Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

22 avrily 2017

RNS 2017 – Poitiers : HAVATSA-UPEM - 15, 16, 17 Aprily 2017

Nampiomana mari-pana iva sy orana ny « meteo » na ny mpizaha toetrandro nialoha ny andro iaingana hamonjy ny RNS 2017 tany Poitiers, nefa nony tonga tany, inona fa tsy ny masoandro aza no nitsiditsidika ny varavavaran-danitra teny anelanelan’ny rahona manify teny, raha nilahatra ny mpandray anjara mba hiarahaba ny mpanatrika ? (Teo amin’ny Kolontsaina dia nisy ny HAVATSA-UPEM, E-FANORONA, VOHITSERA, KOLO MALAGASY, FIMPIMA, HETSIKA NANTES, RAFAMIRAY JEUNES, EDITIONS DODO VOLE ary AY FANAHY hosodokon’i JEAN ANDRIANAIVO RAVELONA). Somary nangatsiaka ny andro fa tena nafana kosa ny fihaonam-ben’ny Malagasy ao Frantsa, RNS, Rencontre Nationale Sportive, Fihaonambe isan-taona eo amin’ny fanatanjahan-tena tao ANALAMANGA izay lohahevitra tamin’ity taona ity.

MIKOLO SAINA
Naneho ny faniriany ny mba hanomezan-danja bebe kokoa ny kolon-tsaina, ka haha-RNSC (Rencontre Nationale Sportive et Culturelle) azy i DI… na RAHAINGOSON Henri tamin’ny taona lasa, andro vitsy talohan’ny nodiany handry fehizay. Mbola tsy eo amin’izany anarana izany akory isika, fa tsapa ny ezaka hanome sehatra ny kolontsaina na dia misy aza ny tsy tonga lafatra. Ny indro kely tamin’ity (na be, arakaraka ny toerana ijerena azy), hoy ny mpandrafitra, dia nisintaka lavitra ny « Village de Madagascar » sy ny Sehatra lehibe (Podium) ny tranolay nirantian’ireo fikambanana ara-kolon-tsaina, ka tsy hitan’ny mpanatrika. Ny ankabeazan’ny olona dia nijanona teo amin’ny « Village » teo rehefa tsy tany amin’ny fanatanjahan-tena. Isan-taona tokoa mantsy dia misy ireo faly mihaona amin’ny mpiray tanindrazana, mifampizara vaovao, ary mazana rehefa hitany eo dia misy mijery ihany ny Kolon-tsaina isan-tsokajiny. Nosarihina tamin’ny fomba maro ihany izy ireo, nisy ny tonga, fa be no nalaina handia lavitra e ! Mbola tsy eo amin’ilay « zava-tiana tsy mahalavi-tany » isika, raha ny maha-Malagasy no nojerena, soa aloha fa tsy mikely soroka ireto olona amam-pikambanana manandratra ny haren-tsaina sy ny soatoavina tsy miato. Tohanan’ny mpandrindra ny RNS ny firotsahana amin’izany isan-taona.

SORATONONINA
Fotoana tena ankafizin’ny olona ohatra ny SORATONONINA karakarain’ny Fikambanana KOLO MALAGASY ny sabotsy tolakandro izay mahavory olona maro be hatrany, roboka anaty tontolo fianarana vetivety ny kely sy ny lehibe mihaino ny lahatsoratra dia manoratra izay re, ezahina tsy hisy diso, avy eo isaina avy ny diso, ka izay vitsy diso indrindra no tompon-daka ! Kilalao mahafinaritra tokoa, ary mampahatsiahy fa betsaka no mbola liana na mahafehy ny teny malagasy. Nijoro teo ny mpampianatra Abel Andriarimalala ho an’ireo izay nila fanazavana, nanolotra loka koa ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa.

FAMPIRANTIANA
Eo amin’izay fanandratana ny Teny Malagasy sy ny maha-Malagasy izay mihitsy no anjara toeran’ny HAVATSA-UPEM, ka teo ny tranoheva nampirantiana ny faha-65 taonan’ny Fikambanana, ny momba ny Sampana Frantsa, ny hosodokon'ny Filoha am-boninahitra F-X. MAHAH izay maneho an'i Madagasikara, ny boky maro be natao hovakina eo amin’ny tranomboky mandehandehan’ny HAVÀTSA Frantsa, sy ny hovimbinina hody raha te hitondra. Ny mpanoratra tranainy toy Ny Avana Ramanantoanina, Jean-Joseph Rabearivelo, Régis Rajemisa Raolison, Dox, G.R.G, Célestin Andriamanantena, RADO,… sy ny ankehitriny to an-dry F-X. Mahah, Abel Andriarimalala, Ramy Laza, Antsiva, DadaRabe, Andriafaly Thina, HAJAINA, Hanitr’Ony, Toetra Raja, Fredy Jaofera, Bana Rahalahy, Volatiana Rahaga, sns… dia hita teo tokoa, nisy koa ny boky mitantara Angano, ny Revio Havatsa sy ny Revio Tsara Soratra ary ny boky fianarana teny malagasy.

VALAN-DRESAKA
Nisy valan-dresaka ny sabotsy tolakandro nanehoan’ny Filohan’ny Sampana Frantsa, Ramatoa Hanitr’Ony Salomon, ny lalana nolalovan’ny Havàtsa, ny tanjony sy ny antony isiany, nandritra izay 65 taona izay. Niarahana tamin’ny tompon’andraikitry ny Mamelomaso Ramatoa Nosy Rabejaona izay niresaka ny fiarovana ny vakoka malagasy moa, sy ny mpanoratra fanta-daza iraisam-pirenena, sady mpanonta boky, Atoa Johary Ravaloson, Atoa Anatole Ramaroson no mpanentana. Maro ny fanontaniana napetrak’ireo mpijery teo ary tena mamelom-panantenana ny fahenoana ny takalo toy ireny ho an’ny hoavin’ny soratra sy ny teny malagasy, raha arahan’asa mivaingana.

ATRIK’ASA FANORATANA TONONKALO
Taorian’ny Soratononina dia nisy atrik’asa fanoratana tononkalo nokarakarain’ny Havàtsa-Upem izay nanomezan’i Abel Andriarimalala sy i Hanitr’Ony torohay sy tari-dalana momba ny fanoratana tononkalo, ny endrika isehoany sy ny hevitra fonosiny, ny toeran’ny aingam-panahy sy ny « asa » ny vokatra voalohany, hianona amin’ny aingam-panahy sa handalina bebe kokoa, ny fanarahana rafitra na tsia, ny ngadona malagasy sy ny paika vahiny, ny rima, ny soneta, sns… ka tena nahaliana ny mpanatrika, ary telo amin’izy ireo no nahavita andalan-tononkalo vitsy ho fampiharana.

ANTSAN-TONONKALO : Alin'ny Kolontsaina
Ny Alin’ny Kolon-tsaina ny sabotsy 15 aprily tamin’ny 8 ora alina dia nifamotoana ireo fikambanana nandray anjara tao amin’ny RNS mba hanao seho iraisana ho an’ny mpijery, ka teo no nomena ny loka ho an’ny mpifaninana fanorona na katro, sy ny isan-tsokajiny. Nomena fankaherezana rehefa avy niantsa ny andalan-kalony ireo mpiofana tamin’ny atrik’asa poezia, ary nanolotra antsan-tononkalo miompana amin’ny tenindrazana sy ny fitiavan-tanindrazana ny Havàtsa-Upem noravahan’ny feom-balihan’i Dédé Sorajavona. Nilantolanto sy naredona ny Kalon’ny fahiny nataon’ireo tarika Hasin’ny Ela, Sorajavona, R’Imbosa. Feno fifaliana ny takariva niarahana tao, na nisy aza ny olana vitsivitsy teo amin’ny hazavana sy ny lafiny teknika tao an-tranolay tao.

HAZA HAREN-TSAINA
Ary farany ny alahady folakandro dia nanentana ny ankizy sy ny ray aman-dreny handray anjara amin’ny HAZA HAREN-TSAINA na « Chasse au Trésor » ny Filoha Hanitr’Ony, ka nisy valo ambin’ny folo no nisoratra anarana, tsy izy rehetra kosa anefa no nahaatitra ny valiny noho ny antony samihafa, tao no nilaza fa lavitra loatra no nisy ny tranohevan’ny Kolon-tsaina. Mbola ho be ny sisa ho an’izay tsy nahatratra fa ireo izay nahavita kosa dia hita ho faly teo am-pikarohana ny valim-panotaniana sy ny marika (indices). Ny tanjona amin’ity lalao ity dia ny hirobohan’ny fianakaviana ao anatin’ny tontolon’ny teny sy ny tany ary ny tantara malagasy amin’ny alalan’ny lalao mahafinaritra. Azo atao hoe nisy nahatojo izany ireo ankohonana kely nandray anjara, ary anarana telo no nahazo ny loka voalohany : 1. Fianakaviana RAVALOSON Z., 2. Fianakaviana LOUPP H. M., 3. Fianakaviana RAVELOSON Zina. Ireo hafa koa dia nahazo ny harena ihany na tsy nahazo loka aza, satria nahazo fahalalana, ary nomena azy ireo ny valin’ny lalao hanohizany any an-trano.
Dia toy izay sy izay ny tatitry ny fotoanan’ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy HAVATSA-UPEM tamin’ny mpandeha RNS ! Araho fa mitohy ny fankalazana ny faha-65 taona an! Soava e!

Tatitra sy sary : Hanitr’Ony
 

   
   
   
   
   




   
   
Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com