Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

11 Jona 2016

HANITR'ONY, VAHININ'NY PÔETAWEBS


Poeta mipetraka any ampitan-dranomasina no vahinintsika kanefa dia Havatsa izy, filohan'ny sampan'ny Havatsa any Frantsa raha ny tena marina. Efa ampy hahalaza zavatra betsaka izay, saingy vao mainka hahaliana rehefa roritina. Hanitr'Ony no anarany. Vahinintsika izy anio. I Toetra Ràja no mitapatapakahitra aminy.

 


Toetra Ràja
Miarahaba anao Hanitr'Ony tongasoa! Toy ny fary lava vany ny fisaorana ka satry hitarazohana satria nomen-kaja ny Poetawebs amin'izao fitsidihanao azy izao. Hanitr'Ony, anarana roa tena malagasy nakambana ho iray. Misy fanazavana azonao omena ve?

Hanitr'Ony
Fifaliana lehibe ho ahy ny mitsidika ny Poetawebs hatrizay ela nanasan'ny namana mpikarakara izay, izao no fotoanany ka arahaba feno fankasitrahana no atolotra anao sy ny mpamaky, Toetra RAJA.
Raha nikaroka solon'anarana 28 taona lasa izay, dia Hanitr'Ony, izay hevitra nasosoky ny reniko Raivo Patricia, no nankafiziko sy tafatoetra : ny Ony dia nalaina tamin'ny fanampin'anarako Andriamasinony, ny Hanitra indray kosa dia anarana nahabotrabotra hatramin'ny fahazaza. Maneho ny hakanton'ny teny malagasy sy ny poezia tokoa ny fitambarany.



Toetra Ràja
Poeta no tena ahalalana anao. Misy kanto hafa voizinao ve?

Hanitr'Ony
Raha ny filaharan'ny fidiran'ny zavakanto teo amin'ny fiainako dia ny mozika no nilomako hatry ny nahaterahako satria zanaka mpanakanto aho, isan'andro dia maheno hira sy mozika ao an-trano. Avy eo dia nianatra Dihy teny amin'ny  Club-House teny amin'ny ASCUT Ankatso nanomboka ny fahadimy taonako. Dia nanoratra indray, ka ny tononkalo no ankafiziko indrindra na ny poezia. Tia manao sary ihany ary manao hosodoko rehefa misy fotoana, ary taona vitsy izay no nanomboka namoron-kira, ity farany dia somary tonga tsy nampoizina ihany kanefa dia mitohy ny aingam-panahy ankehitriny.


Toetra Ràja
Tsaroanao ve ny taona nanombohanao nanoratra ary nisy antony manokana? Inona no lohahevitra iompananao matetika?

Hanitr'Ony
Toy ny ankizy maro manomana fanomezana ho an'ny ray aman-dreniny dia mba nanolotra tononkalo sy lahatsoratra ho an'i Dada sy i Neny aho, satria ilay fanomezana foronina no tena tianay. Isan-taona koa dia nanoratra ho an'Ingahibe Noely! Tiako ilay manoratra. Sivy taona anefa no nahatsiarovako ny tosiky ny aingam-panahy voalohany hoe te-hanoratra aho izany. Dia nanjary tsy nisaraka tamiko fa lasa tandra vadin-koditry ny fiainako ny soratra. Ny lohahevitra araka izany dia mivelatra, izay toe-java-misy ka manainga fanahy dia miteraka soratra : ny tanindrazana, ny zava-boahary, ny finoana, ny fiaraha-monina, ny fiainana, ny fitiavana izay anton'ny zavatra rehetra, sns.


Toetra Ràja
Mpikamban'ny Havatsa ianao hoy isika teny am-boalohany. Nanomboka oviana? Misy fikambanana hafa koa ve ahitana anao?

Hanitr'Ony
Tany amin'ny taona 1993 tany, nahafinaritra ahy ny nanatrika antsan'ny Faribolana Sandratra tao amin'ny CGM, nomen'izy ireo sehatra hiantsa ny tononkaloko aho ary noraisiny ho mpiFaribolana koa, niray dìa tamin-dry Meva sy Tahirintsoa, ry Asiniony sy Ranoe Eugène, Lydiary sy Solofo José ary Elie Rajaonarison, sns.
Tany amin'ny fiofanana RANTO 95 nokarakarain'ny Akademia ka nahazoako fiantsoana kosa no nahafantarako bebe kokoa ny mpanoratra UPEM (tamin'izany no anarany), ka nirotsaka ho mpikambana aho ny 96 tany. Voaray ary niara-nankalaza tamin'ny mpikambana ny faha-45 taona sy nandraisana ny anarana HAVATSA. Isan'ny andia tanora voalohany tao izahay sy ry HAJAINA (Rtoa Filoha ankehitriny).
Tamin'ny 17 aprily 2010 dia Ramatoa HAJAINA ANDRIANASOLO ihany koa izay Talen'ny fampianarana tao amin'ny FIMPIMA no niara-nanangana taminay 11 mianadahy andia TSIPELAMANGA ny FIMPIMA, Sampana Frantsa tao Parisy.
Sangan'ny andiany voalohany, mpikambana mpanorina sady mpitambola nandritra ny roa taona tao amin'ny Birao ny tenako. Ankoatra ny maha-mpikabary dia manoratra angano sy sombin-tantara ary lahatsoratra andrana koa.
Farany, ny fikambanana P'Art Ile M (Promotion de l'Art et de la Culture de la Grande Ile de Madagascar) no fikambanana vao natsangana tamin'ny 2014, hanandratana ny kolontsaina, ny kolosaina sy ny fifanakalozana, mpikambana ao amin'ny Birao ny tenako.


Toetra Ràja

Efa noeritreretinao ve tany aloha tany fa hoe hitantana ny sampana Havatsa Frantsa ianao?

Hanitr'Ony
Tsy nieritreritra izany kosa aloha tamin'izany, ary na hatramin'ny fotoana farany nanapahan-kevitra handefa ny fisy firotsahana hofidina aza tsy niserana ny saina akory ny hitondra ny Sampana Frantsa, saingy nankaherezin'ireo raiamandreny sy mpikambana matoky handray andraikitra, dia tsy niamboho adidy, sady nahazo tso-drano. Na ny nananganana ny Sampana aza dia efa fandrisihana matevina no vatsy nampitain-dry DI... MADERA sy IPA ary ireo raiamandreny hafa tao amin'ny Foibe, tamin'izany. "Tadiavo ry F-X Mahah sy Fredy JAOFERA ary ny Poety Malagasy any Dilambato any", hoy ny hafatr'izy ireo.
Tsy mora mantsy izany mitantana fikambanana toy ny HAVATSA-UPEM izany, nanankinan'ny mpikambana io raharaha maha-Filoha io ankehitriny, ka dia manatontosa izany am-pitozoana sy fitiavana.


Toetra Ràja
Mahaliana ny mpisera Hanitr'Ony ny momba izany sampan'ny Havatsa any andafin'ny riaka izany. Oviana no niforonany? Ny antom-pisiany? Ny hetsika fanaony? Ireo fikambanana na olona mpiara-miasa aminy?

Hanitr'Ony
Ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa dia niforona tao Parisy, arak'io tamin'ny fifanatonan'ny Poeta folo mianadahy tamin'ny 14 novambra 2004. Tamin'ny Soratononina andiany faharoa no nifankahafantaranay sy Atoa F-X Mahah izay mpitsara. Niainga teo ny fikatrohana hananganana ny Sampana Frantsa, nifanojo tamin'ny fanirian'ny poeta maromaro.

Mitovy tanjona amin'ny HAVATSA Foibe ny Sampana Frantsa, dia ny fanandratana ny Teny sy Haisoratra ary ny maha-Malagasy, tsindrina koa ny fanomezan-danja ny Teny sy Kolontsaina Malagasy aty am-pitan-dranomasina, eo amin'ny Malagasy sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Manao hetsika maro ny Sampana Frantsa araka izany toy ny Andron'ny Tenindrazana 21 febroary, ny Iray Volan'ny Teny Malagasy, ny RNS,  ny Printemps des Poètes, ny Lire en fête, sns.... Manao valandresaka sy fampisehoana. Miara-miasa amin'ny fikambanana maro koa toy ny INALCO-CROIMA, ny KOLO Malagasy, ny FIMPIMA, ny Trano Koltoraly Malagasy, ny FUM, ny AIFM, ny HETSIKA Nantes, ny AMANDIE, ny ASAM Dourdan, sns.


Ny olona tia ny Teny koa dia maro no manatona sy miara-miasa, na ny mpanoratra koa aza toy izany, toy ny mpanankanto izay manohana lalandava ny Fikambanana, ohatra ry NANIE, Hery RAMANDIAMANANA, D-LAIN, TOTO MWANDJANI...tononina manokana ny tarika SORAJAVONA izay sakaiza nanohana hatramin'ny fanokafana ka hatramin'izao.


Toetra Ràja

Averimberin'ny hainoamanjery fa zafikelin'i Dox ianao. Tombony amin'ny talentanao ve izay?

Hanitr'Ony
Tany amin'ny fiandohan'ny nanoratako dia ny teny frantsay no nahavantana ahy, fa avy eo dia naka toerana tsikelikely ny teny malagasy tompondakan'ny foko izao. Tsy dia nahalala ny asa soratry ny raibeko DOX aho izany tamin'izany ankoatra ny nianaranay tany an-tsekoly.
Kanefa dia maro no mampitaha ny asasoratray miafy. Tsy misy maharatsy izany akory, fa hita eny ihany ny maha-samy hafa ny mpanoratra roa samy hafa rehefa samy jifainao tsara izy roa. Tsy izaho irery rahateo no manoratra amin'ny taranak'i DOX, mety tombony ao amin'ny fianakaviana izany ilay fitiavana ny zava-kanto.



Toetra Ràja
Efa namoaka boky ve ianao, nitambarana tamin'ny Havatsa na mandeha irery?

Hanitr'Ony
Tamin'ny 1997 faha-45 taonan'ny HAVATSA-UPEM no nivoaka ny felan-tatamo Bitsik'Ony. Avy eo dia namoaka amboara maromaro niarahana tamin'ny mpikambana HAVATSA: Santa-bokatra (2005), Mirazotra (2007), Tatamo manokana (2011), Havatsa Notsongaina (2012). Nandray anjara tamin'ny boky "Dox, écrivain et musicien à Madagascar" nangonin-dRtoa Dominique RANAIVOSON ihany koa (2009). Ny amboarako voalohany dia "Tsirin-kalokalo" (2011), sary sy tononkalo ho an'ny ankizy, ary izao dia hivoaka ny boky voalohany amin'ny teny roa Malagasy/Frantsay "Deux fois une".


"Ny boky hivoaka amin'ny alatsinainy 13/6/2016 izao "Deux fois une" ao Parisy"



Toetra Ràja
Momba ny bokinao hivoaka ato ho ato indrindra, azonao hazavaina ve?

Hanitr'Ony
Ny boky hivoaka amin'ny alatsinainy 13/6/2016 izao "Deux fois une" ao Parisy dia misy aingam-panahy manokana mifandranitra amina mpanankanto hafa, satria mifamaly amin'ny sarin'i TRACY M. ny lahatsoratra ary nadika ireo tononkalo nofinidy amin'ny teny malagasy, anglisy ary frantsay.
Hanomezan-danja ny Teny Malagasy indrindra ny fanelezana azy ho fantatry ny hafa tsy dia mahalala loatra, isany ny zanatsika Malagasy aty ampita.



Toetra Ràja
Voadika amin'ny teny frantsay avokoa ireo tononkalo amin'ny teny malagasy. Efa ela ve no namolahanao izany?

Hanitr'Ony
Ao amin'io boky io dia voadika avokoa ireo tononkalo, fa maro koa ireo tononkalo voadika dieny voaforona. Efa ela no nanaovako ny fandikana toy izany noho ny faniriana hizara ny kolontsaintsika amin'ny hafa. Ilaina io satria aty ivelany dia tany mahantra foana no mampalaza an'i Madagasikara, ka ny fampahafantarana azy ireo ny haren-tsaintsika dia manova tanteraka ny fomba fijeriny ary mahazo hasina ny Malagasy manaja sy manandratra ny teniny ary mizara ny momba ny taniny sy tantarany, eo imason-dry zareo ivahinianana. Tonga amin'ilay tenin'i DI... hoe : "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko."


Toetra Ràja
Ankoatra ny boky, misy fomba hafa ampielezanao ny sanganasanao ve?

Hanitr'Ony
Misy ny aterineto izay sehatra ivelaran'ny tambajotram-piarahamonina ankehitriny, betsaka no mivoaka eo ny asa soratro (youtube, facebook..), misy koa ny gazety, ny onjam-peo samihafa, amin'ny hetsika sy fampisehoana,...


Toetra Ràja
Manana andraikitra ao amin'ny radio Bitsika ve ianao?

Hanitr'Ony
Eny nandroso hevitra hanomana sy hanolotra fandaharana ho an'ny ankizy izay tsy misy mihitsy aty am-pita aho, ka faly tokoa izahay roa tonta fa tonga dia noraisin'ny Radio Bitsika izany. Efa ho telo taona izao no niandraiketako ny Bitsiky ny Ankizy izay fandaharana amin'ny teny roa malagasy/frantsay mampahafantatra ny ankizy ny kolontsaina sy ny teny malagasy, ho an'ny ankizy manerana izao tontolo izao, ary entanin'ny ankizy rahateo.


Toetra Ràja
Mety ho misy mampiavaka ny poeta malagasy mipetraka any andafin'ny riaka ve?

Hanitr'Ony
Raha ny hevitro dia tsy misy tokony hampiavaka azy manokana amin'ny maha-mpanoratra Malagasy azy, fa samy manana ny aingam-panahiny ny mpanoratra. Ny hanina dia mandretsidretsika ny aty an-tany lavitra. Kanefa iray ihany ny fitiavana ny teny manetsika ny mpanoratra.
Ny fahafahany mifandray bebe kokoa amin'ny mpanoratra vahiny angamba no tombontsoany satria maro aty ny hetsika manamora izany.
Sarotra kokoa anefa noho ny aty an-tanindrazana ny mahaangona olona hifampizarana noho ny halavirana, ka mafimafy ny ezaka ho an'ny mpanoratra aty ivelany, na miroborobo fatratra aza ny teknolojia.



"Afaka miteny malagasy ny ankizy teraka aty an-dafy, azo taizaina amin'ny kolon-tsaina sy soatoavina malagasy"

Toetra Ràja
Raha tsy mahadiso, miteny malagasy avokoa ve ny zanakao? Ary nobeazina tamin'ny kolontsaina sy soatoavina malagasy?

Hanitr'Ony
Tena faly aza aho anontanianao izany, satria ahafahana mamaly hoe : Eny, afaka miteny malagasy ny ankizy teraka aty an-dafy, azo taizaina amin'ny kolon-tsaina sy soatoavina malagasy. Tsy ny zanakay ihany fa be no toa azy ireo.
Efa maro no maniry hampita izany satria mila tonga saina isika fa mihoatra ny 90% n'ny zanaka Malagasy ao Frantsa izao no tsy miteny gasy! Iza no handova sy hampita ny haren-tsaintsika raha izany?
Marina fa tsy mora ny mampita izany, fa adidintsika rehetra izany izao ary MAIKA ny hanarenana azy satria ho faty eo ny maha-Malagasy raha tsy mitandrina.



Toetra Ràja
Betsaka poeta malagasy ve any Frantsa?

Hanitr'Ony
Maro ihany ny poeta Malagasy aty, na mivondrona anaty fikambanana na tsia, hita taratra eo amin'ny serasera aterineto izany. Ny fanirian'ny HAVATSA-UPEM Sampana Frantsa dia ny hamory bebe kokoa azy ireny mba hisian'ny fifanakalozana sy fiaraha-miasa hanomezan-danja ny haisoratra sy ny teny malagasy.
Ny mpanoratra mantsy dia mpandinika ny fiaraha-monina, mamoaka ny amparalalin'ny eriteritry ny velona, noho ilay fahafahany mitsidika ny tsapa tsy taka-maso.
Izay koa no mamporisika azy ireo hifandray amin'ny mpanoratra vahiny frantsay na hafa fiaviana mba hampitombo ny haren-tsaina.
Ny tanjon'ny Havatsa Sampana Frantsa ihany koa dia mitondra ny haisoratra vahiny hampanan-karena ny haisoratra malagasy.



Toetra Ràja
Mahafehy ny fitsipi-panoratana ny teny malagasy ve izy ireo na dia ny teny frantsay aza no ampiasainy amin'ny andavanandrony?

Hanitr'Ony
Tsy ny maha any am-pita na eto an-toerana no ahafehezana ny fitsipika fa ny ezaky ny tsirairay mihitsy handalina izany sy hanaja ny tsipelina. Mankahery ny mpanoratra sy ny rehetra hatrany hikatroka amin'io lafiny io sy hamaky boky lalandava. Ao Frantsa ohatra dia tsapa fa ny Frantsay dia tsy mahafehy ny tsipelina intsony koa, mahavoa ny firenena maro io toe-javatra io ankehitriny, ka mila malina tsara isika rehetra.


Toetra Ràja
Azonao fintinina amin'ny teny fohy ve ny endriky ny andavanandronao?

Hanitr'Ony
Toy ny an'ny olona rehetra ankehitriny dia hazakazaka be ny andavanandroko. Mifoha maraina, mikarakara sy manatitra ny ankizy mianatra, dia mandeha miasa tontolo andro, mody ary mikarakara ny tokantrano sy ny vady aman-janaka, ary vita izay vao mandray ny andraikitra samihafa sahanina : fanomanana ny asam-pikambanana, ny amin'ny onjam-peo, ny fampianarana, ny adidy hafa...
Ny faran'ny herinandro matetika dia feno ary efa arindra mialoha be. Ao koa ny fialam-boly satria tsy mety raha asa fotsiny no totofana ny saina. Misy anefa ny mangataka lahatsoratra na fitsarana na fanadihadiana ka ny manenjika ireny no tena mampiari-tory indraindray! (tsiky) Izay maika indrindra no atao aloha e! Fa ao anaty fitiavana sy fahafinaretana daholo!



Toetra Ràja
Manana hafatra apetraka amin'ny poeta sy mpankafy tononkalo malagasy ve ianao eto ampamaranana?

Hanitr'Ony
Misaotra azy ireo no voalohan-teniko, satria tsy novokarina ho an'ny vatasarihana ireny asa soratra ireny, fa ny fandraisanareo azy no mampiaina sy mampivoatra azy. Ka ny fanohizana mankafy sy miteny, mamaky, mifanakalo amin'ny tenintsika Malagasy, aoka isika ho saro-piaro amin'ny antsika, na dia ilaina aza ny mahay ny an'ny hafa, amin'izao fanontoloana izao. Dia zarao koa ho fantatry ny hafa ny soatovina maha-Malagasy, izay no sisa harena hahazoantsika toerana,  amin'izao Firenena latsaka an-katerena izao.
Dia tongava amin'ny Alatsinainy an! Jifao am-pitozoana ny boky! Mamakia boky betsaka ô!


Toetra Ràja
Misaotra anao Hanitr'Ony nanompana fotoana lava tamin'ity tapatapakahitra ity, eny fa na dia diso fantatra loatra ny hazakazaky ny andavanandronao.

Hanitr'Ony
Dia misaotra indrindra anao Toetra RAJA, mankatelina anareo ato amin'ny Poetawebs, mankasitraka ny mpamaky sy mpiserasera, tena fifaliana sy fahafinaretana ho ahy ny nitafatafa teto. Aza misalasala fa raha ho antsika Poetawebs indray, hasiantsika foana ny fotoana e! (Tsiky).
_________________
Rohy sy fifandraisana

Tranonkala : http://onimanitra.wix.com/hanitrony
Facebook : Hanitra Salomon
Imailaka : hanitrony@gmail.com

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 13/06/2016

×