Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

31 Aogositra 2016

ANYAH, VAHININ'NY PÔETAWEBS


Lea Fandresena

Ny maraina manambara ny andro mazava ary ny maraina ihany koa andraisana vahiny ato an-trano anio, koa faly mampandroso anao ato an-tokantranonay Poetawebs izahay Anyah. Faly miarahaba anao tongasoa e!

Anyah
Faly miarahaba anareo mpiasa rehetra ato amin'ny Poetawebs ihany koa ny tenako... Dia kopakopa-tanana ho an'ireo mpanaraka ny fandaharana.


Lea Fandresena
Eto ampiandohana Anyah, sitrakay ianao hilaza misimisy ny momba anao.

Anyah
Anyah Andriamampianintsoa. Izay no anarana isalorako ato anatin'ny tontolon'ny Facebook fa ny tena anarako dia Andriamampianintsoa R. NANDRIANINA


Lea Fandresena
Momba izay Facebook izay indrindra, misongadina ao fa mpanoratra ianao, azo velabelarina kely ve ny momba izany?

Anyah
Eny. Mpanoratra aho. Ny niandohako dia mpihira aho aloha ary tena nikoizana tamin'ny feo nananako izay isaorako an'Andriamanitra lehibe. Fa ny fotoana manova zavatra dia nisy fotoana nialako an'i Madagasikara. Naharitra aho no tany ary mbola mitohy ihany aloha hatramin'izao. Tany ivelany no nitsiry ny fanoratana tononkalo, niampy ny famakafakana sy fandinihana manokana ny fiainan'ny fiarahamonina. Mpandinika manokana ny fiainan'ny fiarahamonina aho. Ny fotoana nanombohako nanoratra dia ny taona 2011. Mbola manohy aho hatramin'izao. Fa ny talohan'io aho dia nifantoka manokana tamin'ny hira. 


Lea Fandresena
Manantalenta tokoa ny tovovavy. Ankoatra ny tononkalo, mbola mihira ve hatramin'izao?

Anyah
Mihira ihany aho fa rehefa misy manasa hanentana lanonam-pianakaviana.


Lea Fandresena
Faly mahafantatra tokoa izahay fa handeha hiompana amin'ny resaka tononkalo aloha isika anio. Inona avy no dingana vita sy mbola hotanterahina ao anatin'izany?

Anyah
Ny dingana vita ve?  Mbola vao miketrika ny hoavy izao izahay. Izahay hoy aho satria maromaro ireo mpiara-miasa amiko. Misy ny avy amin'ny faribolana Sandratra sns... Mbola maro ireo nilaza hiaraka hiasa amiko fa ny fotoana aloha no tsy ahafahana manaiky azy daholo. Voalohany amin'izany ny famoaham-boky hiarahako amin'ireo poeta namana maromaro, nampitondraina ny lohateny hoe "Tsingevana". Ary manarak'io, efa mikarakara moa aho ankehitriny, dia ny kapila mangirana "feo" antsoina hoe: Sangodim-pitia. Ny mampiavaka kely io "raki-tononkalo" iray io dia izy iarahako miasa amin'ireo poeta efa sangany eto amintsika avy ao amin'ny faribolana Sandratra sy ny hafa.  Ny kapila mangirana iray dia miaraka amin'ny valonana iray ihany koa.


Lea Fandresena
Tsara be izany fa azonao mba lazalaizaina ve ny mombamomba ny atin'io kapila io?

Anyah
Ny kapila mangirana dia mirakitra feon'antsan-tononkalo ary ahitana tononkalo eo amin'ny 17 eo. Misy ny valonana tolotra manokana ho an'ny olona manjifa ny kapila iray. Izany hoe kapila + valonana iray. Handrenesantsika feon'olona tsy zoviana amin'ny maro ny fiantsana ny tononkalo ao. Izany hoe olona 4 mianadahy izahay no mifarimbona ao. Tsy holazaiko eto aloha izy ireo fa aleo mba ho "tsy ampoizina".


Lea Fandresena
Izany ve? Izahay anefa efa mangetaheta haheno ny feonareo. Hihi! Rahoviana no hivoaka ary aiza no hahitanay azy?

Anyah
Amin'ny faran'ito volana diavintsika ito no hivoaka ny kapila mangirana Sangodim-pitia. Ny ahitana azy indray dia amin'ny 'MP" Facebook e! Hahaha! Hiezaka hanaparitaka io raki-tononkalo io izahay. Fa ho hitantsika eny ihany ny vaovao momba izany.


Lea Fandresena
Hahaha! Miomàna izany fa ho maro be no haka anao namana dia mba raiso daholo fa hividy kapila izy ireo sady hahita anao mivantana rehefa mividy.
Sao dia mbola misy azo hanampiana ary ny mombamomba io kapila io? Ny vidiny ohatra, na ny endriny? Tsy matahotra hosoka ve ianao raha tsy maharaka ny mpanjifa?

Anyah
Ny kapila dia jifaina amin'ny vidiny lafolafo kely ihany, ariary 10 000, nefa asa soa kosa no ataon'ireo mpankafia poezia. Ny marika manokana dia ny kapila feo misy ny sarin'i Anyah ao ambadika ary miaraka amin'ny valonana iray. Ka raha tsy misy valonana izy dia efa hosoka izay. Aleo mividy lafo nefa afa-po toy izay mividy mora nefa ho faty antoka e!

Lea Fandresena
Misaotra anao fa nisy namana nanontany tato hoe mety manana faniriana ve ianareo hanao seho an-tsehatra an'io kapila mangirana io?

Anyah
Misaotra indrindra amin'ny fanontaniana fa tsara fipetraka tokoa. Eny, hisy ny hetsika hokarakarainay raha sitrapon'Izy Tompo amin'ity taona ity ihany. Ho setrin'io kapila "Sangodim-pitia" io dia hisy koa izany ny hetsika an-tsehatra "Sangodim-pitia" hiarahanay efatra mianadahy mifarimbona ary hanasanay poeta hafa ao anatiny. Amin'io ihany koa no mbola hahafahan'ny olona manjifa ny kapila sy ny valonana "Sangodim-pitia".


Lea Fandresena
Ho afa-po tokoa raha mijery anao miaraka amin'ny asa soratrao. Anyah, mangataka asa soratra iray izahay mpankafy anio raha sitrakao.

Anyah
Indro ary e...

Lalina tokoa 'zany

Ndriiii!!!  ...
Lalina angaha ny rano dia nipody indray ianao?
Naninona raha nizotra hatrany hatrany
Dia nikirizana ny dia
Satria safidinao ihany
No nandeha nankany?

Lalina ny rano e!
F'aza matikambo
Mody nanadino ny dia-tongotrao
Nefa hitady fitiavana vaovao?

Aza dia mitonantonana e
Aza milalao afo koa fa 'ndrao may izato ianao.
Ny ahy ny efa lasa tsy mipody koa
Sa hodianao hohadinoina koa?

Ny toetrako efa fantatrao
Fa tsy mipody afara
Fa izay lasa dia aleo hivalona ho tantara
Fantatrao izany fa trano afindra tsy mitovy zoro
Ka nahoana no nidedaka namindra tsy niera?

Tsy mety hoy aho 'zany
Fa tohizo ihany ny dianao mankany
Karakarao tsara ny trano efa nafindranao
Fa mety hitovy ihany 'zany
Rehefa any amparany any

Anyah


Lea Fandresena
Tsy mandainga kosa izaho e! Hihi!
Mahafinaritra tokoa izy izany. Koa maro ireo mpankafy te hijery anao mivantana amin'ny TSINGEVANA. Lazao anay ny ora sy fotoana. Mba fintino aminay ny zava-misy amin'io na dia efa tsy vaovao aminay intsony aza ny lazany?

Anyah
Ny hetsika hiarahako amin'ireo mpikarakara manokana ny "Tsingevana 001" no ahitana ahy hiantsehatra raha tahiny ka salama tsara moa ny tena, hiantsako ny tononkalo maromaro izay efa hita eto amin'ny Facebook. Ireo tononkalo be mpizara indrindra dia efa nofanteniko avokoa.  Amin'ny 02 ny fidirana ao amin'ny Cemdelac Analakely ny 07 septambra ho avy izao.


Lea Fandresena
Mankasitraka anao fa mahafinaritra tokoa ny fizaranao ny talentanao ho fantatry ny hafa ary mahavita be. Ho tanteraka avokoa anie izay rehetra irin'ny fonao.
Hamaranantsika ny fotoana àry, azonao lazaina ve ny fahitanao ny olan'ny literatiora malagasy ary ny vahaolana hanatsarana azy?

Anyah
Ny literatiora malagasy? Ny mpikanto izay miaina ao anatin'io dia tokony hahay mifandray amin'ny olona rehetra. Tokony ho olona tso-po ary mahay mifampizara ny mamy ho an'ny mpiara-belona aminy. Ny hafatro manokana ho antsika mpanoratra dia teny fohy ihany hoe:

"andeha isika hiaraka hientana hanandratra avo ny fihavanana ary hanandratra avo ny soatoavina malagasy.  Hifanampy amin'izay ilain'ny hafa fanampiana. Hifanoro amin'ny lesoka izay tsy mety. Ampisehoy ny fitiavana fa io no lehibe indrindra.  Ho voasarona avokoa ny kilema sy ny ratsy ataon'ny hafa raha ny fitiavana no manan-danja ao anatinao. Izay angambany".


Lea Fandresena
Mankasitraka anao namaly ny hetahetan'ny mpanjifa. Misaotra amin'ny fivahiniana tato aminay ary ilazao vaovao hatrany ny rehetra e! Misaotra tompoko!

Anyah
Mankasitraka anareo eto amin'ny Poetawebs ny tenako manokana ary maniry sy mirary hatrany ny hitohizan'ny fandaharana toy izao. Samia ho ambinina amin'izay ataony sy kinendriny ny tsirairay. Mankasitraka indrindra tompoko

Ho ela velona anie ny kanto malagasy. Kopakopa-tanana ho an'ny rehetra.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com
×