Ranjatohery Harilala sy izy Telo lahy

Ranjatohery Harilala sy izy Telo lahy
Tsikimilamina Rakotomavo — 23/10/2025

PoetawebsBoky kamban-telo araka ny sokajiny avy no naseho imaso misandratra andro tao amin'ny efitrano DOX tranombokim-pirenena. ‎Vokatra literera efa matoy sy azo toazana tsara no nampahafantarin-dRanjatohery Harilala, Poeta, Mpanoratra, Mpikabary, Akademisianina.

‎Taorian'ny kabary nifandimbiasan'ireo tompon'andraikitra  araka ny sehatra misy azy, toy ny mpanoratra, ny filohan'ny Havatsa UPEM izay anisan'ny nanao fanolorana ny boky, ny filohan'ny Sokajy voalohany ao amin'ny Akademia Malagasy ary ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy, dia nohazavain'ity poeta ity ny mombamomba ireo boky ireo.

‎• Itadiavam-bady i Dadatoa  no lohatenin'ny amboaran-tsombintantara amin'ny endriny A5, ahitana takila 444 ary mirakitra Sombintantara 20. Miloko mena ny fonon'ny boky.

• Julie Marie  no boky naseho taorian'izany.
‎Sombintantara  no endrika nisehoany tany am-piandohana. Novaina ho  tantara foronina kosa izany taty aoriana.
‎Nivoaka ny 1997 ny boky izay mitantara ny tontolona makorelina. Ahitana takila 74 izany.

• Tandindona, izay amboaran-tononkalo kosa no nohazavain'ny poeta Ranjatohery Harilala. Teo anelanelan'ny 1985-1995 no fotoana nanoratany ireo kalo ireo. Ahitana  276 takila izany.

‎Antsa tononkalo samihafa no nandravaka ity fotoana miavaka ity. Tsy nohadinoin'ny mpanoratra ny nanolotra boky ireo niantefan'izany.

‎Izahay eto amin'ny Poetawebs dia miarahaba sy mirary soa noho izao poa-telon'ny literatiora izao.


Poetawebs
Talen'ny fampiroboroboana ny teny malagasy

Poetawebs
Hantanoro, Havatsa-UPEM, nanolotra ny fotoana

Poetawebs
Hajaina, filohan'ny Havatsa-UPEM
nanao teny fanolorana ny boky

Poetawebs
Ranjatohery mampahafantatra ny boky

Poetawebs
J. Nalisoa Ravalitera, filohan'ny Sokajy voalohany, Akademia malagasy

Poetawebs
Ratsifa, Faribolana Sandratra, niantsa tononkalo

Poetawebs
Felana, Faribolana Sandratra, niantsa tononkalo

Tsikimilamina Rakotomavo
• Ranjatohery Harilala sy izy Telo lahy

Ajouter un commentaire