Ny
harempisainana dia vokatry ny fiheverana sy fandinihana ny tontolo ka
hamolahana fitsipi-piaina enti-mandrindra ny fiarahamonina.
Maro ireo endrika isehoan’ny harempisainana fa hosinganina manokana
amin’ity fandalinana ny tononkalon’i Elie Rajaonarison ity ny finoana
ny tsiny sy ny tody, ny fahaiza-miaina, ary ny fandinihana ny voahary
sy ny tontolo.
1. Ny finoana ny tsiny sy ny tody
Ny finoana dia fitokiana amin’ny hery tsy hita maso izay heverina fa
mifaningotra amin’ny fiainany ka nianteherany sy noheverina fa manampy
eo amin’ny andavanandro.
Ny tsiny àry dia fahadisoana noho ny fanaovana izay tsy tokony hatao
teo anivon’ny fiarahamonina. Zava-doza mihitsy izany teo amin’ny
Malagasy. Voambara ihany koa fa fanamelohana ataon’ny mpiara-belona ny
tsiny.
Raha hilaza zavatra mahazo ny tena na ny hafa ny Malagasy dia miteny
hoe : Aza tsiniko tompoko! Raha haniraka olona indray dia miteny hoe
aza mahafady na mahafadia.
Hita ao amin’ny tononkalo izany fanomezan-tsiny izany ka miseho amin’ny
alalan’ny fahatsiarovan-tena noho ny tsy nety natao.
impiry nilaozako
indray mandeha monja no nandao ahy
ary tsy niverina
….
Reniko
Neniko !
efa ela no tsy niandry ahy intsony
fefiky ny nenina ny faravodilanitro !
Ranitra.tak .103
Fanomezan-tsiny ny tena no asehon’ny mpanoratra eto satria tsy mba
nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny adidy teo amin’ireo loharano
nipoirana. Nenina no ilazana ny fanomezan-tsiny ny tena eto.
Hamafisin’ny mpandinika izany amin’ny hoe: ”Tahaka ny tsiny ihany ny
nenina, samy manetoketoka sy mampijaly ny tena, ny fieritreretana
amam-panahy. Ilay manenjika manoatra lavitra noho ny omby masiaka dia
tsy hafa fa ny nenina” (RASAMISON1982,70).
Ny tody kosa valin’ny natao tamin’ny mpiara-belona ka mety ho ratsy na
tsara ny vokatr’izany. Ohabolana efa fandre matetika ny hoe "ny tody tsy misy
fa ny atao no miverina". Ninoan’ny Malagasy àry fa izay rehetra
atao amin’ny manodidina rehetra dia tsy maintsy miverina amin’ilay
nanao azy ihany.
Tody ratsy no ambaran’ny tononkalo.
nataony kila hoto
ilay hany sombin’ala
mba manitra tety…
Ry zanaky ny aizina
ry tsy mba hay nofaizina
raha tena mafy ianao
…
manodiava anareo
sy ny taranakareo
ny adalanareo
Ranitra.tak 27
Miresaka ny doro tanety izay ataon’ireo sokajin’olona mpanimba ny
tanindrazana no ambara ka niantsoany tody azy sy ny taranany satria
tena famotehana ny hoavy mihitsy ny doro ala.
Araka izany izay miaina eto ambonin’ny tany dia tsy maintsy mandray ny
vokatry ny natao avokoa.
2. Ny fahaiza-miaina
Ny fahaiza-miaina dia fahalalana fototra ahafahana mifandray amin’ny
mpiara-belona amin’ny tena. Mamaritra izany ny fifampiantsoana, ny
fifanajana sy ireo endrika dinidinika. Asongadina etoana ny
fifampiantsoana.
Ny lehiretsy dia fifampiantsoana efa nampiasain’Andrianampoinimerina.
Nisy fara hafatra nataony tamin’ireo loholony. "Tohin’izany
koa ilay retsy; tandremo ny ainy. Ataovy izay hahatratra antitra azy sy
hahamamy hoditra azy amim-bahoaka; hananany ny eran-tany eran-danitra".
Maneho ny fifandraisan’ny mpitondra sy ny entina ny "ilay iretsy" eto
ka ny mpitondra no miteny izany. Hita ao amin’ny tononkalo ihany koa
izany saingy ny vahoaka indray no mifampiantso amin'izany.
"Mora ny
miteny hoe : aoka izay leretsy !
Kanefa
raha nitarika de hoe hatramin’ny farany !
Izao toa
voasodoka voarebin-kevipetsy". Ranitra. tak 60
Latsaka anaty hady lalina ny firenena hany ka nitaky fanatsarana sy
fanovana ny vahoaka mpitolona. Ny fanoratan’ny mpanoratra ny leretsy
dia nifanaraka tamin’ny feon’ny teny fotsiny.
Ny fanajana no tena votoatin’ny fahaiza-miaina. Fototra iaingana
amin’izany ny fanajana ireo ray aman-dreny.
3. Fandinihana ny voahary sy ny tontolo
Nanana ny fahalalana manokana amin’ny fandinihana ny voahary sy ny
tontolony ny Malagasy. Isan’ireny ny marik’andro, ny halavan’ny fotoana
ary ny fizaran-taona.
Na dia tsy nanana famantaranandro aza ny Ntaolo dia hainy ny nizarazara
ny alina sy ny andro. Nodinihiny niainga amin’ny fijerena ny masoandro
sy ny fihetsiky ny zavaboahary izany. Ny fizaran-taona ihany koa
nodinihiny avy tamin’ny fombafomban’ny zavaboahary.
Rehefa lohataona dia mihamafana ny andro ka hoy ny Ntaolo : "masoandro be
lohataona ka tsy manan-kasosorana amin’ny hafa."
Tsikaritra ao amin’ny tononkalo ihany koa izany.
“ary ilay
ririnina iny
nosoloako
lohataona
dia
nitsonika ny foko” Ranitra.tak 84
Ampitahaina amin’ny toetr’andro rehefa amin’ny vanimpotoana lohataona
ny fihetseham-pon’ny olona satria mafana ny andro ka tokony hafana fo
tahaka izany ny olona. Endriky ny firavoravoana sy fanehoan-kafaliana
ny lohataona araka izany.
Sady fizaram-pahalalana mikasika ny fandinihana ny voahary sy ny
tontolo no ataon’ny mpanoratra no mampita hevitra mafonja ho an’ny
mpiara-belona amin’ny fandrindrana ny fiainam-pairahamonina.
Ireo rehetra nambara teo dia manasongadina ireo lovan-tsaina mendrika horaisin’ny taranaka ary tokony hiainany sy ampitainy indray amin’ireo handimby rahampitso. Manamarika ny harempisainana ny finoana ny tsiny sy ny tody izay efa raiki-tapisaka teo amin’ny foto-pisainan’ny Malagasy ary nataony ho arofanina handanjalanjana ny fihetsika rehetra eo anivon’ny fiarahamonina.Tsikaritra ao amin’ny tononkalon’i Elie Rajaonarison ihany koa ny fahaiza-miaina izay efa miharava ankehitriny ka mendrika hovelomi-maso.Amin’izao vanimpotoanan’ny fandrosoan’ny fahalalana samihafa izao dia zava-dehibe ny fahafantarana fa anisan’ny harempisainana ny fahalalana ny voahary sy ny tontolo izay efa fiainan’ny Malagasy hatry ny ela. Fifehezana ny habaka manodidina antsika no nahafahana namantatra fomba fiaina samihafa entina handrindrana ny tontolom-piarahamonina.Tsapa araka izany fa tsy natao ho fialamboly fotsiny ny tononkalo tahaka izao fa manoro ny lala-mahitsy hampivelarana ny fiainana ankapobeny amin’ny sehatra marolafy.