Créer un site internet

varavarana

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

 

    NIRY-SOLOSOA
    09 FEBROARY 2011
    Niry-Solosoa, na Rasolomahenina Manirisoa araka ny hita ao amin'ny kara-panondrony, dia poeta sy mpanoratra sombin-tantara tsy zoviana intsony satria anisan'ireo mpanoratra zokiny amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Ny sanganasany dia miely matetika any amin'ny gazety toy ny Tribune, L'Express. Miely ihany koa any amin'ny gazety tranainy toa ny Hehy sy Vavolombelona. Mpiray faribolana ao amin'ny Sandratra izy ary anisan'ireo namorona azy niaraka tamin'i elie rajaonarison, Ilay, Solofo José, Ranoe sns. Nampatsiahivina matetika tany amin'ny lahatsoratra mahakasika ny nahalasanan'i elie rajaonarison ny momba izany. Anisan'ny mavitrika tokoa izy ao amin'ny Faribolana satria vao tamin'ny volana jona 2010 teo izy no natolotra ny mpakafy poezia malagasy tao Antsirabe (Alliance Franco-Malgache) niaraka tamin'ny amboaran-tononkalony "Firongo". Io fanolorana io dia tafiditra tao anatin'ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy. Diso fantatry ny maro koa ny maha mpanao gazety azy ary efa ho 34 taona no nilomanosany tao anatin'izany. Anisan'izany ny maha mpiasa ao amin'ny Radiom-pirenena (RNM) ao Antsirabe azy. Iza koa anefa no tsy mahafantatra ny maha mpikabary an'i Niry-Solosoa. Ho anao izay mbola tsy zatra maheno azy miteny dia ho safononoka mandritra ity tapatapak'ahitra ity amin'ny alalan'ny fitsimponany sy fandaharany ny teny. I Toetra RAJA sy Fredy JAOFERA nitafatafa taminy teo amorom-patana aloha dia samy resy lahatra ny amin'izany.

Miarahaba anao Niry-Solosoa ary misaotra anao nanaiky mitapatapak'ahitra aminay eto amin'ny tranonkalan'ny poeta malagasy.

Misaotra indrindra amin'ny fampiantranoana sy manolotra ny arahaba finaritra  ho anareo ary ny mpamangivangy ihany koa.Sarotra be ny milaza tena toa voatango kanefa tsy maintsy atao na dia fanajana ny mpampiantrano ihany aza ary izay no fahalalam-pomba voalohany rehefa miditra an-tranon'olona. Ny tena tsy nampiantsoin'ny mpitsara mpanao famotorana na voarohirohy amin-javatra tsy dia mazavazava; koa am-pifaliana tokoa sy am-pitiavana no hamaliana anao havana mpiray donak'afo amin'ity sehatry ny sorakanto ity.

Misy ihany angamba no mbola tsy mahafantatra anao Niry-Solosoa sy ny hevitra fonosin'izany solonanarana izany ?

Niry-Solosoa zovy moa izy ? Misy tsipi-panohizana no fanoratra ny solon'anarany aloha, ahitsiko aty am-piandohana.Tsy nataotao foana  ny fipetrak'io tsipi-panohizana io manko fa endriky ny rohy mampitohy ahy amin'ny ray sy ny reny niteraka ahy. Raha tsy ao io tsipi-panohizana io, toy ny valala voatango ihany aho na dia efa any ambany rangolahy Idada ny 2 novambra 1967. Fa Ineny no mbola miriaria tsara any amin'izao fotoana (volana febroary 2011) izao na dia efa tsy afaka mandeha mivoaka ny trano. Io solon'anarana io manko dia izao : Niry no anarana raikitra fiantso ahy tao an-trano hatramin'izao. Avy amin'ny fanampinanarana Manirisoa. Ny hoe Solo indray dia avy amin'ny anaran'i dada hoe Rasolondraibe no sady avy amin'ny anarako feno hoe Rasolomahenina. Ny hoe Soa kosa dia avy amin'ny anaran'Ineny hoe Ramangarisoa antsoina koa Rasoamanga no sady ao amin'ny fanampinanarako rahateo. Ny tsipi-panohizana indray no rohim-panahin'Ibaba sy Ineny amiko mitambatra ao amin'ny SOLOSOA. Rehefa voafatotra tamin'i Noro vadiko aho no nitondra io solon'anarana io ny taona 1980 fa talohan'izany dia aza gaga raha mety hahita ny toy izao ianareo fa somary niangentsana ny fanoratra : NHYR-SOLOSOA.

Zava-dehibe aminao tokoa ny tsipi-panohizana. Misy fitohizan'aina ve ny haisoratra ao aminao sy ny fianakavianao ?

Niry-Solosoa, tamin'ny fahazazana teo anivon'ny fianakaviany,
 eo afovoany mikasikety (Toliara - 1957)
Telo mianadahy ny zanakay sy Noro ary manan-jafy iray amin'ilay zanakavavy tokana ao anelanelan'Ingahimatoa sy Ifaralahiniaiko.Tenenina eto izany, Rakalatokana manko manoratra ihany koa no sady manao sary; manoratra ihany koa Ingahifara ary Ingahimatoa mpiangaly sary sy maritrano. Tarazo avy amin'Idada mpandrafitra sady mpanjaitra izany. Ineny moa mpanenona. Tadidiko tsara fony mbola kely izahay ary indray andro izay nisy lanonam-pianakaviana natrehanay. Talanjona aho nahita an'Ineny kinga amin'ny dihin-drazana toy ny vela-tanana sy ny sisa. Tany ho any amin'ny fotoana niverenan'ny fahaleovantenantsika izany. Faniriako ny ho lasa mpitandrina na mpahay maritrano (architecte) raha vao 12 taona saingy tsy tanteraka rehefa lasa Idada. Nampianatra tany ambanivohitra tao amin'ny Distrikan'i Manjakandriana aho ny taona 1971-1972. Nanao raharaha miaramila.Vita izay dia nampiana-tena teny ho eny ary ny ahy ny fiainana no mpampianatra  ary ny fiarahamonina no anjerimanontoloko.

Azonao asiana tsindrim-peo kely ve ny nahatonga anao ho olon'ny haisoratra ?

Lasa olom-binany aho rehefa nodimandry Idada ka nifoha ny fitiavako nanao tsianjery krisimasy fahakely nivadika ho fanoratana tononkalo sady amin'ny teny malagasy no amin'ny teny frantsay. Natsahatra ito farany tamin'ireny raharahan'ny 72 ireny fa ny tenin-drazana no novelomimaso. Ambarako anefa fa tsy sahy namoaka ny tononkaloko tan-gazety aho raha tsy tamin'ny taona 1973. Nandritra ny dimy taona aloha dia niezaka nianatra nifehy ny tenindrazana aho. Nanomboka tamin'ny taona 2001 indray anefa dia niverina nanoratra tamin'ny teny frantsay rehefa voatsindrin'ny fisainam-bahiny ny fanahy. Tsy dia matetika aloha e!

Raha azoko tsara dia norantovinao ny fahalalana ny tenin-drazana saingy voajanahary kosa ny fahaizana manoratra ?

Niry-Solosoa mikabary am-panambadiana

Tsy ianarana ny manoratra tononkalo fa talenta azo kolokoloina. Tsy nianatra nanoratra sombintantara koa aho.
Ny fiarahamonina hoy aho no anjerimanontoloko ary ny olona no sarobidy indrindra ao. Amiko ny soratra dia olombelona manomboka any amin'ny rantsan-tongotra ambany sy hatrany amin'ny singam-bolo an-tampon-doha; azo soratana avokoa na dia sola.

Niry-Solosoa sy ireo namana mpanoratra nihaona tany Antsirabe (2010). Miankavia miankavanana : Solomon Rakotonirina, Ni...!, Niry-Solosoa, Fredy Jaofera, Bodo Razafy, Georges Andrianambinina (efa vahinintsika tato amin'ny tapatapakahitra).
"Manin-kavana ka tamy mamangy ny avy lavitra".

Ny sanganasanao dia voarakitra ao anatin'ny vanim-potoana niverenan'ny fahaleovan-tena. Nisy asan'ny poeta na mpanoratra ve mety ho niantraika manokana teo amin'ny fivelaran'ny asa soratrao ?

Betsaka no mahaliana fa handeha ireo efa an-tanin'ny Nofy no hambara : Ny Avana, J.J. Rabearivelo, Randja Zanamihoatra, ED Andriamalala, Rado mirahalahy, Raveloharison Bernard, Ratsimazoa Riza sy ny hafa tsy voatanisa eto raha ireo efa zokiny. Ireo efa lasa ihany no tanisaiko eto ndrao hisy hialona ny sasany amin'ny velona. Ireto indray àry ireo indray mihira amin'ny tena efa lasa : Dieudonné RANDRIA, RIVO RISA, Elie RAJAONARISON. Iretsy voalohany mety tsy malaza amintsika fa KALAZA amiko.
Ny vahiny indray dia ry Jacques Prévert, Paul Eluard, Lamartine sy ry Musset.

Manana tsiambaratelo manokana ve ianao ?

Tsiambaratelo ankoatra ny vadiko e ! Ndrao mialona ny sasany.

Tsy tsiambaratelo angamba no tiako lazaina fa ny tetikady fampiasanao ka nahazoanao fahombiazana teo amin'ny haisoratra.

Tsy hasiako fanazavana betsaka fa hotanisaiko fotsiny :
  • Mamaky ny vitan'ny hafa; manao fampitaha fa tsy maka tahaka
  • Manao valan-dresaka momba ny literatiora eny anivon'ny sekoly
  • Manaiky hotsikeraina sy mahatanty kiana
  • Fiteniko matetika kanefa tsy azoazon'ny namana sasany ny hoe :" tsy te ho malaza aho fa te ho kalaza! "

Ahoana ny fahitanao ny literatiora malagasy ankehitriny sy ny fivelarany eo anivon'ny aterineto ?

Eo amin'ilay antsoiko hoe : VANIM-POTOANA MANDRAY NY KIHONY NY LITERATIORA MALAGASY  ankehitriny. Hazavaiko sy fintiniko : kihon-dalana mety hampiroborobo ny haisoratra malagasy izao haitao vaovao momba ny serasera izao. Kihon-dalana mety hahafaty azy koa satria feno teny diso tsipelina itony aterineto itony. Raha voanteny diso fanoratra sy baranahiny tsy misy fitsipika ny haifanoratra  dia aza gaga fa hikiky miandalana toy ny homamiadana izany ka hiala aina ny teny malagasy.

Mila fitandremana tokoa izany. Ahoana indray ny momba ny boky sy i Niry-Solosoa ?

Tamin'ny taona 1988 no niara-namoaka ny amboaran-tononkalo ANGAROA izahay sy ny namana vitsivitsy. Tsy iza moa fa Ranjatohery Harilala, Roel Ranarivelo, Tiaray Andriamahefa, Ranja, Rafalindranto Ramy, Ny Aina Ramarolahy, Liberty Randrianarivelo.
Ny bokiko manokana aloha dia mbola tsy misy mihitsy na dia efa nandeha irery tao amin'ny CGM aho ny volana oktobra 1996 tamin'ilay amboara kely hoe : DIAN-DRANGOTRA. Tsy boky iny amiko satria tsy mahafeno takila 48 akory. Araka ny fahafantarako dia toa io ny isan'ny takila fetra ambany vao lazaina hoe boky.

Mbola mamerina fisaorana anao ireo mpiara-miasa eeto amin'ny tranonkala poetawebs sady mirary soa ho anao "dian-drangotra" tsy manam-pahataperana voizinao ho fanandratana ny haisoratra sy ny poezia malagasy.

Mankasitraka anareo nandray anay eto ka nahafahana nizara ny zakan'ny saina mba hampivelarana ny kantosoratra.
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×