Sorapiainan'i Om-Gui, fandalinan'i Faniry Ezeckiel
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 jona 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs

Om-Gui - Pôetawebs Fantaro i
Om-Gui

(1963 - 2016)
Mpanakanto manabe
Pôeta
Mpanoratra
Mpihira
Mpampianatra

— Fandalinan'i Faniry Ezeckiel

"Tsy kanosa aho leitsy raha nitaiza an’ialahy ho eo an-jorofirarazana
Hivavaka, hirary, sy hiantso Zanahary eo an-joron-trano eo.
Fa ity no tarigetra amehezako an’ialahy
Tarigetra mandra-maty hitaizana ny fanahy
Raha mivetso fivavahana
TSY HANGATAKA NY IRINA FA HANIRY IZAY HANGATAHINA!"
Tarigetran'
ialahy

Izany andinin-teny "mivantana"izany no iantombohan'ny "Tarigetran'ialahy", tononkalon'ilay pôetan'ny fanabeazana, fikirizana, fitiavana ary finoana antsoina hoe Rabesaiky Guillaume Marie. Om-Gui no anarana nofidiany isalorana teo amin’ny zava-kanto, heverina ho tsimbadiky ny fanampin'anarany "Guillaume" [gui-om]. Tao Ambohimahasoa faritra Amoron’Imania no nahalatsahan’ny tavoniny ny 10 Janoary 1963. Voromanga nitera-boromanga tokoa raha izy mivady ray aman-dreniny, Rabesaiky Jean Marie sy Razanamahefa Celestine, fa sady mpanabe no mpilalao tantara an-tsangana, mpamoron-kira ary mpanoratra mantsy ny dadany. Araka izany, dia nandova hatsarana tamin’ireo nahitany masoandro ny lehilahy.  Zaza fahafito tamin’ireo folo mianadahy naloaky ny kibon’ny reniny izy. Ny 5 Jona 2016 izy no nandao ny fiainana eto an-tany ka lasa nanampy isa ny kintana rehefa tratran’ny lozam-piarakodia tao Tombotsoa Tsaravavaka, Atsimo kelin’Andranomanelatra Antsirabe, rehefa nikasa ny hanao fampisehoana tao Antsirabe.

PÔETA NASANDRATRY NY KANTO
"Tsy nitsontsorika avy any an-danitra ny mpanoratra sy ny haisoratra" hoy i Charles Ravoajanahary. Nanana tany lonaka nivelarany izy ary nahamasaka ny taniny nahafahany nisandratra.
 
Avara-pianarana
Sokajiana ho anisan'ny avara-pianarana i Om-Gui satria teo am-piofanana ho frera izy no nandranto fianarana momba ny toe-karena teny amin'ny Anjerimanontolon'Ankatso Antananarivo ny taona 1980. Tsy vitan'izany fa nahazo ny mari-pahaizana "doctorat" amin'ny teôlôjia tany Côte d'Ivoire izy.

Taizan-java-kanto
Raha ny momba ny kanto indray dia efa hatramin'ny fahazazany no voataiza tao anatin'izany izy noho ireo ray aman-dreniny efa niaina ny kanto. Rehefa misy manana tsingerin-taona nahaterahana tamin’izy mpiray tampo dia nifanolotra hira na tononkalo tamin’izany, farany moa dia nividianan’ireo ray aman-dreniny gitara iray mba hotendrena mihitsy izy ireo tamin’ny taona 1972 ary telo taona taorian’izay dia efa nanomboka namoron-kira.

Manan-talenta tokoa izy ary azo lazaina fa mpanakanto feno tanteraka. Tao anaty rany avokoa na ny sary na ny feo na ny soratra, hany ka mora nipaka tany anatin’ny tsirairay ny hafatra tiany hampitaina. Pôeta vonton’aingam-panahy izy sady mpanoratra feno fandalinana ary mirantiranty any anaty feo mangany tokoa ny maha olon’ny fanahy azy.

Rehefa alahady maraina sy mandritra ny andro alina kosa no matetika mitobaka ny aingam-panahy entiny mamorona ireo kantony.

Namorona ny tarika Ny Ainga
Tsy tambo isaina ireo sehatra nanehoany ny talentany. Namorona ny tarika Ny Ainga izy ny taona 1994 saingy noho izy tsy teto an-toerana fa mbola nanohy fianarana tany ampita dia notsofiny rano i Luc zandriny hitantana izany. Ny taona 1995 vao niverina nitondra ny tarika ity pôeta ity. Ny gadona “Country” moa no novoizin’izy ireo tamin’izany ka mbola tohizin’ireo mpiray tarika aminy hatramin’izao.

Betsaka no mihevitra fa mpihira fotsiny ihany i Om-Gui. Takontakona tao ambadiky ny vazo manjany izay nankafizin’ny maro mantsy ny maha pôeta sy mpanoratra voky traikefa azy.

Tany amin’ny taona 1989 anefa dia efa mpiara-manodina ny Faribolana Sandratra izy ary maro tokoa ireo asa soratra niangaliany.


Tononkalo matotra
Tamin'ny taona 1981 no nanomboka nikoriana ny penin'i Om-Gui. Ankoatra ireo tononkira efa tsy vahiny amin’ny sofintsika intsony dia 130 eo ho eo ireo tononkalo nosoratany ary miparitaka anatina boky samihafa ny ankamaroany, raha mbola tsy nivoaka kosa ireo sasany.


Om-Gui - Pôetawebs

Loharano: Lydiary (Gazety Ambioka)

Om-Gui - Pôetawebs
Ireto avy ireo boky ahitana ny asasorany izay niarahany namoaka tamin’ny Faribolana Sandratra:

1991 : Tontolo Isainana
1994 : Sandra-kalo
2005 : Sandratr’antsa
2010 : Hiran'ny matoy (Om-Gui, Ranoe, J. Nalisoa Ravalitera).

Marihina fa naely teto amin'ny Pôetawebs ny akon'ny Hiran'ny matoy ny ampitson'ny 24 febroary 2010 nanatanterahana ny hetsika. Voalaza fa tononkalom-pitiavana ranoiray miisa 30 no natolotr'izy telo lahy. Anisan'ny nanafana ny fotoana tao moa ny tarika Ny Ainga (Faribolana Sandratra, 2010).


Manana ny boky mirakitra ny tononkalony manokana koa anefa izy dia ny "Ainga sy Vohitra" izany.

Tsy tao anaty boky ihany no nanehoany ireo sorany ireo fa nandray anjara tamin’ny antsa tononkalo niaraka tamin’ny Faribolana Sandratra koa izy ary anisan’izany ny "Antsa Sandratra" ny taona 1990 sy ny "Eritreritra tsy mandry" ny taona 1993.

Asa soratra misandrahaka
Tsy ny tononkalo ihany koa no dobo nilomanosany teo amin’ny sehatry ny literatiora fa nanoratra tantara fandefa an’onjam-peo koa izy; ary an’isan’izany ireto:

- Ady saritaka
- Ratram-pitia
- Hira tsy tambo isaina

Nandray anjara tamin’ny fifaninana ny faha-50 taona fahatsiarovana an’i J.-J. Rabearivelo izy ny taona 1987 ary nahazo ny loka fahatelo  fifaninanan-kira (Tanala very sampy), ny loka faharoa kosa no norombahiny teo amin’ny sehatry ny sary hosodoko, izany hoe nananany talenta hatrany amin’ny sary.

Raha teo amin’ny mozika indray dia tsy voatanisa intsony ireo hira maro be nahafantarana azy toa an-dry “Charline”, “Ilay voalohany”, “tsy misy toa anao”... izay niarahany nivazo tamin’ireo mpiray tarika aminy.

Nankalaza ny faha-1000 ny fampisehoana vitany izy ny taona 2009 ary faharoapolo taona ny tarika Ny Ainga ny taona 2014. Marihina anefa fa raha mbola tsy ofisialy akory ny fiforonan'ny tarika dia efa nandeha voalohany tao amin’ny RNM ny hiran’izy ireo tamin'ny taona 1987.


PÔETAN’NY FITIAVANA
Pôeta i Om-Gui; mpihira sady mpamoron-kira koa. Misongadina ao amin'ny kantony ny lohahevitra fitiavana ao amin'ny andavanandrom-piainana rehetra toriny ary mivantana avy hatrany any amin'ny mpamaky.

Ampihirain'ny fitiavana
Hita taratra teo amin’ireo sanganasany maro tokoa fa olona tena miaina ny fitiavana i Om-Gui. Manoro lalana sy manabe ny olona hiaina ny fitiavana tena marina izy, fitiavana tsy misy fitaka, fitiavana tsy mifono tombotsoa manokana:

 (...)
“Raha hitia azy ianao
Ka tena vonona hitia tsy an-kifody mandra-maty
Dia rosoa eo akaikiny …
 Tsy misy teny  imolotra
Ny tananao atolotra
Ny tanam-polonao tsy misy n’inon’inona
 Velarina anoloany
Tsotra toy ny ankizy
Tsy misy tafasiry fa tsiky kely monja
Izay no tena izy."
Om-Gui ( 06-12-1991)

Tsy izay fotsiny ihany fa manabe ny tanora hahalala fomba tokoa ny tononkalony ary na toa inona firedan’ny fitiavana dia ambony indrindra hatrany ny fanajana satria mariky ny fifanomezan-kasina. Hita fa pôeta fitaratry ny fahaiza-miaina tokoa izy:

 (...)
"Ka rehefa tafahaona eo am-bavahady eo
Ka indro samy mientana ny ati-fonareo
Mitsiky tafahaona dia izao no aza hadinoina
Manaja vao mitia ka tsy misy vazivazy
Raiso aloha ny tanany vao manoroka azy
Tandremo aza hadinoina."
Om-Gui

Amin’ny maha olon’ny fitiavana azy dia tsy mba mamorona tononkira mamporisika ny olona hisaraka ny tenany:

(...)
“Fa ny olona tia dia ny mahay miaraka
Miaraka anaty fahasamihafana
(...)
Mahay tsy misaraka"
(...)

Ny aingam-panahiny mihitsy no efa ikorianan’ny fitiavana. “Tsy misy olombelona miaina eto an-tany ka mivelona tsisy fitiavana izany” hoy ny kalony ary iainany tokoa izany.


Mitory ny andavanandrom-piainana...
Ankoatra ireo hiram-pitiavana maro be nahafantarana ny tarika NY AINGA izay Om-Gui moa no namorona ny ankamaroan’ny tonony, dia miresaka ny onjam-piainana isan-karazany sedraina ety ambany masoandro izy ary tsy afaka am-bavan’ny mpankafy tokoa ireo hira maneho tantaram-piainana amin’ny ankapobeny toa an-dry ”Dadazily”, “Ikala Oly”, ”Kozy Vre”.

Manatsinkafona ireo tsy rariny mihatra amin'ny madinika sy ny tsindry hazo lena atao amin’ny sahirana koa ny hirany toa an-dry “Ikala Zaninina”.

Na maro loko sy samy manana ny hanitra hoentiny aza ireo rango-peniny sy hiakam-panahiny ireo dia tsy mivaona amin’ny fanabeazana izy. Ahitana taratra fanabeazana avokoa ireo asa sorany ary matetika misy fehin-kevitra mafonja tazana eny am-paran’ireo tononkalony.

Mikalo ny tontolon’ny fitiavana tokoa ity mpanakanto ity araka ny nolazainy hoe:

“Tsy mihira ny fitiavana aho fa ampihirain’ny fitiavana“

Resahiny avokoa ireo hasambarana sy sedra iainan’ny mpifankatia ary tsy hadinony ny manafatra sy mampita anatra.

Raha teo amin’ny sehatry ny mozika kosa dia ny fitiavana, ny tsy fahakiviana ary ny fahamarinana no foto-kevitra nijoroany niaraka tamin’ny tarika Ny Ainga.

Om-Gui - Pôetawebs
Velakevitra niarahany tamin'i Ranoe (ankavia)
... Amin'ny tononkalo mivantana
Amin’ny ankapobeny dia malala-drafitra ny tononkalony. Matetika dia toy ny miresaka mivantana amin’ny mpamaky ireny ny sorany rehefa vakina noho ny fahaizany manakaiky ny mpankafy. Tsy vitan’izay fa mifono hevitra mafonja sy voambolana tena voafantina ary hita mibaribary eny amin’ny sorany mihitsy fa tena iainany ny filôzôfia nianarany. Rakofam-pôezia tokoa araka izany ireo diam-peniny.

“Io fitiavana io
Tsy bitsika eo imolotra
Tononina anoloana
Amin-tsentom-betsovetso miboika avy ao anaty,
Fa io ry sombiniaiko
Dia hetsika manolotra
Ny andro sy fotoana
Ho an’ilay nosafidin-kofihini-mandra-maty...
(...)
Om-Gui

PÔETA MITORY - PÔETA MITARIKA
Ahatarafana modelim-piainana ny pôeta hany ka azo lazaina ho fakan-tahaka izy ireo. Taratra ao amin'i Om-Gui ny fanetren-tena tsapan'ny mpiara-belona aminy. Asehony amin'ny fitoriana fitiavan-tanindrazana koa izany ary tsapa amin'ny fikirizana ataony amin'ny asany ka hahafahana manasokajy azy ho pôeta mitarika.

Om-Gui - PôetawebsOlon'ny finoana sy ny fanetren-tena
Mpampianatra tamin'ny sekoly katolika i Om-Gui toy ny teto Antananarivo sy Antalaha. Efa talen-tsekoly tao amin'ny sekoly Md Joseph Andohalo (Antananarivo) izy. Tale kabinetran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena moa izy iny tratran’ny loza tsy nampoizina nitarika ny fahalasanany iny.

Katolika mafana fo tokoa i Om-Gui, frera lasalianina izy, ary noho ny fahatsapany fa tsy ampy azy ny sekoly mba hampitany ny fanabeazany dia am-panetren-tena no nangatahany tso-drano tamin’ireo frera namany handehanany hanitatra izany amin’ny alalan’ny zava-kanto.

Tsy vitsy ireo hiram-pivavahana noventesiny nandraisany anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao mahafaly ary tao koa ireo hira faneva isan-karazany nataony ho an’ny fiangonana. Ohatra amin’izany: ”Don Bosco", "Frera Raphael Louis Rafiringa", "Masimbavy Terezin’i Jesoa Zazakely”.

Nanao asa soa maro tamin’ny fikambanana masina sy sehatra maro teo anivon’ny fiangonana katolika sy ireo fikambanana mpiahy ny madinika koa ity mpanabe ity. Manaporofo ny fitiavany azy ireny ilay hiran’ny tarika Ny Ainga hoe: “Vetson’ny Ankizy”. Hoy indrindra mantsy izy:

"Tsy kanto ny talenta raha tsy hanasoavana ny olombelona".

Mpitory fitiavan-tanindrazana
(...)
“Fa maninona ny tany misy zanak’olombelona no zary tany fasana?
Eny mety ho tonga izany rehefa tsy hisy hahatsapa ny hasin’ny aina intsony
Toy ny razana efa lasana ny mpiara-belona eo
Koa inona leroa izay kirihitra voafira
Raha ny olona sy olona aza sahy mifamiravira
Tsy hitadiavam-panafodiny…
Fa ny endriky ny tany dia ny olona eo aminy
Eo an-tanan’olombelona ny tsiky sy tomaniny”
(...)
Om-Gui

Betsaka tokoa ireo fikarohana vitany momba ny tantaran’i Madagasikara sy ny faritra maro isan-karazany.

“Eo amin’ny tendrombohitra Ambohimahasoa dia misy soratra  lehibe hoe FAHAMARINANA (…). Tsy handroso mihitsy i Madagasikara raha tsy hampanjakana io fahamarinana io. Jereo fa mifanitsy avokoa ireo zana-tsoratra rehetra amin’ny hoe Madagasikara sy ny hoe Fahamarinana. Io no teny miafina hampandrosoana ny firenentsika.”

Anisan’ny hevitra nambarany tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray io ary mbola nambarany koa fa:

“Nosy masina i Madagasikara, tsy azo andatsahan-dra ary na iza na iza mpitondra mandatsa-dra eto dia tsy tafajanona eo amin’ny fitondrana izany“... "Tany manaja vehivavy koa i Madagasikara”.

Nanana hira mitory fitiavan-tanindrazana mihitsy ny tarika izay notarihiny ary anisan’izany ilay hoe: ”Veliranon’Iarivo

Mpikambana tao amin’ny antoko A.V.I. (Asa Vita no Ifampitsarana) ny tenany ary efa solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Ambohimahasoa. 

Lehilahy be fikirizana
Maro dia maro ireo sedra nolalovan’i Om-Gui vao tonga teo amin’ny toerana tena nahalalan’ny maro azy izy. Nandresy ny sarotra anefa izy noho ny fikirizana nananany. Anisan'izany ny fanarenany ny tarika Ny Ainga noho ny fahasahiranana lehibe nitambesatra, tohin'ny nandehanan'i Om-Gui nanohy fianarana tany am-pita, tamin'ny taona 1994 nananganana ny tarika. Toy izao ny fomba fitantaran'i Om-Gui azy tao an'efitry ny tapatapakahitra Pôetawebs (2016).

Nandritra ny fahabangana nateraky ny fisarahana dia nisesisesy ny faty antoky ny tarika tamin'ireo fampisehoana nataony: 300 monja ny mpijery tao amin'ny kianja monisipalin'i Morondava tamin'ny 1994. Tsy nahitam-pahombiazana ny tao Betafo, noheverina hanarenana ny banga. Niakaran-tsehatra indray Antsirabe fa moa tsy toy ny teo aloha hatrany? Niafara tamin’ny famarotana kisoa tao am-bala nataon’ny mpitantana mihitsy ny raharaha mba hanarenana ny faty antoka. Nitodi-doha tao Antananarivo ry zareo ary nifanandrify tamin'ny fiverenan'i Om-Gui tany ampita ny taona 1995 izany. Nahazo aina indray ny tarika rehefa nanao fampisehoana maimaimpoana teo an-tokotanin’Ambohipo, araka ny fitantaran’i Om-Gui hatrany.

Sedra mafy tokoa araka izany no nolalaovany kanefa resy izany noho ny finiavana sy ny fitiavana nananany:

(...)
"D’ity no tsarovy raiketo ao an-doha
Na inona na mafy na ino-manjo
Aza mba resin’ny famoizam-po!
Misaotra rahavako..."
Om-Gui

Pôeta mpitarika i Om-Gui na tao amin'ny tarika Ny Ainga na tao amin'ny Faribolana Sandratra. Tsy ilay mpitarika amin'ny alalan'ny baiko akory fa ilay iharan'ny asa mihitsy ary isan'ireo mpitarain-tana-miepaka izy araka ny fahatsiarovan'i Asnah:

"Olona faran'izay mazoto indrindra hitako i Om-Gui, tsy mbola naheno ny vavany niteny aho hatrizay hoe kamo aho" (gazety Jejoo, 2016).

Amin'ilay hoe Om-Gui mpitarika sy mpanabe indray no nomarihan'i Patty tao amin'ny gazety Jejoo (2016):

"Om-Gui dia sady ray no zoky amiko, ankoatra ny maha “leader”- n'ny tarika azy. Kamboty mbola kely aho ary niaina tao anatin'ny fianakaviana tsotra, ka izy no anisan’ny nandray andraikitra tamin’ny fanabeazana ahy, tamin'ny lafiny rehetra. Maro aza moa no nihevitra tamin'izany andro izany hoe : zanany aho, satria ny endrika koa mitovitovy."

Mbola manamafy izany hatrany ny Frera Vincent Ignace Rakotoarivelo:

"Fony mbola mpianatra tany amin’ny  kôlejin-dry Frera no efa mpinamana izahay ary tena zoky ray aman-dreny i Om-Gui, amiko". (gazety Jejoo, 2016).


Hiratry ny kintana
Amin'ny maha pôeta mpitarika sy pôetan'ny fitiavana an'i Om-Gui no nikarakaran'ny fikambanana VETO hetsika fifaninanana tononkalo nantsoina hoe "Tsiaro Om-Gui", efa-bolana tao aorian'ny nahafatesany. Tenin'ny pôeta mafonja efa voatsidika tetsy ambony moa no natao lohahevitry ny fifaninanana:

Tsy misy olombelona miaina eto an-tany ka mivelona tsisy fitiavana izany

Nomban-tsehatra sy rindran-kira teny amin'ny "Coliseum" Antsonjombe (Antananarivo) ity fifaninanana tononkalo ity ny 16 ôktôbra 2016, fotoana nampahafantarana ny vahoaka ny bokin'i Om-Gui vaovao nampitondraina ny lohateny hoe "Hiratry ny kintana". Ankoatra ireo tononkalon'i Om-Gui dia nampidirina tao koa ny an'ireo 12 mianadahy mendrika tao anatin'ireo 278 nandray anjara tamin'ny fifaninanana (Ikaloyna Vony, 2016).


Om-Gui - Pôetawebs

Fintina

Eto am-pamaranana dia aleo ity tononkira iray nosoratany ity no hamintina ireo tantaram-piainany nanomboka tamin’ny fahazazany.

FIAINAKO... TANTARAKO
Mitamberina am-poko,
Ataoko hirako androany
Ity tantarako ity e! ho anareo namako any
Tantaram-piainako hotsaroanao
Tao Avaradrano!(2) ny razambeko
No nipoitra fahiny
Lasa valovotaka izy tany Betsileo ambanivolo any
Teraka tambanivohitra any aho dia tany aho no àry
Zanak’olona mpanarivo manana omby, tanimbary
Mpanabe fanta-dazan’ny sekolin’ny
Misiona ny Raiko
Adaladalam-pitia ka nanaiky hafindra
Any an-dakira any
Nafoiny ny harena rehetra nefa izy milionera
Nekeny sy nataony avokoa ny baiko
Masin-dry Mopera!
Kanjo ela dia nitsipozy
Nipoaka ho’aho ny 72
Nohidian’ny misiona ireo sekoly foana
Ka vita hatreo ny amin’ny dada...
Bandy mpikarama mitrongy aho
Sady mianatra no miandry omby
Teo ilay fotoana nialako finoana nigafy
Fiangonana iny

O!O!O!O! Lay lay lay lalay lay!

Lalam-piainana marina izany
Sedra mafy tokoa fa tena nahasoa, tsy anenenana koa
Fa niezaka aho nandrafitra ny hirako hahatsiarovanao ny anarako
Izany rehetra izany tsy ho voakosoka ao am-po
Fa izany no tantarako.
Niainanay leisy izany... Niainanay tokoa
Niainanay leisy.. Niainanay e!
Dia nitady sekoly aho niakatra an’Ambohimahasoa
Dia an-tongotra isan’andro fa dia nianatra aho;  nianatra ihany
Voankazo kely sy mangahazo fa tsy nanam-pahandro
Nataon’ny neny anaty kitapo ho sakafoko ny antoandro
Nirava nianatra aho indray andro;
Tadidiko ny Sabotsy antoandro
Nangidy tamiko, tampoka tamiko:
MATY ny Raiko leisy e!
Dia nikofoka nibosy tonga hatrany an-dafy anie aho
Dia tafody soa aman-tsara eto an-tanindrazana eto indray
Ny asa fanabeazana hatrany no tantaniko isan’ora
Nanao voady ho mandra-pahafaty aho hanabe ny tanora
Hatramin’ireo gadra any am-ponja
Beazina homena diamondra
Sekolim-pinoana tompoinay foana, tsy havelanay koa ny hira
Tena misy mpitia any ho any mankafy ny ataoko
F’ambadika koa ireo mpanjifa sy ireo mpankahala
Teny am-panentanana mpianatra eny an-kianja aho, dia nofofoina
Tamin’izay no nampisamborana ahy saika hovonoina
Zava-nisy ‘zany ry nama; ny soa misy mpankahala
F’isika tsy kivin’ny sedra mangidy raha mbola ao koa ny finoana!
Mpanabe no sady mpihira
Izay no fiainanay ry tiana!
Ho lasa tadidy ireo soa sarobidy rehefa tsy eny intsony anie aho...
O!O!O!O! Lay lay lay lalay lay!
Om-Gui.
_________________
Loharano nanovozan-kevitra
- Faribolana Sandratra. 25 febroary 2010. Pôetawebs. "Hiran'ny matoy". Tsikaritra ao amin'ny:
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/sehatra/page-117.html

- Ikaloyna Vony. 19 ôktôbra 2016. Pôetawebs. "Fifaninanana tononkalo Tsiaro Om-Gui". Tsikaritra ao amin'ny:
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/sehatra/page-67.html
- Lydiary. Gazety Ambioka. "Iza moa Om-Gui?"
- Patty sy Asnah. 13 ôktôbra 2016. “Tsiahy an’i Om-Gui... miteny i Patty, Asnah”. Gazety Jejoo. Tsikaritra ao amin’ny:
http://www.jejooweb.net/pages/modules.php?id=14276&idcat=19
- Razafindravelo D. 28 mey 2016. "Tapatapakahitra niarahan’i Doda Razafindravelo sy Om-Gui". Pôetawebs. Tsikaritra ao amin'ny:
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/tapatapakahitra/page-64.html

FISAORANA
Isaorana manokana i Do Rabesaiky, rahalahin’i Om-Gui nanampy tamin’ny fikarohana ireo fiainan’i Om-Gui.
______________
TARIGETRAN’IALAHY

Tsy kanosa aho leitsy raha nitaiza an’ialahy ho eo an-jorofirarazana
Hivavaka, hirary, sy hiantso Zanahary eo an-joron-trano eo.
Fa ity no tarigetra amehezako an’ialahy
Tarigetra mandra-maty hitaizana ny fanahy
Raha mivetso fivavahana
TSY HANGATAKA NY IRINA FA HANIRY IZAY HANGATAHINA!

Eny an-dalam-piainana eny raha mamaky lohasaha, tany efitra mangina,
toa mangovitra ny saina,
te hidradra, hitaraina
fa irery mila namana...
F’izao no tarigetra ifehezo ny ati-fo
Ny mamelatra ny Tanana
TSY NY MANANA SAKAIZA FA NY HO SAKAIZA ANANANA.

Eny, maro rendrarendra mahasarika fanahy eto ambony tany eto,
Lanja miakatra daholo ka miovaova volo
Na hatramin’ny fitiavana…
Ary asehoko an’ialahy ny efa hita sy ny re,
Ka ity no tadidio: ny tena zava-dehibe:
TSY HIFIDY IZAY TIANA FA HITIA IZAY FINIDY.

Ary farany tsarovy fa tsy mora ny mifehy eo anivom-piarahamonina, fa Zavakanto io
ka tandremo sy ahitsio
mba tsy hahavery hasina
k’izao ny tarigetra amehezo ny herin-tsaina:
ny zava-dehibe ary koa ny tena ilaina
amin’ny asa izay zakaina:
TSY NY MILAZA IZAY ATAO FA NY MANAO IZAY LAZAINA…!

Om-Gui

Fandalinana : Faniry Ezeckiel
 © Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 14/06/2020

×