Créer un site internet

Hafatra ho an'ny P.M

Famakafakan'i St-Tsiadino ny tononkalon'i Di... milohateny hoe Hafatra

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 avrily 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


FANADIHADIANA TONONKALO

Lohateny : Hafatra ho an'ny P.M
Mpanoratra : Di...
Loharano : Santa-bary,
UPEM, tak 106
Namakafaka : St Tsiadino


Di...

St Tsiadino

Hafatra ho an’ny P.M*

Tsara ny mihira ny hatsaran-tarehy,
Tsara ny mizara tsikitsiky sy hehy,
Tsara ny midera sy maneho an-tsary
Ny mahatehotia anivon-javaboary,
Tsara ny mampiako‘reo antsam-pifaliana
Sy "bakobako-roan"’ny tia sy ny tiana…
… Nefa tsara ko, raha toa ka hain’ise
Ny manongilan-tsofina, miezaka ny handre
Ny "Tsiambaratelon"’ireo mitady hivena,
Miraviravy tanana… miaiky faharesena…
… Tsy mahita intsony
Azony amborahana ny vesatry ny fony…
… Afa-tsy Ise…
Ise no mety hahita ireo karazan-teny
Hampitraka indray ny lohan’izy ireny ;
Ise no hany sisa mbola andrandrainy,
Ise, ry ’lay Pôety, ise no antenainy
Fa hanaiky ho namana,
Azo indraman-tanana
Hifantina sy handrindra ireo teny manan-kery
Hanjarian’ireny ho lasa ody fery…
… Faingàna ry Pôety ! Faingana f’aza moana
Tonga ny fotoana !


Di... (RAHAINGOSON Henri)
*P.M : Pôety Malagasy

    Olona miavaka eo amin’ny fiarahamonina ny pôeta noho ny fananany talenta sy aingam-panahy. Miresaka momba izany indrindra eto ity tononkalo nosoratan’i Di... ity, nampitondrainy ny lohateny hoe : "Hafatra ho an’ny PM", nalaina tao amin’ny Santa-bary, UPEM, takila 106. Asongadina ao fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny olona ny pôeta. Mba hahafahana mandalina izany dia hodinihina voalohany ny fanoratan’ny pôeta ny lafy tsaran’ny fiainana ; manaraka izany ny zavatra andrasan’ny olona amin’ny pôeta.

    Ny ankamaroan’ny pôeta dia manoratra ny lafy tsaran’ny fiainana. Mikalo ny zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainana. Araka ny voalaza ao amin’ny tononkalo manao hoe :

"Tsara ny mihira ny hatsaran-tarehy
Tsara ny mizara tsikitsiky sy hehy"

    Miezaka hatrany manolotra ny kanto ho an’ny mpakafy azy izy ireny. Ireo trangam-piainana mahaliana, mahasarika ny saina, mambabo ny fo aman’eritreritra no atolony ho an’ny mpamaky azy. Hita eto koa ny fahaizan’ny mpanoratra maningotra ny fon’ny mpankafy amin’ny alalan’ny fampiasany rima mifanjohy sy ny tamberin-teny andohan’andalana "tsara", entiny maneho sy manaitra ary misarika ny mpamaky hifantoka sy ho liana amin’ny asasorany. Koa azo ambara araka izany fa ny pôeta dia ilay olona mamoha ny fientanana tsara ao anatin’ny tsirairay.

    Fa tsy vitsy ihany koa ireo pôeta no mikalo ny hakanton’ny zavaboahary, ny tontolo iainana amin’ny endriny samihafa. Mahatsapa mantsy izy ireny fa mifampiankina ny zavaboahary sy ny asasoratra. Loharanon’ny aingam-panahin’ny mpanoratra ny tontolo manodidina azy : saika misongadina amin’ny asan’izy ireny ny fanomezan-danja ny hatsaran’ny zavaboahary, ny mampiavaka azy, ny sokajy misy azy, hatramin’ny fikajiana azy na manana aina io na tsy manana aina. Ary nihazakazahan’ny mpanoratra mihitsy ny fanomezan-kasina azy ireny hatramin’ny nahatsapan’ny olombelona ny fahapotehan’ny tontolo iainana izay miteraka fiovaovan’ny toetr’andro. Raha tsorina, miankina amin’ny tamingana zava-boary hitany, ny fitsirin’ny aingam-panahy ao aminy. Eto i Di... dia milaza fa "Tsara ny midera sy maneho an-tsary / Ny mahatehotia anivon-javaboary", andalana 3, 4.

    Saika ny pôeta rehetra no mivetso fitiavana ao amin’ny asasorany, rehefa mety ho karazam-pitiavana. Fa ny be mpanao indrindra dia ny fitiavana eo amin’ny olon-droa. Miainga amin’ny fitsiriany, mandalo ny hatanorany ary mety hiafara amin’ny faharavany. Voajanahary ao anatin’ny olombelona ny fitiavana fa saingy hafa mihitsy ny fandokoan’ny pôeta azy. Toa ohatra ny efa tsinjony amin’ny asasoratra ataony ireo karazam-pitiavana iainan’ny olona. Zary lasa fahafinaretana ho an’ny mpamaky sy mankafy izany, indrindra, rehefa mifanojo amin’ny endri-pitiavana iainany. Miteraka tsiro tsy lany hamamiana sy fahafinaretan’ny saina ny fahaizan’ny pôeta maneho izany, amin’ny alalan’ny fampiasany voambolana mihataka amin’ny andavanandro toy ny hoe "bakobako roan’ny tia sy ny tiana".
    Voaresaka tao amin’ny fizarana voalohany tamin’ny asa ny fanoratan’ny pôeta ny zavatra mahafinaritra sy ny hakanton’ny zavaboahary ary ny fiainam-pitiavana iainan’ny olona. Mbola maro kosa anefa ny zavatra andrasan’ny olona amin’izy ireny.

    Manao antso avo ho an’ireo pôeta namany eto i Di... ny mba hihainoan’izy ireo ny hetahetam-pon’ireo olona sahirana :

"Nefa tsara koa raha toa ka hain’ise
Ny manongilan-tsofina, miezaka ny handre
Ny tsiambaratelon’ireo mitady hivena".

Manainga azy hanoratra ihany koa ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka madinika. Ireo resin’ny fiainana, ireo tsy afa-manoatra, tsy manan-katokona noho ny fahantrana lalina. Tapi-dalan-kaleha "Miraviravy tanana… miaiky faharesena". Fantatry ny mpanoratra mantsy fa ny pôeta no afaka hitondra sy haneho ny zavatra mahazo azy ireo amin’ny alalan’ny asasorany. Ny pôeta no solombavambahoaka mpitondra tenin’ny fiarahamonina eo amin’ny sehatry ny literatiora. Adidy masina lehibe miandry azy ireo izany ka tsy tokony ho tsinontsinoaviny.

    Fantatry ny mpanoratra, fa ny pôeta no mpampahery "Hampitraka indray ny lohan’izay ireny". Ao anaty asasoratra izy ireny no ahitan’ny mpamaky aim-panahy vaovao hiadiana amin’ny fiainana. Amin’ny asan’izy ireny no ahitana vahaolana, toro-hevitra isan-karazany hanalana ny sakana tsy mampandroso sy tsy mampivelatra ny maha olona. Mitari-dalana ny olona hizotra amin’ny lalana tena izy ny pôeta. Manentana azy hitolona sy hiady amin’ny tsy rariny, manabe azy amin’ny lafiny rehetra. Fa ny mampiavaka azy dia ny fahaizany mampita izany amin’ny fomba kanto sy mahafinaritra noho ny fampiasany sarin-teny isan-karazany, ny fifantenana voambolana tsy fampiasa andavanandro, ny rima, ny ngadona, hany ka tsy mahamonamonaina ny famakiana ny asan’izy ireny. Toa satry foana hankafy. Tsapan’ny Di... fa ny pôeta no mpanasitrana :

"hifantina sy handrindra ireo teny manan-kery
Hanjarian’ireny ho lasa ody fery".

Mitaiza ny fihetsehampon’ny mpamaky ny pôeta. Mitaiza ny saina ihany koa handinika sy hamakafaka ny zavatra tokony hatao. Miteraka fahafinaretana ao an-tsainy sy manala ny sorisorin-tsainy ny fankafizana ireny asa mendrika soratan’ny pôeta ireny. Toa mitondra azy any amin’ny tontolon’ny nofinofy sy ny eritreritra ka hanadinoany ny zava-manahirana azy eo amin’ny fiainany. Raha tsorina, namana akaiky ny vahoaka, amborahany ny tsiambaratelony sy hampita ny vetsovetsom-pony ny pôeta. Miaro ny fiarahamonina amin’ny fiainana. Mampitony ny adin-tsainy tsy hitroatra ka hahatonga azy hanaotao foana.

    Ny resaka rehetra natao tao amin’ny votoatiny no nahatsapana fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny pôeta. Ankoatra ny asa mahazatra azy, toy ny fikaloana ny zavatra mahafinaritra eo amin’ny fiainana sy ny fivetsoana ny hakanton’ny zavaboahary ary ny fiainam-pitiavana isan-karazany dia mampirisika ireo pôeta ihany koa ny mpanoratra mba hitondra fankaherezana sy fanasitranana ho azy ireo, indrindra ho an’ireo vahoaka sahirana. Adidy goavana noho izany no sahanin’ny pôeta eo amin’ny fiarahamonina ka tokony hatao vaindohandraharahan’ny fitondram-panjakana ny fametrahana amin’ny toerana sahaza azy eo amin’ny fiarahamonina raha tiana hiroborobo ny literatiora.

Nanoratra : St TSIADINO
Nandrafitra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com
 

Date de dernière mise à jour : 27/04/2019