poetawebs sy Odile Razafimandimby
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

Toetra RAJA

21 novambra 2011

TAPATAPAK'AHITRA IARAHANA AMIN'I ODILE RAZAFIMANDIMBY


Odile Razafimandimby, teraka tamin'ny 5 mey 1948, dia mpanoratra tononkalo amin'ny teny frantsay, malagasy sy anglisy. Avy any Sahamadio-Fisakàna, Fandriana no fiaviany ary niorim-ponenana any Frantsa hatrin'ny ela izy. Mpikambana ao amin'ny sampan'ny Havatsa Upem any Frantsa izy. Ankoatra ny maha poeta azy dia voafehiny ny fiangaliana sary hosodoko, izay ataony toy ny fialam-boly kanefa tsy mena-mitaha amin'ireo vitan'ny kalaza. Ny teny frantsay no tena ivelaran'ny aingam-panahiny kanefa tsy manadino ny tany sy ny teny niaviany izy ary tsy nisalasala namaly ny fanasan'ny Poetawebs azy hidinidinika etsy amorom-patana.

Miarahaba anao Odile Razafimandimby ary misaotra anao manaiky mitapatapak'ahitra aminay eto. Raha tsy mahadiso, tsy nisafidy solonanarana amin'ny diam-penina ianao, misy antony manokana ve?

Miarahaba anao koa aho ary dia misaotra amin’ny fandraisana. Tsy nisy antony manokana momba ny tsy fiovana anarana na dia fomba fanaon'ny mpanoratra avy any amintsika aza izany matetika.

Oviana no nanombohanao namindra teo amin'ny soratra ary nisy antony manokana ve?

Zavatra tena tiako hatramin’ny ela ny fanoratana. Ny fitiavana manoratra "redaction" sy "dissertation" tany am-pianarana fahiny no niatombohany. Teo koa ny fitiavana mamaky boky. Kilasy mandry nandritry ny sivy taona aho tamin’ny mbola kely ary ny famakiam-boky no nanampy ahy tamin’izany fotoana izany. 23/24 taona kosa aho vao nanomboka nanoratra tononkalo ary ny zavatra nanodidina no lohahevitra nanintona ahy tamin’izany. Misy namako nitahiry ny zavatra nosoratako fa izaho tsy mahatadidy izany intsony.

Ary ankehitriny kosa, inona no lohahevitra mahavantana anao amin'ny soratra?

Ny zavatra rehetra mikasika ny fiainana: ny zava-maniry – ny fotoana mandalo - ny fitiavana, ny hanina, Madagasikara, ny fifandraisan’ny olombelona, ets.

Madagasikara, hoy ianao teo. Fikaloana ny hanina azy ve sa ny momba azy ankehitriny no tianao lazaina?

Ny hanina aloha no voalohany satria an-tanin’olona no monina ka ny hanina no tena mamely. Ny faharoa kosa dia momba ny fandehan-javatra ara-politika. Tany manana i Gasikara kanefa dia mahantra lalandava. Ny tsy rariny amin’ny fifandraisan’ny tany manana sy ny tany mahantra no tena manohina ahy lalandava. Tena zavatra anisan’ny tiako koa ny fomba Malagasy. Vao nanoratra boky iray momba an’i Gasikara aho (Madagascar ou l’île de toutes les convoitises) izay mampiseho ny tantarantsika hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny taona 2009 sy ny Fomban-drazantsika. Sarotra anefa ny fitadiavana “editeur” ka dia mbola tsara tahiry io boky io hatramin’izao. Misy angano iray koa (Cannes des Princes na Manjakabenitany), angano noforoniko izay mampiseho ny anjara noraisin’ny mpanandro, mpisikidy sy mpitaiza tamin’ny famoronana ny fomban-drazantsika. Boky tiako havoaka koa io.

Voalazanao koa ny politika. Nisy tononkalonao hoe "pouvoir" aza naelinao tao amin'ny Tribune de Madagascar. Ny politika eto Madagasikara ve no tena tianao asiana tsindrim-peo amin'ny alalan'ny gadona sy rima?

Araka ny efa voalazako teo dia ny “zavatra tsy rariny amin’ny fifandraisan’ny tany manana sy ny tany mahantra” no tena manohina ahy ka mahatonga ahy manoratra momba ny politika. Izany no nahatonga ahy nanoratra ny “Horijan’ny mpangataka” (tononkalo karazana pamphlet tsy misy farany fa azo tohizana arakaraka ny fandehan-javatra ara-politika isanandro). Ny toetran'ny manampahaizana any amintsika izay tsy miraharaha ny vahoaka koa dia nampanoratra ahy tononkalo iray (Phares ou lanterns). Ny tononkalo “Pouvoir” kosa dia hoatran'ny valin’ny fanontaniako tena hoe “inona ary no mahatonga ny olona mpitondra miova rehefa mahazo seza  ary mahatonga azy tsy mba ho afa-po ka dia mifikitra rehefa tonga amin’io toerana io?"

"Antanin'olona no monina" hoy ianao teo, mahatsiaro tena ho vahiny hatrany ve ianao na dia efa ampolo taonany maro aza no nipetrahana teto Frantsa?

Efa ela tokoa no nipetraka teto Frantsa fa hafa ihany ny tany niaviana. Ny fototra na “racines” dia any Madagasikara ihany. Izao angamba no azoko ilazana azy ary miala tsiny raha ataoko teny frantsay : “Je suis malgache par mes tripes, française d’adoption et citoyenne du monde par conviction”.

Na izany aza anefa dia tsapa fa sompitra mitahiry voambolana malagasy tranainy ny tononkalonao. Nandranto fahalalana momba ny teny malagasy ve ianao ankoatra ny sekoly fahakely?

Nianatra roa taona tao amin’ny Institut des Langues Orientales aho fa tsy afaka nanohy noho ny adim-pianana. Izaho koa dia anisan’ny atao hoe zanak’antitra fa notaizan-drenibe sy dadabe ka izany angamba no mahatonga ahy mampiasa teny tranainy Tsy dia miteny malagasy matetika aho ka ny teny tranainy no tena tadidy ary teny vaovao taty aoriana tsy dia manavanana ahy.

Tsapa koa fa miendrika hainteny ny tononkalonao. Azonao hamarinina ve izany?

Mianatra manao hainteny aho fa tsy hoe dia mahay. Karazana “exercices” no ataoko mba tsy hanadinoana ny teny Malagasy.

Mifanerasera amin'ny mpanakanto malagasy ve ianao ankoatra ireo mpikamban'ny Havatsa?

Ny toerana onenako tsy dia misy mpanakanto fantatro ary izaho tsy dia mahalala afa-tsy mpikamban’ny Havatsa vitsivitsy. Aty amin’ny “province” no mipetraka ka tsy dia mifanerasera loatra amin-dry zareo.

Momba an'io fikambanana io indrindra, inona no anton'ny nisafidiananao niditra tao?

Izaho tsy nifidy fa ny mpitantana no niteny tamiko hoe mba midira ho mpikambana. Izaho karazan’olona miaina irery sady tsy dia mifanerasera loatra amin’ny maro na fikambanana.


Odile Razafimandimby

 

Odile Razafimandimby

Sary hosodoko niangalian'i Odile Razafimandimby. Ankavia : mangrove. Ankavanana : Welcome to the liberal world

Toa anao dia maro koa ireo poeta no mankafy sary hosodoko toa an-dry Dox, F.-X. Mahah. Mampifandray an'ireo fahaiza-manao roa ireo ve ianao?


Karazana sendrasendra no nahatonga ahy nanao hosodoko. Nisy namako mpanao “bandes dessinées” nitady “coloriste” ary te hanome asa ahy. Tsy asa fanaoko anefa izany fa tsy nanana aza aho tamin’izay fotoana izay ka nandeha nanao “essai”. Tsy nomeny ahy anefa ilay asa fa hoy izy hoe tsy tokony handany andro miaraka aminy aho fa tokony hanao hosodoko. Dia nomeny kadoa maro tamin’izay (taratsay, loko isan-karazany, pinceaux) ary tsy navelany niala tany aminy raha tsy nahavita hosodoko iray. Nahafinaritra ahy taty aoriana ilay fanaovana hosodoko dia lasa fahazarana ka ny tsy voalazako amin’ny tononkalo dia voalazako amin’ny hosodoko.
  
Inona indray àry ny lohahevitra voizinao eo amin'ny sary hosodoko?

Madagasikara, ny tontolo iainana sy ny “tsy rariny” amin’ny fifandraisan’ny tany manana sy ny tany mahantra no lohahevitra voiziko amin’ny hosodoko.

Tsikaritray tao amin'ny aterineto ny bokinao " Métiers de Provence". Azonao hazavaina ve?

Tsy mbola nisotro ronono aho tamin’izany fotoana izany ary tsy nanana asa koa. Izaho mantsy dia anisan’ny olona nijaly tamin’ny fitadiavana asa rehefa nitombo taona ka indray andro dia nanao candidature tamina « atelier d’insertion et d’écriture » dia voaray. Ny « métiers de Provence » no lohahevitra tamin’ilay atelier. Dimy izahay no mpanoratra ary izaho no nanoratra ny momba ny asa mikasika ny rano (rano mamy sy rano masina) sy asa tanana iray ny «boutis» (asa zaitra malaza eto Frantsa sady spécialité provençale). Toa ohatran'ny tsy dia misy vokany ho an’ny mpanoratra anefa io atelier io raha nodinihina taty aorina na dia nahafinaritra aza ny fanaovana ny boky sy ny fifandraisana tamina «artisans» maro. Azo lazaina fa fitadiavam-bola sy publicité ho an’ilay association namorana ny atelier no tena antony. Zavatra ahazahoana subventions mantsy ny «ateliers» ohatra izany. Ny mpanoratra kosa dia hadino rehefa tonga ny taona vaovao sy ny atelier vaovao manaraka.

Efa namoaka boky tononkalo hafa ve ianao na manana vinavina hanao izany?

Mikasa hamoaka amboara iray aho ary “carnet de route” no anarany fa sarotra ny mamoaka boky indrindra ny tononkalo. Be mpitia hono fa vitsy
mpividy ka tsy dia mampiraika ny éditeurs.

Misy fomba hafa koa ve ampielezanao ny sanganasanao?

"Réseaux sociaux" anankiroa no amoahako ny tononkaloko : FACEBOOK sy WRITERSCAFE.ORG (amin’ny teny anglisy). Misy namako tsy miteny afa-tsy teny anglisy ka nahavoatery ahy nandika ny ankamaroan’ny tononkaloko amin’io teny io.

Mahaliana ny mpisera ny hanononanao andinin-teny iray na roa amin'ny tononkalo tena ankafizinao.

Hono ho aho ravorona ery an-doha saha,
lasa eritreritra hono ity olom-pizaha
ka dia mibitsibitsika irery mangina
fa toa lasa haolo ilay tany vangiana....

....Mba ento aho ravorona hisidina indray..

mba hahita ilay taloha mahamanina anay
ilay tanàna mamy, kanto sy tony
misy ireo havana tsy hitako intsony.

Misaotra indrindra Odile Razafimandimby nizara am-pahatsorana tamin'ireo mpisera ny mombamomba anao sy ny sanganasanao. Mirary soa hatrany izahay eto amin'ny Poetawebs amin'ny fanandratanao ny poezia malagasy.

Misaotra amin’ny fandraisana ary dia veloma finaritra.

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021