Fantaro i Ener Lalandy

poetawebs


Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.

T.Ràja
15 desambra 2018
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Fantaro i...
Ener Lalandy
(1918 - 2005)
Poety
Mpanoratra
Mpikabary
Akademisianina

— Lahatsoratr'i Hanitr'Ony 

Efa madiva hifarana ity ny taona 2018. Nahitana zava-tsoa maro sy vaovao tokoa izy ity teto anivon’ny Pôetawebs, ankoatra ny fitohizan’ny fampitana ny hetsika maro sy ny tapatapakahitra, dia isan’ireo vaovao ny fanehoana tantaram-piainana mpanoratra izay nanamarika ny literatiora malagasy sy ny tantaram-pirenena. Taona miavaka rahateo ity taona 2018 ity satria ankalazana ny fahazato taona nahaterahana olomanga telo be izao ka ireto roa manaraka ireto no efa natolotra hofantarina teto amin’ny Poetawebs avy :
- Emilson Daniel Andriamalala (1918-1979), jereo ny rohy http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-54.html
- Célestin Andriamanantena (1918-2002), http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-63.html
Anio kosa isika dia hampahafantatra an'i Ener Lalandy (1918-2005) hamaranantsika ny taona ao anaty firavoravoana.

Iza moa i Ener Lalandy?
ENER LALANDY dia teraka ny 25 marsa 1918 tao Faravohitra, Antananarivo. RANDRIARIMALALA René no tena anarany, zana-dRakotoarimanana René sy Razanadrasoa Marcelline izy. Nampiasa ny solon’anarana Ny Ahimaitso ihany koa izy teo amin’ny fanoratana, na dia tsy tavela teo anivon’ny mpamaky sy ny sakaizany aza izany.
Nampakatra ho vady an-dRamavonirina Félicie na MAVO izay mpanankanto, mpilalao an-dampy sy mpanentana fandaharana tao amin’ny Onjampeom-Pirenena na “Radio Nationale Malgache” izy. Niteraka fito mianadahy izy ireo, ary azo ambara fa nahay nampita izany fitiavana ny Kanto, ny Teny sy ny maha Malagasy izany tamin’ny zanany izy mivady, satria dia Olomanga koa ankehitriny i Abel Andriarimalala zanany izay sady mpanoratra sy poety no mpilalao sy mpandrindra an-dampy, mpikabary, mpihira sy mpamoron-kira fanta-daza. Ny Tarika Abel Andriarimalala dia misy azy mianadahy avy rahateo. I Lydia zanany vavy koa dia mpilalao tantara an’onjam-peo maro mpankafy.

Ener Lalandy dia iray amin’ireo dimy ambin’ny folo mirahalahy mpanorina ny Union des Poètes et Ecrivains Malagasy na U.P.E.M, tamin’ny 6 septambra 1952, niaraka tamin-dry Régis Rajemisa Raolison, Dox, Flavien Ranaivo, Odeam Rakoto, Jean-Louis Ratre, ry Abraham efatra mirahalahy, Pénombre Andriampenomanana, Faustin Raharison, sns. Ankehitriny dia fantatra amin’ny anarana hoe HAVATSA-U.P.E.M izany Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy izany.
Mpanolo-tsaina tao ary avy eo Filoha lefitra izy nanomboka ny taona 1965 ka hatramin’ny 1990 nahalasanan’i Régis Rajemisa Raolison. Filohan’io fikambanana io faharoa, taorian’ny filoha mpanorina, izany izy, ny taona 1991-1992, ary Filoha am-boninahitra taorian’izay.

Teo amin’ny sehatry ny Onjampeo dia tompon’andraikitry ny fandaharana mandeha isa-kerinandro "Valiha tory folo sy bitsiky ny poety" tao amin’ny Radio Madagasikara izy teo anelanelan’ny taona 1956 sy 1965, ary niverina nanao izany indray ny taona 1977, rehefa niova ho “Feom-baliha mena masoandro” ny anaran’ny fandaharana, ka tsy niato raha tsy ny taona 1987. Izy koa dia nandray anjara matetika tamin’ilay fandaharana miantsa tononkalo takariva mitondra ny lohateny hoe : “Amboaran’ny hariva”.

Nampalaza azy indrindra ny tantara an’onjam-peo maro be nosoratany ka nolalaovina tao amin’ny Radio Madagasikara.
Nanoratra tantara kely sy nanome lahatsoratra fohy maro mahatsikaiky nolalaovina tamin’ny “Sary Indray Mipika” nandeha isaky ny antoandro manomboka amin’ny iray ora sy fahefany, tao amin’ny Radiom-Pirenena hatrany izy.

Mpikambana tao amin’ny Akademia Andrianampoinimerina niaraka tamin’ny mpanankanto maro naniry hiaro marina ny maha Malagasy izy, ary mpikambana mahefa tao amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy.

Notolorana ny mari-boninahitra “Grand croix de 2ème classe de l'ordre national malgache” i Ener Lalandy.

Ny 2 marsa 2005 no nodimandry tao Antananarivo i Ener Lalandy.

Ny fianarana nodiaviny
Nitety tany maro i Ener Lalandy, kely izy dia efa nahita faritra maro teto Madagasikara. Toy izao ny lalam-pianarana sy ny sekoly nandrantoany fahaizana :
- 1925-1929: nianatra tao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra, Ambatoboeny
- 1930-1932: nanohy tany amin’ny Sekolim-paritra na “Ecole Régionale de Maevatanana”
- 1933-1934 : nahazo ny CESD (Certificat d'Etudes de Second Dégré) izy ary niditra niasa tao ami’ny Collège d’Administration Le Myre de Villers, Antananarivo.

Ny asa nosahaniny
- 1935 : Nanomboka niasa tao amin’ny Paositra izy, ka tsy ela dia nahazo ny andraikitra “agent d’exploitation de La Poste”.
- 1960-1972 : nandra-pahatongan’ny fotoana fisotroana ronono kosa dia mpanara-maso na “Contrôleur des Postes” no andraikitra nosahanany.

Ny asa nosahaniny teo amin’ny haisoratra
Olona tena navitrika ary tsy mba naharenesana fitarainana izany i Ener Lalandy teo amin’ny asa fanandratana ny haisoratra sy ny teny malagasy. Na efa isan’ireo zokiny indrindra aza izy tany amin’ny taona fahasivy folo, na faha-2000 tany, dia mbola nandray andraikitra sy nanoro lalana lalandava ny tanora sy ny zandry zanaka. Tsy nisalasala izy araka izany handray avy hatrany ny andraikitra Tonian’ny Gazety Valiha dieny fotoana niforonany tamin’ny taona 1992.
Ny teo amin’ny sehatry ny Onjam-peo moa dia efa voalazantsika fa isan’ny nahafantaran’ny olona azy indrindra. Maro ny asa nosahaniny tao.
Toetra efa nananany hatramin’izay io, satria izy hatrany no filohan’ny Vaomieran’ny lanonana na ny alim-pandihizana isaky ny 31 ôktôbra, fotoan-dehibe anamarihana ny Alin’ny Pôety, karakarain’ny HAVATSA-U.P.E.M. isan-taona. Amin’ny hetsika rindran-kira sy ny toy izany koa dia isan’ireo mpitarika ny fandrindrana izy. Fahizany moa dia niara-niasa ary nifanakaiky fo tokoa ny mpanoratra sy ny mpamoron-kira, fa nikendry ny hamoaka hira tena mendrika hampitaina amin’ny mpihaino, ka nisafidy fatratra ny tononkira hasiana feony.

Ny tononkirany
Nanamarika vanim-potoana tena nahalonaka ny tanimbolin’ny zavatra kanto tokoa ny tononkirany nasiana feo, ary mbola vetsoin’ny tanora ankehitrio :
- “Siokan’ny manina” no malaza indrindra amin’ireny
- “Tsy asiam-panenenana akory ny lasa”, samy nasian-dRamaroson Wilson feony ireo, fa ity faharoa dia nahazo ny loka voalohany tamin’ilay fifaninanana lehibe natao tamin’ny Repoblika Voalohany.
- “Iarivo mirehitra jiro” nasian’i J.J. Tseheno feony dia mbola be mpikalo tokoa
- “Sisik”ila”, Jules Rasolondraibe no nanisy feon-kira azy
- Sy ny maro tsy ho voatanisa…

Nahazo ny loka faharoa tamin’ny fifaninana haisoratra lehibe natao tamin’ny Repoblika Voalohany koa izy (1962) tamin’ilay amboara “AN-TSAHA”.

Ny Asa Sorany
Vantony dia vantony dia efa nanomboka nanoratra i Ener Lalandy.Vao 18 taona izy dia efa namoaka lahatsoratra sy tononkalo maro be tamin’ny Gazety mpivoaka tao an-dRenivohitra sy teto Madagasikara. Ohatra Ny Takariva, ny Mpandinika, ny Gazetim-panjakana, ny Takariva Ankehitriny, ny Sakaizan’ny Tanora, Ny Vaovao, ny Hehy, Amboara, Tatamo, ny Feon’ny mpiasan’ny paositra, Entr‘aide, Ny Hery …

Maro talenta izy ary nanavanana azy avokoa ny endriky ny haisoratra rehetra : tononkalo, sombintantara, tantara foronina, fa indrindra ny tantara an’onjam-peo (Sary indray mipika, Clichés, RNM) sy ny tantara an-dampy. Isan’ireo mpanoratra mampiasa ny endrika mahatsikaiky koa anefa izy, ary ny angano filôzôfika izay mitaiza ny olona.

Raha ny lohahavitra resahiny indray dia mivelatra be mihitsy satria voatetiny avokoa izay mahakasika ny fiainan’ny olombelona, izy manomboka zaza madinika ka mandra-pahaosa sy antitra, ary voaventiny ny karazana fihetseham-po, ny zava-boahary, ny fitiavana, ny finoana, ny endri-piaraha-monina, ny toetry ny olombelona misy ny lesoka mila harenina (“Adiady”, Mampihomehy fa Marina, 1987, takila 39) ny soa toavina malagasy izay voiziny amin’ny maha mpikabary azy rahateo.

Namokatra asa soratra maro be i Ener Lalandy, saingy vitsy no voatonta, noho ny fahasarotan’ny fanontana boky eto Madagasikara. Olana sedrain’ny mpanoratra rehetra io, ary tsy ho voavaha raha tsy hanisy paikady hampiroborobo ny vaky boky sy ny tontolon’ny famokaram-boky ny Tompon’andraiki-panjakana voakasik’izany, mila “Pôlitikan’ny Boky” maty paika.

Ireto ny asa sorany isan’ny fantatra indrindra ankehitriny
- An-tsaha : loka faharoan’ny fifaninana nomanin’ny Filohan’ny Repoblika Voalohany (1962, natonta tamin'ny 1973)
- Aiza ny fanalahidy? Loka voalohan’ny fifaninana “Prix Madagasikara” (1978)
- Mampihomehy fa marina (1987) sy (2000)
- Aoka ihany ny valifatin-dRakoto, nolalaovin’ny Tropy Odeam Rakoto
- Maherimaso
- Imbahitrila
- Aiza moa isika izao ?
- Inty izy sy ny botriny
- Ombalahy roa
- Irery
- Tamberintany
- Rovitra Epistily

Ireo nahafantatra azy
Asiantsika tsiahy vetivety ny tenin’ireo sakaizany nahalala azy eto, satria moa fankalazana ny fahazato taona ity 2018 ity. Hoy tokoa mantsy i Ampamoha na Razafiarivony Wilson miresaka azy hoe :
- "Maro mpankafy na ny tantara foroniny na ny tononkalony. Mifono hevi-dalina fa tsotra, ka tsy mba saro-devonina. Matsilo maso izy no mahay mandinika. Hainy tsara ny mampisongadina ny tiany hambara.
Nambarany tamiko, fa tratra alina tamin’iny lalam-pirenena fahefatra avy any Mahajanga iny izy no tongan’ny aingam-panahy, ka nahasoratra an "Iarivo mirehitra jiro". Tena mivaingambaingana mihitsy ny sarisarin’ohatra asehony.
Ary ny "Siokan’ny manina"? Tsy misy miafina ny fihetsik‘ilay :
« Irery amin’ny toera-mangina,
Tsy manana izay hiresahana »
Ny Siokan’ny Manina kosa izay niseho tamin’ny Gazety HEHY nataony valin-kira ho an’i RADO."

Niresaka momba an’i Ener Lalandy koa i Abel Andriarimalala nandritra ny fandaharana Feombaliha atolotry ny Havatsa-UPEM Sampana Frantsa ao amin’ny Radio Bitsika, ka niteny amin’ny maha zanany azy fa Ray tena hafa kely i Ener Lalandy, tsy mba nanisy elanelana be tamin’ny zanany, fa tena akaiky am-po; rehefa niara-nilalao tamin’ireo zanany aza, hono, izy indraindray dia toy ny manadino hoe ray sy zanaka fa mifanao ialahy, saingy anaty fihomehezana sy fifaliana hatrany, ary tsy misy velively fihenam-panajana, na kely aza. Izany dia isan’ny nampirisika ireo zanany hiezaka hanao ny tsara indrindra hatrany, tsy misy an-teritery.

Raha ny tanora ankehitriny kosa, toy ny tenanay dia nahalala vetivety an’i Ener Lalandy, saingy nahatsiaro ho tena nahazo tombon-tsoa, satria dia olona mavitrika sy tonga mivory foana izy raha mbola afaka, tao amin'ny fikambanana HAVATSA-UPEM niraisana, na dia efa tena lehibe tokoa aza izy ; mizara fahalalana sy mankahery ny tanora handalina sy hanoratra ; nanoro lalana sy nandrisika hatrany, fa tsy mba nanakivy, na ireo vao miana-mamindra aza. Ary zava-dehibe ity holazaiko ity : tena nahafehy tanteraka ny teny malagasy izany mpanoratra izany, na eo amin’ny fampiasana na eo amin’ny fanoratana, ny tsipelina, ny voambolana, ny fitsipika, sns… nampirisika hatrany izy hamaky boky maro amin’ireo vokatra efa voasedran’ny taona sy ny fahalalana.

Tononkalo sy lahatsoratra anabeazana
Indreto atolotsika ny tononkalo malaza indrindra nosoratany sady zary hira tena manana ny hakantony rahateo. Misy tononkalo iray koa “Aoka ho masaka ifotony” anehoany ny tokony hitandremana ny vehivavy, fa sarobidy mendrika haja izy ireny, tsy holaingolaigosana fahatany. Ary hofaranantsika amin’ny lahatsoratra “Valifaty” nalaina tao amin’ny “Mampihomehy fa marina”.
____________________________
IARIVO MIREHITRA JIRO

Mba tazano somary alaviro
Izato Iarivo mirehitra jiro
Fa manemboka aingam-panahy
Ny sento hofongarin’ny tsiahy.
-- Mirakitra zavatra lalina
Iarivo jerena amin’ny alina.

Toy ny sambo odidin-tsalopy
Ny tsanganany atao indray mitopy;
Ka indray mampitepo ny fony
Ireo jiro sy kintana ambony,
Izany no miara-tazanina,
Ny fo sy ny maso no fanina !

Raha nilaozana ange, mba idiro
Takariva mirehitra jiro !
Ny ranomaso no injay fa marivo,
Vao mijery ireo jiro an’arivo.
Tsy hain’ny saina sivanina
Ny fitepon’ny fo efa manina.

Ener Lalandy
Fampitaha N°14
Oct. Nov. Dec 1963, tak 10

____________________________
SIOKAN’NY MANINA !

Lahy è, Roy è, Siokan’ny manina
Irery amin’ny toera-mangina,
Tsy misy ‘zay mba iresahany,
Ny hiran’ny fo notsindrina,
Sioka no feo nivoahany !

Tsy fantany akory izay mety
Hahatonga ity sioka tsy fidiny,
Fa tampoka teo…vetivety,
Dia lasa tsy tana ny sidiny.

Lahy è, Roy è, Siokan’ny manina
Angamba izay nahatsikaritra
Hihevitra azy ho adala,
Kanefa diniho maharitra
Fa hanina olo-malala.

Ny hira niaraha-nikalo
No nahatonga azy hahatsiahy,
Ka taitra ireo olo-mandalo
Mahita azy very fanahy.

Lahy è, Roy è, Siokan’ny manina
Ny fony ao anaty izay ditsoka
No kosehiny ny hirany manga,
Ny vetson’ny sioka miritsoka
No toy ny mameno ny banga.

Mijery izy fa tsy mahita,
Izay tiany hofantarina tsy hainy :
Raha tsy ny sioka no vita
Tsy mety ho nody ny sainy.

Lahy è, Roy è, Siokan’ny manina
Ny elanelan-tany dia rava –
N’ilay sioka tsy mba niniany,
Fa tahaka ny nifanatri-tava
Izy sy ilay olon-tiany.

Omeo raha homenao tsiny
Ny kalon’ity fo fanina,
Kanefa fantatro fa iny
No atao hoe : Siokan’ny manina !

Ener Lalandy
An-tsaha tak. 27-28
____________________________
AOKA HO MASAKA IFOTONY

Hazo midoroboka feno voankazo
Ity notamihan’ireo te hahazo,
Sady tsy an-kafa fa eo amin’ny sahany,
Saingy tsy andriny ny hahamasahany.

Maro dia maro ireo voa efa tazany,
Nefa na maitso aza tiany hotazany ;
Ao ny mitoraka, ao ny misokitra,
Moa dia hanahoana ny voankazo otrika ?

Misy fotoanany ny zavatra rehetra,
Kamoa tsy aleo ve mba tonga ny fetra ?
Fa no dia ahintsana mbola tsy tokony ?

Ny mbola tsy maoty sy zaza mihanta
No manozongozona voa mbola manta,
Raha tahak’ahy, aoka ho masak’ifotony.

Ener Lalandy
Havatsa Notsongaina (2012)
____________________________
VALIFATY
Ener Lalandy, Mampihomehy fa marina, tak34-35 (1987)
- Ny kanosa no mikotrika valifaty, hoy i Dadabe Rainilandy. Matoa manomana valifaty ianao dia miampanga tena ho malemy, resy teo amin’ny adim-piainana iray.

“Ny hambo fotsiny no manesika an’io valifaty io, nefa matetika atosiny any amin’ny fahafatesana ianao”.

“Teo anefa ianao tsy maty, fa velona na dia nisy namely anao aza”.

“Velona ianao matoa afaka misaina hanao valifaty. Ka nahoana ny fahavelomanao no tsy araraotina izay hahaela azy kokoa, fa no hanaovana andranandrana sy vivery amin’ny fahafatesana indray?"

“Indrindra ange ka hoe maimaika ery ianao ny hamaly faty”!

“Misy fitenim-bazaha izay mba findramiko ny amin’izy io, hoy izy manao hoe:
- Ny valifaty sakafo tsy mba fihinana mafana fa mangatsiaka no mahatsara azy”.
Fa amiko ny dikan’izany dia izao : rehefa mangatsiaka ny fonao, dia ho aleonao kokoa mifidy ny lalana mandroso amin’ny fahavelomana, toy izay hiverina any amin’ilay saiky nisy ny fahafatesana”.
“Ny fitaintainan’ilay nahavoa anao koa miandry valin’ady avy aminao mandra-pahatongan’izay, na tsy hanao valin’ady aza ianao, dia efa valifaty ho azy koa izay è. Satria tsy misy, na iza na iza, efa nandresy tamin’ny tsy rariny ka tsy hanahy ny tsy maintsy hisian’ny valiny. Ary arakaraka ny mahaela ny fahatongavan’ny valin’izay, no hampijaly ny eritreriny”.
Ener Lalandy

Loharanon-kevitra
- Havatsa Notsongaina (2012)
- Tatamo Manokana, Havàtsa-Upem (2007)
- Mampihomehy fa marina (1987)
- Biografian’i Ener Lalandy, F-X.Mahah, “Feombaliha”, Havatsa Frantsa, Radio Bitsika, Feb. 2017
- Iza moa i Ener Lalandy ? Abel Andriarimalala, “Feombaliha” Radio Bitsika, Febroary 2017
- http://www.worldcat.org/identities/lccn-no2002-33160

Nangonina : Hanitr’Ony - 15 Desambra 2018
Sary : nindramina
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/12/2018

×