Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


23 janoary 2010
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

Mino ve ianao?

— Lahatsoratr'i Fedy Jaofera 

    Mino ve ianao raha holazaiko hoe tsy afa-nanoratra i Fredy JAOFERA tany am-boalohany noho ny aretina izay nahazo azy fony kely ? Mino ve ianao raha holazaiko hoe tsy nahay niteny malagasy i Fredy JAOFERA taloha ? Teny frantsay no tenin’ny fahazazany satria Lafrantsa no firenena mbola nianaran’ireo nahitany masoandro tamin’izany. Rehefa maty ny reniny dia nonina tany ambanivohitra (Ambohipanja) niaraka tamin’ny raibeny sy ny renibeny avy amin’ny rainy izy sy zandriny ary niteny frantsay hatrany, na tamin’ny fianakaviana na tamin’ny olona nanodidina azy ireo hany ka nametrahan’ny olona anaram-bositra hoe : ‘ GASY TSY MAHAY MITENY GASY ‘ izy mirahalahy tamin’ny farany.

    Sekoly malagasy mandrakariva no nianaran’i Fredy JAOFERA ka nahafahany nifampikasoka tamin’ireo mpiray tanindrazana taminy bebe kokoa ; sekoly malagasy hatrany no nianarany ka nisy tokoa ny taranja Malagasy tany an-dakilasy. Sahirana ihany izy tamin’ny voalohany fa saingy noho ny ezaka, kiry, finiavana sy fitiavana ny tenindrazana izay efa tany anaty rà dia nahasahy nandray ny penina mba hanoratra vao iraika amin’ny folo taona monja. Mora taminy no nanoratra tononkalo tamin’ny teny malagasy, na dia mbola tsy matotra aza ny fomba fanorany. Fanapahan-keviny irery ny hanohy ny fanoratana. Vaky boky tamin’ny teny malagasy no nataony betsaka fa tsy nisy nanampy azy, tsy nisy nankahery azy ary tsy nisy nanohana azy teny am-pamakivakiana ny lalana nodiaviny teo amin’ny sehatry ny kanto sy ny haisoratra. Esoeson-teny aza no navoakan’ny olona fa tsy fampirisihana ; resaka adala aza no nafafifafy fa tsy fankasitrahana. Tsy nekena mihitsy sy tsy ninoana mihitsy ho nanan-talenta izy fa nasesisesika taminy tamin’ny fiainany manontolo fa te hieboebo fotsiny eny imason’ny olona fa taranaka poety izy fa tsy mahay manoratra akory !… Nalahelo ihany izy sy voadona ny hambom-pony.

    Ny asa sorany dia efa nivoaka gazety (Madagascar Matin, Midi Madagasikara, Atrika, Madagascar Tribune, Hehy) sy revio ( Ny Mpamangy). Efa hita ihany koa izy niantsa tononkalo tamin’ny fahitalavitra. Efa re tao amin’ny radio tamin’ny Fandaharana FEOM-BALIHA MAMATONALINA isak’alahady amin’ny valo ora alina. Boky valo no navoakan’i Fredy JAOFERA hatramin’izao ary enina miaraka amin’ny Fikambanana :

- TENY ROA

- NOSY MAMIKO

- NY RANOMASOKO

- FIAINANA

- DIAVOLANA

- IARIVO

- RAOZY

- TSETSATSETSA

     Miparitaka amin’ny internet ihany ny tononkalony maro ankehitriny.

    Fredy JAOFERA dia olom-pikambanana. Faribolana SANDRATRA no Fikambanana nidirany voalohany (1991). Izao izy dia Mambran’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy ary Filoha lefitry ny Fikambananan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy sampana Frantsa ; Mpanolontsain’ny Fifarimbonan’ny Mpandala ny Maha-Malagasy izy na ny FIMPAMAMA ary Mambran’ny Poètes des Afriques et d’Ailleurs. Izay amin’ny ankapobeny i Fredy JAOFERA eo amin’ny sehatry ny literatiora.

 

poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 29/12/2018

×