Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

14 Mey 2015

 

Sarotra, tononkalon'i Toetra Ràja, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala


Toetra Ràja
SAROTRA

Nanomboka
Namaha
Ny fatotra
Aho zareo,
Niroboka
Ao an-tsahan'
Ny sarotra
Mpiseho ;
Iafiako ,
Anamparana
Ny hery
Rehetra,
Tsy itsitsiako
Hasasarana ,
Na ferin-
Tsetrasetra.

Kapoka
Kibay,
Ozona
Mandratra,
Tampoka ...
Indraindray
Tery vozona
Mihatra ...
Dia ataoko
Miala maina
Hivarina
An-kady,
Tsy ahoako
Fa ny saina
No akarina
Hiady.

Na inona
Hihatra,
Ary koa
Hidona,
Tsy maninona
Fa zatra
Ratram-po
Sy honahona,
Ka ny atao
Mitoetra
Ary asesy
Tsy ho lany
Dia izao :
Ny tarigetra?
"MANDRESY"...
IZAY IHANY !

Toetra Ràja
10 oktobra 2004
 
Ny literatiora dia zava-kanto vita amin'ny teny. Misy karazan-dahatsoratra maro ao anatiny ary anisan'izany ny tononkalo izay voasokajy ho maneho toe-po. Ity tononkalon'i Toetra Ràja izay nampitondrainy ny lohateny hoe "Sarotra" ity dia milaza ny hasarotry ny fiainana sy ireo sotasota maro misompatra tsy hahatontosa ny tiana hatao.

Manao ahoana ny filazany izany fitsapana mihatra izany amin'ny fomba kanto? Ho setrin'izany fanontaniana izany dia handeha hojerentsika aloha ny lafiny kanto eo amin'ny endrika, manaraka izany ny eo amin'ny sarin-teny sy ny feo ary farany ny kanto eo amin'ny rafi-pehezanteny.

ENDRIKA

Voalohany, raha ny endrika no jerena dia mirindra tokoa ity tononkalo ity, mirafitra ho andininy izy ary andininy telo no ao aminy (3 strophes).

Mirafitra ho andalana ihany koa izy ary ny firafetan'izany andalana izany dia tsy mampandringa ny tononkalo satria mifandanja ny isan'andalana isaky ny andininy, samy ahitana andalana 16 avy.

Raha ny vanin-teny isan'andalana indray no jerena dia toa tsy mifandanja loatra, tsy mitovy, eo amin'ny andalana 1 dia mivany 4, eo amin'ny andalana faha 2 kosa mivany 3, eo amin'ny andalana faha 3 mivany 4 ary mivany 5 kosa eo amin'ny andalana faha 4. Izany tsy firindrana izany dia maneho ny vontoatin'ny tononkalo, hita taratra sahady fa fikorontanana no voarakitr'ity asa soratra ity: setrasetra, kapoka, ozona, fahasarotana maro izan-karazany na dia eo aza ny fiezahana sy fikelezana aina.

Raha hitantsika ary fa ny firafetany ho andalana sy andininy, ary ny tsy fitovian'ny vanin-teny tao aminy no mahakanto ny endriny dia inona indray kosa ny eo amin'ny sarin-teny sy ny feo?


SARIN-TENY SY FEO

Faharoa, ahitana fanovana endri-javatra ity tononkalo ity. Eo amin'ny andalana faha 5-7 no misy izany manao hoe: "niroboka ao an-tsahan'ny sarotra mpiseho". Novainy endrika ho toy ny rano ny fahasarotana ka azo irobohana. Ny marina anefa dia fahatsapan'ny saina ny hoe "sarotra" fa tsy tsapan'ny tanana na hitan'ny maso ka azo irobohana toy ny rano. Mbola fanovana endri-javatra ihany koa no hita eo amin'ny andininy faha 2 andalana 3-4 manao hoe: "ozona mandratra". Novaina endrika ho toy ny zavatra maranitra ny ozona ka mandratra, teny ihany anefa ny ozona fa tsy zavatra azo tsapain-tanana toy ny hazo, na fanjaitra na antsy ka afaka handratra. Ity sarin-teny ity dia natao hanehoana ny hamafin'ilay ozona sy teny tsy zaka rehetra mihatra amin'ny fiainany.

Raha eo amin'ny feo indray dia ahitana "alliteration" ato. Ny "alliteration" dia tamberin-drenifeo an-dohan-teny na an-doham-banin-teny. Eo amin'ny andalana faha 13-14-16 no misy izany: "tsy itsitsiako/hasasarana/na ferin-/tsetrasetra."Ny feo "ts","s", no miverina isaky ny fiandohan-banin-teny eto. Ny teny maneho ny fikelezan'ain'ny mpandray anjara amin'ny ilay ady atrehiny na dia eo aza ny setrasetra mihatra no nasiany izany "alliteration" izany.

Raha ny rima indray no jerena dia misy dia misy tokoa saingy tsy mifanjohy, tsy mifaningotra, tsy mifampibaby, izany hoe mikorontana. Toy izao mantsy ny fisehony ao amin'ny tononkalo: a b d e / a b d e / f g h i / f g h i, izany hoe isaky ny andalana 5 vao miverina ny rima iray.

 Ohatra:

 Nanomboka (a)
 Namaha (b)
 Ny fatotra (d)
 Aho zareo (e)
 Niroboka (a)
 Ao an-tsahan'(b)
 Ny sarotra (d)
 Mpiseho (e)
 Iafiako (f)
 Anamparana (g)
 Ny hery (h)
 Rehetra (i)
 Tsy itsitsiako (f)
 Hasasarana (g)
 Na ferin- (h)
 Tsetrasetra (i)

Ny fikorontanan'ny rima eto dia maneho an-tsary ny fisamboaravoaran'ny toe-javatra iainan'ny mpandray anjara ao amin'ny tononkalo.

Raha hitantsika ary fa ny fanovana endri-javatra, sarin-teny nahakanto azy, ary teo amin'ny filalaovana feo dia nahitantsika ny alliteration tato, ny rima dia tsy nirindra araka ny mahazatra mba ho fanehoana ny tsy firindran'ny toe-javatra misy ao amin'ny vontoatin'ny tononkalo. Dia manao ahoana indray ary ny fanakantoana eo amin'ny fehezanteny?


FEHEZANTENY

Farany, eo amin'ny fehezanteny dia kanto izy, hita izany eo amin'ny fampiasana fehezanteny tso-drafitra: "Nanomboka namaha ny fatotra aho zareo". Izany fehezanteny nampiasainy izany dia milaza ny ezaka nataony hamahana ny olana sedrainy eo amin'ny fiainany na dia eo aza ny sakantsakana isan-karazany.

Ahitana fanakonana L (lazaina) ihany koa izy ity na "ellipse". Eo amin'ny andalana 4-8 no ahitana izany manao hoe: "niroboka ao an-tsahan'ny sarotra mpiseho" (aho). Tokony hisy lazaina "aho" ao aorian'ny "mpiseho" toy ny tetsy ambony hoe: "nanomboka namaha ny fatotra AHO zareo". Io fehezanteny misy fanakonana io indray kosa dia milaza fa niatrika izay olana nianjady rehetra izy, niroboka tao anatin'izay mihitsy fa tsy mba nialangalana na nitady tany malemy hanorenam-pangady.

Ahitana fampiasana vadi-drafitra ihany koa: "Fa ny saina no akarina hiady". Raha tokony ho: "akarina hiady ny saina". Amin'ny io fehezan-teny io no ahatarafana fa matanja-tsaina ny mpandray anjara eto ka mitraka hatrany ary vonona lalandava amin'ny izay ady hatrehiny, sanatriaviny ny ho ketraka na dia eo aza ny hetraketraka isan-karazany.

Eo ihany koa ny fampiasana fanontaniana. Eo amin'ny andalana faha14 amin'ny andininy faha 3 no ahitana izany manao hoe: "Ny tarigetra?" ary mbola izy ihany no mamaly izany manao hoe "MANDRESY IHANY". Dia mbola manambara ihany izany fa na toa inona hamafin'ny sedra sy fitsapana dia miandrandra fandresena foana izy, tsy manary toky velively fa manantena mandrakariva.


Raha fintinina izany dia maro ny singa mahakanto ity tononkalo ity: endrika, sarin-teny, feo, rafi-pehezanteny. Ny tsy firindrana na tsy fitoviana tany amin'ny singa hafa toy ny vanin-teny sy ny rima dia azo itarafana ny vontoatin'ny tononkalo, maneho fahasarotana, ny fisamboaravoaran'ny rivotra mitsoka ao. Araka ny hevitray manokana dia tsara ity tononkalo ity satria ahafahana manatsoaka lesona fa tsy tokony ho kivy na hiraviravy tanana rehefa tojo-java-tsarotra. Tokony ho sahy lalandava ary tokony hanana risi-po.

Izany no antoka ahazoana fandresena.

Ratsimbazafy Heriarilala

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021