Créer un site internet

varavarana

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa


    ANTSIVA
    05 novambra 2010
   

 

ANTSIVA, na Rasoamanarivo Solomampionona Marie-Angèle tamin'izy mbola mpitovo, ary nanjary Raharijaona Marie-Angèle nony nanambady, no vahinintsika etoana. Mamapasy koa aza no fiantsoana azy satria diso fantatry ny Malagasy maro any Frantsa izy amin'ny maha Mpitandrina azy. Maro dia maro tokoa moa ireo fiangonana malagasy any an-toerana no efa nitandremany. Mahafantatra azy koa anefa ny eto Madagasikara satria efa nisahana ny fampianarana teny malagasy sy frantsay teto izy. Araka izany dia manampahaizana manokana amin'ny teny malagasy izy ary nahavita fianarana teny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo momba ny haisoratra malagasy. Nanita-pahalalana tany Parisy (INALCO) izy tato aoriana ka tamin'izany no nahazoany mari-pahaizana "doctorat". Poety koa anefa izy ary manana traikefa tokoa satria efa tany amin'ny taom-polo 60 no nanombohany namindra. Tsy tambo isaina araka izany ireo fahombiazana vitany teo amin'ny fiainana ka tsaratsara angamba isika raha hiroso etsy amorom-patana hitapatapak'ahitra miaraka aminy.

 

Miarahaba anao Antsiva ary misaotra anao manaiky mamindro miaraka aminay eto ambony akalana. Antsivan'Ilampy no anarana indrana nisaloranao tamin'ny voalohany. Ilampy moa satria voatendry hampianatra tany Ambatolampy ianao. Ahoana kosa ny momba ny Antsiva ?


Am-pifaliana no iarahabako ny tranonkalan’ny poety malagasy sy ny mpamaky hajaina rehetra amin’izao fandraisako anjara eto amin’ny Tapatapak’ahitraeto izao.  Koa arahaba toa an-dRavolana : na fenomanana izy na nahabangana  dia fanala haizin’ny alina,  tokin’ny vahoaka izay miraparapa ao anatin’ny ala mikitroka sy ny haizin’ny adim-piainana mila haningotra ny ainy. Fiaraha-miasa moa izy ity koa amim-panetrentena sy am-pitiavana tokoa no itondrako etoana ny anjara birikiko. Izao tsy fisoronana ataonareo amiko izao dia toy ny hanim-py asoka tantely : amboloina manitra, andramana  fy, tsakoina mahafa-diana, atelina vahatry ny aina. Alohan’ny hamaliako ny fanontanianao anefa dia misy fanamarihana kely tiako hatao :  Fony mbola mpianatra aho dia efa nitondra ny anarana indrana hoe   “Antsivan’Ilampy”.  

Ny anarana indrana “Antsiva”

Tsy teraky ny kisendrasendra nefa koa tsy nosaintsainiko akory ny hitondra ny anarana indrana hoe “Antsiva” izay zary tandra vadin-koditra amiko ankehitriny.

  • Raha nikaroka ny anarana indrana hoentiko aho dia toa nisy feo nibitsika tanatiko hoe “Antsiva”. Nanontany tena aho hoe fa nahoana no Antsiva ? Nojereko tamin’ny Dictionnaire malgache-françaisnosoratan’i Mompera Malzac ny mety ho dikan’izany hoe “antsiva” izany. Raha tsy diso ny fitadidiako dia izao no voasoratra tao : “coquille qu’on sonnait à la suite du souverain”. Inona no mety ho hevitr’izany ?

Fahiny, teo amin’ny fiainana andavanandro dia karazana akorandriaka fampiasa hamoahana feo ho fanairana  sy  famoriana olona rehefa misy Andriana tonga ny antsiva.  Amin’ny fomba ahoana no haha Antsiva ahy ? Rehefa nalaiko ambony, nalaiko ambany dia toa izao no fandraisako azy : izaho dia akorany ihany, fitaovana ampiasaina hamoaka sy hampita feo. Feon’inona anefa ? Feon’antsiva. Feo fanairana. Feo tsy mampitomoe-poana fa maniraka hihetsika.

  • Mandray roa izany ny hoe « Antsiva ». Eo ilay « izaho akorany », eo ihany koa Ilay feo  midika hoe « antsiva ». Izany hoe : Ilay feo mihitsy no antsiva fa tsy izaho. Izaho izany mpiara-miasa aminy fotsiny ihany.
  • Noho izany dia tsy tokony hofaritana ho an’Ambatolampy ihany Ilay feo. Midadasika ny saha. Izao rehetra izao iray tsy mivaky dia natao handre azy avokoa. Na ny any an-danitra na ny ety an-tany, na ny tontolo iainana tsy misy diso anjara fa samy sehatra anandratana sy anapololorana Ilay feo avokoa.
  • Mahafaobe izany ny anarana indrana hoe Antsiva fa tsy voafehy na voafaritry ny toerana iray. 
Inona no nahatonga anao nanoratra ?
  • Ny nahatonga ahy nanoratra ve ? Tsotra ny valiny : satria tia manoratra aho. Hatramin’ny androm-pahazazako dia tia manoratra aho.
  • Misy hery tsy hay lazaina manery sy manosika fotsiny izao handray penina sy taratasy.
  • Raha ny anarana indrana noraisiko no indramiko hanazavana azy dia izao : Ilay “Antsiva” ato anatiko no manery ahy hanoratra. Izaho akoran’Antsiva ihany.
  • Namolavola ny fomba fijeriko sy ny fomba fisainako ihany koa anefa ny famakiana ny Baiboly sy ny karazam-boky maro samy hafa tao an-trano famakin’i Dada sy Neny. Nahaliana ahy avokoa izy ireny. Efa nandefa tononkalo tamin’ny “Ny lalaontsika Rankizy”  tao amin’ny Radio Madagasikara koa aho  fahiny.
  • Fa ny anisan’ny boky tsy maty am-paosiko dia ny fihirana. Tia mihira aho. Anovozana hery sy aingam-panahy ny hira ao amin’ny fihirana. Literatiora kristianina manana ny maha-izy azy ny hira amin’ny fihirana. Na faly aho na ory dia manovo hery amin’ny alalan’ny hira. Manan-kambara amin’ny fiainana manontolo ny hira. Anisan’ny namolavola ny tontolom-pihetseham-poko ny hira ao amin’ny fihirana sy ny ataon’ny Antoko mpihira. Tamin’ny androm-pahazazako dia nanana anjara hira aho tao am-piangonana. Taorian’izay dia niditra ho mpikambana tao amin’ny sampana Antoko mpihira.
  • Ankoatra izany dia anisan’ny taranja nankafiziko ny fianarana tononkalon’ny mpanoratra tany an-dakilasy tamin’ny androm-pahazazako. Anisan’ireny, ohatra, ny “Le corbeau et le renard” nosoratan’i La Fontaine. Atao tsianjery izy ireny ary arahina fihetsika ihany koa. Misy lesona azo tsoahina rahateo koa moa avy aminy ka misy hoenti-misaina sy hoenti-miaina.
Pasitera sady poeta ianao toa an-dry Rabary, Ravelojaona sns. Azo lazaina fa olon'ny literatiora avokoa ve ny mpitandrina ? 

·        Inona moa no tena amaritanao ny hoe “olon’ny literatiora ?”

·    Tsiahivina eto am-panombohana fa tsy izay namoaka boky ihany no azo lazaina ho olon’ny literatiora. Misy karazany roa ny literatiora dia ny  literatiora am-bava sy ny literatiora an-tsoratra. Anisan’ny literatiora am-bava, ohatra, ny lovantsaina, ny lovantsofina, ny kabary (toy ny kabary am-panambadiana sy ny karazan-kabary eo amin’ny vanim-potoana samy hafa amin’ny fiainana andavanandro) sy ny hafa tsy àry ho voatanisa eto avokoa.

·        Milona ao amin’ny fiaraha-monina misy azy ny mpitandrina ary manana anjara fitenenana na an-kafaliana izany na an-karatsiana. Teny voahevitra, voalanjalanja, mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny tranga eo amin’ny fiaraha-monina izany.

·     Milona tanteraka ao anatin’ny literatiora ny Mpitandrina. Iarahantsika mahalala ny maha-mpitandrina sy mpanoratra an-dry pasitera Rabary sy Ravelojaona. Maro ny asa soratra vitany izay ifandovan’ny taranaka mifandimby. Tsy zoviana amin’ny mpitandrina ny literatiora kristianina raha  ny Fihirana sy ny Toriteny vita an-tsoratra (na tsia) no  itarafana azy.

·        Ny fahefa-mamoaka boky no tsy ampy na tsy misy fa raha ny mpitandrina rehetra, ohatra, no afa-mamoaka ho boky ny toriteny nataony hatramin’izay naha-mpitandrina azy dia maro no hiaiky volana ny maha-olon’ny literatiora ny Mpitandrina.

Mpanoratra tononkalo koa ve ny rainao sy ny raibenao izay samy mpitandrina  avokoa ?

 

Samy nanan-talenta tamin’ny famoronana tononkalo ny raibeko sy ny raiko saingy ny mampalahelo dia tsy nisy voatahiry izy ireny. Indraindray, ohatra, i Dada rehefa miresaka na mivavaka dia toa miendrika tononkalo ny fihainoana ny teniny. Nanarazo tamiko izany ka matetika rehefa mivavaka aho dia miendrika tononkalo ny vavaka ataoko.
Azonao ampatsiahivina ho an'izay tsy mbola namaky ny bokin'ny Havatsa Upem "Tatamo manokana" ve ny momba ny "tarazo misionera" navoitranao tao ?
Ny teny hoe “tarazo misionera” dia enti-milaza  fitohizana sy fifandimbiasan’ny taranaka ao amin’ny fianakaviana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Antso ny fitoriana ny Filazantsara. Vokatry ny asan’ny teny ao anaty. Asa fanolorantena io, fijoroana ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao. Nisy antso toy ny afo mandoro, mipariaka, mitombo vahana, tsy mamela hitomoe-poana fa manentana handray andraikitra avy hatrany. Tsy olona iray na roa ao amin’ny fianakaviana no nandray sy namaly antso fa maro tokoa ka nirotsaka an-tsehatra, vonona hiasa ao an-tanimbolin’ny Tompo. Tao ny niasa tamin’ny sekoly FJKM, tao ny niasa tamin’ny sekoly loterana. Misy amin’izy ireny mpampianatra, talen’ny sekoly. Misy koa misahana asa toy ny fiandraiketana toeram-piofanana. Tao rahateo koa ireonamaly antso ka nanjary evanjelisitra, mpitandrina. Ny Raibenay, Itompokolahy Razafindrandimby, ohatra, dia evanjelisitra tany Ambohimarina, fahiny. Ny tenako dia tao amin’ny sekoly FJKM tao Ambatolampy no nanombohako ny asa fampianarana.

Asa fanolorantena tokoa ny asa misiona. Kely dia kely raha ny fivelomana fandray isam-bolana tamin’izany fotoana izany. Tao ny tsy fisiana, ny fihafiana. Niaretana daholo anefa izany. Tsaroana eto ilay hira mamy dia mamy hoe :  

Manan-jara, ry Jesosy

(Fihirana FFPM, laharana faha-283)

 

1. Manan-jara ry Jesosy ,

Ny mpanomponao

Izay natokanao hitondra

Ny Anaranao

Nofidinao ho mpitory

Ny fitiavanao

Nitokianao ho mpamory

Ny vahoakanao

2.  Izao no zara fanompoako

Voatendrinao

Ka ny mafy tsy ahoako

Ahefako izao ;

Tsy handosi-pahoriana

Ny mpiasanao

Fa ny hazo fijaliana

Lova taminao

3. Na ho voky na ho noana

Ny mpanomponao

Tsy handao ny fanompoana

Nametrahanao

Sitrakao ny fihafiana

Ka mba tiako koa :

Zakanao ny tsy fisiana

Ka zakaiko koa

 

4.   Tsy ahiko ny handany

Holanina koa

Fa famoizan-tsoa no hany

Ahefana soa

Na ny saiko, na ny aiko

Andro, vola koa

Tsy mba misy holalaiko

Foiko avokoa

 

5.  Nefa raha izaho irery

Tsy mahefa izao

Fa mangataka ny hery

Eo an-tànanao

Aoka ho feno ny Fanahy

Ny mpanomponao

Mba ho tena lehilahy

Voahosotrao

 

 

Matetika mamoaka tononkalo ao amin'ny tranonkala haisoratra.org ianao. Inona no anton'io safidin-tranonkala manokana io ?

Antony maro no nandrisika ahy hamoaka tononkalo ao amin’ny haisoratra.org. Raha fehezina dia azo tsinjaraina ho fito izany :

1.      Nampahafantarina ahy ny fisiany sy ny antom-pisiany, ny karazana asa soratra azo ampidirina ao. Fomba ahoana tokoa moa no ahazoako mamoaka tononkalo ao raha tsy fantatro ny fisiany ?

2.      Notaomina sy nampirisihana aho hanoratra tao.

3.      Tsy hoe satria notaomina hanoratra tao aho no nahatonga ahy hanoratra tao. Tsia. Nifaniho faka tamin’ny fomba fijeriko sy fomba fisainako ny fisiany sy ny antom-pisiany.

4.  Tia manoratra aho. Fomba iray ho fampahafantarana ny asa soratra sy ny aingam-panahy ny haisoratra.org”.

5.  Ankoatra izany, nitana anjara toerana lehibe tao amin’ny fisainako ny teny hoe “haisoratra” fa nampahatsiahy ahy ny fianarana fahiny teny amin’ny Anjerimanontolo teny Ankatso. Ny “haisoratra malagasy” manko no tena nifotorako teny amin’ny Oniversite tamin’izany fotoana izany. Hahagaga ve raha niantefan’ny safidiko ?  Mety misy antony hafa koa fa tsy ho voatanisa eto avokoa ny antsipiriany.

6.      Tiako homarihina koa fa nanohy fianarana tao amin’ny Institut National des Langues et Civilisations Orientales (Paris VIIe) aho taty aoriana ary iray amin’ny mpampianatra ahy tao no anisan’ny tompon’andraikitra amin’io tranonkala “haisoratra.org” io. Zava-dehibe amiko ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fametrahana amin’ny maha izy azy ny teny malagasy sy ny haisoratra amin’ny ankapobeny.

7.  Raha fehezina dia raisiko ho antson’ny Tanindrazana sy ny Tenin-drazana ny nisafidianako tsy am-pisalasalana ny  “haisoratra.org”.


Tonga eo amin'ny resaka tanindrazana indrindra isika. Ny tononkalonao telo farany nivoaka tao dia samy nosoratana tamin'ny 26 jona 2010 avokoa, andro fankalazana ny faha 50 taonan'ny fahaleovantena. Azo lazaina fa amin'ny alalan'ny poezia ve no isehoan'ny fitiavanao ny tanindrazana ?

Maro ny fomba isehoan’ny fitiavan-tanindrazana. Iray amin’ireny ny asa soratra toy ny poezia. Tsy ny asa soratra ihany anefa no ahitana taratra izany. Fitsipi-piainana iainana mihitsy ny fitiavan-tanindrazana. Ny fiainana manontolo sy izay atao rehetra dia tokony ahazoa-mitaratra ny fitiavan-tanindrazana avokoa. Santionan’izany no homarihina fohifohy eto :

  1. Ny fomba fiteny ; ny fandalana ny tenin-drazana sy ny fanandratana azy.
  2. Ny fanajana ny soatoavina malagasy izay  nampiavaka ny Ntaolo malagasy.
  3. Ny fandalam-pihavanana sy ny fifanajana ary ny tsy fanaovana kely tsy mba mamindro na didiko fe lehibe.
  4. Ny fitondrana amim-bavaka isan’andro ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka malagasy tsivakivolo.
  5. Tsy mitondra soa ho an’ny mpiara-belona ny filazana fa tia tanindrazana raha tsy arahina asa araka izay fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra ny tena.
  6. Eo amin’ny asa atao sy ny ezaka ho fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-belona no anehoana ny fitiavan-tanindrazana. Tsy mahalavi-tany ny fitiavan-tanindrazana sy ny fandraisana andraikitra.  Santionany amin’ireny, ohatra, ny nananganako ny “Association La Récompense” tamin’ny 01 desambra 2008. Tamin’ny 27 desambra 2008 no nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana frantsay (Journal Officiel de la République française)  ny fijoroan’izy io. Fikambanana miezaka hanampy sy hitsinjo araka izay azony atao  ny sekoly Lycée Privé La Récompense (LPR) ao Anosisoa Ambohimanarina (Madagasikara) ny “Association La Récompense”. Ny anisan’ny ezaka imasoany tao anatin’izay niorenany izay dia ny fanampiana ny sekoly tamin’ny fanomezana boky ary koa fanomezana valisoa ny mpianatra rehetra afa-panadinana. Misy amin’izy ireny zara raha mihinan-kanina nefa mandeha mianatra foana fa mba te hanovo fahalalana sy fahendrena. Nanomboka tamin’izao taon-tsekoly 2010-2011 izao dia noraisiny an-tànana ihany koa ny fanampiana ireo mpianatra sasantsasany izay tena ao anatin’ny ankohonana sahirana mafy. 
  7. Marihina koa fa tsy hoe ny asa goavana ihany no isehoan’ny fitiavan-tanindrazana. Hatramin’ny fihetsika faran’izay heverina ho madinika indrindra dia afaka anehoana izany. Ny olona tia tanindrazana, ohatra, dia tsy tokony hihafahafa amin’ireny mpianatra malagasy vao tonga aty Andafy ireny. Tsy tokony hiandry harahabaina vao  miarahaba. Tsy moramora ange izany hoe vao tonga sy vahiny an-tanin’olona e ! Mila torohevitra izy ireny, mila namana hanolo-tsaina amin’ny maha vahiny vao tonga azy.  

 

Santionany ihany ireo voatanisa ireo fa miseho amin’ny endrika maro ny fitiavan-tanindrazana. Miara-dàlana hatrany koa amin’ny fanoloran-tena sy fandraisana andraikitra ary fitsinjovana andro aman’alina ny soa ho an’ny daholobe sy ny taranaka mifandimby ny fitiavan-tanindrazana.  

Ahoana ny fahitanao ny tononkalom-pitolomana voasoratra amin'izao fotoana izao ?

Raha tononkalom-pitolomana no asian-dresaka dia ny Adim-piainana sy ny Hadim-piainana no antenaina hisongadina ao. Mifamatotra ireo. Ny Adim-piainana dia tsy hafa fa ny anton-javatra rehetra raiki-tampisaka amin’ny fiainana ka mahatonga izany tsy hilamina, tsy hirindra, tsy hitondra fiadanan-tsaina ary tsy mampivelatra ny maha olona rehetra sy ny maha olona manontolo. Ny olona tsirairay dia samy manana ny adim-piainany.

Ny Hadim-piainana kosa dia toy ny hadivory manodidina ny tanànan’ny fiainana izay misy ny adim-piainana. Hantsana manodidina ny hadim-piainana ka mety hanorotoro izay tsy mitandrina sy mandeha an-jambany satria tsy mahita ny vavahady fidirana sy fivoahana ao an-tanàna.

Miseho amin’ny endrika samy hafa ny tolona atrehina amin’izany. Misy ny adim-piainan’ny olona tsirairay. Eo koa ny hadim-piainan’ny fiaraha-monina iray. Tsy azo odian-tsy hita koa ny Hadim-piainan’ny Firenena iray manontolo. Hantsana mivava hampiletsy vahana ny Firenena io ka mitaky ny fanahim-pahatsiarovantenan’ny rehetra hisorohana ny loza. Azo lazaina ho anisan’ny lohalaharana amin’ny fanairana ny fanahim-pahatsiarovantenan’ny tsirairay ny tononkalom-pitolomana amin’ny maha tononkalom-pitolomana azy.

Ny hady koa anefa dia  karazana arofanina, fiarovana ny tanànaben’ny fiainana izay misy ady mihoatra ny loha ka izay mivoaka sy miditra amin’ny vavahady ihany no ho velona. Ny vavahady dia tsy hafa fa resaka hay lamina sy fitsipi-pitondrantena. Matetika dia ny Fitiavan-tanindrazana no asongadina. Endri-pitolomanana manana ny maha izy azy ny Fitiavan-tanindrazana. Indraindray dia ny Fankamamiana ny Tenin-drazana no asongadina. Mifandray sy mifameno ny Fitiavan-Tanindrazana sy ny Fankamamiana ny Tenin-drazana.  Samy mahasaro-piaro ny Tanindrazana  sy  ny  Tenin-drazana, tiana ka arovana, tiana ka asondrotra, tiana ka hajaina sy tiavina ary katsahina hatrany izay ho fampandrosoana azy. Indraindray koa dia tononkalo manandratra ny Fahafahana no anehoana ny tolona. Mahafaobe io Fahafahana io. Eo ny  Fahafahan’ny olona amin’ny maha olona azy : olona miaina, olona misaina, olona mila miakanjo, mihinan-kanina, olona mila mivelatra ihany koa eo amin’ny tontolom-piaraha-monina misy azy.

Raha fehezina dia tokony hohamafisina ny Hadivory antoky ny tanàna; dia ny soatoavina tsy lany hamamiana ary ny Fanahy maha olona. Tokony hambolena be dia be ny vaha olana amin’ny endriny kanto, amin’ny alalan’ny haisoratra sy ny teny. Ho difotra ao anatin’izany ny adim-piainana ka hanjary ho zezika sy ho fanoitra hahatongavan’ny ho avy mamirapiratra ho an’ny Vahoaka malagasy tsivakivolo. Toy ny vary raraka an-keniheny izany ka ombay mitady, ombay mitsimpona, ombay mampirina.

Misy tranonkala hafa ve ahitana ihany koa ny tononkalonao ?

Misy tranonkala vitsivitsy mety hahitana ny tononkaloko. Hotanisaiko eto ambany izany :

 

·        Ao amin’ny Heli’s Madagascar

§         Ao amin’ny Rahely’s Blog - Tous ensemble pour Madagascar - Madagasikara, Malagasy miara-misikina

§ Misy koa « blog » hafa maka sy mampiasa ny tononkaloko, santionan’izany ity : tritriva.unblog.fr/antsiva-poetesse-malgache/

§         Ao amin’ny vohikalan’i Antsiva : http://antsiva.webs.com

§    Misy olona hafa koa maka ny tononkaloko ka mampiditra izany ao amin’ny tranonkalany noho ny antony samihafa.

Tia mampiely ny sanganasanao an-gazety ve ianao, ary efa namoaka bokin-tononkalo? 
  • Tamin’ny androm-pahatanorako dia tia mampiely ny sanganasako tamin’ny gazety tokoa aho. Ahitana izany, ohatra, ny gazety “Fanasina”,  ny “Sakaizan’ny tanora”, ny gazety “Hehy”,  ny “Antson”ny Nosy, Hita sy Re”, ny “Maresaka”,Courrier de Madagascar” sy ny hafa tsy tambo hotononina. Tao amin’ny “Antson’ny Nosy, Hita sy Re”, ohatra, no namoahako ny sombin-tantara nosoratako tokony ho teo amin’ny faha-17 taonako mitondra ny lohateny hoe : “Valifaty nifotitra”.
  • Tsy namoaka sanganasa tan-gazety mihitsy aho taty Andafy. Indraindray kosa anefa dia mandray anjara amin’ny “antsan-tononkalo”. Taona maromaro lasa izay nandray anjara tamin’ny fiantsana an-kira tamin’ny hetsika nataon’ny “Zaza malagasy” tany Nantes aho. Niompana tamin’ny fanentanana ny olona hanampy sy hanohana ny “Zaza malagasy” ny tononkalo rehetra natao. Nampoelana ny fiantsana sy ny hira.
  • Efa nisy “Amboaran-tononkalo”  (Recueil de poèmes) nivoaka.
Inona no tsapanao fa tsy ampy amin'ny tononkalo malagasy ankehitriny ?

Aingam-panahy moa ny tononkalo ka mety hanao fijery mitanila ihany ny tena raha hilaza hoe izao no tsy ampy na izao no tokony ho iziizy kokoa. Na izany na tsy izany dia tokony hanome vahana misimisy kokoa ny fandalana ny tontolo iainana sy ny zava-boary ny tononkalo malagasy.  Ankoatr’izay dia maro no manan-talenta amin’ny famoronana tononkalo saingy tsy afa-mamoaka izany ho boky avokoa noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Tsy voatery hiady rima daholo koa vao azo lazaina ho tononkalo.

Mandoko ny zava-misy sy ny kanto, izany hoe ny  faniriana lalin’ny mpamaky sy mpihaino (antsan-tononkalo) ve ny tononkalo malagasy ankehitriny ? Moa maneho ihany koa ny ngidin’ny fiainana manodidina ny hady izay misy  ny ady atao isan’andro ? Tsy hoe mandoko ny zava-misy sy ny kanto ihany ny tononkalo fa manana andraikitra lehibe hanolotra vaha olana sy tolo-kevitra ihany koa ahitana ny vavahady hany ahazoana miditra sy mivoaka amin’ny  lalana tena izy, izany hoe, ahazoana mandresy amin’ny ady.

Ady tokoa manko ny fiainana. Manoloana izany dia manana endrika arofanina koa ny tononkalo amin’ny maha hady azy. Arofanina izy ka fara faharatsiny dia tokony hitondra fampanantenana fa mbola tsy ritra ny rano ao anaty lava-drano. Ny soatoavina maha Malagasy no tian-kolazaina amin’izany. Tsy lany koa ny sakafo voatahiry ao anaty lavabary. Tsy hafa ny sakafo mitondra fahavelomana fa Ilay Fanahy maha olona.

Mpaneho ny zava-misy sy mpanolotra vaha olana ary mpitondra fampanantenana ny poeta.  Hita taratra eo amin’ny tononkalo malagasy ankehitriny ve izany ? Atsipy, hono, ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy kosa ny teny am-pon’ny mahalala…

 
Anisan'ny mpikambana mavitrika ao amin'ny Havatsa Upem ianao. Inona no nahasarika anao niditra tao ? 
  • Ny fahatsiarovantena ho Malagasy dia tsy mampitomoe-poana. Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy ny HAVATSA UPEM ka mova tsy ny andriambý manintona sy mahasarika avy hatrany izany.
  • Ny manandrify tsy mba miolaka.
  • Amin’ny maha poety sy mpanoratra malagasy ahy dia tsy afaka ny hiamboho adidy aho. Zara aza mijoro ny HAVATSA UPEM. Fahasoavana miampy fahasoavana izany, soa ho an’ny taranaka.
  •  “Antson’ny Fitiavan-tanindrazana” ihany koa no nanery ahy hiditra tao. Anisan’ny mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fandalana ny tenin-drazana.
  • Misy fomba fiteny hoe : “Ny tavan’ny rahalahy mandranitra ny tavan’ny rahalahy”. Manantena indrindra aho fa ny fijoroan’io Fikambanana io dia hanamafy orina ny fankamamiana ny Tenin-drazana sy ny fikolokoloana ary ny fanandratana azy.
  • Ankoatra izany, ny fiaraha-mientan’ny samy poety dia mitondra hery ho an’ny Firenena sy ny tontolo iainana.
  • Raha ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy no tsy nidirako dia inona indray no maha mpanoratra malagasy ahy ? Ho menatra ny tenako sy ny Fireneko aho. 
Azonao atao ve ny manonona andinin-tononkalo iray tsy mba afaka eo imolotrao ?

Hararaoty e ny fotoana,
Aza avela handalo foana !
Fandalovana ny eto
Tany tsy ilaozan-tsento
Ny aina tsy mifametra
Mandalo isika, tsy hitoetra.


(Antsiva,  “Ny aina tsy mifametra”, 13 oktobra 2008)

Nanararaotra ny fotoana natolotrao tokoa ny mpamaky ny takelaky ny "Tapatapak'ahitra" ary nanovo fahalalana maro tamin'ny alalan'ny sompitra mitahiry ny fanazavana notaominao. Misaotra anao eram-po eran-tsaina ny tranonkalan'ny poeta malagasy amin'ny fikelezanao aina manandratra ny haisoratra malagasy. 

Misaotra indrindra fa tsy nataonareo voasary ivelan’ny voly mpanoratra tononkalo malagasy aho. Ny tavan’ny rahalahy tokoa mandranitra ny tavan’ny rahalahy. Firariantsoa no amaranako ny teniko ho an’ny tranonkalan’ny poeta malagasy dia izao :  ho toy ny rano am-bodivondrona anie ny tranonkalan’ny poeta malagasy ka tsy ho diso ny sambatra sy ny manan-jara hatrany ! 

Mbola manantitra ny fisaorana tompoko ary mametraka veloma finaritra.

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021