Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

22 Desambra 2015

FANKALAZANA NY FAHAZATO TAONA NISAMBORANA NY MPITARIKA NY V.V.S

Nanatanteraka hetsika ho fankalazana ny fahazato taona nisamborana ny mpitarika VVS ny SOAMIAKANGA, VOHITSERA, HAVATSA UPEM, SAMIS-ESIC ny Sabotsy faha 19 desambra 2015 lasa teo, tao amin’ny Grand-Amphi DEGS teny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo (Ankatso).

Fanokafana

Tamin’ny 9 ora maraina sy sasany no nanomboka ny fotoana ka niaraha-nihaino ny hiram-pirenena. Ny Antoko mpihira avy ao amin'ny Fakiolté n'ny Siansa mantsy no nihira izany tamin'ny fomba fihiran-dry zareo ny andininy telo. Ramatoa ANDRIANASOLO Hajaina filohan’ny havàtsa UPEM no nandray ny fitenenana voalohany ary nodimbiasan'Andriamatoa filohan’ny Oniversite, izay nanokatra ny fety tamin’ny fomba ofisialy. Rehefa izany dia nifandimby nanao lahateny ny filohan'ny vondrom-panabeazana ACCEM RATREMA William.

Famelabelaran-kevitra

Rehefa izany dia nitarika ny famelabelaran-kevitra Andriamatoa RAHAINGOSON Henri (Di). Teboka efatra no novahavahana tamin’ny tapany voalohany :

  • ny loharano nipoiran’ny V.V.S.
  • ireo angady nananana sy vy nahitana ny V.V .S
  • ny tanjon'ny VVS
  • ny firafitry ny V.V.S.

Namaky ny Japana sy ny Japanesa nosoratan’i dokotera Rajaonah aloha i Dol’aj, voalaza fa io lahatsoratra io no anisan’ny nanetsika an-dRavelojaona hanoratra ny "le japon et le japonais" tamin’ny taona 1913. Ny Ami indray avy eo no namaky ny lahatsoratr’i RAVOAHANGY Andrianavalona Joseph ka teo no nitanisana ireo angady nananana sy vy nahitana ny fikambanana dia :

  • RATSIMBAZAFY  Louis
  • RABOTO Raphaèl
  • RANIFASY Bonifasy
  • RAJAONARIVO Joèl
  • RAMIANDRASOA Robin
  • RAVOAHANGY Andrianavalona Joseph
  • RAVELOJAONA


Izy ireo dia samy mpianatra tao amin’ny Ecole de Médecine Ankadinandriana daholo. Anisan’ny tarigetran’ny VVS ny hanandratana ny maha Malagasy. Nolazaina koa fa fikambanana tsy nanana fanekena izy, tsy nanana foiben-toerana satria fikambanana miafina sy tsy ara-dalàna ara-panjakana. Notandreman’ny V.V.S. fatratra ny tsy hisian’ny fampiasan-kery. Ny hitia sy hanasoa ny tanindrazana no voadin’izy ireo. Ampatsiahivina fa ity fikambanana ity moa dia teraka tamin’ny 1913 vokatry ny lahatsoratry RAVELOJAONA mahakasika ny Japana sy ny Japoney. Anisan’ny antony nitsanganan’ny Fikambanana ihany koa ny fandravana ny fanjakana malagasy tamin’ny 1896, ny nitifirana ny Printsy RATSIMAMANGA, ny nanaovana sesitany ny mpanjakavavy RANAVALONA III sy ny Praiminisitra, indrindraindrindra fa ny « code de l’indigénat » izay didy nahatonga ny Malagasy hiditra an-tranomaizina.

Rindran-kira sy vela-kevitra

Vita ny tapany voalohany, nampiditra ny tarika solika teo an-tsehatra Ramatoa Hajaina, hiran'i NAKA RABEMANANTSOA roa no natolotr’izy ireo : "ô ! raifody an’ala" sy "tandremo". Nandray anjara fitenenana kosa ny  avy ao amin’ny SAMIS-ESIC, ny SAMIS (Sekoly Ambony Momba ny hIta sy ny Serasera no dikany, amin’ny  teny frantsay kosa no hoe ESIC na Ecole superieur de l’information et de la communication). Nitohy indray ny vela-kevitra ka noresahana ny akon’ny V.V.S. teto an-toerana sy tany Frantsa izay niroborobo  ka niezaka nanao ny hampijoro ara-panjakana ny fikambanany. Saingy indrisy fa nipoaka ny ady lehibe voalohany tamin’ny 1914 ka tsy tontosa ny fikasana. Nanomboka amin’izay ary ny famotehana ny V.V.S. tamin’ny 1915 ka voasambotra voalohany tamin’izany RAJAOBELINA tao Ambalavao Fianarantsoa. Ny 24 desambra 1915 dia voasambotra koa ny mpitandrina RAVELOJAONA, Frera RAFIRINGA Raphael Louis, Frera Julien. Nisy natao sesitany  tany DZAOUDZI (Mayotte), Nosilava. Nisy ireo nogadraina tetsy Antanimora, ny tsy ampy taona nalefa tany Anjanamasina.

Antsa tononkalo sy hiran'ny amboaram-peo

Notohizana tamin'ny fiantsana tononkalo nosoratana tany an-tsesitany indray ny fotoana.

  • "VAZON’NY LAVITRA", tononkalon'Ny Avana RAMANANTOANINA, nantsain’i Antsa sy i Tsito
  • "IZAY SAMBO IZAY", tononkalon'Ny Avana RAMANANTOANINA, nantsain’i Ngaly

R’imbossa no nanao feo lafika nandritra ny fiantsana, ary nanao ihany koa ny hirany avy eo

  • "Maty ilay masoandro" - hiran’i Samuel RAMEFY
  • "Mazàna ny tsara" - hiran'i Naka RABEMANANTSOA
  • "Manina ny tany niaviana" - hiran’i Justin RAJORO.

 

 

Ireto avy kosa ireo amboram-peo nandray anjara.

 

 

 

  • Ny avy ao amin'ny “Agronomie” : “Raha ny oloko” sy  “Ilay efa tia antsika’’
  • Ny MPIZAKA STELARIM. Nahafinaritra ery ny fanaovan’izy ireo ny "Vorona handeha ho aiza iry ?"
  • Ny avy ao amin’ny ENS tamin’ny alalan’ny hira efa fantatry ny maro hoe "Inona no ifandrafindrafiana?" sy ilay hoe "Hiran'ny fanantenana", tononkalon'Ny Avana Ramanantoanina nosoratana tany an-tsesitany
  • Ny amboaram-peo avy ao amin’ny Siantsa
  • Ny amboaram-peo avy ao amin’ny Lettres

Famaranana

 

 

 

Teo ampamaranana ny lanonana dia nakarina teny ambony lampihazo avokoa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanafanàna ny fety, notolorana fisaorana izy ireo sy ny mpanatrika rehetra.

 

Mbola hira sy antsa ihany no nisarahan'ny rehetra.

  • Noredonina ny "NOSY TANINDRAZAKO"
  • Nantsain’i Dol’aj ny "Tsofy rano", tononkalon-dRanjatohery Harilala
  • Napetraky DI ny tso-dranony tamin’ny fiantsany ny tononkalo hoe "Indro ny tso-drano".

Nahafinaritra ity hetsika iray ity,nahatonga saina ny tsirairay hamoha indray ny fitiava-tanindrazana, nampitodika ny olona indray amin’ny tantara izay efa saika tsy noheveriny intsony,indrindra indrindra fanampiana ho an’ny mpianatra. Sitraka sy telina ho an’ny mpikarakara !

Tatitra : Heriarilala Andriamamonjy
Angona : Njanja, Ny Ami, Heriarilala

 

 

Teo amin'ny fira rodobe famaranana Dol’aj, anisan'ireo nanao famelabelaran-kevitra sy niantsa tononkalo

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
×