Teraka ny Akanga Tsara Soratra

Akanga Tsara Soratra
Poetawebs — 30/11/2025

PoetawebsMamoa voa tsara ny literatiora malagasy.  Tera-bao ny tontolon’ny haisoratra. Nijoro ara-panjakana ny 3 novambra 2025 lasa teo tany Antsirabe ny AKANGA TSARA SORATRA, fikambanana vaovao mivoy ny zavakanto vita amin'ny soratra sy ny teny. 15 mianadahy ireo mpikambana ao, ahitana mpanoratra, poeta, mpihira, mpanao slam, mpikabary, mpitendry, mpanao sary.

Ny anaram-pikambanana no vaovao fa ireo mpiangaly ny kanto ao anatiny kosa dia tsy atoro voanjo hadiana eo amin'ny tontolon’ny literatiora. Efa mpikambana tao amin'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo teo aloha avokoa izy ireo ary efa namoaka boky miisa efatra.

Ankoatra ny famoronana izay ifotoran'ny rehetra ao, tanjon'ny fikambanana ny hampamokatra ny talenta any an-tsain'ny Malagasy maro, ka hampitety vazantany ireo voam-panahy amin'ny alalan'ny boky, tety sekoly, seho sehatra, haino vaky jery, tambajotra serasera,... Efa manangasanga rahateo ny sampana vitsivitsy toy ny ao Antananarivo, Ambatolampy, Betafo, Faratsiho izay hijoro tsy ho ela.

Mampiavaka ny Akanga Tsara Soratra ny fanomezana fahafahana sy lanja ny haiforon'ny tsirairay. Na misy aza ny sata fototra sy fitsipika anatiny, ifampitondrana eo amin'ny maha olona izany fa ny aingampanahin'ny tsirairay kosa dia mivelatra amin'ny habaka rehetra tsy anaty faneriterena mba hamokatra zato, arivo heny, harena mantsy ny fahasamihafana.

Faniry Ezeckiel no mpitantana amperinasan'ny Akanga Tsara Soratra, anatin'ny birao mandrafitra ny fitantanana kosa ry Ni Avatsa Andriamanalina, Najoro Nilaina, Ny Avo Elabakaka, Hiaka Mikalo. Mpandrindra ny fihodinan'ny fikambanana ireo fa mitovy lanja avokoa ny tsirairay ary mivoy ilay toe-tsaina "MIARA-MIRONA" izay maneho ny firaisankina sy fifampiarovana hampiakatra ambony ny soratra araka ilay teny filamatra hoe "Tsy ny teny manandra-tena fa ny tena manandra-teny".


Poetawebs
• TERAKA NY AKANGA TSARA SORATRA

Ajouter un commentaire