Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

15 febroary 2018
Fantaro i...
ANDRIAMANANTENA Célestin
Natolotr'i Hajaina

Teraka ny 19 febroary 1918  
ary nodimandry ny 12 aprily 2002

Teraka tao Ambohipiara Lavahintsina Ambohidratrimo tamin’ny 19 febroary 1918 i ANDRIAMANANTENA Célestin. Zanak’ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina, sy RAZAFINDRAFARA. Betsizaraina sy Soamanandrariny no fiaviany avy amin’ny lafin-dreniny; terak’Amboanana-Arivonimamo, fokon’ny Zanakantitra kosa izy avy amin’ny lafin-drainy. Nandalo ny fianarana ambaratonga voalohany tao amin’ny sekoly Ambohijatovo Atsimo (FFMA) ny taona 1925-1936, namita ny ambaratonga faharoa tao amin’ny sekoly Paul Minault ny taona 1937-1940, nianatra ny fanaovan-gazety tany amin’ny Centre International Supérieur du Journalisme tany Strasbourg – France ny taona 1960.

 

ANDRIAMANANTENA Célestin no Tale mpanorina ny gazety Hehy, mpiseho isan’andro, izay nifarimbonany tamin-jandriny, ANDRIAMANANTENA Georges na Rado. Azo atao aza ny milaza fa ny asa fanaovan-gazety, tamin’izay rehetra nimasoany, no nihazona manokana ny sainy sy naharitra aina azy.

Izy no nisikim-ponitra niaraka tamin’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy (UPEM) izay antsoina hoe Havàtsa-Upem aty aoriana, tamin’ny famoahana ny gazety literera Valiha, mpiseho isam-bolana,  ny taona 1992. Efa Filohan’izany fikambanana izany rahateo izy ny taona 1991 ka hatramin’ny 1996 ary matetika dia mandray ireo mpikambana hivory etsy amin’ny tranony etsy Amboditsiry.

Ary satria ny maha Malagasy amin’ny lafiny rehetra no masaka tao aminy dia tsy nahagaga raha liana tamin’ny fizotry ny raharaham-pirenena izy, ka nampiasa ny Gazety HEHY rahateo hanoherana izay sakantsakana rehetra tsy hanjakan’ny fiandrianan’ny Malagasy
Havanana amin’ny fanoratana tantara fisehatra sy sombintantara ary tantara foronina (miisa 30 eo ho eo) i Célestin Andriamanantena. Ny tononkalo, ny lahatsoratra famakafakana ary ny fikabariana dia anisany hamantarana azy.

« DIARY MENA », io no lohatenin’ny boky nosoratan’i Célestin Andriamanantena. Amin’ity taona 2018 ity dia mikasa ny hamoaka ho boky ireo tantara foronina nosoratan’ity Poety, Mpanoratra, Mpanao Gazety ity ireo taranany. Efatra mianadahy ireo zanany, telo ireo mbola velona dia i Fanja Andriamanantena (vavimatoa), RADO ary JOHARY ANDRIAMANANTENA, maro ny zafy sy ny zana-jafiny. Anisan’ny teny filamatra noforoniny izay nalaza tokoa kanefa tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona hoe izy no namorona izany dia ny : ANTANANARIVO MADIO NO TANJONA KA TADIDIO.

 
  NY TENY MALAGASY
(Tonon’ny hira fanevan’ny UPEM,
noforonin’i Célestin Andriamanantena)


Ny teny malagasy
No tenindrazantsika
Tsy avela hangasihasy
Fa maha isika antsika.

Ka isan’andro vaky
Andrianiko ny teniko
Fa lova amin’Ikaky
Sy tolotry ny Reniko



 Inty tononkalo iray nosoratan’i Nalisoa RAVALITERA ahatsiarovana indrindra hatrany an’i Célestin ANDRIAMANANTENA

FANTATRA ISE
Amboara ho an’i Célestin Andriamanantena

Fantatra ise !
Fantatra tsara ny anaran’ise
Na toerana aiza na toerana taiza
Tsy nisy tsy niantso an’ise ho sakaiza.

Fantatra ise
Ilay mpampitokelaka tamin’ny HEHY
Ilay mpikabary nikoizana be,
Ilay mpanoratra ny Diary Mena
Célestin ANDRIAMANANTENA !

Fantatra ise,
Ilay MPANAKANTO mpanao SORATRAFO
Izay sahin’ny olona vidina lafo.
Ilay Filohan’ny MPANAO GAZETY
Sady Filohan’ny HAVATSA POETY.

Fantatra ise !
Ilay mpanentana mpamalifaly
Ny mpianatr’I PATA sy MAINTIMOLALY,
Ilay TILY mpamelona ny TENY GASY.

Fantatra ise,
Ilay LOHOLONA tao am-piangonana,
Andry sy Kiady ary rain’ny ankohonana,
Mpikambana tao amin’ny AKADEMIA,
Tena OLOMANGAN’ity tany ity

Fantatra ise,
Ilay TIA TANINDRAZANA mahery fo,
Tsy mpanara-poana fa tena FILOHA
Tsy sarambabeny fa ilay tena sanga
Sady OLO-MARINA no OLOMANGA.

Fantatra ise,
Fa tsy fantatro intsony fa be dia be
No azo lazaina ny momba an’ise ;
Fantatra kosa fa tsy mety maty,
Voarakitra am-po, voatahiry ao anaty
Satria ANDRAREZIN’ity firenena
I CELESTIN ANDRIAMANTENA !

Andriamanitra anie handray an’ise
Fa fantany ise !

J. Nalisoa RAVALITERA
Novakina teo am-pasana, MA AKPELA tamin’ny andro fandevenana 14.04.02





Sarin'ny Komitin'ny Gazety Valiha
Mitsangana miankavanana: Jeannot Ratsimbazafy, Rado, GRG, Le Myosotis, Nary, Célestin Andriamanantena sy ny vadiny, Ralison Jean, Abeline Eléonore, Ranaivo Julien, Mamy Zézé.
Mipetraka miankavanana: Jean Rossinah, Ramy, Randy.

FANAMARIHANA
Fony i Célestin ANDRIAMANANTENA Filohan’ny UPEM aho no voaray ho Mpikambana (11 febroary 1996). Anisan’ny tsikaritro mandritra ny fitarihany fivoriana (tetsy amin’ny Galérie 6 tamin’izany) ny hafanam-pony maneho hevitra sy hanatanteraka asa. Ary ny teny rehetra izay aloaky ny vavany dia mahaliana sy maha te hihaino avokoa, ravahin’ny fahaizany mampihomehy sy mihomehy eo am-piresahana, hany ka na adiny roa aza ny fivoriana dia toa tsy hitahita akory ny fiafaranany. Izay hitako nampanjombona fatratra ny tavany indrindra kosa anefa dia tamin’ny alahady 10 novambra 1996 raha nanatanteraka fotoam-pivavahana teny Antsahamanitra ny Malagasy mitanondrika noho ny  nandoroan’ny olon-tsy manjary ny ROVA MANJAKAMIADANA. Tazanay avy ety ambony izy nidina, nitanondri-doha ho eny amin’ny sehatra misy ny fanamafisam-peo ary dia nihiaka mafy teo am-pamakiana ilay tononkalo nosoratany milohateny hoe MITOMANIA RY FIRENEKO.

Célestin Andriamanantena : tena olon’ny fitiavan-tanindrazana ary porofoiny amin’ny alalan’ny teny sy ny ataony izany, ka namelàny tombokavàtsa tsy hay kosehina. Manokana fotoana ho fahatsiarovana sy fankalazana ny faha 100 taonany ny HAVÀTSA-UPEM sy ny FIANAKAVIANY ny 19-20-21 febroary 2018, Ranty sy serasera etsy amin’ny Tahala Rarihasina isan’andro ary fandaharana manokana iray sy mandeha isan’andro mandritra ny herinandro ao amin’ny Televiziôna Malagasy.

Nanangona hevitra sy nanao ny tatitra : ANDRIANASOLO Hajaina

 

 


Fikambanana hafa nisy azy
FIMAMIRE, Syndicat de la Presse de Madagascar, Fikambanan'ny mpanao gazety Afrikanina.

Boky ahitana ny asa sorany
Vavahady vaovao (1940), Ako, Ritsodritsoka (1948).

Tsangan-tononkalo
Anjomara sy bitsika, nolalaovina tao amin'ny tranompokonolona Isotry ary nirahan'Andriamanantena mirahalahy (Célestin sy Georges) nanatontosa.

Gazety ahitana ny asa sorany
Hehy, Valiha, Mpandinika, Takariva, Ranovelona, Tatamo

Firenena sy kaontinanta efa notsidihiny teo amin'ny sehatry ny fanaovan-gazety
Tonizia, Maorisy, Azia, Afrika, Eoropa...
Nisy ny ezaka nataony hanatsarana ny asa soratra ka nanehoany fa ny gazety no fitaovana fiarovana ny haisoratra sy fikajiana ny teny malagasy.

pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
×