Créer un site internet
Sorapiainan-dRajemisa, fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 marsa 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs

Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs Fantaro i

Régis Rajemisa-Raolison

(1913-1990)
Pôeta
Mpanoratra
Mpampianatra
Mpikaroka
Mpanao gazety
Akademisianina

— Fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy

"Rah' misy mitady ny tena hafaliana
Tsy azon' ny ratsy akoro, ravana,
Dia tokana monja no azo valiana:
Ny FANANTENANA!"

Anisan'ny nahafantarana an'i Régis Rajemisa-Raolison izany andinin-teny izany, nentiny nampidirana ny tononkalony "Ny fanantenana" ary mbola naveriny teny am-pamaranana ihany koa. Nitaiza ny mpiara-belona taminy izy handala hatrany ny fanantenana, na inona na inona mitranga, mba hahazoana fifaliam-po hiatrehana ny fiainan-ko avy.

Teraka ny 8 mey 1913 tao Antsiranana i Régis Rajemisa-Raolison, zanaky ny governora Rajemisa Edouard sy Razaivelo Victoire niasa tany an-toerana. Avy ao Ambatoroka ny rainy ary avy ao Ankadindambo Ambohimangakely kosa ny reniny. Nampakatra an-dRazanajao Julienne ho vadiny izy ny taona 1942 ary roa lahy sy telo vavy no naterany dia Raolisoa Julienne Agnès, Razakaharisoa Baholy Marie Victoire, Rajemisa Raolison Jacques Ploinaire, Rajemisa Raolison Pascal Marie Ansèlme, Rajemisa Raolison Fara Therèse de l’Enfant Jésus. Ny 19 jona 1990 kosa izy no nodimandry ary milevina ao Ankadindambo Ambohimangakely. 

Amin'ny maha mpanao raharaham-panjakana ny rainy dia nifindrafindra toeram-piasana izy ireo. Niovaova ihany koa araka izany ny sekoly nianarany.
Tao amin’ny sekolim-panjakana Ambinanindrano aloha no nanombohany nianatra tamin’ny taona 1921. Naniry ny ho pretra izy ka nifindra tao amin’ny sekolin-dry Frères Maristes Betafo sy Antsirabe ny taona 1922, ny sekolin-dry Frères Des Ecoles Chrétiennes Ambositra ny taona 1923, ary tao Andohalo kosa ny 1924.

Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs
Régis Rajemisa-Raolison


Nanohy ny fianarany tao amin’ny Semineran’Ambohipo izy ny 1924-1931, Novisian’ny Mompera Zezoita ny 1931-1932. Tao amin’ny Semineran’Ambohipo no namitany ny fianarany ambaratonga faharoa manontolo "Etudes classiques latin-grec" sady nanomanany sy nanalany fanadinam-panjakana amin’ny ambaratonga voalohany: ny CESD (1928) ary ny CAE tamin’ny 1929, teo amin'ny fahenina ambin’ny folo taona monja.

PÔETAN'NY FANANTENANA
Nofinofy tsy tanteraka anefa ny fanirian'i Régis Rajemisa-Raolison ho lasa pretra izay voatery novonoiny noho ny antony ara-pahasalamana ka nandaozany ny Novisia tamin’ny taona 1932. Nirotsaka ho mpampianatra nandritra ny 25 taona àry izy, fanapahan-kevitra nahazoany fahombiazana nanfritra ny androm-piainany noho ny fanantenana velona nitoetra tao anatiny. Tamin’ny Misiona Katolika tany Manjakandriana no nanombohany izany, 9 taona kosa ny tao amin’ny kolejy Masina-Misely. Nampanomana mpianatra haka CESD izy tamin'ny 1933-1942, nampianatra efa-taona tao amin’ny Institution Vigny ary iraika ambin’ny folo taona indray tao amin’ny kolejy Masina-Misely nony niova ho ambaratonga faharoa ny tao.

Voantso hanao asan’ny "Chef Adjoint de Cabinet" tao amin'ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka kosa izy ny taona 1957 ka nampiato kely ny fampianarana nandritra ny herintaona sy tapany nanaovany izany. Nahazo toerana tao amin’ny Foibem-pikarohana momba ny Teny sy ny Fahendrena Malagasy" (Centres d’Etudes et d'informations sur la Langue et la Civilisation Malgaches) indray izy avy eo, sampadraharaha iray vao niforona tamin’izany fotoana izany.


PÔETAN'NY ANDRAIKITRA

Ankoatra ny asa fivelomany dia niaina ny nivelatra tamin'ny maha mpanoratra azy ny andraikitra nosahanin'i Régis Rajemisa-Raolison.

1- Régis Rajemisa-Raolison sy ny asa fanaovan-gazety
* Niara-nanoratra tamin’i Jacques Rabemananjara ny Revue des jeunes de Madagascar sady tonian’ny fanoratana tao (1935-1936)
* Niara-nanoratra tamin’i Elie Charles Abraham ny Gazety literera voasoratra tamin’ny teny malagasy sy frantsay "L’île Australe" na "Eto anivon’ny Riaka" (1945-1948), sady tonian’ny fanoratana tao.
* Tonian’ny fanoratana ny gazety "La voix malgache" (Ny feon’ny Malagasy) sady lehiben’ny fanaparitahana azy.
* Niara-nanorina tamin’i Alexis Bezaka sy Rakoto Raomandah ny gazety politika, sosialy sy literera: "L’action malgache", gazetin’ny antoko RNM (Rassemblement Nationaliste Malgache).

2- Fikambanana
- UPEM (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches), fikambanan’ny Pôety sy ny mpanoratra malagasy. Filoha mpanorina tamin'ny taona 1952 niarahany tamina mpanoratra 14 mirahalahy ary nitaritany azy mandra-pahafatiny. Tamin’ny androny ny UPEM no nekena ho mpikambana ao amin’ny ASSOCIATION des ECRIVAINS PANAFRICAINS.

Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs
Karatry ny maha mpikambana UPEM

- Comité de Défense et Illustration du Patrimoine Littéraire et Culture Malgache : fikambanana namoaka am-boky ny asan’ny mpanoratra malagasy. Filoha.

- Akademia Malagasy

  . "Membre Correspondant" (1967)
  . "Membre associé" (1960)
  . "Membre titulaire" nanomboka tamin’ny 1962
  . Filohan’ny sokajy voalohany, sokajin’ny teny sy haisoratra ary hairaha malagasy. Filoha lefitry ny akademiam-pirenena mandra-pahafatiny (1990) izy araka izany.

- Comité diocésain de l’APEL, filoha lefitra (1956-1960) ary lasa Filoha taty aoriana. Tany Fianarantsoa, nanao famelabelarana tamin’ny fivorian’ny APEL natrehin’ireo relijiozy izy.

- SEROI (Société des Ecrivains de la Région de l’Océan Indien). Mpamorona tamin’ny 9 martsa 1984 ary Filoham-boninahitra nanomboka tamin’ny 1984 ka hatramin’ny 1990.

Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fivorian’ny mpanoratra sy pôety maneran-tany, fivoriana natao tamin’ny toerana maromaro: Belgique, URSS, La Réunion.

PÔETAN'NY HAFENOANA
Ny taona 1931 no nanombohan'i Régis Rajemisa-Raolison nanoratra ka nahavitany tononkalo, tantara an-dampihazo, tantara foronina... Nanoratra tamin’ny teny malagasy sy teny frantsay izy ary nandray anjara tamin’ny velakevitra maro samihafa.

1- Tononkalo
Pôeta i Régis Rajemisa-Raolison ary nanoratra tononkalo maro tamin'ny teny malagasy sy teny frantsay. Tamin'ny 1948 izy no namoaka amboaran-tononkalo amin'ny teny frantsay "Les Fleurs de l’Ile Rouge".
Maro ireo tononkalony miparitaka amin'ny boky toy ny ao amin'ny "Kilalaon’afo". Tsy vitsy koa ireo naeliny an-gazety toy ny voarakitra ao amin'ny gazety Takariva, Revue des jeunes, Anivon’ny riaka, Tatamo, Hehy...

Tara-kevitry ny asa sorany
Anisan'ny tononkalo tena nahalalana azy ny "Ny akany nahafoizana", "ny fanantenana", "ny akon’ny fahatsiarovana". Nohirainy tamin’izany ny fahamboniana sy ny hakanton’ny tanindrazana, ny ambanivohitra, ny fahatsiarovana, ny zavaboahary.

Amin'ny maha mpampianatra azy, saika ho mitaiza sy manabe avokoa ny asa sorany. Raha vakina ny tantara "Kilalaon'afo" dia hita fa mitaiza ny olona tsy hisaraka amin'ny vady andefimandry izy na inona na inona fipoiran'ny marina nafenin'ny lasa, na inona na inona fanodokan'ilay te handrombaka ny efa manan-tompo.
Nitaiza koa izy mba hitoeran'ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny tsirairay, araka ny voalazany ao amin'ilay Nosindrazantsika:

"Io no nosin-drazantsika, ry Solofo dimbin'ala...
Tsy mba 'reo ihany no antsoina ho GASIKARA,
Fa ny mponina ao koa, izay toa vitsy mpahalala,
Nefa koa hamela dindo any amin'ny bokin'ny Tantara".
Kilalaon'Afo, tak 82
 
Nanoro ny ankizy koa izy mba hampifandanja ny fitiavana ny ray sy ny reny fa tsy sanatria hanome fitia tsy mitovy fatra azy ireo. Hoy indrindra izy ao amin' "i Dada sy i Neny":
 
"Ny tiako sy mamiko indrindra
Eto an-tany dia Idada sy Ineny;
Fitiavana miara-mirindra
No samy andalako azy ireny.
Ny lanjam-pitian'izy roa
Mitovy ka ataoko sahala,
F'ireo sinibe manga roa
Ka tsisy izay tombo sy hala."
Kilalaon'afo tak 79

2- Boky sy fampielezana 
2.1- Boky fianarana

* Natokana ho an’ny kilasy tsirairay
- Etsy babeko T2
- Talaky mandeha T3
- Isambilo T4
- Mazava atsinanana T5
- Gasikarako T6
- Gasikarako T7

* Fianarana literatiora sy famoaboasana
- Tononkalo sy lahatsoratra 6è
- Tononkalo sy lahatsoratra 5è
- Fiteny mamiko 4è
- Fiteny mamiko 3è

* Fianarana fitsipiky ny teny
- Fitsipi-pitenenana malagasy CE
- Fitsipi-pitenenana malagasy CM
- Fitsipi-panoratana malagasy


* Fianarana fomba amam-pahendrena
- Fomba amam-pahendrena malagasy 6è-5è
- Fomba amam-pahendrena malagasy 4è-3è

Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs
* Boky ahitana lahatsoratra famakafakana momba ny fitsipi-pitondran-tena sy ny toe-tsaina hoenti-miaina.
- Mbà olom-banona (1974)

2.2- Tantara foronina
- Kilalaon’afo (1948)
- L’Ecrin brisé (1978) nahazo ny Grand Prix de littérature hors concours nomen’ny Association des Ecrivains de Langue Française (ADELF) tamin’ny Mey 1985.

2.3- Tantara filalao an-dampihazo
- Tsingerim-panina (1955)
- Ady anaty (1956)
- Rivo-doza (1957)

2.4- Tantara indray miseho sy filalao amin’ny onjam-peo
- Ratolojanahary (1985)
- Misy ve ny anjara ? (1983)
- Mamy ve ny miaina ? (1984)
- Olo-meloka sa olo-masina ?

2.5- Sombin-tantara
- Jusqu’au bout
Maro ireo voarakitra amin'ny boky fianarana nosoratany toy ny "Gasikarako T6" sy ny "Gasikarako T7" ka anisany ireto :
- Tantaran’ilay voaloboka
- Ny anton’ny iasana
- Ny marina tsy mba maty
- Fanefana adidy

2.6- Amboarana tantara kely miendrika angano
- Recueil de fables

2.7- Asa fikarohana
* Fanadihadiana momba ny teny, ny sivilizasiona, ny literatiora ary ireo mpanoratra malagasy nanoratra tamin’ny teny frantsay.
- La grammaire malgache (1958)
- Les poètes malgaches d’expression française (1984)

* Tao amin’ny bulletin de l’Académie Malgache
- La langue malgache au tournant de l’histoire du peuple qui la parle (1960)
- Le savoir-vivre en pays malgache (1965)
- La culture malgache (1972)
- Madagascar, la grande île, à l’ancre entre deux continents (1974)


2.8- Diksionera sy Rakibolana 

- "Vakoka", diksioneran’ny teny mitovy hevitra voadika amin’ny teny frantsay (efa natonta indimy)

- "Dictionnaire historique et géographique de Madagascar" (1966)

- "Rakibolana Malagasy" (1985). Asa fikarohana nokotrehina nandritra ny 15 taona, ahitana teny iditra 25250 voarindra ao anaty 1064 pejy, Rakibolana malagasy voalohany voaravaka sary ka ny tompomarika tamin’izany dia i Mompera Nicolas GIAMBRONE.

Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs
Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs
Régis Rajemisa-Raolison, manolotra ny Rakibolana

OLON'NY TENY SY NY FIANGONANA
Lehilahy tsotra tsy mba nasiaka i Régis Rajemisa-Raolison, araka ny voalazan'ny zanany vavimatoa. Tsy tiany kosa ny mandainga sy fetsifetsy.
Olona tia ny teny malagasy izy ka rehefa mandeha mitsangantsangana izy sy ny vady aman-janany dia efa mivatsy taratasy kely izy anoratany izay voambolana vaovao hitany any amin’ny toerana alehan’izy ireo, na ny anaran’ny ravin-kazo rehetra izay hitany. Efa misy araka ny abidia ireny taratasy kely ireny.
Nitaiza ny zanany ho tia haisoratra koa izy ka fanaony ny mamaky boky vahiny ary mialoha ny hatory dia tantarainy amin’ny zanany amin’ny teny malagasy izany.
 
Olon’ny fiangonana i Régis Rajemisa-Raolison ary efa naniry ho pretra araka ny voasoritra tetsy ambony. Niara-niasa tamin’ny fiangonana hatrany anefa izy. Taorian’ny Konsily Vatikana II dia tao amin’ny fiaraha-miasan’ny pretra sy lahika izy. Nandrindra ny tantaram-piangonana tamin’ny fahazato taonan’ny Ekar Md Joseph Mahamasina.
Nandrindra ny tantaran’ny Frères des Ecoles Chrétiennes teto Madagasikara. Niara-niasa hatrany izy sy ireo Maintimolalin’ny kolejy Masina-Misely namany.


Nanaranaka ny talentany
Satria nitaiza ny zanany ho tia vaky boky izy dia tonga nanan-janaka mpanoratra, tsy iza izany fa Raolisoa Julienne Agnès vavimatoany, izay mpikambana ao amin’ny Havàtsa-Upem. Niara-naoratra ny boky "Mazava atsinanana" sy ny "Gasikarako T6-T7" tamin-drainy mantsy ity farany.
Taty aoriana kosa dia efa maro ny boky fampianarana vitan’io zanany io, anisan’izany :
- Lovako T1 hatramin’ny T5, ny Lovako T9 hatramin’ny T12
- ny Fitsipipanoratana ny teny malagasy, nivoaka tamin’ny 2016.

MARI-BONINAHITRA AMAM-PANKASITRAHANA
- Ordre de Mérite de Madagascar
    . Chevalier (1962)

- Ordre National Malagasy
    . Chevalier (1964)
    . Officier (1978)
    . Commandeur (1983)
    . Grand Officier (1985)
    . Grand Croix de 2ème classe (1989) 

- Plume d’or (1985)
- Mari-Pankasitrahana avy amin'ny Ministeran'ny Fanolokoloana sy Zavakanto Revolisionera (1981)
- Officier de l'Ordre des Arts et des Lettres (République française) 1981
- Grand prix de la littérature, hors concours, avy tamin’ny ADELF (Association des Ecrivains de langue française) tamin'ny 1985.

Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs
Fanolorana mari-boninahitra notanterahin'ny Filoha Tsiranana
Araben'ny Fahaleovantena Analakely Antananarivo

Fankalazana ny faha-25 taona nahafatesany

TONONKALO

NY FANANTENANA

    
Rah' misy mitady ny tena hafaliana
Tsy azon' ny ratsy akoro, ravana,
Dia tokana monja no azo valiana:
Ny FANANTENANA!

Ny Fanantenana no afon' ampombo
Midonaka lava ao anatin' ny fo;
Rah' sendra ny rivotra, mainka mitombo,
Vao mainka mitombo rah' misy manjo.

Ny Fanantenana no manampy antsika
Hizaka ny mafy tsy am-po mitoreo,
F' aorianan' ny orana, ny andro baliaka
Tsy maintsy ho tonga ka mbola hiseho.

Ny Fanantenana no soa sarobidy,
Satria tsy mba aiza fa ao anatin' ny tena:
Ny saina no amboarina asaina mifidy
Na hilofika hatrany na mbola hanantena!

Ny Fanantenana no maha-olona ahy;
Ny biby voafetran' ny eto sy anio,
Ny olona kosa mitsinjo, manahy:
Ny Fanantenana no mahatonga an' io.

Ny Fanantenana no' lay saro-bonoina
Misisika lava, tsy mino fa maty
Rah' tsy avy mandevina tsy manan-kantsoina:
Ny Fanantenana no kiry ao anaty!

Ny Fanantenana no mampisy vidiny
Ny fiainana etoana' zay fefik' indrisy:
Rah' toa tsisy setriny moa' zany ngidiny,
Tsy aleo ve tsy ary, aleo ho tsy nisy?

Ny Fanantenana no tanjon' ny fo
Mavesatra lava sy tra-pahoriana:
Na inona mantsy no loza manjo,
Ho avy ny andro tsy maintsy hodiana!

Ny Fanantenana no' lay varavarana
Vohaina tsy tapaka isan' andro hatrany,
Hiandrasana lava ny FAHASAMBARANA,
Sao dia mba tonga mitsidika ihany!

Rah' misy mitady ny tena hafaliana
Tsy azon' ny ratsy akoro, ravana,
Dia tokana monja no azo valiana:
Ny FANANTENANA!

Rajemisa-Raolison Régis
Fary Mamy, tak. 107-108


IDADA SY INENY


"Ny tiako sy mamiko indrindra
Eto an-tany dia Idada sy Ineny;
Fitiavana miara-mirindra
No samy andalàko azy ireny.

Ny lanjam-pitian'izy roa,
Mitovy ka ataoko sahala,
F'ireo sinibe manga roa
ka tsisy izay tombo sy hala.

Noho Ineny no ary ny tena
Noho Idada no velon-tsy ory;
Ineny nitondra am-babena,
Idada nilanja antsangory.

K'ianao velon-dray, eo reny,
Tsarovy ny soa be noraisina;
Ianao eto iharan'ny teny
Dia aza misehatra haizina.

Tohano 'reo rah'sendra reraka,
Ampio raha sendra ka ory,
F'izany no manatanteraka
Ny sitraka enti-matory.

R. Rajemisa-Raolison



Régis Rajemisa-Raolison - Pôetawebs
R. Rajemisa-Raolison miaraka amin'ny mpanoratra amerikanina iray

LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA
- Rabemolaly F., Ramiliarison H., Ravalitera Nalisoa J., Ravelomanana H., 1973. "Fary Mamy, kilasy fahatelo", Antananarivo: Salohy, Trano Printy Loterana.
- Rajemisa-Raolison R., 1971, "Kilalaon'afo", Industrie Graphique Tananarivienne
- Rajemisa-Raolison R., 1985, "Rakibolana malagasy"
- Ratsimbazafy Heriarilala, KIRA KANTO 001, ICM Radio 104.8 FM
- Ikaloyna Vony, 2015, "Faha-25 taona nahafatesan'i Régis Rajemisa-Raolison", tsikaritra ao amin'ny : 
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/lahatsoratra/page-15.html

- Fihaonana mivantana tamin’ny zanany vavimatoa Raolisoa Julienne Agnès
- Fanazavana avy tamin'ny zafikeliny Rajemisa Raolison Miora Sambatra

Fisaorana
Isaorana manokana Rtoa Raolisoa Julienne Agnès sy Atoa Rajemisa Raolison Miora Sambatra tsy nikely soroka nanampy tamin'ny tahirin-kevitra.

Sary : Rajemisa Raolison Miora Sambatra
Fandrindrana takelaka : Toetra Ràja

 © poetawebs
×