Fanadihadian'i Faniry Ezeckiel ny tononkalon'i Ny Eja milohateny hoe NAMANAO

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 mey 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

FANADIHADIANA TONONKALO
Lohateny : NAMANAO
Mpanoratra : Ny Eja
Nivoaka ny 21/10/2002
Loharano : "Ilay fitia", tak. 18
Namakafaka : Faniry Ezeckiel

NY EJA

FANIRY EZECKIEL

NAMANAO
 
Ho namanao fotsiny
Marihin'ilay oroka
Tsy misy afa-tsy izay,
Manaiky ny hiantsoroka
Ny sedra mahamay
Izay mety mampahory
Tsy ahitanao tory.
Ho namanao foana
Porofon'ilay fitia.
Ary izy hanao izay vitany
Mahasoa anao
F'izay no tena sitrany
Safidy tsotra izao.
Ho namanao maharitra
Raha toa ianao finaritra
Manaiky ny fisiany.
Fa azonao atao
Ny miala sy mandao
Fa tsy omeny tsiny.

Fa izy anie hatrany
Dia namanao ihany.

______________________
NY EJA (21 Oktobra 2002)
In "Ilay Fitia" tak 18

Namana... Teny tokana enti-milaza fifandraisana akaiky amin'olon-kafa, indraindray ataon'ny olona fialokalofana amin'ny zava-kendreny, indraindray aingam-po madio ifampitondrana. Fa asongadin'i Ny Eja mazava tsara amin'ity aingampanahiny mitondra ny lohateny hoe "Namanao" izay notsongaina tao amin'ilay amboaran-tononkalo voalohany navoakany "ILAY FITIA" tak. 18 ny lanjan'izany hoe namana izany. Faritany manokana ao ny tena mampiavaka ny namana, soritany tsara koa fa tsy tsianjerin'ankizy fotsiny ny hoe namana fa misy adidy an-tsitra-po tsy maintsy tanana, ary tonony an-kalo fa tsy teny mandalo ny tena namana.

Eto am-piandohana dia mandona ny saina avy hatrany ny andalana telo voalohany amin'ny fanombohan'ity zava-kanto an-tsoratra ity izay faranany hoe : "Tsy misy afa-tsy izay". Masiaka sy entim-po ery izy eto mampita ny heviny izay toa te hamefy avy hatrany ny fitongilanan'ny eritreritry ny mpamaky (na ilay nanainga ny Fanahiny manokana) tsy hivaona. Raha tsorina dia manisy fefy ny hevitry ny hoe "namana" sy ny hoe "olon-tiana" ny poeta eto. Aminy dia manana ny lanjany manokana izany namana izany ka tarihiny mialoha ny maso hahita tsara ny lalana izay tena misy ny venti-kafany eo ambany dia ny adidy an-tsitra-po eo an-tsorok'izy "namanao".

Ambarany fa tena misy ny firaisam-po madio eo amin'izay mpisakaiza marina. "Tanan-kavia sy havanana, izay didia-marary", araka ny fahendren'ny razana tokoa aminy no tena dina ifampitondran'ny namana. Miaina anaty izay fahatsapana sy fitsapana mahazo ilay sakaiza fa tsy atao fitia imolotra toy ny paraky fotsiny akory. "Manaiky ny hiantsoroka ny sedra mahamay... tsy ahitanao tory", hoy i Ny Eja ao amin'ny andalan-tononkalony. Araka izany dia solon-tapa-damba mamafa ranomaso, solon-drianala mampitony saina ny tena namana. Rehefa ifampizarana tokoa ny jaly dia manamaivana ny zioga lanjaina, "entan-jarai-mora zaka" hoy ny Malagasy ka zovy moa no antenaina amin'izany fa tsy ny namana ihany?
Ventesin'ny mpanan-talenta eto fa kiady sy andry  raha sendra horohoro, mpamafa ankaso amin-tsedra mandoro ny tena namana.
Tsy izay fotsiny anefa fa tena mandray azy ho toy ny tena mihitsy rehefa mpinamana hany ka tsy vitan'ny mifampitsetsetra sy mifanala alahelo eo fotsiny akory fa mifandray an-tanana mihitsy. Atao adidy am-pitiavana ny manolotra izay mahasoa ny namana. Rehefa tsapa fa ilain'ilay sakaiza na tsy takiany sy itarainany aza dia hanaovana izay tratran'ny hery tokoa satria toa tsapa ery ny tsiron'ny hafaliany mandray izany. Manamafy mihitsy eto ny mpanankanto hoe :
"Ary izy hanao izay vitany, mahasoa anao,
f'izay no tena sitrany,
safidy tsotra izao."
Voatsindry tsara mihitsy ilay teny hoe SAFIDY, izay manamafy fa sitra-po malalaka ny finamanana ka tokony ho hasambarana ny andraikitra  ifampitondrana sy ny rofy ifampizakana.
Voasoritsoritra teo tokoa fa ilaina ny namana hampitony fo sy hanampy sy hahatsapa izay manjo. Fa moa misy fetrany ve izany endri-pifankatiavana izany?
Raha valiana tsy an-kevitra fotsiny dia iza moa no tsy hanaiky avy hatrany fa tsy manam-petra ny tena fitiavana? Ary tsy diso izany kanefa rehefa tena halalinina dia manasalasala ihany. Ny Eja aza eto dia toa manisy fepetra kely tampoka hoe:
"Ho namanao maharitra,
raha toa ianao finaritra,
manaiky ny fisiany."
Moa va tsy mampanontany tena hoe : ary raha tsy finaritra manaiky ny fisiany? Tsy hoe "tsy haharitra" koa anefa izy no mety ho valiny fa te hilaza ny poeta fa sarotra ny fifampitondrana raha fihatsarambelatsihy sy fitadiavan-tombontsoa fotsiny ny finamanana, ary mety ho ratsy fiafara mihitsy aza raha misy iray mamitaka na mivadika. Teny atsipy am-pon'ny mahalala ny azy iny fa tsoriny mazava eo amin'ny tohin'ny sanganasany fa tsy voarodan'ny fankahalana ny tena fitiava-namana.
Arantin'ny poeta eo am-pamaranany ny tononkalony mantsy fa tsisy fetra, tsisy fepetra ny tena finamanana marina. Mampitodika ny sain'ny maro izy fa ao aza no misy ny tena toetra fototry ny fitiavana dia ny "mandrakizay" izany ary efa nahitsiny tsara araka ny voalaza tery ambony fa sokajy manana ny toerany sy ny fahamboniany eo amin'ny fitiavana ny finamanana noho ilay toetrany voalaza io. Hazavainy mantsy fa na hanalavitra aza ilay namany dia namany foana, na hanary azy aza dia tiany hatrany. Hoy indrindra ireo andalana farany amin'ny tononkalo :
"Fa azonao atao,
ny miala sy mandao
fa tsy omeny tsiny,
f'izy anie hatrany
dia ho namanao ihany."
Hatsaram-panahin'ny olombelona ny mahay mitia ireo tsy tia ary abaribarin'i Ny Eja eto tokoa izany. Raha atao indray mijery dia tsy  voazeran'ny  rivo-mahery ny  mandan'ny tena fitiavana hany ka tsy manam-petra ny hoe : "NAMANA".

Tsy hanam-petra toy izany koa raha mbola voasana amin'ny antsipiriany ity tononkalo ity satria atao ahoana tokoa moa ny famerana ny tsy misy fetra? Fa ny azo lazaina dia kinga Fanahy tokoa ity poeta vehivavy ity; kanto ery ny endrika ivelan'ny asasorany izay tsy voagadran'ny fisian'ny andininy anaty tononkalo. Ny fanehoany izany no midika avy hatrany fa poeta mira fahafahana. Tsy vitan'izay fa hainy ery ny mitsimpona ireo voambolana tsotra, tsy saro-takarina, tsy manahirana ny sofina, izay entiny mampita hafatra kanefa mafonja ny heviny, manoro ireo namana mpanoratra fa ilaina ny fanandratana ny teny malagasy kanefa zava-dehibe ho an'ny pôeta koa ny mampita ny hafany ho an'ny rehetra, tsy mitovy manko ny fari-pisainan'ny tsirairay.

Eto am-pamaranana dia hita fa mavesatra ny vontoatin-kevitr'ity tononkalo ity amin'ny fitarihana ny olona ho tonga saina, hanitsy ny lalany ka hahay hankafy ny hanitr'izany fitiava-namana madio izany indrindra manoloana izao vaninandro hanjakan'ny fitiavam-bola tafahoatra izao. Moa tsy efa namantsika rehetra sahady tokoa ve ny pôeta raha hitodihana ny fanambarany momba ny namana teo izay mitanisa ny anjara asany rahateo?

FANIRY EZECKIEL

Pôetawebs©2019 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 26/05/2019