Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

02 oktobra 2016

NY TENY SY NY LITERATIORA EO ANIVON’NY AKADEMIAM-PIRENENA MALAGASY

Fanadihadiana natao ny volana janoary 2010 tamin’ Andriamatoa RAJAONA ANDRIAMANANJARA,
Filohan’ny Akademiam-pirenena Malagasy am-perinasa
(nanomboka tamin’ny taona 2002).

Hajaina Andrianasolo
Miarahaba anao Andriamatoa Filoha, amin’ny maha Filohan’ny Akademiam-pirenena anao, aiza ho aiza ny fahatsapanao ny literatiora malagasy ankehitriny? 

Rajaona Andriamananjara
Miarahaba anao HAJAINA. Tongasoa eto amin’ny lapan’ny Akademiam-pirenena ianao. Ny ato amin’ny Akademia tokoa moa dia anisan’ny mametraka ho asa aman-draharaha ny fandinihana ny literatiora, fa ny sokajy tena misahana izany dia ny Sokajy voalohany izay antsoina hoe: Sokajy Haikanto sy Hailaza, ka ao anatin’ny Hailaza izay ahitana ny teny hoe laza: ny laza an-teny sy ny laza an-tsoratra, no manome vahana izany literatiora izany. Ho antsika Malagasy manokana dia samy manan-danja na ny am-bava na ny an-tsoratra. Maro ireo mpikambana ato amin’ny akademia no mikirakira sy mandinika izany, nisy ny efa nodimandry toa an-dry Georges Andriamanantena, ary misy koa ny mbola velona tena amperinasa ankehitriny. Ny tsikaritro dia maro ny tanora amin’izao fotoana no mirotsaka antsehatra amin’ny fampiasana izany literatiora izany. Ao ny efa malama, ao ny maisamaisatra fa tsy maninona izany, ny zava-dehibe dia ny fiezahana.
 
Ny literatiora eto amintsika, raha ny hita ankehitriny, dia ahitana ny Kabary sy ny Soramirindra (tononkalo, tononkira, tantara, …). Raha izay boky nivoaka hatramin’izay naha Filohan’ny akademia ahy izay dia maro. Ao ny matevina, ao ny manify, ary hitantsika koa ireny mivoaka an-gazety ireny. Amiko dia mahavelom-bolo amin’ny ho avin’ny literatiora malagasy avokoa izany. Mahita ireny aho dia mihevitra fa tsy ho faty maso akory ny teny malagasy raha izao no mitohy, na dia maro aza ny “fanosika” avy any ivelany, izaho tsy hilaza hoe: “fanafihana”, fa “fanosika” miady sisiny mitady haka toerana. Ka tsy mampatahotra satria maro ny tanora mirotsaka an-tsehatra ary eo ihany koa ny fahasahiana hifanandrina amin’ny avy any ivelany. 
 
Raha ny fahatsapako dia anisan’ny sehatra mandroso ny fandalana ny hakanton’ny teny malagasy, na an-tsoratra io na an-teny. Teo aloha dia somary niahotra ihany aho raha nandre tanora mikabary, hoy aho tany an-tsaina tany: tena manao tsianjery fotsiny ireto ankizy ireto. Kanjo rehefa nihaino ny sasantsasany taminareo Mpikabary aho dia nahatsapa fa misy famoronana mahafinaritra mifanaraka amin’ny toetr’andro ao anatin'ireny Kabary ireny ka nahasondriana aoka izany ary indrindra mbola voatana ilay fototra maha kabary dia ny fampitan-kafatra izany. 


Hajaina Andrianasolo
Misy sokajy misahana izay Hailaza izay eto amin’ny Akademia, hoy ianao teo; mitaha amin’ny sokajy hafa: manan-danja sa kely lanja sa miralanja eo anatrehan’ireo sokajy hafa ny sokajy mikirakira ny teny sy ny literatiora?

Rajaona Andriamananjara
Mety misy ihany ny hoe sakamalaho sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy ireo sokajy samy hafa ato amin’ny Akademia . Ny tiako homarihina aloha dia ny teny malagasy no teny ampiasaina ato amin’ny Akademia, fa tsy misakana ary afaka manampy eo amin’ny fomba faneho ihany koa ny teny frantsay sy ny teny anglisy. Raha 10 taona lasa izay, 10% raha be indrindra ny velakevitra natao tato tamin’ny teny malagasy. Amin’izao fotoana izao dia efa maherin’ny ampahatelony ny amin’ny teny malagasy satria nisy ezaka be natao. Ny sokajy telo hafa moa ankoatra ny Haikanto sy Hailaza dia eo ny sokajy faharoa Haifombafiaina sy fitondra, ny sokajy fahatelo Hairaha fototra, ny sokajy fahefatra: Hairaha ampiharina. Matetika dia sarotsarotra ho an’ireo sokajy 3 hafa ireo ny famehezany ny fomba filaza ho amin’ny teny malagasy. Ny ato amin’ny Akademia anefa dia mifanampy, ka izany fifanampiana izany no hahafahan’ny sokajy hafa maneho ny heviny ho amin’ny teny malagasy ihany koa.  
Araka izany dia fanomezan-danja ny maha Akademia no asa ilofosana ato fa tsy misy maivan-danja na mavesa-danja: miara-mikaroka sy miara-miasa , mifameno ary afaka mifanampy ny rehetra. Miara-miasa ny rehetra rehefa misy ezaka iarahana, ohatra raha nandrafitra ilay boky “ Rakibolana miraki-pahalalana” dia samy nandray anjara ny sokajy rehetra. Teo ihany koa, ohatra, ny fiaraha-manandratra ny “iray volan’ny teny malagasy” isan-taona, fa na dia anisan’ny antom-pisian’ny akademia aza ny hampandroso fahalalana an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny hairaha, ny Teny ampiasaina enti-mampita kosa dia ny Teny malagasy hatrany ary velona hatrany, hotenenin’ny tanora hatrany, na dia afaka zato taona aza. 


Hajaina Andrianasolo
Ho an’iza ny asa kirakirain’ny Akademia? Ohatra, raha mamoaka voka-pikarohana na boky ianareo, mamoaka ireny “bulletin de l’académie” ireny, mipariaka hatraiza?

Rajaona Andriamananjara
Ny taona 2002 no nankalazana ny faha 100 taonan’ny Akademia. Maro ny fanamby napetraka tamin’izany, ary anisany ny fanavaozana ny lapan’ny Akademia, dia izao andalana iarahantsika mahita izao. Navaozina ihany koa ny tanjona, dia ny hoe: Akademia mahomby - Akademia mahasoa. Hisy fiantraikany ho an’ny Mpahay eo amin’ny sehatra iray ary indrindra ho an’ny be sy ny maro ny asan’ny Akademia. Miparitaka sy mipariaka ho an’ny be sy ny maro araka izany ny asan’ny Akademia ary anisan’ny zava-kendrena ihany koa amin’izao fotoana ny hamoahana Gazetin’ny Akademia, hitarina mandrakariva ny isan’ny olona mandray voka-tsoa avy ato. 


Hajaina Andrianasolo
Manao ahoana ny fifandraisan’ny Akademia amin’ireo fikambanana na vondrona mikirakira ny teny sy ny literatiora? 

Rajaona Andriamananjara
Maro ny fikambanana eto amintsika. Fa eo amin’ny fifandraisana dia misy ny mifandray mivantana satria ny Akademia dia manana sampana maromaro izay eo ambany fiahiany. Araka ny satan’ny Akademia dia afaka miahy fikambanana na tsangan’asa samihafa izy. Ohatra tonga ato an-tsaiko izao ny “Académie de médecine” , araka ny fangatahany. Ankoatra izay dia manana Foibe isan-karazany ny ato amin’ny Akademia, 4 izy amin’izao fotoana izao, anisan’izany ohatra ny “Foibe momba ny teny” izay rantsana ato amin’ny Akademia, izy no nisahana iny boky “ Rakibolana miraki-pahalalana” iny.
Ankoatra izay, mifandray ihany koa amin’ny Fikambanana toy ny Havàtsa-Upem, ny Fikambanan’ny Mpikabary... maromaro amin’ny olona anatin’ireny fikambanana ireny no noraisinay ho mpikambana mahefa ato, tsy hotononiko sao misy hadino. 



Hajaina Andrianasolo
Niteny Havàtsa-Upem ianao, ity Revio ity dia ny Havàtsa no hamokatra izany, manao ahoana àry ny fijerinao ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra malagasy HavàtsaUpem? 

Rajaona Andriamananjara
Mitohy tsy misy fahatapahana ny fikambanana, zava-dehibe izany, tena mahafinaritra. Ny mampalahelo mantsy indraindray eto amintsika ny ezaka natomboka dia tsy misy mpanohy; fa ho an’ny Havàtsa-Upem kosa dia efa voaporofo fa maharitra ary tokony hanatsara hatrany ny asany izy amin’ny alalan’ny fanomezana hery sy fampirisihana ny Mpanoratra hanoratra. 

Manaraka izany, raha hamoaka Revio ianareo dia inoako marina fa tena ho maro no liana hahita sy hamaky izany. Tamin’ny famaranana ny taona akademika ny volana jolay 2009 teo, izao ohatra, dia nisy boky kely natao hoe “Rary ho an’ny Tanindrazana”, navoakan’ny Havàtsa-Upem. Lazaiko anao fa tena nifandrombahana iny boky iny ary izaho aza teo ampivoriana no niala ka mba anisan’ny nividy haingana koa sao tsy hahazo ary dia nahazo avokoa ny tao an-trano eny hatramin’ny any am-pitandranomasina.  

Koa raha hamoaka ity Revio ity ianareo, ataovy matanjatanjaka ny fampahafantarana fa miandry ny olona. Dia mirary soa, enga anie haharitra fa tsy sanatria ho toy ny  gazety na revio sasantsasany ka 2 na 3 taona dia tsy hita intsony; fa ny anareo dia hitokiana fa haharitra ary hamokatra sy hiroborobo sady hahaliana sy hahasoa.


Hajaina Andrianasolo
Araka ny hevitrao, tena mampandroso ve ny “fiondanana” (ialan-tsiny fa fomba fiteny mivantambantana fanaon’ny tanora izany) amin’ny Teny sy ny literatiora ho an’ny Malagasy?   

Rajaona Andriamananjara
Mino tena mino aho fa fitaovana mampandroso ary tokony fitaovana imasoana amin’ny fampandrosoana ny Teny malagasy. Satria izao no tsapako, misy teny sy hevitra maro miraondraona entin’ny avy any ivelany, revo amin’iny isika fa tsy azontsika akory izay tena votoatiny. Dia inona moa fa tsy toy ny raviravy natentina fotsiny fa tsy latsa-paka? Koa izay no maha zava-dehibe ity Revio–nareo ity, satria angamba tsy hampidera talenta ianareo fa ny talentanareo ange efa fantatra e, fa heverina ho fitaovam-piasana hanabeazana ny tanora sy  ny olon-dehibe ity Revio ity.
 
Raha mijery Dokam-barotra isika, ohatra, zavatra fohy nefa manome hafatra lehibe no ampitainy; ka raha vitantsika toy izany ny Soatoavina malagasy, teny voalanjalanja tsara, teny fohy nefa manaitra dia moramora kokoa ho an’ny olona ny mandray ary dia horaisiny ho Fitaovam-pampandrosoana. 


Hajaina Andrianasolo
Ny hafatra tianao hampitaina eto am-pamaranana? 

Rajaona Andriamananjara
Miatrika fihantsiana mafimafy  ny Teny malagasy ankehitriny. Ho anareo efa mahay, aza tebahina loatra ireo izay tsy mahafehy tsara ny teny malagasy, avelao aloha ny olona hanandrana hiteny vao hahitsy; fa ny tahotra ao anatin’ny olona tsy mahay eo anatrehan’ny olona mahay dia sakana tsy hahafahany mandroso. Rehefa mampiasa ny teny malagasy ny olona dia tokony hampirisihana fa tsy sakanana tsy hiteny satria hoe mandiso. Ary ho an’ny ato amin’ny Akademia manokana dia efa raisiko ho zava-dehibe ny fitenenana sy fampiasan’ny olona ny Teny malagasy.


Hajaina Andrianasolo
Andriamatoa Filoha mankasitraka anao indrindra izahay ato amin’ny Havàtsa-Upem ary dia mirary anao hanana tanjaka sy vitrika mandrakariva, hahatontosa be noho ny efa vita amin’ny asa rehetra izay hataonao, indrindra ny asa maro miandry ato amin’ny Akademia.

Rajaona Andriamananjara
Ankasitrahana ianareo nandray izao tafatafa izao, mba nahafahana namoaka ny eritreritra, misaotra indrindra tamin’ireo fanontaniana ary mahavità be amin’ny asa iantsorohanareo ihany koa  ianareo.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com
×