Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

03 Aprily 2016

29 martsa 1947 - Loabary an-dasy tetsy Anosy

"29 martsa 1947 maherifon'ny firenena, fakan-tahaka ho an'ny taranaka hampandrosoan'ny madagasikara". Izany no teny filamatry ny loabary an-dasy nokarakaraina tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin'ny 29 martsa 2016 tamin'ny 2 ora sy sasany. Nikarakara ny hetsika ny Komity Mpandrindra ny fankalazana ny faha 150 taonan'ny GAZETY MALAGASY, miaraka amin'ny:

- Fakiolten'ny Teny aman-tSoratra (FLSH)
- ny fikambanan'ny Pôeta sy Mpanoratra Malagasy Havatsa Upem

Ny fotoana rehetra dia teo ambany fitariham-boninahitry ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Asatanana, nahitana ny Sekretera Jeneraliny, andriamatoa RABETOKOTANY Eugène.

 

Miankavanana: Andrianasolo Hajaina, Ranjatohery Harilala, Rabetokotany Eugène, Rabearimanana Lucile


Fanokafana

Nanokatra ny lanonana ramatoa ANDRIANASOLO Hajaina, Havatsa Upem sady mpikamban'ny Akademia Malagasy ary mpampianatra ihany koa.
Nanolotra tononkalo momba ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanjanahantany ny fikambanana tarihiny, dia ny Havatsa Upem izany. Niantsa tamin'izany i Ny Ami, Heriarilala, Vina, Malala, Njanja ary Nanando Tia.

Andriamatoa RABETOKOTANY Eugène indray dia nanambara fa manana ny toerany eto amin'ny firenena malagasy ny 29 martsa. Mijery ny zava-misy marina amin'ny alalan'ny fandalinana izay nisy sy hita isika ka hanaitra ny hambom-pon'ny tanora amin'ireo mahery fon'ny firenena teo aloha ireo. Fakantahaka izany ho any tanora ary h
anasoavana ny firenena ankehitriny.

Andriamatoa LALAO RABENANDRASANA dia nitondra fanazavana momba ny boky navoakany mahakasika ny tantaran'i Madagasikara, mitondra ny lohateny hoe DIARY. Natokana indrindra ho an'ny mpianatra ny boky ary ahitana ireto fizarana ireto.

1. Ny niavian'ny mponina sy ny loharano nipoiran'ny teny malagasy 2. Ny vanimpotoana nanjakan'ny mpanjaka teto Imerina
3. Ny vanimpotoan'ny fanjanahantany
4. Ny vanimpotoana niverenan'ny fahaleovantena, Repoblika I ka hatramin'ny Tetezamita farany ary ny momba ny kabarim-panjakana.


Loabary an-dasy

Olombe mpahay tantara sy mpanabe ary mpikambana ao amin'ny Akademia Malagasy no nifarimbona tamin'ny tari-dresaky ny loabary an-dasy. Tsy iza izany fa ny profesora RABEARIMANANA Lucile sy andriamatoa RANJATOHERY Harilala (Havatsa Upem).



Profesora RABEARIMANANA Lucile

Nisantatra ny loabary an-dasy àry ny profesora RABEARIMANANA Lucile izay nanadihady ny tolom-pahafahana sy ny gazety malagasy. Loha-hevitra telo no nasongadina.

- 29 martsa 1947 - 30 novambra 1948
- tolom-pahafahana 1947
- fandraisan'ny gazety malagasy anjara tamin'ny tolom-pahafahana, tolo-pahafantarana ny hevi-dehibe.


Nofaritany tamin'izany ny atao hoe tantara izay tsy filazana ny zava-miseho fotsiny fa ny fiantraikany amin'izao fotoana izao. Izany hoe mamantatra ny lasa, mijery ny anio ary mibanjina ny ho avy.

Tsy nitrangatranga ho azy ny tolona tamin'izany fa nisy ny fiheverana mialoha izay tokony hatao. Nisy tokoa ny fanomanana. Ny fanatanterahana azy dia nandraisan'ny olona fitaovam-piadiana mihitsy manerana an'i Madagasikara. Anisan'ny mariky ny firaisankina izany ary efa hatramin'ny ela no nitolona ny Malagasy.

- 1895, nanohitra ny fidiran'ny vahiny
-1900 - 1920 niaro ny kolontsaina
- 1920 - 1940, nitaky ny fitovian-jo eo amin'ny Malagasy sy ny Frantsay
- 1945, nitolona ho an'ny fahaleovantena.



Antsa tononkalo

Taorian'ny anjaran'ny profesora RABEARIMANANA Lucile dia niato kely tamin'ny alalan'ny antsa tononkalo ny fotoana. Ny Ami no niantsa ny "Mbola andriny". I Heriarilala kosa no niangaly ny "Ho tohizina ny tolona" ary i Vina no nanao ny "Amin'izany ady izany".


Andriamatoa RANJATOHERY Harilala

Nandroso naneho ny heviny avy eo andriamatoa RANJATOHERY
Harilala nitondra ny hafatry ireo tena mitolona.

RAJEMISA
RAOLISON.
"Teny apetraka amin'ny  olona iray ampitaina amin'ny hafa tena mitolona, Malagasy fantatra na tsy fantatra nandray anjara tamin'ny endrika samihafa hanoherana ny fanjanahatany frantsay".

 

Niaraka niredona ilay hira hoe "Madagasikara tanindrazanay" ny iray trano.

Nofakafakaina io hira io ka hafatra fito no azo tsoahina.

1. An'ny Malagasy i Madagasikara ka tsy azo zaraina.
2. Masina.
3. Lova sarobidy ka tiavina.
4. Takiana ny fanoloran-tena hiasa ampazotoana.
5. Zava-dehibe ny firaisankina amin'ny fifankatiavana.
6. Fahasahiana, fahamarinana, fijoroana amin'ny maha-Malagasy.
7. Fanapaha-kevitra marina miroso amin'ny fampandrosoana ny firenena.
  Madagasikara, Tanindrazanay

1. Madagasikara, Tanindrazanay
Tany sarobidy masina sy soa
Lova soa nomen’ny Razanay taloha
Maty ho anao ny tena lazanay;

Isan’andininy :
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahihahy
'Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.

2. Isika rehetra izao, akanga miara-dia
Tsy azo kotabaina na ravana koa
Ka hitomboan-dahy hiasa re satria
Io no loharano fototry ny soa.

3. Malagasy Ô Handeha hifankatia
Ho mpiralahy tena iray tampo
Ny mifankahala ataovy sanatria
Tena iray tokoa, ny saina sy ny fo.

 

 


 RAINANDRIAMAMPANDRY
"Ho Malagasy mandroso nefa mijanona ho Malagasy isika".


Antsa tononkalo

3 mianadahy an'ny Havatsa Upem indray no namarana tamin'ny alalan'ny antsa ny famelabelarana.

. Malala: "Mahery fo"
. Njanja: "Ho an'ny taranaka"
. Nanando Tia: "Ity tanindrazanao"


 Taorian'izay no nahafahan'ny mpijery namertaka fanontaniana izay maro tokoa satria nahitana mpampianatra, mpikaroka, mpianatra mpikaroka, mpianatra malagasy marobe eny Ankatso.

Tamin'ny  5 ora sy sasany no nirava ny lanonana.

Tatitra: Léa Fandresena
Sary: Nanando Tia

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 04/04/2016