Fanavaozan-drafitra
raketin'ny sorakanton'i Toetra Ràja. Izany no lohatenin'ny velakevitra
nataon'i Tsikimilamina Rakotomavo ny 27/11/2025 tao amin'ny Akademia
malagasy nandritra ny fivorian'ny sokajy haikanto sy hailaza izay
natrehin'ny filohan'ny Akademia Irène Rabenoro, ny filohan'ny sokajy
haikanto sy hailaza Nalisoa Ravalitera, akademisiana, mpanao politika,
mpanoratra, mpiasam-panjakana, mpianatry ny anjerimanontolo,
olon-tsotra ary mpikamban'ny Poetawebs. Nosokafan'i Nalisoa Ravalitera
ny fotoana mialoha ny nirosoana tamin'ny velakevitra.
Raha fintinina dia nanomboka nanoratra ny taona 1983 i Toetra Ràja ary
fantatra amin'ny maha mpamorona sy mpikirakira ny tranonkala Poetawebs
azy. Ny haikolontsaina napetrak'i Ralph Linton no nifotoran'ny
fandalinana: "Ny kolontsain'ny fiarahamonina dia maneho ny fomba
fiaina, fomba fiheverana sy ny fanaon'izy ireo ary ampitaina amin'ny
taranaka mifandimby".
Fohy nefa mafonja ny tononkalon'i Toetra Ràja ary mampiavaka azy
indrindra ny gadona mifandraika amin'ny miaramila manao matso antsoiny
hoe teny fohy isan'andalana izay saro-takarina ihany raha tsy
averimberina matetika. Ankoatra izany dia tafiditra ao an-tsahan'ny
sorakantony koa ny tononkalo fehezanteny, ny sasin-kalo, ny tsoa-kalo
ary ny tsangan-tononkalo.
Nisongadina tamin'ny velakevitra ny fanadihadiana ireo bobongolo
mangeja ny fiarahamonina taratra ao amin'ny sorakanton'i Toetra Ràja
toy ny fitiavan-tena, ny kolikoly, fanavakavahana,
famadihan-tanindrazana, herisetra... Eo anatrehan'izany dia nasongadina
ny lalantsara mitondra fanavaozana iompanan'i Toetra Ràja toy ny
fifampiresahana, vavaka, fijoroan'ny olona mba hamongorana ny ratsy,
indrindra fa ny fitiavan-tena manjaka tokana. Tao anatin'ny velakevitra
no niantsan'i Mahefa ny "FAKO KELY", tononkalon'i Toetra Ràja maneho
indrindra ny loharanon'ny bobongolo sy ny fanapariahany eo amin'ny
fiarahamonina.
Notsongaina tao anatin'ny fanontaniana ny an-dRanjatohery Harilala hoe
"Mpaminany ve i Toetra Ràja fa toa tanteraka avokoa ankehitriny ireo
nokaloiny taona maromaro lasa izay?". Noraisiny ohatra tamin'izany ny
andininy iray ao amin'ny ROAHY manao hoe:
Roahy izy ho
montsana
ary
hihontsankontsana
hatrany
am-parahatoka,
ho mora
hikarapoka
"Tao amin'ny tantaran'ny firenentsika dia tena nisy tokoa ny
nikarapoka", hoy izy. Nohamafisiny fa mampiavaka ny tononkalony ny
rafitra teny fohy isan'andalana. "Toy ny taralila ny fingadony" hoy i
Nalisoa Ravalitera. Nangataka ny handefasana mivantana ny velakevitra
tahaka izao amin'ny haino amanjerim-panjakana sy amin'ny
tambazotra-tserasera hafa ny Dr Volazanaka Claude, avy any amin'ny
anjerimanontolon'i Toliara. Nanamarika i Jean-Jacques Ratsietison fa
"Na tsara aza ny rafitra ary na ho rarivato aza, kanefa raha tsy
valahara no eo, dia tsy handeha". Nanontany i Naina Rakotojaona hoe
"Angaha tsy misy tononkalon'i Toetra Ràja hafa ankoatra ny
fanavaozan-drafitra?" Tao anatin'ny valiny indrindra no niantsan'i
Tsikimilamina Rakotomavo ny andininy iray amin'ny tononkalo hoe
Gasikara satria manana tononkalo hafa maro izy.
Tsikaritra nandritra ny velakevitra ny fahalianan'ny mpanatrika ka
nampifantoka azy ireo tamin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny
zava-misy iainan'ny vanimpotoana.
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary : Hery Rakotonirainy, Patrick Raveloarison, Nivo Andrianasolo











