Créer un site internet
poetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 mey 2018

Fantaro i...
Anja-Z

(1892 – 1931)
Poety
Mpanoratra

Mpanao Gazety

Nangonin'i Hanitr'Ony
 

Anja-Z no anarana noraisin’i Esther RAZANADRASOA amin’ny maha mpanoratra azy. Teraka ny 1 janoary 1892 tao Antananarivo izy. Ny rainy, araka ny notaterin’i Jean Joseph Rabearivelo tao amin’ny Journal des Poètes Bruxelles Laharana faha-16 (12 martsa 1932) dia mpanakanto maro talenta satria sady poety no mpanoratra tantara foronina, mpanao gazety, mpikabary ary mpamoron-kira. ; ny reniny kosa, Rasitera, dia zafikelin-dRasoanavony sy Andriantsitohaina 16 voninahitra (izay tsy iza fa zafikelin’Andrianampoinimerina sy Rasendrasoa) (1).

Nampakarin’i Dokotera Joseph Rakotoson ho vady izy ary niteraka vavy tokana izy ireo: Esther Ny Lisy Ravaoarisoa.
Nitarika hetsika maro manodidina ny haisoratra izy ary nanorina sy talena gazety manan-danja maromaro tao Antananarivo. Raha miresaka azy i Jean Joseph Rabearivelo dia milaza azy ho mpanakanto "feno".
Nodimandry ny 14 aprily 1931 tao Antananarivo i Anja-Z raha vao 39 taona monja.
Notolorana folo voninahitra izy tamin’ny andro nahafatesany ary nomena ny sitraka maha mpanao gazety isan’ny namelombolo indrindra ny tontolon’ny soratra sy fanaovan-gazety. (2)

 Voataiza tamin’ny zava-kanto

Nandova ny talentan-drainy rehetra eo amin’ny soratra i Anja-Z ankoatra ny fahaizana mamoron-kira, azo ambara fa ny tontolon-drainy no namolavola azy ho tia zava-kanto sy hanoratra. Havanana tamin’ny famoronana tononkalo, sombintantara, tantara foronina toa an-d"Rasolihanta", tantara an-dampihazo toy ny "Tsimbalivaly" izy, fa ny tena nampiavaka azy indrindra dia ny fanoratany sy fanangonany ny kindriandriana. Fialambolin’ny ankizivavy amin’ny alalan’ny famoronana tantara miainga amin’ny fiainana andavanandro ka tovanan’ny rian’aingam-panahy avela hisosa malalaka ny kindriandriana nolalaovina tamin’ny tamaboha lahy (lavalava) sy vavy (boribory) na koa irony tantara vatokely irony no mitovy aminy. Nahangona kahie maro misy izany izy fahizany. Maro be tsy voatanisa ny asasoratra novokarin’i Anja-Z na dia vitsy ihany aza no voatonta ho boky.
Tamin’ny faharoapolo taonany no nandraisany ny solon’anarana Anja-Z ho fahatsiarovana ny reniny. Izy tokoa mantsy no mpanoratra vehivavy Malagasy voalohany nahatonta amin’ny Boky ny asasorany, ary nanome lanja ny haisoratra malagasy ny tononkalo maro be novokariny nivoaka an-gazety samihafa. Maro tamin’izy ireny no nadikan’ny sakaizany Jean Joseph Rabearivelo amin’ny teny frantsay, ary nanandratra avo ny fahitan’ny mpanoratra vahiny ny lentan’ny famoronan’ny mpanoratra Malagasy.

Mpitari-dalana sy kintana fitarikandro
Nambaran-dRabearivelo fa i Anja-Z no nitari-dalana azy tamin’ny fanoratana raha mbola tanora tokoa izy. Teo amin’ny fahafito ambin’ny folo taonany mantsy no nifandray an-tsoratra tamin’i Esther Razanadrasoa izy, ary efa-taona taorian’izay no nihaonany tamin-dRavehivavy izay tafody avy tany Mahajanga. Zokin-dRabearivelo folo taona i Anja-Z izay efa nanana ny toerany teo amin’ny sehatry ny haisoratra. Samy namoaka lahatsoratra tamin’ny Gazety be mpamaky iray izy ireo, ary i Anja-Z no nanoro hevitra an-dRabearivelo ny momba ny fanehoana ny aingam-panahy tena velona, fa tsy hihanona amin’ny mora ahazoana mambabo ny mpamaky ihany. Nifanao velirano izy roa fa hifampiambina ny hitandro lalandava ny tsy hampitambotsotra ny lentan’ny asasorany, hanome lanja mavesatra ny haisoratra malagasy, tsy ho resin’ny fakam-panahy amin’ny vokatra mora vita sy mora raisina, mora vidy sy mora lo, fa ho vokatra mateza roritina, handresy ny fotoana, kanto ary hanambara ny tena fahatsapany sy ny fahafahany marina.

Hoy indrindra mantsy Rabearivelo raha niresaka momba azy :
"Lazao tsotra àry fa isan’ny reharehantsika marina izy. Ny porofon’izany ve? Atsy ho atsy kokoa, rehefa tofoky ny teny alahatra sy ampitoviam-peo fotsiny ny olona eto, ka mila zavatra ankoatr’izany taralila mankadilo izany – amin’izay vao hibaribary sy ho fantatra izany. (…) "Ahatsiarovako ilay tapatapa-tononkira fahagola hany voatahiry amin’ny asan’i Sapho de Mytilène ; ka hita ao amin’ny Traité du Sublime nataon’i Longin izy ity" hoy ny mpanoratra italiana malaza iray nandika azy amin’ny fiteniny.
Iray amin’ny arivo ny Mpanao tononkira azo ampitahaina sy voataha amin’ny ngeza toy izany.
Mampirehareha ny maha mpiray Tanindrazana amin’ny olona toy itony!"
Ny Fandrosoam-baovao, Nouvelle série, Laharana faha-3, Tananarive, 19 aogositra 1931

Mpampita
Mpanao gazety koa ary Tonia mpandrindra ny "Tsara Hafatra" i Anja-Z. Voalaza matetika fa Vehivavy Malagasy mpanoratra voalohany izy noho izy nisantatra ny fanontana an-gazety sy amin’ny boky ny asasorany. Izy kosa dia nanambara fa efa notenenina efa ela ny "poezia" ao amin’ny teny malagasy ary miampita amin’ireo lovan-tsofina izany rafi-pitenenana malagasy izany. Ity tenin'i Anja-Z momba ny poezia manaraka ity dia notakarin'i Douna Loup avy tamin'ny fikarohany nataony momba an'i Anja-Z hita ao amin'ny bokiny "L'oragé" manao hoe:
 
"Ny teny - mieritreritra ny teny izy, ny kalon’ny teniny fa tsy poezia milaza ho vaovao noforonina avy any an-kafa, sanatria tsy niandry ny ady rima naely avy any Eoropa vao nisy ny poezia, vao nikalo ny teny. Tsy niandry izany ny lela. Tiany ny mampiova endrika ao an-dohany ao ny fiteny ary ny miteny amin’ity endrika izay tampoka teo mikalo koa raha miteny amin’ny teniko aho hoe ambavaala dia ambavan’ny ala, miteny hoe mason’ny andro dia masoandro ary rehefa velona ahiahy dia mandry an-driran’antsy, tsy niandry ny boky sy ny andalana ny poezia, ny hira talohan’ny hira dia efa teo hatraiza hatraiza.
Hainteny no fiantso azy aty ary miampita sy ifandovana an-tsofina efa hatry ny oviana, tamin’ny fotoanandron’iza? Tsy misy diany miseho revio isa-taona. Tsy misy taratasy ve dia tsy misy poezia? Tsy manaiky izany aho. Fantatrao moa ny ataoko aty efa an-taona maro izay, manangona teny aho teny izay tsy mbola nipetraka afa-tsy am-bava sy tamin’ny rivotry ny taon-jato maronay? Kalon-jazavavy, ny vehivavy ihany no mandrafitra Kindriandrina. Fifaninanana samy irery, teny mihodinkodina manakoako. Raisiko izy ireny, soratako, miditra an-trano any amin’ny fianakaviana rehetra aho, mahita teny efajoro teny boribory sy efa antitra tokoa ary tsy miteny aho hoe izaho no poety vehivavy voalohany satria izaho no voalohany manoratra. Satria efa ela no nihovitra tao am-bava ny kalo."
HOTSAKA, Douna Loup, Editions Dodo Vole , p.38 (3), nadikan’i Johary Ravaloson

Isan’ireo mpanoratra nanan-danja indrindra tamin’ny fotoan’androny i Esther RAZANADRASOA – Anja-Z, ary namela asasoratra kanto sy manan-danja ho an’ireo zandry zanaka nandimby azy ; ireo mpiara dia taminy dia tsy iza fa Ny Avana Ramanantoanina, Raoelison Rasamoely, Désiré Rawelas, Samuel Ratany, E.-P.Razafintseheno, J.-H. Rabekoto, Rodlish Razakazivony ary Jean Joseph Rabearivelo. (4)

Teny Malagasy
Tena nampiavaka an’i Anja-Z koa ny safidiny tsy hanoratra afa-tsy amin’ny teny malagasy. Nolaviny ny fangatahan’ny mpiandraikitra ny gazety Colonie et Malagasy, Vincent Malvoiz, ny hanoratra lahatsoratra amin’ny teny vazaha. Na teo aza ny fanasan’ny namany azy hanandrana hanoratra amin’ny teny frantsay, nandresy lahatra azy tamin’izany ry Jean Joseph Rabearivelo izay nampiasa ny teny roa ary nandray ny teny frantsay ho harena handrantovana ny zava-kanto eran-tany, dia tsy neken’i Anja-Z velively izany, tenin’ny mpanjanaka io aminy. Ny teny malagasy ihany no nilazany ny aingam-panahiny. Mbola nitolona mafy koa izy hanohitra ny fanambanian’ny mpanjanaka ny lanjan’ny teny malagasy, nisy tamin’izany lahatsoratra nosoratany izany no mahery vaika tokoa ka zary nampanakatonana ny gazety notarihiny.
Nambaran’ny sakaizany Rabearivelo koa fa nanome paika sy rafitra vaovao ny poezia sy ny tononkalo malagasy i Anja-Z amin’ny alalan’ny asasorany, tsy ny fanehoan-kevitra ihany fa na ny foto-kevitra aza dia ahitana fanavaozana, na dia miloko alahelo sy fitiavana aza dia mirindra tsy misy toy izany, nanaovan’ny mpankafy azy amboara mihitsy ireo asany.
Ny 30 martsa 1931 dia namory voalohany ireo poety sy mpanoratra malagasy mba hifanatona sy hiara-hientana i Anja-Z. Moa ve fambara satria tapa-bolana taorian’io dia nindaosin’ny fahafatesana izy, raha tsy nisy nahalala akory ny mety ho aretina nikiky azy? Ny diary mangan-dRabearivelo moa no nahitana taratra taty aoriana fa antony nahafaty an'i Anja-Z ny fisotroana tambavy tafahoatra, tambavy hanalana ny aizana avy amin’ny fiarahan’izy roa. Izany dia maneho ny fifandraisan’ny lalam-piainan’ireto mpanoratra andrarezina ireto: nomeny ny torolalana feno i Jean Joseph Rabearivelo, dia izy no tena nampahafantatra indrindra ny momba an’i Esther Razanadrasoa eran’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fandikana ny asasorany amin’ny teny frantsay.

Anja-Z dia nametraka fa teny feno sy manana ny maha izy azy ny Teny Malagasy ary tsy ambany noho ny Teny Frantsay, tsy misy teny ambany noho ny hafa fa mira lenta ny teny rehetra toy ny olombelona koa na inona fiaviany na inona firazanany. Tsy nekeny ny famonoan’ny Mpanjanatany ny tenin-drazany, ary nabaribariny lalandava ny fankatoavany ny maha Malagasy sy ny hanitra nentin-dRazana.

Ny Pôetawebs dia mihevitra fa tsy naningana akory ny fisandratan'ny poety vehivavy malagasy antsoina hoe Anja-Z tamin'ny fotoan'androny fa anjarantsika ankehitriny ny mamerina azy ireny amin'ny toerana tokony hisy azy eo amin'ny tantaran'ny literatiora malagasy, araka ity hafatr'i Anja-Z ity (Rasolihanta, boky voalohany, tak 18):
















.
Azontsika vakina eto ny ampahany amin’ny tantara foronina « Rasolihanta » :
https://drive.google.com/…/0B-or23WwcYO-VDRqZGZKc3Z4Zk0/view
https://drive.google.com/…/0B-or23WwcYO-dFVyMjZpQ0wxX3M/view
https://drive.google.com/…/0B-or23WwcYO-LVY3VVBfYXJTRGs/view
https://drive.google.com/…/0B-or23WwcYO-MkNOeW9iNmZXUUk/view
http://sainagasydadabe.blogspot.fr/…/razanadrasoa-esther-an…

(1) https://gw.geneanet.org/taniko….
(2) https://fr.wikipedia.org/wiki/Esther_Razanadrasoa
(3) « L’Oragé », Douna Loup, Le Mercure de France (2015)
(4) Jean Joseph Rabearivelo, Œuvres complètes Tome II, Serge Meitinger,Laurence Ink, Liliane Ramarosoa et Claire Riffard, Planète Libre CNRS Editions
  Tononkalo sy lahatsoratra

Tafiditra ao anatin'ny bokim-pianarana ny tononkalon'i Anja-Z, toy ny hita ao amin'ny Fary Mamy, eny fa na dia tsy fantatry ny maro aza ny mombamomba azy sy ny tantarany.

NY OLOMBELONA

Sefosefon'ny marary, aina kely toy ny raty;
Olombelona izahay, tsy ampy toy inona dia maty,
Firy taona anefa izany? Zava-miafina amintsika;
Manam-petra ny fotoana, ka tandremo tsy hitomika.

Sento miely tsy eran-tany, miampy fijaliana koa,
Alahelon-tsaina maro mankarary ny an-doha!
Izany ve ny didinao sa manao fanahy inaina,
Ka velona eto an-tany, trotraky ny fahoriana?

Fo mitepo mahay mitony mitoloko indraindray:
Maso kotsan-dranomaso, ary koa mangaihay.
Aiza ho aiza ho'aho ny fitsikiana avoakanao
Mba lazao ny manan'aina, ory lava hatrizao!

Nofo velona tomady, taolana mitrakitraky,
Herim-po sy herin-tsaina hanjary vovoka malaky:
Dia sitrakao izany, ary satrinao hamono,
Ka ny aina re no resy ao am-pasana mifono!

Mba valio ny teninay, fa mandroso mihalany
Ny fehin-taona sarobidy ivelomana eto an-tany;
Hanarahanay ny tsara, sy hanaovanay ny mety,
Mba ho andro feno soa ny fotoana vetivety.

ANJA-Z. 1927. In Fary Mamy, kilasy fahatelo, tak. 71.


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Ao amin’ireto tononkalo nalaina avy tamin’ny boky « Rasolihanta » dia ahitana tsara ny ngadona malagasy lilarililarilila izay hita taratra eo amin’ny tononkalon-dRabearivelo sy Ny Avana Ramanantoanina koa, ao rahateo ny ainga mamolivoly feno hanina sy alahelo.

Boky faha-6 :
« Eny ry tsiriry mpitondra hafatra, mba ataovy tonga ao am-pony anie izao vetsovetsoko izao: Ny tenabeko no tafita ny rano fa ny foko sy ny fitiavako kosa niverina ilalana ho any aminy.

Tsiriry manidina irony,
Hafarako ka miverena :
Raha manina hono ny fony,
Ny aty koa tsy mba mivena.
Ka lazalazao e, ry lahy,
Ambarambarao any, roy :
Mitodika re ny fanahy,
Ho any amin-kavan-tsy foy !
Tsy ditrany hono, tsy akory,
Na lositry ny olon-tsy tia.
Ny sainy no ory dia ory,
Hamonjy ilay lasa nania !
Ny hafatra no ampitao ;
Ny dinika kely no ento,
Ny sisa hanampiko ‘zao :
Veloman’ny foko misento!

Anja-Z. In Rasolihanta, boky faha 6, tak 8.

Eo koa ny fahaizany mandoko ny tanindrazana sy ny sary aman-doko mampiavaka an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fitondrana ny mpamaky amin’ny toerana samihafa mitety ny Nosy :

« Ry ilay Betsiboka maria,
Tomany ny maso satria
Fa vorona diso fivazo
Ny vintana no efa nandazo.
Naraina ihany ny andro. Tao Amboaniho izy no niposaka ny masoandro. »

Anja-Z. In Rasolihanta, boky faha 6, tak 6.

Indro kosa misy tononkalony iray nadikan’i Jean Joseph Rabearivelo amin'ny teny frantsay.
Sous la lune

Sous la lune blanche qui brille,
De petits oiseaux s'ébrouent et chantent ;
Ils sont heureux tandis que quelque chose les trompe,
et c'est la lumière du jour qui n'est plus.

Comme ils perdent la raison de la nuit avançante !
S'évertuant à rivaliser de beauté,
ils ne voient pas les ténèbres qui se tressent,
ni le départ du jour, seul auditoire possible !

Au soleil qui a déjà chaviré, ils élèvent des hymnes !
Le matin rose, ils l'aiment et l'invoquent …
Pourtant les mains seules de l'ombre y sont,
celles de la lumière étant déjà mutilées !

Anja-Z (traduit du hova par Jean-Joseph Rabearivelo, auteur d'une Anthologie de la Poésie hova - Mpivahinin’Iarivo).

Mpanoratra tantara sy sombintantara moa i Anja-Z, hoy isika tetsy am-piandohana, koa mahafaly anay ny maneho etoana ny santionany nofongarinay tao amin'ny Gazetim-panjakana tamin'ny fotoan'androny.
 

NOFY TANTERAKA

Namindro teo amorom-patana i Fara no tonga rainy
-Nahoana ity hianao, anaka, no miarina sahady?
Tsy niteny i Fara fa nitsiky fotsiny, satria tsy  mba mpitati-bolana ny nataon-dRamatoa izy.
Nitsapatsapa azy teo rainy, ka nahita ny akanjony kotsa hatrany anatiny
- Ary nahoana izany akanjonao no lena?
Tsy niteny ihany i Fara. Nosoloany ny akanjony, dia nasainy nandry izy.
Nisefosefo mafy i Fara; mikentrona izy indraindray, fa misy manindrotsindrona ny tratrany.
Nakana dokotera i Fara. Natao ny fiala-nenina, nefa am-bavahaona i Fara kely!
-Veloma dia veloma ry Dada ô! Aza malahelo loatra fa sambatra aho, afak’ady ary afaka amin’ny fanaintainan’ny nofo, fa ho eo anilan’i Neny.
Ankona rainy, toran-tomany teo am-pihohofana an-janany!
Niantrana an’i Fara ny fahafatesana, ka tsy namela azy ho ela velona hianjadian’ny fahoriana amin-drenikely!
Lasa any amin’ny fotoana nifanaovany tamin-dreniny izy! Tanteraka ny nofiny!

RAZANADRASOA Esther
ANJA-Z
Gazetim-panjakana lah 1379, 22.6.23 ,Tak 208,209

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com