Poetawebs
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

01 novambra 2018

FAHAZATO TAONA NAHATERAHAN'NY POETY SY MPANORATRA TELO LEHIBE

- 1918 - 2018 -
"MUSE ET MUSIQUE" - Poésie Malgache

Tatitr'i Hanitr'Ony

Toy izany no lohateny nomena ny hetsika nokarakarain'ny Fikambanana iraisam-pirenen'ny Vehivavy ao Frantsa sy ao Madagasikara na A.I.F.M. (Alliance Internationale des Femmes de France et de Madagascar) sy ny P'ART ILE MADAGASCAR (Promotion de l'Art et de la Culture de la Grande Ile Madagascar) tao Parisy, ny zoma 26 ôktôbra 2018 tolakandro teo.

FAHAZATO TAONA TELO
Telo mirahalahy ireo poety sy mpanoratra nankalazaina tamin'izany hetsika izany, dia i ENER LALANDY (1918-2005), i CELESTIN ANDRIAMANANTENA (1918-2002) ary i E.D. ANDRIAMALALA (1918-1979), izay samy tsy zoviana amintsika mpamaky ny Poetawebs intsony, satria efa maro ny tatitra niseho teto momba ny fankalazana manetriketrika ny vaninandro nahaterahan'izy ireo, izay nokarakarain'ny Fikambanan'ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy HAVATSA-UPEM, nandritra ity taona 2018 ity. Tsy iza fa ny Olomangan'ny Firenena izy ireo satria dia nikolo sy nanabe ny taranaka Malagasy tokoa ny asa soratra sy ny zava-bitany.


I ENER LALANDY dia sady isan'ireo 15 nanorina ny U.P.E.M. (HAVATSA nanomboka ny taona 1997) tamin'ny 6 septambra 1952 no mpanoratra fanta-daza namoaka lahatsoratra sy tononkalo maro tamin'ny Gazety mpivoaka tamin'ny fotoan'androny (Ny Takariva, Ny Mpandinika, ny Gazetim-panjakana, Ny Sakaizan'ny Tanora, Ny Vaovao, Ny Hehy, sns...), izy ihany koa no mpandrindra ny fandaharana "Valiha tory folo sy Bitsiky ny Poety" tao amin'ny Radio Madagasikara.

I CELESTIN ANDRIAMANANTENA dia isan'ireo nanatevin-daharana tao amin'ny Havatsa U.P.E.M koa ary filohan'ny fikambanana (1991-1995), namorona ny Gazety Valiha mivoaka isam-bolana hita ao amin'ny Gazetiko ankehitriny isaky ny alakamisy voalohan'ny volana; mpanao gazety izy, niara-nanangana ny Gazety HEHY tamin'ny rahalahiny ANDRIAMANANTENA Georges na RADO, ary nanoratra ny "Diary Mena" izay ahitana tantara mikasika ny zava-nitranga tamin'ny Tabataba Marsa 1947.

I E.D. ANDRIAMALALA moa dia mpanoratra Tantara foronina ianarana any an-tsekoly noho izy ao amin'ny fandaharam-pianarana atolotry ny Ministeran'ny Fampianarana. Raha mbola mpianatra Malagasy dia tsy misy tsy mahalala azy. Ankoatra ny "Menarana", "Ilay Vohitry ny nofy", "Fofombadiko", "Ranomasina", sns... dia poety koa izy ary nanasonia ny tononkalony tamin'ny anarana hoe ISLO DE VALIHA.

FAMPAHAFANTARANA ANY IVELANY
Tsy afaka ny tsy hanamarika izany fety lehibe izany ny fikambanana manandratra ny Kolontsaina Malagasy toa ireto roa tonta ireto, satria andro iray toa zato, taona iray toa arivo ity 2018 ity noho ny fahafenoan'ny zato taona naha olona azy telo ireo. Isan'ny tanjon'ny AIFM ny manandratra ny Vehivavy sy manampy azy ireny, isan'ny antom-pisian'ny fikambanana P'ART ILE MADAGASCAR ny hampahafantatra ny mpanoratra Malagasy sy ny haisoratra any ivelany. Koa notanterahin'izy ireo niaraka tamin'ny MVAC 8 (Maison de la Vie Associative et Citoyenne du 8ème), tao Parisy ny antsa tononkalo sy hira mandravaka azy, ho fanolorana ireo mpanoratra ireo any Frantsa. Ora fiasana no nanatontosana ny fampisehoana satria izay no nahazoana ny trano, mbola voatana tamin'ny adidy sy ny asa ny ankamaroan'ny olona, na izany aza anefa dia nisy ny tonga, ary liana tanteraka sy finaritra aok'izany ireto Vahiny namantatra ny poezia malagasy sy ny ngadona mampiavaka ny Nosy. Nangataka ny hamerenana izany fotoana izany mihitsy aza ireo hitondrany ny namany, hono, fa matiantoka izay tsy mba nahita izao.


FANDAHARAM-POTOANA
Noho ny faniriana hampivelatra ny kolontsaintsika any ivelany dia natao tamin'ny teny roa ny fampisehoana: Malagasy sy Frantsay. Firifiry tokoa moa ny asa soratra mpanoratra Malagasy mba voadika amin'ny teny vahiny e ? Raha oharina amin'ny firenena hafa dia tsapa fa mbola mila ezaka isika hampitana ny zava-kanto vita amin'ny teny amin'ireo olona hafa firenena amintsika. Tsotra no fangatahan'ireo nanotrona, dia ny hisian'ny asa soratra mpanoratra andrarezina toy izao, amin'ny teny samihafa (Frantsay, Anglisy, Espaniola, sns...) mba hahazoan'ny mpamaky rehetra mamantatra sy mankafy, satria tsy voafetran'ny tany niaviany ny Zava-kanto sy ny Haikanto.

Nizara telo àry ny fotoana, taorian'ny fandraisana sy fidirana nataon'ny Filoha roa tonta, Rtoa Francine RANAIVO (AIFM) sy Rtoa Raivo Patricia SALOMON (P'ART ILE MADAGASCAR). Nisy fanolorana ny mpanoratra tsirairay, arahina antsa ny tononkalony ravahana feom-balihan'i Dédé Sorajavona, elanelanin'ny hira malagasy lalaovin'ny Tarika. Tsy tononkalo ihany anefa fa ny lahatsoratra nalaina tamin'ny bokin'izy ireo avy koa dia nozaraina sy nadikan'i Hanitr'Ony tamin'ny teny frantsay avokoa. Ohatra ny "Aoka ho masaka ifotony", nosoratan'i Ener Lalandy, "Adiady" notsongaina tao amin'ny Mampihomehy Fa Marina. Ohatra koa ny ampahan'"Ilay Vohitry ny Nofy" an'i E.D. Andriamalala sy tononkalo noforoniny ao amin'ny pejy faha-5'ny "Menarana". Ohatra farany ny famakiana ny "Diary Mena" taorian'ny fiantsana ny "Voninkazo" sy ny mombamomba an'i Célestin Andriamanantena.

Rehefa tapi-nahazo vatsy ny saina, nametra-panontaniana ny mpijery, dia nofaranana tamin'ny tsakotsako nifampizarana ny tolakandro.

NY VEHIVAVY EO AMIN'NY FAMORONANA SY NY AINGAM-PANAHY
Ny tena mampiavaka ity hetsika ity dia noho izy nomena ny lohahevitra momba ny Vehivavy manosika ny poety na mpanoratra hamorona. Izany moa ny "Muse" dia ilay zazavavy manentanentana ny fanahy hanefy zava-baovao indray, ary tsy manam-pahataperana izany famoronana izany, fa isaky ny eo ny "Muse" dia manome hery ny aingam-panahy hiakatra. Izay anjara toeran'ny vehivavy teo amin'ny asa soratr'ireto Vatolahy ireto izay no navoitra tao amin'ny fampisehoana. Novakina avy tao amin'ny "Diary Mena" ny toko "Tsiahy" sy "Vohipeno", izay andokoan'i Célestin Andriamanantena ny toeran'ny vehivavy iray, dia Rtoa Raharivololona, eo amin'ny tokantranony, ny fiaraha-monina ary ny antoko M.D.R.M. misy azy. Ny an'i Ener Lalandy koa araka ny voalaza tatsy aloha dia "Adiady" mila fandravonana noho ny fifampitezerana vehivavy mpifanolobodirindrina na mpiray tanàna no notantaraina, soa fa naravon'i Dadabe Rainilandy ny olan'ny vehivavy miadiady tsy azo laizina. Ny an'i E.D. Andriamalala moa dia notsongaina tao amin'"Ilay Vohitry ny Nofy", izay ahitana taratra ny toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiainana lehilahy iray "Dia vintako mihitsy ve ny havotam-behivavy rehefa misy loza mananontanona ny fiainako?", hoy ny fampitenanan'ny mpanoratra an'i Rija, raha avy navotan'i Niry tamin'ny fahasahiranana sarotra izy. "Musique" na Mozika koa anefa satria eo koa ny hira manaingo ny antsa izay manaja ilay lohahevitra avokoa, ary ny Tarika Sorajavona moa dia mihira poety Malagasy efa 40 taona mahery izao, ka mivady amin'ny feon-kira tena malagasy ny tononkira mikasika ny vehivavy. Misy aza hainteny. Nohirain'izy ireo ny "Zazavavy", "Tsy afaka mamoy", "Haody Rasoavolotara", ary ny "Niadivan-janakao" an-dRakotozafy. Eo amin'ny sehatry ny hira koa dia misy tokoa ny "Muse".

FISAORANA
Nifarana tamin'ny fiarahana miala hetaheta sy fifampizarana vatsy ny fihaonana, niara-nisotro ny ranomboankazo sy nihinana ny mamy nahatsiaro ireto Olomanga Malagasy telo ireto. Tsy nohadinoina ny nanonona ny fankasitrahana ireo mpijery tonga nanatrika sy nankafy ny haisoratra malagasy, ny fisaorana ireo rehetra niara-niasa : ny Radio Echos du Capricorne, Ralf Croissance.com izay miara-miasa mahafatra-po hatrany ary manome sehatra eo amin'ny serasera ny tatitra ho hitan'ny maro, ny MVAC 8è nampiantrano, ny mpanomana P'ART ILE MADAGASCAR sy ny AIFM ary ny Tarika Sorajavona. Tsy hadinoina ny tranonkala Poetawebs izay mitahiry ny mombamomba ireo mpanoratra ireo ary indrindra Rtoa Hajaina Andrianasolo nanangona izany.

Noho ny fitakian'ny maro dia mety mbola haverina iny seho iny. Ny irina indrindra kosa anefa dia ny hanampian'ny Mpanoratra Malagasy ezaka handika amin'ny teny hafa ny asan'ny mpanoratra manan-danja lehibe toy izao, mba hampitombo ny hasin'ny Tenindrazana sy ny maha Malagasy eo imason'izao tontolo izao.

Tatitra sy sary : Hanitr'Ony



Miankavanana : Dédé Sorajavona, Raivo Patricia ary Francine Ranaivo

Miankavanana : Dédé Sorajavona, Raivo Patricia, Hanitr'Ony,
Francine Ranaivo ary Andry Salomon




Ny tarika Sorajavona




Hanitr'Ony miantsa tononkalo

Ireo mpanatrika
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 01/11/2018

×