Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


05 avrily 2012
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


NY BOKY SY NY FAMPANDROSOANA NY ASASORATRA
Lahateny famelabelaran-kevitra nentin'i RADO RAMAHERISON tao amin'ny Tranombokim'pirenena Anosy

Daty, toerana, ora : 23 Aprily 2012 (andro eran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona) , Efitrano malalaka Tranombokim-pirenena Anosy, 2 ora sy sasany tolakandro

 

 

Lohahevitra : "NY BOKY SY NY FAMPANDROSOANA NY ASASORATRA"

Mpamelabelatra :

Atoa Jeneraly Désiré Philippe RAMAKAVELO (MADERA)

Atoa RAMAHERISON Radoarijaona (RADO RAMAHERISON)

Atoa Claude RABENORO : Filohan’ny Mpamoaka Boky eto Madagasikara

Rtoa Huguette RASOAMANANORO : Filohan’ny Mpivaro-boky eto Madagasikara

Atoa RANJARIVO Haja : Talen’ny OMDA

Taona vitsivitsy lasa izay raha namaky ny boky Zava-kanto vita amin’ny teny nosoratan’i Profesora Siméon RAJAONA i RADO (Georges ANDRIAMANANTENA) dia loa-bava ny hoe: "Fa nahoana no tsy mba nisy boky tahaka itony tany amin’ny misandratrandronay? Inoako marina mantsy fa ho lasan-davitra kokoa ny sora-kanto nilofosanay, raha mba nisy famahavahana mahafatra-po azo niondanana tahaka izao fahizany. (…) Nony voavaky manontolo indray ny boky dia mainka nibosesika nanao tsy omby aloha ny eriteritra isan-karazany tao anaty tao. Ny iray tsy afa-mandefitra dia ity: manan-jara samy mpanoratra ireo "vorom-panova hena" ankehitriny raha manana itony ho fitaovana enti-manakanto ny asany". Dia eo no mipetraka ny fanontaniana ny hoe isika ankehitriny ve mahatsapa izany harena eo am-pelatanantsika izany satria tsy ny boky Zava-kanto vita amin’ny teny irery intsony ankehitriny no boky tahaka izany; isika Poeta sy Mpanoratra manoratra sy mandrafitra ny ho tantaran’ny haisoratra malagasy rahampitso, anio, anio ve isika afaka miteny fa mbola mampandroso ny asasoratra tokoa ny boky ankehitriny? Eto isika ary hifanapatapak’ahitra, hiray dinidinika dia ny tsirairay avy eo no aoka handray izay mahasoa azy.

Rehefa mba sendra tafaresaka amina Poeta na Mpanoratra ny tena na mba mamakafaka izay  nahatonga ny olombelona iray ho amin’izany toerana izany dia valin-teny iraisan’ny maro amin’izy ireny amin’ny ankapobeny ny fampitiavana azy namaky boky tany amin’ny fahazazany. Nahitam-bokany tokoa izany satria dia izany, teo amin’ny fahatanorany taty aoriana, no nanombohany nampiadiady rima sy nakanakany tahaka izay Poeta namoha ny "Poeta natory tao anatiny" ary dia mbola izany ihany koa  no nampiofo sy nampivelatra tsikelikely ilay talentany ka nahafahany nandroso teo anoloan’ny mpamaky ilay "rivotra" maha izy azy rehefa nitohy nandalina sy nikaroka tamin’ny alalan’ireo boky maro samihafa  izy satria tokoa mantsy "Tsy ianarana ny manoratra tononkalo fa talenta azo kolokoloina" (Niry-Solosoa) amin’ny alalan’ny fijerena izay vitan’ny teo aloha, ary rehefa voakolokolo izany dia izay no miteraka ilay mampiavaka ny tenany manokana rehefa "namorona fa tsy namerina" (elie rajaonarison)  izy dia izay mampiavaka ny tena manokana izay izay tsy inona akory fa ilay tanjona tokony hotratrarin’izay rehetra te ho Poeta na Mpanoratra marina.

Miresaka famakiana boky isika ary rehefa famakiana boky dia iaraha-manaiky fa tsy ny boky rehetra akory dia ary ho eo an-tanantsika avokoa ary misy dia misy aza ireo boky izay sady tsy hita eny Ambohijatovo no tsy ahitana fanontana vaovao intsony koa fa dia any amin’ireo trano famakiam-boky sisa hahitana azy ireny; manan-jara anefa isika satria dia mbola maimaim-poana hatreto na amin’ny sarany mbola azo ambara fa mora dia hahafahana mamaky ireny boky ireny.

Taona iry, hono, iry no lalana, taona ity, ity no lalana, tsaroana etoana ny fanirian’i Profesora Albert Rakoto RATSIMAMANGA hoe "Malagasy mandroso fa mijanona ho Malagasy", efa miaina izany ny sasantsasany amin’ireo Poeta sy Mpanoratry ny vanim-potoana ankehitriny satria ankoatra ny fanehoana ny boky mivoaka amin’ny alalan’ny tsangantononkalo na antsatononkalo tahaka izay fanaon’ny FARIBOLANA SANDRATRA isaky ny alarobia fahefatra ao amin’ny CGM sy ny fampiasana ny boky hamatsiana asasoratra ireo fandaharana amin’ny hainoamanjery sy ireo gazety literera tahaka ny Ambioka na ireo gazety manome sehatra ny haisoratra tahaka ny efa nisy hatrizay sy manoloana indrindra ny fahasarotan’ny famoahana boky, ny tsy famakian’ny maro amintsika boky intsony noho isika variana amin’ny haitao vaovaon’ny fifandraisana dia efa mampiasa ny "takilan-drohy" (page facebook) hanapariahana ny asasorany ankehitriny na ny FARIBOLANA SANDRATRA na ny HAVATSA-UPEM na koa ireo Poeta na Mpanoratra vitsivitsy efa resy lahatra amin’ny fampiasana izany . Eo ihany koa ny tranonkala miompana amin’ny haisoratra malagasy dia ny www.haisoratra.org sy ny www.poeta.webs.com saingy ny tsy azo adinoina dia fanampiana ihany ireny satria na toy inona na toy inona fandrosoan’ny aterineto dia mbola ny boky hatrany aloha no fanovozam-pahalalana mahomby indrindra.

Miresaka FARIBOLANA SANDRATRA sy HAVATSA-UPEM isika, mbola ilaina ambara indray ve fa fivondronana Poeta sy Mpanoratra avokoa izy ireo ary raha misy vaindohan-draharaha sahanin’izy ireo dia ny fampivelarana ny haisoratra malagasy amin’ny alalan’ny fandraketana azy ireny ho boky satria tokoa tsy mbola ny Poeta sy Mpanoratra rehetra akory no hahavita hamoaka boky amin’ny herin’ny tenany irery; maneho ny fandrosoan’ny boky sy ny soratra ihany koa araka izany ankehitriny ny fitsanganana vondrona Poeta sy Mpanoratra tahaka ny Vondron’ny Korirakanton’ny Haisoratra malagasy (V.K.H.M), ny Fikambanan’ny Mpanoratra sy Mpankafy Sombintantara (F.M.M.S) ary ny Fikambanan’ny Mpanoratra Tantara (F.M.T)….

Mivoatra sy mandroso araka izany ny tontolon’ny boky ary mampandroso ny asasoratra koa izany saingy na eo aza izany anefa tsy tonga na tsy mandray azy ny mpamaky dia mandeha ila ihany izany, tsy azo adinoina mantsy fa andry tena ilaina mampijoro ny literatiora ankoatra ny Mpanoratra sy ny Soratra ihany koa ny Mpamaky (Lovako T12, tak.112) . Raha tsy eo ny mpamaky dia hitory teny an’efitra sy tsy hisy hihaino ihany ny Poeta sy Mpanoratra efa manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitoriana ny vaovao mahafalin’ny haisoratra malagasy koa dia asakasantsika mpamaky fa atsipy, hono, tompoko, ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.Misaotra indrindra naharitra nihaino, mankasitraka indrindra Tompokolahy, mankatelina indrindra Tompokovavy.

RADO RAMAHERISON, Aprily 2012

poetawebs@gmail.com