poeta_malagasy
 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.
(T.Ràja)

26 novambra 2017

ORIMBATO NY FITIA

Notanterahina ny Alarobia 22 novambra 2017 tolakandro tao amin'ny IVO-KOLO CEMDLAC ny Antsa tononkalo orimbato ny Fitia , izay nifarimbonan'i Léa Fandresena, Ny Aina Ravaka, Mika kely, Jirom-panahy, Fameno Antenaina.
Taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena dia nisy ny fanentanana tamin'ny alalan'ny kabary fiarahabana.

Nizara efatra mazava tsara ny fandaharam-potoana nandritra ity tolakandro mahafinaritra ity.

Vavaka no lohahevitry ny fizarana voalohany ka nifandimbiasan'ireo mpanoratra voalaza tetsy ambony niaka-tsehatra. Jirom-panahy no niantsa ny hoe «vavaka hafahafa» ary «tao am-piangonana» no nantsain'i Lea Fandresena.
Mpanentana sy vahiny tamin'ity ampaham-pizarana ity i Fosa.

Soratra sy Poeta indray no lohahevitra tamin'ny fizarana manaraka ka nanehoan'izy ireo ny tontolo manodidina izany poeta izany. Niavaka ny fanehoan'i Ravaka ny «vady poeta» ary i Léa Fandresena kosa nametra-panontanina tamin'ny alalan'ny «adala ny poeta?»

Ny solotenan'i Avelo Nidor indray no mpanentana sy vahiny tao anatin'ity fizarana faharoa ity sady niantsa ny asasorany.

Tanindrazana indray no lohahevitra fahatelo izay nivetsoan'izy ireo ny hasina sy ny haja ananan'i Madagasikara. I Fameno no niantsa ny hoe :«eto Madagasikara» ary notohizan'i Mika tamin'ny «Fito amby efapolo». Nisy hatrany moa ny fanentanana narahina hira nandritra ity ampaham-potoana ity.

Tao amin'ny fizarana fahefatra no nikaloan'izy ireo ny fitiavana. Toy ny tantara velona mihitsy no nandrindran'ireto mpanoratra ireto ity lohahevitra farany izay nahaliana ity. Tsikaritra tamin'izany ny fifankatiavana eo amin'olon-droa izay miorina amin'ny fifampitokisana, ny olana sedraina ao anatin'izany ary ny fisarahana mety hitranga vokatry ny tsy fifanarahan-kevitra eo amin'ny roa tonta.

Tsara ny manamarika fa nanotrona azy ireo iretp fikambanana ireto izay manandratra ny literatiora: Havàtsa-Upem, Faribolana Sandratra, Korira Kanton'ny Haisoratra, Tsanta. Ireo mpanoratra nisolotena ny fikambanana dia nampahafantatra ny momba ny fikambanana misy azy ireo ary niantsa tononkalo roa avy.

Nisy ihany koa ny valonan-taratasy izay nojifain'ny mpikira ny kanto tonga nanotrona ho mariky ny fahatsiarovana ity fotoana izay azo heverina fa misy lanjany sy sandany lehibe ity .

Mba hampianoka ny rehetra izay tsy nanatrika ity seho ity dia indro misy tononkalon'i Lea Fandresena izay miventy ny fitiavana:

 

Orimbato

Raha orimbato no tiana hajoro
raha fanambadiana tsy tiana hikoro
mila ifotorana ny fahasahiana
ho olona mendriky ny fahatokiana
Raha orimbato tsy lefin'ny taona
tiana ho hita sy tazana foana
ianaro ny dian'ny olom-baventy
fa tsara firavaka sy tsara renty
Fa fitia vatolampy mahari-tafiotra
amin'ny rivo-mahery sy mafy fifioka
fitia volafotsy tsy mety ho rendrika
na lalovan'ny afo aza hita fa mendrika

Lea Fandresena, nov 2017

Ny Poetawebs dia mirary an'i Léa Fandresena, Ny Aina Ravaka, Mika kely, Jirom-panahy, Fameno Antenaina hahita hatrany ny lalana mahitsy hampiroboroboana ny tononkalo malagasy.

Tatitra: Tsikimilamina Rakotomavo
Sary: Léa Fandresena

Tatitra sy sary: Tsikimilamina Rakotomavo

Sary: Léa Fandresena

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 27/11/2017

×