KONFERANSA MOMBA NY SORATRA 2022
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
20 Oktobra 2022

KONFERANSA MOMBA NY SORATRA 2022


Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy


Nahatontosa Konferansa Momba ny Soratra (KMS) 6 hatreto ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko tamin'ity taona 2022 ity, hetsika natao hampiroboroboana ny teny sy haisoratra malagasy. Velakevitra iray avy no novahavahan’ireo mpikirakira ny teny malagasy tamin’izany.

Ny aretin'ny pôezia mifindra amin'ny firaisana ara-nofy ao amin'ny Facebook”, no nanokafan’i Hobiana ny KMS tamin’ny 4 Mey 2022. Anisan’ny voaresaka tamin’izany ny tsy fahafehezan’ny pôeta ny voambolana tokony hampiasaina, ny tsy fahafehezana ny fitsipi-panoratana izay tsy fantany akory fa vokatry ny dokadoka sy fanomezana “tiako” ataon’ny mpanao Facebook.

Velakevitra roa no nentina nandritra ny KMS tamin’ny 1 Jona ho fanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy (sary ankavia). I Sitraka Feno Tanteraka no nitondra ny lohahevitra hoe “Ny teny malagasy: mandroso sa mihemotra?” I Na Hassi kosa niresaka “Ny fifamatoran'ny reny sy ny aina ary ny tany tarafina ao anatin'ny boky Simple voyelle nosoratan'i Esther Nirina".

Velona sy miaina ny literatiora malagasy ary nahitana fivoarana sy fihavaozana maro araka ny konferansa notarihin’i Riambola Mitia tamin’ny 6 Jolay ka namoaboasany “Ny haiforona mampiavaka ny literatiora malagasy nanomboka ny taona 1991 mandraka ankehitriny”. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fiforonan’ny riankalo izay misy ifandraisainy amin’ny sombin-tsoratra, tononkalo, epistily. Ranoe no namorona izany riankalo izany. Anisan’izany haiforona izany koa ny tôkalo sy tôkandrigna izay asasoratra niforona tamin’ny alalan’ny fampivadiana ny an-tsoratra sy am-bava betsimisaraka. Taharo nampiasain’ny mpamorona ny tôkatôka sy tononkalo, ny riankalo sy tôkatôka.

Karazana literatiora efa mihamahazo vahana eto Madagasikara koa ny “slam”, maro ireo tanora mirohotra amin’ny fiangaliana izany. Misy koa anefa ireo  tsy mankasitraka ny fidiran’io “slam” io eto Madagasikara. Maro ankehitriny ny tsy mahay manavaka ny “slam” sy ny “tononkalo” ary izany indrindra no nitondran’i Pôety Rebely (sary ankavia) ny “teknika sy torohevitra, fomba famoronana slam-pôezia” ny 7 Septambra lasa teo. Nanohy ny KMS Ravorombato ny 5 Oktobra tamin'ny lohahevitra “Ny tantara fihaino: ny niandohany, ny olan’ny mpanoratra, teknikam-panoratana”.

Tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy avokoa no nanatanterahana ireo konferansa ireo tamin’ity taona ity. Marihina fa ny ny teny hoe “Konferansa Momba ny Soratra” na KMS dia anarana hetsika fanaon’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko hatramin’ny 2017. Nitohy hatrany izany ny taona 2018 sy 2019 izany raha niato noho ny fihibohana ny 2020 sy 2021. Efa eo am-panomanana ny Savaivon’ny Teny Malagasy na STM indray ankehitriny ity vondrona ity.

Ravorombato sy Hobiana



Riambola Mitia

Ravorombato

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja