Pôetan'ny fitia, tononkalon'i Aingampanahy FS, nohadihadian'i Faniry Ezekiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 desambra 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 Toetra Ràja

POETAN’NY FITIA
Mpanoratra
Aingampanahy FS

Loharano
“Eran'ny fo”, tak 8

Nanadihady
Faniry Ezeckiel


Olona itoeran’ny talenta sy aingam-panahy ny pôeta, miangaly sorakanto sy pôezia izy ireo ka mamelona ny literatiora. Iray amin’ireo tononkalo manompana ny ventin-keviny momba izany pôeta izany ity asa soratra iray novolain'i Aingampanahy FS ity, mitondra ny lohateny hoe : “Poetan’ny fitia”. Sanganasa iray notsongaina tao amin’ny boky “ERAN’NY FO” izy io ary nalaina tao amin’ny takila fahavalo. Afantsiky ny mpanoratra ao an-dohan’ny mpamaky eto fa mitana anjara asa lehibe eo amin’ny tsirairay ny pôeta. Hovahavahana ny tononkalo ka eny am-piandohana no horesahina fa mahay mamantatra ny hoavy ny pôeta, avy eo dia haseho fa mahay mankahery ireo tra-pahavoazana koa izy ireo, ary farany, hosoritsoritana ny fahaizan’ny pôeta mampita hafatra.

*
* *

Ety am-panombohana dia hotomorina akaiky fa mahalala mialoha ny tranga hiseho ny pôeta.

Mahay mamantatra ny ao am-po tsy miloaka izy. Maneho izany ny voalazan’i Aingampanahy FS hoe:

“Hosodoko an-tsaina no namaritanao
 Ny misiko ato am-po, ho sary dika penina”

Mbola manohy izany fahitan’ny pôeta izay miafina ao anaty koa ny voalazany hoe:

“Ianao ilay mahalala ny eritra an-karanany
 Tsy mbola foy akory, ho akora vaky felana”

POETAN’NY FITIA

Hosodoko an-tsaina no namaritanao
Ny misiko ato am-po, ho sary dika penina
Feo an’eritreritra no entinao manaingo
Ilay hira tsisy tonony tafitanao an-dritsoka

Ianao ilay maminany ny ampitso mbola am-bohoka
Ny anio tsy maninteraka
Ianao ilay mahalala ny eritra an-karanany
Tsy mbola foy akory, ho akora vaky felana.

Ianao mametso an-kira ny antoandro maizin’alina
Sy mampisonga taratra ny haizina ho andro
Hainao ny mamadika ny ngidy ho zava-mamy
Sy marina tangena ho fy mpamelon’aina

Voizinao an-teny ny lakana ianjahara-pitia
Mifampiampofo, dia iny fa manjofo
Azehitrao ny onjan’ny fo mifampitady
D’injao mandadilady sy mifanolo-boady!

Hainao ny mampitony hirifirim-po voaratra
Sahinao tsindronina ny fery indray ho ratra!
Peninao mandango, kanefa koa mandrangotra
Soratrao mamelona koa mamela vanditra.

O poeta !

Safoto an-tontolonao ny fiainan’ny rehetra
F’ianao ilay mamaritra fisiana tsy mifetra
D’indreny izao ny olona samy mankafy
Mamaky anao an-tsoratra ry Poetan’ny FITIA !

Aingampanahy FS


Voarakitra ao anaty sora-tanan’ny pôeta izay afenin’ny tsirairay. Mbola tsy manatanteraka ny fikasana ao an-tsainy akory ny olona dia efa voasoratra mialoha sahady ny fiheverany. Hita taratra amin’ireo diam-penina miresaka fiainana sy fitiavana tokoa izany. Araka izany, resahin’ny pôeta amin’ny alalan’ny tononkalony izay miotrika ao an’eritreritra.
Tsy izay miafina ao anatin’ny olona ihany anefa no voatahirin’ny pôeta mialoha ao anaty diarin’ny aingam-panahiny fa ny fotoana mbola tsy nodiavina ihany koa. Hamafisin’ny tononkalo indrindra hoe :

"Ianao ilay maminany ny ampitso mbola am-bohoka
 Sy ny anio tsy maninteraka.”

Izany hoe tsy mitantara ny lasa sy ny ankehitriny fotsiny ny pôeta fa efa fantany sahady izay havoakan’ny ampitso. Manaporofo izany mantsy ireo soratra efa voarantin’ireo pôeta fahiny, kanefa mbola ankafizin’ny taranaka aty aoriana satria mifandray amin’ny tranga misy izay diavina. Mahatety ny vanim-potoana ny sorakanto, tsy mety maty ny anaran’ny pôeta noho izy ireo mampita ny fiainana ambadiky ny vaninan’andro itsahiny.

Mahalala izay manjo ny mpiara-monina ny pôeta

Hoy ny voalazan’ny tononkalo hoe:

“Safoto an-tontolonao ny fiainan’ny rehetra
 F’ianao ilay mamaritra fisiana tsy mifetra
 D’indreny izao ny olona samy mankafy
 Mamaky anao an-tsoratra ry pôetan’ny FITIA“

Mahatsapa izay zava-mahazo ny mpiara-belona aminy ny pôeta. Na tsiky, na alahelo, na haravoana, na embona. Izay fhetseham-po mifanesy amin’ny olombelona dia hita miery any anatin’ireny aingam-panahin’ny pôeta ireny. Izany no manamafy fa miaina sy mikoriana anatin’ny mpanoratra ny safotom-piainan’ny sarambaben’ny vahoaka.

Raha atao indray mijery dia hita fa mpaminany ny pôeta, toa manana tsindry mandry ka mahay mandia izay mbola tsy nalehany. Hodinihina manaraka eto ambany fa mankahery ny tra-pahavoazana ny pôeta.

*

Mamelona fanantenana ho an’ireo handalovan-tsedra ny pôeta

Milaza izany indrindra ny tononkalo eto:

“Ianao mametso an-kira ny antoandro maizin’alina
 Sy mampisonga taratra ny haizina ho andro
 Hainao ny mamadika ny ngidy ho zava-mamy
 Sy mamerina tangena ho fy mpamelon’aina”.

Izany hoe, na ao anatin’ny jalim-po sy fahoriana aza ny olona dia mampitony ny ratra naterik’izany ny famakiany ny haisoratry ny pôeta. Tsy vitsy ireo mpankafy sy mpamaky no mahatsiaro maivamaivana eo am-pianohana ireny boky mirakitra literatiora ireny. Misakana ny hafa tsy ho tratran’ny famoizam-po noho izany ny pôeta.

Mampionona ireo diso fanantenana ny pôeta
Hoy mantsy i Aingampanahy FS :

“Hainao ny mampitony hirifirim-po voaratra”

 Na inona sento na inona jaly nateraky ny fisarahana sy izay mety ho zava-tsarotra miantraika, manalefaka ny adin-tsaina sy ny ferim-po ny pôeta. Firifiry tokoa moa ireo asa soratra mivetso fampiononana sy tambitamby navoakan’ny pôeta? Mahatonga ny olona tsy hanary toky ny pôeta.

Azo ambara fa manamaivana sy manasitrana tsikelikely ireo ianjadian’alahelo ny pôeta. Hohazavaina farany kosa fa mpampita hafatra ihany koa ny poeta.

Mampitondra ny mangidy sy mamoha alahelo ny hafatry ny pôeta
Manamafy izany ny tononkalo hoe:

“Voizinao an-teny ny lakana ianajahara-pitia
 Mifampiampofo,dia iny fa manjofo".

Sy ny hoe:

“Sahinao tsindronina ny fery indray ho ratra”.

Mampibaribary ny zava-misy matetika ny sanganasan’ny pôeta ka mitondra aretina ho an’izay iantefany, ary tsy vitan’izay fa misy koa ireo soratra mamoha fahatsiarovana ka mampandrotsa-dranomaso ho an’izay tandrify azy. Mety hitondra fanaintainana izany ny hafatry ny pôeta.
Mivimbina hafaliana sy hafanam-po lalina koa anefa ny pôeta.
Ambaran’ny asa soratra indrindra izany eto:

“Azehitrao ny onjan’ny fo mifampitady
 D’injao mandadilady sy mifanolo-boady”

Azo lazaina ho hafatra mafonja mihitsy ireny sorakanto ireny ary rehefa mifanojo amin’izay voakasiny dia mampiova zavatra betsaka. Misy mpifankatia afatotry ny soratra pôeta ka mainka miredareda fitiavana. Mampiray sy mampifandray ny hafa koa araka izany ny pôeta.

Hita fa mivoy hafatra isan-karazany ny pôeta, miraikitra ao anatin’ny haisorany avokoa ireny, mety handratra ary mety hitsabo izany. Mamehy izany ny voasoratra hoe:

"Peninao mandango, kanefa koa mandrangotra
 Soratrao mamelona, koa mamela vanditra.”

*
* *

Raha fehezina izay voalaza rehetra dia iaraha-mahalala fa iankinan’andraikitra lehibe ny pôeta, sady maminany ny ampitso izy ireo no mankahery ihany koa ho an’izay idonam-pahoriana ary indrindra mampita hafatra amin’ny alalan’ny diam-peniny. Mahavalalanina loatra ny fomba nanehoan’ny mpanoratra  ity aingam-panahiny ity, voafantimpantina tsara ny voambolana nampiasainy ka manaingo fatratra ny endriky ny tononkalo, tsy latsa-danja amin’izany koa ny hevitra mafonja dia mafonja izay maniraka ny saina ho tia karokaroka. Itony tononkalo itony no porofo mivaingana fa ampoka sy manana ny ampy ny teny malagasy.
Marihina fa ny pôeta Aingampanahy FS dia efa nivahiny tato amin'ny tranonkala Pôetawebs tamin'ny 08 marsa 2016:
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-54.html

FANIRY EZECKIEL


Takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 27/12/2020

×