Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja


21 avrily 2012
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


NY POEZIA...
— Lahatsoratr'i Hajanolalaina, nampitain'i Rado Ramaherison

 

Anisan'ny mampiavaka ny firenena tsirairay ny kolontsaina ao aminy. Heverinay fa ilaina ny hamelabelarana fohifohy eto ny mikasika ny Poezia sy ny fiheveran'ireo mpandinika sasantsasany izay notsongainay tao anatin'ny maro.

- Poezia : hay kanto mifototra amin'ny teny

I Siméon RAJAONA dia milaza fa : « " Ny literatiora" (...) dia "zava-kanto vita amin'ny teny" ». Tahaka ny mpanao hoso-doko izay mikirakira ny loko eo am-pelatanany, ny Poeta dia mikirakira sy mampiasa ny teny, ka mandrafitra izany ho tonga Sora-kanto. Noho izany, ny teny no anisan'ny fototra iray lehibe iorenan'ny literatiora sy ny poezia. Ny teny tokoa mantsy dia afaka manova endrika sy manova toetra ny zavatra iantefany, ary ny fahaizana mampiasa io teny io sy milalao aminy indrindra no maha-poezia ny poezia.

- Poezia : mamohafoha zava-miafina

Amin'ny maha-"hay kanto" (art) ny poezia anefa dia ilàna fahaizana ny famoronana azy. Mifantina sy mandrindra ny teny ampiasainy ny mpanoratra, ka mahatonga izany teny izany hanana hery afaka manintona ny sain'ny mpamaky, misarika azy handinika sy haka sary an-tsaina izay voalazan'ny mpanoratra, izany no ilazan'i Randja ZANAMIHOATRA fa :

"Mamoha ny fientanana tsy mbola tafapoitra tanteraka ao amin'ny olona ny soratra ; manetsiketsika ny sainy hanakatra ny fivelatr'izao tontolo izao" .

Izany fiheveran-dRandja Zanamihoatra izany dia mbola nosoratany an-tononkalo ao amin'ilay tononkalony hoe "Poeta", ka anehoany fa ny Poeta dia afaka sady mijery no mahita : ny olon-tsotra dia mijery fotsiny ihany fa tsy mahita, fa ny Poeta kosa toy ny mpaminany ka mahita ny tsiambaratelon'izao tontolo izao, ary mamboraka izany ao amin'ny tononkalony. Hoy indrindra izy :

"Irery mahalala, tafiditra mivantana
Anivon'ny tsy fantatra..."

- Poezia : hay kanto feno, hoso-doko sy mozika

Toetra mampiavaka ny poezia amin'ny zava-kanto hafa ny fananany izany hery miafina izany, ka nahatonga an'i Charles RAJOELISOLO hilaza fa :

"(...) ny tena poezia dia vetsovetsom-po manetsika fo hafa, hiran'ny fanahy mampipararetra fanahy hafa".

Araka izany, ny poezia dia izay afaka mampirindra ny zavatra azo tsapain-tanana ka voasariky ny fandrenesam-batana toy ny sofina, ny orona, ny maso... amin'ny zavatra tsy azo tsapain-tanana toy ny eritreritra, ny fihetseham-po, ny fitiavana... Manaporofo izany ny tononkalon'i Riza RATSIMAZOA mitondra ny lohateny hoe "Matoambolana" : "Ny hirako...

Ny tsirin'ny eritreritra, manonja ny fidonany
tovanam-peo tantely, hampanongilan-tsofina
ka miova tsy ny sodina maneno akoho notsofina
hanondra-dranomanitra ombaim-panangolena
sy velovelo nofy velarina ho sary
milokon-takarivan'ny masoandro mena..."

Azo lazaina fa manana fahefana eo amin'ny olona iantefany ny poezia, satria manana hery manintona avy hatrany ka misarika ny mpamaky hifantoka amin'ny zavatra voalazany. Mitana anjara asa lehibe izy araka izany : mandoko ny zavatra iainana andavanandro, mikalo ny zava-boaary sy mihira ny hatsaran-tarehy, anehoana hevitra amam-pihetseham-po, manetsika ny fiontanam-po amam-panahy, manova endrika ny tontolo noho ireo voambolana voafantina sy voarindra ao aminy. Ny teny no fitaovana ampiasaina amin'izany, ka tsy toy ny fahita andavanandro, fa fomba fiteny sy filazan-javatra mihataka amin'ny mahazatra.      

                                                                                     Hajanolalaina 2002

poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 29/12/2018