efa nifanarahana fa hatao".

Nohamafisin'i Daniele Rabary izay fahasiahina izay tamin'ny naha Lehiben'ny mpiandrimaso an'i Rô tao amin'ny sekoly IEC. Mbola nahitana izany koa ny tao amin'ny Radio Feon'Imerina araka ny fitadidian'i Thina Andriafaly azy :

"Na dia mpananihany aza i Ro dia matotra be kosa izy eo amin'ny asa. Marim-potoana izy ary tena mahay mandamina izany fotoanany izany. Mazava ho azy fa sarotiny izy amin'ny fahamarinam-potoana".

Azo lazaina ho fitaovana fanatsarany ny kalitaon'ny fifandraisany aman'olona aza izay vazivazy izay, raha dinihina akaiky ny nanohizan'i Thina Andriafaly ny teniny :

"Raha mametraka fanontaniana izy mandritra ny anterivava (interview) dia somary mivantana sy mitsatotsatoka izay. Sangisangy zary tenany anefa izany, mody mananihany nefa misikotra ny am-parahatoky ny mpanoratra".

Ny tsy hiadian-kevitra anefa aloha dia olon'ny fo sy ny fifanakalozana i Rô ka mora tamin'ny olona ny miresaka maharitra aminy, araka ny fiheveran'i Ny Kanto azy:

"... Ambonin’izany rehetra izany ny fahatsorany sy ny famelàny ireo miresaka aminy tsy hisalasala fa ho toy ireny olona efa ela nifankahalala hatry ny ela ireny avy hatrany na dia vao haingana aza vao nifandray. Nanamarika ahy indrindra tamin’ny fihaonanay voalohany ihany koa ny nitondrany ahy hihaona sy hitafatafa tamin’ireo namana tao amin’ny efitra ambonin’ny Tahala Rarihasina, tsy iza moa izany fa ireo mpanoratra sy pôeta malagasy namana toa an-dry GRG, Ny Eja sns".

Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i µJocelyn Rakotondrainibe
IZA ?

Iza anefa no ilazako ny ato am-poko tsy miloaka,
Moa ny olona mandalo? – Moa koa ireo vahoaka
Tsy mitovy hevitr’amiko, tsy mahatsapa ny ijaliako?
Tsia dia tsia… Ianao irery… Ianao tia sady tiako.

Iza anefa no amborahako ny adin-tsaina ato anatiko,
Ireo olana mafaitra zary mila tsy ho tantiko
Iza? – Iza? – Ny voahary? O! tsy manan-tsaina ireny
Ianao tiako sady tia… Mieritreritra… Miteny…

Iza anefa no ibitsihako ny zavatra mahazo ahy
Ny adim-piainana itolomako ara-nofo sy fanahy
Iza no heverinao hilanja izany miarak’amiko?
Moa tsy ianao irery olon-toka-nosinganiko?

Iza anefa no itafako ny eritreritro miady
Ny mpiara-belona amiko ho kabary am-bavahady?
Ho mpandatsa ahy ireny, sy mpanenjika ny diako
Tsy misy mihoatra noho ianao… Tia ahy, sady tiako.

Rô Andriamaneva
30 Septembra 1972

NAHOANA

Nahoana no velon-toloko ry miaina rehetra eto an-tany
Ka ny sento no indro misoko arahin’ny fo mitomany ?
Nahoana kanefa nahoana raha mihira ny fanantenana,
Fa handositra ny fisentoana… Handositra sy tsy ho tana

Nahoana no miondrika lava amin’izato tarehy malomaloka ?
Nefa ny aizina mbola hisava, hisinda, tsy maintsy ny aloka
Nahoana no velon-taraina ao anatin’ity sentosento,
Mbola misy eny ange ny maraina… Fa fiaina-mandalo no eto

Nahoana tokoa e no trotraka eny anivon’ankason’ny tany
‘Zay milingilingy ho potraka, ny lavo miharina hatrany
Nahoana no mety ho resy, manary an’ilay fitokiana
Ny miezaka atao ankisesy, ny tsihy e no fola-tsindriana

Rô Andriamaneva
1958


Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i Toetra Ràja
29 MARS
 
Mbola maizina ny tany, nangidy aza raha ambara
Niaina anaty fijaliana ny mponina eto Gasikara.
Niforitra tsy sahy nitraka ny vahoaka anaty sento,
Nanampatra ny habibiany 'reo mpanjanan-tany teto,
Nanitsakitsaka ny zo maha olona ny olona
Nanosihosy lozan-tany ny fiavotana sy tolona.
Nogadraina ireo mpitarika, notifirina ny sasany,
Novonoina koa ny hafa, nofatorana ny asany.

Nisy anefa sahy nijoro, najininikany ny rany.
Nolevoniny ny tenany fantany ny hiafarany
Fantany izay ho tohiny any ambadika any ho any,
Fantany izay ho vokany, fa ny ra namonto tany
Dia ho zezika hanafaka ny tanindrazana mijaly
Ka ho hery izay nanavotra ny fiforetana omaly
Sy ho aina izay hamelona ny efa resy mitambolona
Ary hanala koa ny zioga mianjady amin'ny olona.

Fa tsy very maina izany, misy akony sy hasina
Misy lanjany tokoa ny tanindrazana fa masina
Tsy navelan'ny tontolo mba hijanona amin'izao
Tsy neken'ny rehetra ny hijalijaly tao...
Ary ireny ankehitriny no mibitsika ao am-po
Sy manaitra indray ny saina hatsiahy ny taloha,
Ka hiondrika amin-kaja 'reo rehetra Maritiora
'Zay namoy ny aina aza, satria izany anie tsy mora.

Rô Andriamaneva
28 Marsa 1973


Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i µJocelyn Rakotondrainibe

SATRIA NASONDROTRY NY VITANA ?

Jereo anie 'reo boto an-tsena
Borizano sy mpitrongy
Fa mameno firenena
Nefa tsy afaka midongy
Ny anio tadiaviana, zahana
Tsimponina eny an-jaoridira.
Ny hafa anefa mikorana
Sy fantatra mikirakira
Isan’andro, isan’alina
Vola an’hetsiny, aman’alina
Satria nasondrotry ny vitana ?

Jereo ‘reo zaza marobe
Tsy mahita ‘zay fianarana
Fa mameno ny arabe
Ataon’ny hafa fiakarana
Angamba tsy safidy ‘reny
Fa ny harefotra tsy misy
Koa aleony dia manjeny
Ny andro lava, ka indrisy…
Dia tsy afa-mifangaro
Amin’ny hafa fa devoly
Ny hafa anefa mikiraro
Sy tafiditra an-tsekoly
Satria nasondrotry ny vintana ?

Jereo anie ‘reo mpiasa tany
Fa mitete ny hatsembohany
Efa sasatra aok’izany
Ary hatramin’ny nanombohany
Ny sakafo madarasy
Na vary maina tsisy laoka
Nefa ain’ny Malagasy
Ary anisan’ny vahoaka
Moa tsy izany no hetraketraka
Ny hafa anefa toa mipetraka
Ambony seza dia mitango
Amin’endrika mandango
Satria nasondrotry ny vintana ?

Rô Andriamaneva
30 oktôbra 1975


Rô Andriamaneva, sary nomeny an'i µJocelyn Rakotondrainibe

                        ANTSO
Injany feo
manehoeho
toa tsy ampy
mitsitapy
moramora
isan’ora
ato anaty
Feo tsy maty
fa milako
ka manako
eny ho eny
Toa miteny
ka misisika
mandrisika
ny olona
hitolona
hamory
sy hitory
famonjena,
tsy terena,
Ka omena
fiadanana
ho tanana
finaritra
maharitra
hatrany an-danitra
ho an’Andriamanitra
Feo mitady
anao hiady
mba hitarika
hisarika
ireo vahoaka
izay nivoaka
izany vala
tsy mahalala
intsonintsony
ny am-pony
an’Andriamanitra
any an-danitra
Ianao antsoina
Mba hanohina
nokatsahina
irahina
hatraiza, hatraiza
mba hitaiza
ny fanahy
tsy ho ahy
irery ihany
fa ny tany
manontolo
ny tontolo
rehetra rehetra
tsy voafetra
hitoriana
fifaliana
tsy an-kanavaka
mba hivavaka
amin'ny Ray
ka handray
ny fitahiana
Ianao no tiana
ka tafiana
mba hiady
sy hitady
izany very
Tsy ho irery
anefa ianao
fa ao dia ao
Kristy
tena tia
Azy ny asa,
ianao mpiasa
sy mpanompo
Ao ny Tompo
Izay mitantana
Mivantana
Antsoina ianao
anio izao
mba hamonjy
sy hitory
famonjena

Rô Andriamaneva
21/06/73
______________________
LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA

Boky
- ANDRIAMANEVA RATSIMIHAH, R. (1975). Iraka (Amboaran-tononkalo). Antananarivo : Trano Printy A.T.
- ANDRIAMANEVA, R. (1977). Setro-tsigara. Antananarivo : Ako Takariva
- HAVATSA-UPEM. (2012). Havàtsa Notsongaina. Antananarivo. Primark
- RASOANANDRIANINA, L. (tsy mbola nivoaka boky). Famakafakana ny tononkalon'i Rô Andriamaneva

Aterineto
- RAJAONARIVONY, T. (2013). "Nikimpy i Rô", hita tao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/lahatsoratra/page-40.html

Kapilan-tsary amam-peo
- Nalain'i Nivo Andrianasolo tamin'ny andron'ny fandevenana azy ka nandrenesana ny lahatenin'i Ampamoha sy Rabefananina

Isaorana manokana ireto olona ireto tamin'ny fifanakalozana
- Clémentine Rajaonarivony
- Jocelyn Rakotondrainibe
- Hery Ratsimihah
- Nivo Andrianasolo
- Thina Andriafaly
- Sariaka Ratsimihah
- Daniele Rabary
- Fabien Gaston Razakandrainibe

Lahatsoratra : Toetra Ràja
Sary : Jocelyn Rakotondrainibe, Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com
 

Date de dernière mise à jour : 07/04/2019

×