Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

17 jona 2015

 

 

"Tsarovy", tononkalon'i Ny Avana Ramanantoanina, nofakafakain'i Fredy Jaofera

 

 

TSAROVY
 
Tsarovy fa fihodinkodinana
no didy mitondra ny tany :
fiakarana sady fidinana
korontana ambony sy ambany.
 
Ny ketraka, mora mivarina
miroraka, tonga kanosa !...
ny potraka, nefa tafarina,
ireny ka olona kosa !
 
Dia olo-mandala ny lazany
no sady mitandro ny zony :
manandratra ilay Tanindrazany,
manondrotra an'io ho ambony.
 
Mandritra ny andro iainany
ka mandra-patoriny ho lo,
izany no hany fisainany,
Fisainan-tsy maintsy ho to.
 
Ny Avana RAMANANTOANINA

 

Ramanantoanina Michel, fantatra amin'ny anarana hoe : Ny Avana Ramanantoanina teo amin'ny sehatry ny haisoratra dia tsy zoviana amintsika intsony fa sady isan'ireo pôety ankafizin'ny Malagasy sy nianarana tany an-tsekoly ny asasorany fony fahavelony no isan'ireo zoky ao anatin'ireo mpanoratra "Mitady ny very". Poeta iray niaina sy nahalala ny fanjanahan-tany izy. Tsy pôetin'ny fo fotsiny i Ny Avana Ramanantoanina fa pôetin'ny saina ihany koa ; tsy pôetin'ny embony sy hanina toy ny taratra ao amin'ny tononkalony "VAZON'NY LAVITRA" fa pôetin'ny eritreritra sy ny fananarana ihany koa na hafatra aza amin'ity tononkalony hoe " TSAROVY " izay hofakafakaina eto izao. Hojerentsika amin'izany ny endriny, ny hevitra ary ny hafatra fonoson'ilay tononkalo.

 
1. ENDRIKA
 
Tamin'ny fotoan'ny fanjanahan-tany no nanoratan'i Ny Avana Ramanantoanina an'ity tononkalo ity ka aza atao mahagaga raha naka tahaka ny pôeta vahiny toy an-dry Alfred de Musset, Alfred de Vigny, Verlaine fa ireny no isan'ireo pôeta fantany tamin'izany. Manara-drafitra ny asasorany satria toy izany no endriky ny tononkalo nentin'ny mpanjanaka ary lasa nankafiziny : tononkalo mirima sy mifaningotra (abab) ka raha vao vakina dia mahafinaritra sy tsapa fa kanto : miady tsara ny rima, ao tsara ny paika sy gadona. Nianatra ny fomba fanoratana tononkalo ve i Ny Avana Ramanantoanina ? ...Mino aho fa ENY no valiny satria tsapa fa tsy baranahana ny fomba fanorany....Ary manao ahoana ny hevitra ao amin'ity tononkalo ity ?....
 
 
Mandritra ny andro iainany (a)
ka mandra-patoriny ho lo (b)
izany no hany fisainany, (a)
Fisainan-tsy maintsy ho to. (b)
 
 
2. HEVITRA
 
Araka ny efa natsidika kely ery ambony dia tononkalon'ny fananarana amin'izay tsara hitondrana ny fiainana ity tononkalo ity. Hoy indrindra izy amin'ny andininy voalohany :
 
Tsarovy fa fihodinkodinana
no didy mitondra ny tany :
fiakarana sady fidinana
korontana ambony sy ambany
.
 
"TSAROVY" no lohateny eto satria te hampahatsiahy antsika ny mpanoratra. Tsy mora ny fiainana an-tany ka tsy maintsy mahafanina na ho ela na ho haingana satria "fihodinkodinana no didy mitondra ny tany" araka ny voalazan'ny mpanoratra. Ny fahendrena dia ny mitandrina ; ny fahendrena dia ny tsy ho kivy amin'izay zava-mitranga . "Fiakarana sady fidinana" no diavina etoana ka izay tsy mahay dia ho solafaka sy very. Andraikitsika olombelona foana no tokony hanao ny tsara sy ny mety fa mora hita "ny korontana ambony sy ambany" n'aiza n'aiza misy anao ary na rahoviana na rahoviana satria samy hafa ny fomba fijery nisy : hafa ny fomba fijerin'ny mpanjanaka ary hafa ny an'ny voazanaka. Tsy mandeha araka izay tadiavina sy irina foana ny zava-drehetra. Ny an'ny mpanjanaka foana no nety teto amin'ny tanintsika !....Indrisy mantsy !
 
Ny ketraka, mora mivarina
miroraka, tonga kanosa !..
ny potraka, nefa tafarina,
ireny ka olona kosa !

 
Mitohy ny hevitra. Taratra eto ity andininy faharoa ity, fa tsy tsara ny ho ketraka, ny ho kanosa ary ny potraka rehefa voa fa ilaina foana ny miarina. Zaran'ny olona isika matetika kivy sy mahatahotra amin'izay tsy mahavita inona ; zaran'ny mpanjanaka ihany koa amin'izay isika eo ambanin'ny ziogany lalandava. Mampalahelo fa izany no endri-pitondrana nisy. Na potraka an-tanindrazana aza ny Malagasy, "ny potraka, nefa tafarina, ireny ka olona kosa", hoy Ny Avana. Olombelona izay tafarina !... Marina ny voalazany saingy tsy mora tanterahina mandrakariva, na eo aza ilay fitenenana hoe : "Mianjera in-tsivy, miarina im-polo". Toe-panahy ambony sy feno fahendrena ny mahay miarina rehefa potraka sy sahy miatrika izay iainana fa tsy ho ketraka sy ho kanosa akory.
 
Dia olo-mandala ny lazany
no sady mitandro ny zony :
manandratra ilay Tanindrazany,
manondrotra an'io ho ambony.

 
Iza no olona tsy te handala ny lazany ? Iza no olona tsy te hitandro ny zony ? Iza no olona tsy te hanandratra ny Tanindrazany ? Heveriko fa tsy hisy !....Fanondrotana an'ireo ho ambony no tian'ny Mpanoratra mba hahazoana fahafahana, hahitana fifaliana, hampirindra ny zava-drehetra, handamina ny tsy mety ary hampiadana ny tany. Nofinofy sarotra notanterahina na tsy afaka ho tanteraka anefa izany manoloana ny fanjakam-bazaha mahery sy matanjaka. Atody niady am-bato isika raha niady sy nitolona ho an'ny tanindrazantsika. Tompony nangataka atiny isika !!!!!....Teo am-pelatanan'ny mpanjanaka ny hery, ny vola, ny fitaovana ary ny fahefana !
 
Mandritra ny andro iainany
ka mandra-patoriny ho lo,
izany no hany fisainany,
Fisainan-tsy maintsy ho to.

 
 
Farany, Tarigetram-piainany amin'ny andro manontolony ny hanana an'ilay fisainana amin'ny fanondrotana ny tanindrazantsika. Hoy indrindra izy hoe : "Mandritra ny andro iainany ka mandra-patoriny ho lo". Maha-te hidera ny toe-panahy tahaka izany raha nahazo ny Malagasy nandritra ny fanjanahatany no fakafakaina sy dinihana. Nisy ihany ny mpamadika fa mba hafa ny fisainan'ny mpanoratra : "izany no hany fisainany, Fisainan-tsy maintsy ho to". Fisainana tsy maintsy ho marina sa fisainana tsy maintsy ho tanteraka ? Heveriko fa mety izy roa. Miadam-pinaritra ny mpanoratra sy ny Malagasy rehefa tonga izany. Marina ve izay rehefa nahazo ny fahaleovantena i Madagasikara ?
 
 
3. HAFATRA

Tononkalo feno fahendrena, fambonian-tsaina ary Fanondrotana ny maha-olona sy ny maha-Malagasy ity. Anarana ihany isika no tompo tany fa vahiny an-tanindrazana isika Malagasy. Mifamadika ny zava-misy : Ny vazaha no tompon'ny fahefana fa tsy ny Malagasy ; ny Vazaha no toa tompo tany fa tsy ny Malagasy ; ny Vazaha no niadana an-tanindrazantsika fa tsy ny Malagasy ary ny Vazaha no tompon'ny harena fa tsy ny Malagasy ary ny teny frantsay no mpanjaka fa tsy ny teny malagasy. Mafy no nanaiky an'izany ! Henjana no niaina sy nizaka an'izany !....Tsy tantin'ny mpanoratra ka nivoaka ihany ny sainy sy eritreriny tamin'ity tononkalony ity. Tononkalo mahafinaritra azo ampiarina raha sendra ka mora kivy sy kanosa ianao eo amin'ny fiainana. Tsy misy ny fiainana mora fa ady sy tolona ary sedra hatrany ny fiainana ! 
 
Fredy JAOFERA

 

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

 

 

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021