Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta (T.Ràja)

26 Aogositra 2015

 

 

"Sabotsy mainty", tononkalon'i Ny Ami, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala Andriamamonjy

 

 

SABOTSY MAINTY...

Sabotsy tolakandro ilay fotoana iarahako aminy,
izarako ireo fitia sy ireo tambitamby tena maminy
Sabotsy... eny sabotsin'ny fitia,
ifanomezanay toky hoe hiaraka ho doria.

Sabotsy... sahiran-tsaina ery aho mamisavisa ny andro
Vao alahady moa izao, rahoviana vao atoandro?
rahampitso alatsinainy mainka hitombo koa ny asa,
Toa tsy ho andry ilay sabotsy iarahanay mitafa!

Eo ambany aviavy... eo no paradisantsika,
ka ny andro manontolo miova ho minitra,
Rehefa isika roa no hany tafahaona...
vetivety monja dia dila ny fotoana.

Malala a!sabotsy mantsy ireny,... sabotsintsika roa
nisambarana am-panahy fa hifankatia tokoa
Eny sabotsy... toa tsy hifankafoy ireto isika
fa ampoka fitia miaina anaty paradisa!

Fa omaly? Niova ny sabotsy, niova hatramin'ny loko,
ka lakolosy tokana no nanepaka ny foko
tonga teo an-kianja aho dia ilay kianjan'ny fitia,
hoe hiaraka aminao hifambabo sy hifangia.

Saingy lakolosy tokana... eny lakolosy...
no nampakatra ny soratra nandrava nofinofy
fa aiza ilay malalako e? Hoy aho mody fanina,
fa ny valiny ao an-tsaiko nodiako tsy fantarina.

Mody niezaka aho nitsiky nandiso ny eritreritro
ka ny marina rehetra mody tsy noheveriko
naviliko ny saiko... ary nobedesiko mihitsy
ilay marina efa fantatro nolazaiko hoe tsy misy!

Teo vao tena jenjina... nianjera niankarapoka
fa mafy ity raha mafy, tsy nampoizina fa tampoka,
niondrika aho dia izay... ny ranomaso no tsy tanako
... fa iny sabotsy hariva iny...
... NODY MANDRY ILAY MALALAKO...

Ny Ami

 

Mahatamana ny eo anilan'ny olon-tiana, satry hiaraka aminy amin'ny fotoana rehetra. Fahoriana lalina raha sanatria tafasaraka aman'aina. Izay indrindra no resahin'ny tokonkalon'i Ny Ami ity izay nampitondrainy ny lohateny hoe "sabotsy mainty." Sabotsy tokoa mantsy ilay andro fihaonan'ireto mpifankatia ireto kanefa tamin'ny sabotsy iray tsy nampoizina dia tsy tafahaona velona intsony. Ahoana ary no nanakantoan'ny mpanoratra izany? Hojerentsika aloha ny eo amin'ny feo, manaraka izany ny eo amin'ny teny ary farany ny eo amin'ny sarin-teny.


FEO

Raha ny feo no jerena dia ny rima no ahitana fanakantoana voalohany, rima mifanjohy no hita ato: aabb ddee ffgg..., ohatra ny eo amin'ny andininy voalohany: aminy/maminy/fitia/doria. Raha ny faran'andalana voalohany sy faharoa no jerena dia hita fa vanin-teny telo no mitovy: aminy/mAminy. Rima feno mihoatra izany no hita eto. Raha ny andalana fahatelo sy fahefatra indray dia toa saika rima mahantra (rime pauvre) ihany satria vaniny iray ihany no mitovy fa zana-peo roa: ia/ia


Eo amin'izay feo izay ihany, misy fandravonan-jana-peo ihany koa eto dia ny eo amin'ny andalana fahatelo sy fahefatra amin'andininy fahatelo, ny hoe "tafahaona" sy "fotoana". Mba hampety ny rima dia ny "ao" sy "oa" no tsy maintsy ampitoviana ny famaky azy ka samy aravona ho ô. Ireo teny roa ireo dia samy maneho an-tsary ny fotoana niainan'izy roa.


TENY

Raha ny teo amin'ny teny indray no jerena dia ny fampiasana tamberina no tena mibahan-toerana eto. Anisan'izany ny "sabotsy" izay hita na eny an-dohan'andalana na antenatenany. Naverina foana io mba hanasongadinana fa io ilay hany andro iray ao anatin'ny herinandro ihaonan'izy roa izay nanome fahasambarana ka nilazany hoe "paradisantsika". Hita miverina indroa koa izany teny hoe "paradisa" izany izany entiny anehoana fa tretrika izy.

Eo ihany koa ny fampiasana teny verin-droa toy ny: "tambitamby" (andininy voalohany), "mamisavisa" (andininy faharoa), "nofinofy" (andininy fahenina), "vetivety" (andininy fahatelo).
Eto ny verin-droa dia tsy midika ho fanalefahan-kevitra toy ny mahazatra fa midika kosa ny fiverenan'ireo lafin-javatra ireo foana sy ny fitohizany isaky ny sabotsy. Indrisy anefa, tapaka tampoka tamin'ny sabotsy iray tsy nampoizina: "fa omaly? niova ny sabotsy..." (andininy fahefatra)


SARIN-TENY

Ahitana fanovana endri-javatra teo amin'ny andalana faharoa amin'ny andininy voalohany: "izarako ireo fitia, sy ireo tambitamby tena maminy". Tambitamby tena tiany sy ankafiziny no tian'ny mpanoratra hambara eto, ny teny hoe "mamy" anefa dia milaza tsiro, ny tambitamby anefa tsy sakafo hanina fa mety ho teny mahafinaritra na fihetsika manafosafo. Teto anefa dia nomena endrika toy ny fihinana izy ka nolazaina fa hoe mamy mba hanehoana ny hatsarany tokoa.

Ahitana filaza masaka ihany koa ity tononkalo ity, eo amin'ny andalana farany amin'ny andininy fahefatra dia ny hoe: "miaina anaty paradisa". Samy mbola teto an-tany anefa izy roa, fa mba hanehoany amintsika ilay fahasambarany aoka izany dia paradisa hoy izy. Misongadina kokoa amin'izay, ary hita fa tena tretrika fara-tampony izy roa.

Fa teo amin'ny lohateny ihany koa dia efa nahitana fampiasana tandindona: "sabotsy mainty". Ny sabotsy dia andro iray ao anatin'ny herinandro, diavina sy iainana. Tsy hita maso akory na azo tsapain-tanana fa lalovana sy iainanana. Teto anefa Ny Ami dia nandoko azy ho mainty, izany hoe hita matoa miloko. Tsy izany anefa fa ny mainty eto dia tandindon'ny haizina iainany sy alahelony lalina rehefa maty ilay malalany. Maty tamin'ny andro tokony hihaonany. Fahoriana lalina izany eto no fonosin'ilay mainty, izany hoe sabotsin-pahoriana ity andro ity ka ny mainty no hitany azo handokoana azy. Mafy tokoa raha mafy izany toe-javatra izany.

 
***

Eto am-pamaranana izany dia tiana ny manamarika fa kanto ity tononkalo ity. Hita izany teo amin'ny tamberina sy verin-droa betsaka izay naneho tokoa ny zava-misy na teo amin'ny feo na teo amin'ny sarin-teny na teo amin'ny tandindona. Taratra tao avokoa na ny fahasambaran'izy roa fahavelon'ilay tovovavy na ny ngindim-pahorian'ilay tovolahy rehefa namoy ny malalany.

Ratsimbazafy Heriarilala Andriamamonjy

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021