Créer un site internet
Teny ibeazana, mampiofana ny vondrona TG2.0
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

25 janoary 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

ANDRON'NY TENY IBEAZANA
MAMPIOFANA NY VONDRONA TENY GASY 2.0

Fanolorana fiofanana no entin'ny vondrona Teny Gasy 2.0 manamarika ny andron'ny teny ibeazana amin'ny 21 febroary. Mandritra ny sabotsy efatra amin'ny volana febroary no hanatanterahany izany.

Hizara ny traikefany amin'ny fomba famoronana blaogy io vondrona io. Ambonin'izany dia miombona antoka amin'ny Pôetawebs sy ireo vondrona ao amin'ny Facebook izy amin'ny fiofanana momba ny fifehezana tsipelin-teny sy ny ohabolana. Ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no miahy ny hetsika izay hatao ao amin'ny ivokolo CEMDLAC ny sabotsy 08, 15, 22, ary 29 febroary tolakandro mandritra ny adiny telo (2 ora - 5 ora).

- I Ando Nantenaina avy ao amin'ny Teny Gasy 2.0 no hampiofana amin'ny resaka blaogy.

- Ratsimbazafy Heriarilala avy ao amin'ny tranonkala Pôetawebs sady mpandrindra ny vondrona "Tsipelintsika" no hiandraikitra ny tsipelina

- I Sitraka Feno Tanteraka avy ao amin'ny pejy "Ahoana no fanoratra?" kosa no hizara fahalalana momba ny ohabolana.

Ity andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny ity indrindra no fotoana fanentanana ny vahoaka hiverina hankamamy sy hanaja ny hasoan'ny teny malagasy. Miharihary tokoa mantsy any amin'ny aterineto sy ny tambajotran-tserasera ny tsirambina izay zary paradisan'ny fahadisoan-tsipelina sy fiantsampazana any amin'ny voambolana vahiny. Fampianarana sy fampahatsiahivana rahateo ny maha manankarena voambolana ny teny malagasy koa ity fiofanana ity.

Tamin'ny 21 febroary 2000 no nametrahan'ny UNESCO io daty io ho andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny mba hampiroboroboana ny fahasamihafana sy ny fahamaroan'ny teny sy ny kolontsaina. Araka ny tantara dia ny 21 febroary 1952 tokoa mantsy ireo polisy sy miaramilan'ny Pakistan nifehy an'i Bangladesh tamin'izany fotoana izany no nitifitra ireo vahoaka nanao fihetsiketsehana ho an'ny zon'ny fiteniny tao amin'ny tanànan'i Dhaka. Ny ra mandriaka tamin'izany no manaporofo ny lanjan'ny teny amin'ny maha olombelona.

Misokatra ho an'ny rehetra ny fiofanana ary maimaimpoana ny fanarahana azy. Ny famaranana ny fiofanana dia homban-danonana atrehin'olona manan-kaja, ravahina hira sy dihy ary tononkalo. Ireo mahavita fiofanana 3 amin'ireo 4 atolotra dia hozaraina mari-piofanana. Fifanakalozana mandritra ny tsakitsaky sy fialana hetaheta no hamaranana ny fotoana.

Ny mpiombona antoka amin'ity hetsika ity dia manentana ny fandraisan'anjaran'ny mpikirakira tambajotran-tserasera, tranonkala, blaogy, mpianatra, mpampianatra, olona maniry hampiasa na hanaparitaka lahatsoratra amin'ny teny malagasy madio eo anivon'ny aterineto.

Lahatsoratr'i Toetra Ràja


© poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 25/01/2020