Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy

Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy
Solotiana Nirhy-Lanto — 03/12/2025

PoetawebsNy zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy1. Amin’ny ankapobeny, ny loka literera dia fanomezam-pankasitrahana ny asasoratra izay nampifaninanina ka niavaka ny maha sorakanto azy teo amin’ny haifanoratra, taratry ny talentan’ny mpanoratra.
Koa hofakafakaintsika mitohitohy eto ny zotram-piainan’ny loka literera malagasy hatrany am-piandohany.

Ny fotoana nahatorontoronina ny loka

Efa torontoronina hatramin’ny ela teto amintsika ny fotokevitry ny loka. Ny fampitaha dia toa kilalao ihany tamin’ny andron’ny Ntaolo, kanefa dia fifaninanana nanan-danja teo amin’ny vahoaka ary nisy tamin’izy ireny no natrehin’ny mpanjaka mihitsy. Ny vahoaka ihany koa no mpitsara ary nahazo loka lehibe ny mpandresy. Tamin’ny andron-dRadama Rainy (1810-1828) dia notolorany fankasitrahana ireo mpianatra mahay rehefa mifarana ny taom-pianarana. Izany dia ho fampirisihany ny ankizy amin’ny fianarana no sady porofon’ny hetahetam-pivoarana tao aminy araka ity ampahan-teniny tamin’ireo misioneran’ny London Missionary Society (L.M.S.) nampiditra ny fampianarana an-tsekoly teto Madagasikara ity : ”Midira ianareo, ampianaro ny vahoakako”. Fa tao indrindra ny fifaninanana manoratra lahatsoratra (rédaction) isan-taona, tao amin’ny toeram-pianarana Sekolara (École supérieure de la L.M.S.) izay toy ny fanairana sahady ny talenta ho an’izay liana amin’ny fanoratana.

Ny nahaterahany

Zanatany frantsay i Madagasikara ny taona 1896. Efa fotoana elaela ihany no nifaneraserana tamin’ny soratra sy ny gazety notanan’ny misionera. Koa, valo taona taty aoriana (1904), dia nofohazin-dry pasitera Rabary, Ravelojaona, Razafimahefa indray ny gazety Ny Mpanolo-tsaina. Io taona io ihany dia nampanao fifaninanana tantaraforonina ny gazety. Teraka teo ny loka litereran’ny asasoratra nosoratana Malagasy, amin’ny teny malagasy, ho an’ny Malagasy. Ny tantaraforonina no nisantatra azy. Nifanojo indrindra izany tamin’ny fahaterahan’ny Loka Goncourt tao Frantsa (1903), izay nametraka ny tantaraforonina eo amin’ny toerana mendrika azy amin’ny maha haisoratra kanto azy. Koa izao dingana vitan’ny gazety Ny Mpanolo-tsaina izao dia sady fiarovana ny teny malagasy manoloana ny teti-pitondram-panjanahantany no mampiditra koa ny mpanoratra malagasy ao amin’ny tontolon’ny fandrosoana literera. Tsy azo hadinoina tokoa fa nitsoka teo amin’ny fiainam-pirenentsika ny rivo-maherin’ny “fandrosoana” sy ny “sivilizasiona” tamin’izany fotoana izany.

Nanomboka teo dia nahazo ny toerany ny fifaninanana  loka literera ho fikajiana ny teny malagasy sy ho fampivelarana ny literatiora ary dia mbola mitohy mandraka ankehitriny.

Loka literera : ny hevitra mitovona

Efa hitantsika, tany am-boalohany, fa ny loka literera amin’ny ankapobeny dia fanomezam-pankasitrahana ny asasoratra mendrika taorian’ny fifaninanana.

Ny teny malagasy izay antoka iray lehibe iankinan’ny fahaveloman’ny maha Malagasy ny Malagasy no indro nisongadina na nasongadina mihitsy tamin’ity fifaninanana mpisava lalana nokarakarain’ny gazety Ny Mpanolo-tsaina ity (1904). Zava-dehibe loatra ho antsika Malagasy sy ny firenentsika, izay zanatany, izany. Azo heverina àry fa nisy fanamby avy tamin’ny gazety tao, indrindra fa ny tantaraforonina izay karazan-dahatsoratra vahiny no lasitry ny fifaninanana. Vao nanomboka nifanerasera tamin’ny sombintantara sy ny tantaraforonina tokoa ny tontolon’ny literatiora malagasy. Koa fanamby fa ny anjara biriky entin’ny mpanoratra sy ny loka literera ho fiarovana ny teny malagasy dia tsy ho voakosoka eo amin’ny tantaram-pirenena. 

Tsapa àry fa mety hisy hevitra mitovona eo ambonin’ny famaritana ankapobeny arakaraka ny lalam-piainan’ny firenena tsirairay avy. Koa, indro ohatra, fa teraka ny Grand Prix littéraire d’Afrique noire, izay nokarakarain’ny ADELF (Association Des Écrivains de Langue Française), tamin’ny taona 1960, tao anatin’ny vanim-potoana nahazoan’ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina zanatany frantsay sy britanika ny fahaleovantenany indrindra. Hany ka nilaina ny fiarovana tamin’ny alalan’ny loka ny lanjan’ny teny frantsay sao ho voahozongozona. Ho an’i Madagasikara, izay tsy ao amin’io fizaran-tany afrikanina io koa, satria tafaverina soa aman-tsara ny fahaleovantenam-pirenena, dia indro fa teraka koa ny fifaninanana literera ho an’ny haisoratra amin’ny teny fransay. I Daoudbay Akbaraly no naka ny toeran’ny ADELF namolavola izany; mpandraharaha, teraka sy lehibe teto Madagasikara, mpifindra monina tonga efa ela teto Madagasikara ny fianakaviany. Olon’ny haisoratra izy, namoaka boky2, nandray anjara koa hampiroborobo ny haisoratra sy hanamafy orina ny loka literera amin’ny teny malagasy (Loka Akbaraly) teo amin’ny fiandohan’ny vondron-taona 60.

Lafin-javatra iray tsy azo lavina àry ny hevitra mitovona eo amin’ny fanomanana ny loka literera. Mety ho hevitra hahazoana tombon-tsoa manokana, mety ho hevitra kendrena hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena. Fanadihadiana hafa moa izany ary tsy horaisintsika eto. Fa ny zava-misy dia sampana telo lehibe no mandrafitra ny tontolon’ny literatiora malagasy ankehitriny ka iray amin’izany ireo asasoratra literera amin’ny teny frantsay, novokarina mpanoratra malagasy na vahiny. Noho izany, loka literera karazany roa no misy ao amin’ny ny tontolon’ny haisoratra malagasy. Fa ny tena ifantohan’izao fanadihadiana izao dia ny zotram-piainan’ny loka literera amin’ny teny malagasy,  natao ho an’ny Malagasy rehetra vonona handray anjara. 

_______________________________

1Azo vakina, S.Nirhy-Lanto Ramamonjisoa, N. Rajaonarimanana, « Dynamique des prix littéraires à Madagascar », in Ursula Baumgardt (dir.), Littérature en langues africaines. Production et diffusion, Paris, Karthala, 2017.
 2Geneviève Chaumel-Gentil, Daoudbay Akbaraly, « Les Indes ; impressions, contes, poèmes », Impr. de l’Imerina, Tananarive, 1934, 126 p., L’Express de Madagascar https://lexpress.mg 16/01/2019 mecenat.

Solotiana Nirhy-Lanto
• Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy

Commentaires (1)

Heriarilala
  • 1. Heriarilala | 11/12/2025
Manan-danja be ity lahatsoratra ity satria ahitana ampahany amin'ny tantaran'ny literatiora. Mahaliana koa ilay tantara foronina nisantatra ny loka voalohany teo amin'ny fifaninanana literera malagasy.
Mbola mangetaheta izay tohiny na torohay mifandray amin'ity lahatsoratra ity.

Ajouter un commentaire