Créer un site internet
poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

20 desambra 2017

Gazety Ambioka  mandia ny Roapolo taona!

Anisan’ny sehatrasa hampivelaran’ny Faribolana Sandratra ny haisoratra ny famoahana ny Gazety Ambioka izay mankalaza sahady ny roapolo taona nijoroany ankehitriny. Nivoaka ny volana desambra 1997 ny "Ambioka", izay mandalina ranofotsiny ny tontolon’ny haisoratra. Fitaovana lehibe ilain’ny mpampianatra sy ny mpianatra, ny mpanao gazety ary indrindra ny olona rehetra liana amin’ny haisoratra izany.

Araka ny voalazan’ny Rakibolana, ny ambioka dia karazan- javamaneno vita amin’ny tsora-kazo kely anankiroa atao mifampikapoka. Raha hazo mafy toy ny voamboana dia avo feo sady mikarantsana izy; fa raha hazo malemy toy ny tahon-kifafa dia somary dombodombo feo. Amin’ny fitenim-paritra kosa dia midika ho masomboly izany.

Ny tanjon’ny Faribolana Sandratra amin’ny famoahana ny gazety “Ambioka” moa dia ny hampiroboroboana ny haisoratra malagasy, ny hampahafantarana ny mpanoratra ary ho fanitarana ny sampana manerana ny Nosy manontolo.

Gazety mpiseho isam-bolana eo anelanelan’ny volana Oktobra hatramin’ny volana Jolay ny Ambioka. Ny volana Aogositra sy septambra araka izany no fotoam-pialan-tsasatry ny gazety.

Amin’izao fankalazana ny faharoapolo taona izao dia tsara ihany ny manazava amin’ny an-tsipiriany ny momba ny gazety Ambioka ho fantatry ny mpankafy ny haisoratra.
Ranöe (Rakotomahafaly Norbert Eugène) no tompon-kevitra ny amin’ny famokarana ity gazety ity, eny fa na dia ny famoronana ny anarany aza. Ahitana takila 8 ny gazety izay mirefy 30 sm ny lavany ary 20sm ny sakany. Raha dinihina ny anaran’ny lohatenin’ny fizarana samihafa ao amin’ny Ambioka dia voambolana mifandraika amin’ny fambolena avokoa. Ny ambioka izay masomboly afafy dia antenaina fa hahazoam-bokatra mahomby eny an-tanimboly. Eo antrehan’izany indrindra, dia irina sy antenaina ny hiovan’ny fomba fiainan’ny isam-batan’olona mandray izany gazety haisoratra izany. Mba hahafahana mamaky an’eritreritra ny gazety Ambioka dia tsara indrindra ny manao topy maso ireo singa samihafa mivondrona ao. Andeha àry ho andalanina ireo zana-dohateny sy ny fanazavana izany:

- "Voa”
Ampahan-tononkalon’ireo mpanoratra notsongaina manokana no asongadina ao. Andinin-tononkalo miisa telo na efatra no entina hanairana ny mason’ny mpamaky ho liana amin’ny famakiana izany. Santionany amin’ireny ny hita tao amin’ny Gazety Ambioka lah 34:

“…
Dia feno Anao
Ny izao sy izaon’ny fiainako
Ka mety ve ianao
Raha antsoiko ho: MALALAKO?”
Hainga

- “Sasin-dahatsoratra”
Famakafakana izay ataon’ireo tomponandraikitry ny gazety ary natao handona ny fo sy ny saina aman’eritreritry  mpamaky. Hoy Elie Rajaonarison tao amin’ny Gazety Ambioka lah 34:

100 TAONA NAHATERAHAN-DRABEARIVELO JEAN JOSEPH - HONO HO’AHO RABE

Tsapako lalina teny am-pivezeko teny ny tosaka ary tosiky ny Fanahinao manainga ary mandoatra ny lalina indrindra amin’izay kanto mbola tsy nivelatra teto ambany masoandro...
“Misy eritreritra atopatopan’alina...”
"Lanitra firy no efa nosokafanao hampijoala ny Hasin’ny Teny sy ny Tononkalo Malagasy hamiratra manerana ny Tontolo?
“vovoka sisa tavela aminao...”
"Tsy manatsikafona ny lavenona no zava-dehibe fa ny misorona ary mitsoka ny Afo hampiredareda azy. Hono ho’aho RABE, tsy Fanahy iarahantsika mifampizara ihany koa ve izany?

- “Ny ao anaty fatram-bary” na ”Tororavina”
Ny ao anaty fatram-bary” no  napetraka teny am-panombohana ary niova ho “Tororavina” kosa izany taty aoriana. Matoan-dahatsoratra isaky ny takila samihafa no mamaritra izany. 

- ”Hava”
Lahatsoratra fandalinana mikasika ireo singa mandrafitra ny literatiora hatrany no hita taratra ao. Ampahany amin’izany no ambaran-dRanöe ao amin’ny Gazety Ambioka lah 103:

Fahatsapana no ilazanay fa ny soratra no mamolavola sy manefy ny olona ho hendry, hahay mandinika sy mandalina, hahay mankafy ny kanto sy ny tsara; koa ny tanjony amin’izay dia ny hitahiry soatoavina, hitahiry ny tantara, ho fialamboly, fanentanana amin’ny tsarana fampitan-kafatra, fitaovam-panabeazana.

- “Tsiry”
Tany am-piandohana dia fampahafantarana vokatra vaovao toy ny amboara na hetsika hotontosaina no nisongadina tao amin’ny “tsiry”. Taty aoriana anefa dia fandalinana mifototra amin’ny maha zava-dehibe ny soratra no tsikaritra amin’izany .
Hoy indrindra i Liantsoa ao amin’ny Gazety Ambioka lah 103:

Fa inona tokoa moa ny maha tononkalo ny tononkalo?...Tsy inona fa ny fanahy mitahiry ny fihetseham-po sy ny eritreritr’izay manoratra azy noho izy teraky ny aingam-panahin’ny poeta. Koa satria ny poeta dia olon’ny fanahy ary ny fanahy dia velona mandrakizay, noho izany ny tononkalo amin’ny maha zava-panahy azy dia velona sy miaina toy ny zava-manana aina rehetra. Mety harary, nefa tsy ho faty koa raha mbola misy iray na roa tomponandraikitra amin’ny fiahiana azy”.

- “Salohy”
Amin’ny maha salohy azy dia ampahany ihany miohatra amin’ireo lahatsoratra lava no hita eto. Tolo-kevitra entina hanatsarana ny fomba fanoratra sy ny fifandraisana amin’ny mpamaky no tena ambara ao. Miovaova ny mpanoratra ny lahatsoratra amin’ity zana-pizarana ity. Santionany amin’izany ny nambaran’i Nirihaja tao amin’ny Gazety lah 133 raha nilaza ny Poeta sy fahafahana:

Manana tombony manokana ny Poeta satria malalaka tanteraka izy amin’ny fanehoany ny hira ao anatiny.Malalaka izy amin’ny hevitra tiany avoitra.Malalaka izy amin’ny loko sy sary ampiasaina entiny mandoko ny hevitra tineraky ny aingam-panahiny...Malalaka ny Poeta amin’ny famoronana...Ny Poeta araka izany dia tsy mihatsaraivelatsihy,ilay voajanahary ao aminy no avoakany.

- “Fafy”
Andian-tenin’ny mpanoratra na mpandinika izay mendrika hohalalinina no tsikaritra. Ohatra iray ny hoe: ”Ny mpanoratra izay tsindrimandry ary eritreritra tsy mandrin’ny fiarahamonina no miaina lalina ny fotoana, miaina izany ary mampita izany amin’ny alalan’ny fanahy, Aina voarakitry ny tenyElie Rajaonarison.

- ”Vokatra”
Fanasongadinana ny tononkalon’ireo mpikambana rehetra na ny sakaizan’ny SANDRATRA no hita taratra ao.Tononkalo miisa 10 na 11 eo ho eo no mandrafitra ity vokatra ity. Santionany amin’ireny ny tononkalo ao amin’ny Ambioka lah 121:

 

TONTOLO FENO ANAO

 

Na ao anaty nofiko
Na an-tsefaky ny rofiko
     Heno foana ianao!
Na an-toerana mangina
Na eny am-pivoriana
            Tsaroako foana ianao!
Na toerana ialako
Na lalana ombako
      Dia misy ny alokao!
Izay rehetra alehako
Na fotoana atrehiko
        Toa hahitana anao!
Ny marina dia izao
TONTOLO FENO ANAO
Izao tontolo izao!

J.Nalisoa Ravalitera

Tsara ny manamarika fa misy kisary manaingo eny anelanelan’ny tononkalo. Mpahay sary matihanina mpiara-miasa amin’ny Faribolana Sandratra no manatontosa izany.

- “Voara”
Fampahafantarana mpanoratra mpiraifaribolana no hita amin’izany. Ny sora-piankohonany sy ny lalana nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny soratra no ambara amin’ny fomba mifintina.

- “Felana”
Lahatsoratra fampieritreretana ireo mpanoratra no tena misongadina eto. Hoy i Nalisoa Ravalitera ao amin’ny Gazety Ambioka lah 34:

”Tsy izay rehetra misora-tena ho mpanoratra akory no mpanoratra. Ary tsy izay rehetra voasoratra dia ekena ho haisoratra". ”Avy amin’ny rahona ny ranon’orana kanefa tsy ny rahona rehetra no miteraka orana”. "Ny mpihaino sy mpamaky no manosotra ny mpandefa hafatra na am-bava na an-tsoratra ho mpahaikanto na mpanoratra. Rehefa voahosotra izy dia manan-kasina, izany hoe manana ilay hery anaty hahafaha-manao zavatra tsara sy makadiry na soa sy mahatalanjona”

- "Katra”
Karazan-dalaon-tsaina toy ny ankifidy sy ny rariteny no voarakitra ao. 

- “Vanivany”
Tantara fohy maneho fampihomehezana no tsikaritra ao mba hanala hamohamo.

- “Tsimoka”
Lahatsoratra hanehoan’ny mpanoratra hevitra mikasika ny teny sy ny filozofia.

- ”Laingo”
Torolalana momba ny fomba fanoratra sy fanitsiana izay tsipelina tsy tokony hodisoina eo am-panoratana ny teny malagasy no ahariharin’ny mpanoratra eto.
Tiana ny manamarika fa misy ny fepetra isafidianan’ny tonian’ny fanoratana ny tononkalo havoaka amin’ny gazety Ambioka. Anisan’izany ny fampifandraisana ireo asa soratra tokony hivoaka amin’ny lohahevitra iray izay efa nofinidy. Raha miresaka momba ny mpanoratra ohatra ny gazety dia izay tononkalo mifandray amin’izany lohahevitra izany avokoa no mivohitra ao. Tsy maintsy kanto no atolotra ny mpamaky izany hoe endrika tsy manimba ny maso ary mahaliana ny mpamaky hatrany. Tsy voarara ihany koa ny fanolorana tononkalo avy any amin’ireo Sampana Faribolana Sandratra isam-paritra. Azon’izy ireo atao amin’ny fitenim-paritra niaviany izany saingy tsy maintsy manaraka ny fepetra izay voalaza tetsy ambony. Iray amin’ireny tononkalo amin’ny fitenim-paritra ireny ny tononkalon-dRadialf izay avy ao amin’ny sampana Vatomandry.

Gny fitiavana io angahy hatramin’ny elabe
De karakaraha ampalibe
Mampilendalenda fa tsara raha zahanana
Kanefa misy dity mampaloto tagnana !
De mitandremandrema raha koa hagnano
F’izy io ndreka koa karaha lôkandrano
Fy sy mafilotra ka mampilendalenda
Kanefa misy tôlagna mety mahakenda

Ka ilagna fahamalinana
Ry mpangalangala-pihinana !
Tandremondremonô fa gny lilahy angahy boloky
Ka sô anô sondriana amin’ireo karazan-toky
Zakezaken’ny vavany ka de hilendalenda
Him!heny loatra lengalenga
Fitaka amin-draha tsy ampoizina
Gny lilahy angahy de poizina
Vô mahita viavy tsara sy mba manjarinjary
Egnazy jiaby karaha mararirary
Raha tsy magnafôkafôka
Managn’eritreri-dratsy ka tegna sagnatriavo!
-tsy tia fa mpanimba!- ka aza de itokisana
N’inon’ino toky amiàny de mandiniha vô mibitaka…
Izaho fôgna tiavina f’izaho de tsy mamitaka!

Radialf, Ambioka, lah 80

Ny tanjona amin’ny fametrahana masontsivana dia ny hahitan’ny mpamaky fahombiazana amin’ny fanovozan-kevitra ireny haisoratra ireny. Koa na dia efa maty aza ilay mpanoratra dia tsy ho lefy laza ny asa sorany.

Raha ny fanontana ny gazety kosa no ambara dia ireto avy ireo trano printy efa nanatontosa izany:
-TGD Print
- Print Service
- RF Editions Malaza Tanjombato

Gazety 1600 hatramin’izay  nanombohana no natonta fa amin’izao fanavaozana ny fitantanana izao kosa dia mahatratra 4000 ny laharana 134 izay hivoaka manaraka ary hitombo ho 12 takila izany.
Azo heverina fa manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny literatiora malagasy ny Gazety Ambioka, porofon’izany ny fikarohana sy fandalinana izay efa notontosain-dRAOLINIRINA Vololoniaina Micheline ny taona 2004 tao amin’ny E.N.S Ampefiloha ary nampitondrainy ny lohahevitra hoe: "Gazety Ambioka, fafin-tsoratry ny ho avy" izay nahazoana ny mari-pahaizana C.A.P.E.N.

Zava-dehibe ihany koa ny fanomezan-danja ny teny malagasy ao amin’ny gazety ka nametrahan’ny talen’ny famoahana Rado Ramaherison tsipy teny ho an’ireo rafitra an-tanan-tohatra izay tsy dia manome hasina loatra ny teny malagasy:

”Laharam-pahamehana mihitsy izay saingy raha misy maika noho izay maika koa dia ny finiavana sy ny faharesen-dahatra arahana asa avy amin’ireo raiamandreny vovonana iadian’ny lohany eto amin’ny firenena aloha satria avy any ambony no iaingan’ny modely mantsy, ka mba tsy hipetraka ho soratra fotsiny ny hoe teny ofisialy eto Madagasikara koa ny Teny malagasy dia ny Teny malagasy izay tenim-pireneny sy tenim-pirenentsika”. Ambioka lah 133

Ampahany miohatra amin’izay fahalalan’ny mahay ihany ireo nambara mikasika ny gazety Ambioka ireo fa ny filonana sy fianohana izany no antoka hampiroborobo ny haisoratra malagasy.

Izahay eto amin’ny Pôetawebs dia miarahaba sy maniry ny faharetan’ny Gazety Ambioka ho amin’ny ela indrindra ka ho fanasin’ny literatiora malagasy. Ho to hatrany anie ny teny filamatry ny gazety manao hoe:

Haisoratra, rakitry ny lasa, fanoitry ny ho avy”.

Tatitra sy sary: Tsikimilamina Rakotomavo

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 21/12/2017

×