Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy

Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy
Solotiana Nirhy-Lanto - 31/08/2025

Amin’ny ankapobeny, ny loka literera dia fanomezam-pankasitrahana ny asasoratra izay nampifaninanina ka niavaka ny maha sorakanto azy teo amin’ny haifanoratra, taratry ny talentan’ny mpanoratra.
Koa hofakafakaintsika mitohitohy eto ny zotram-piainan’ny loka literera malagasy hatrany am-piandohany.

Ny fotoana nahatorontoronina ny loka

Efa notorontoronina hatramin’ny ela teto amintsika ny fotokevitry ny loka. Ny fampitaha dia toa kilalao ihany tamin’ny andron’ny Ntaolo, kanefa dia fifaninanana nanan-danja teo amin’ny vahoaka ary nisy tamin’izy ireny no natrehin’ny mpanjaka mihitsy. Ny vahoaka ihany koa no mpitsara ary nahazo loka lehibe ny mpandresy. Tamin’ny andron-dRadama Rainy (1810-1828) dia notolorany fankasitrahana ireo mpianatra mahay rehefa mifarana ny taom-pianarana. Izany dia ho fampirisihany ny ankizy amin’ny fianarana no sady porofon’ny hetahetam-pivoarana tao aminy araka ity ampahan-teniny tamin’ireo misioneran’ny London Missionary Society (L.M.S.) nampiditra ny fampianarana an-tsekoly teto Madagasikara ity : ”Midira ianareo, ampianaro ny vahoakako”. Fa tao indrindra ny fifaninanana manoratra lahatsoratra (rédaction) isan-taona, tao amin’ny toeram-pianarana Sekolara (École supérieure de la L.M.S.) izay toy ny fanairana sahady ny talenta ho an’izay liana amin’ny fanoratana.

Ny nahaterahany

Zanatany frantsay i Madagasikara ny taona 1896. Efa fotoana elaela ihany no nifaneraserana tamin’ny soratra sy ny gazety notanan’ny misionera. Koa, valo taona taty aoriana (1904), dia nofohazin-dry pasitera Rabary, Ravelojaona, Razafimahefa indray ny gazety Ny Mpanolo-tsaina.

Rabary mpitandrina
Rabary ao amin'ny toeram-piasany

Io taona io ihany dia nampanao fifaninanana tantara foronina ny gazety. Teraka teo ny loka litereran’ny asasoratra nosoratana Malagasy, amin’ny teny malagasy, ho an’ny Malagasy. Ny tantaraforonina no nisantatra azy. Nifanojo indrindra izany tamin’ny fahaterahan’ny Loka Goncourt tao Frantsa (1903), izay nametraka ny tantaraforonina eo amin’ny toerana mendrika azy amin’ny maha haisoratra kanto azy. Koa izao dingana vitan’ny gazety Ny Mpanolo-tsaina izao dia sady fiarovana ny teny malagasy manoloana ny teti-pitondram-panjanahantany no mampiditra koa ny mpanoratra malagasy ao amin’ny tontolon’ny fandrosoana literera. Tsy azo hadinoina tokoa fa nitsoka teo amin’ny fiainam-pirenentsika ny rivo-maherin’ny “fandrosoana” sy ny “sivilizasiona” tamin’izany fotoana izany.
Nanomboka teo dia nahazo ny toerany ny fifaninanana  loka literera ho fikajiana ny teny malagasy sy ho fampivelarana ny literatiora ary dia mbola mitohy mandraka ankehitriny.

*Azo vakina, S.Nirhy-Lanto Ramamonjisoa, N. Rajaonarimanana, « Dynamique des prix littéraires à Madagascar », in Ursula Baumgardt (dir.), Littérature en langues africaines. Production et diffusion, Paris, Karthala, 2017.

Solotiana Nirhy-Lanto
_______________
Ny zotram-piainan’ny loka literera
eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy


Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy
Solotiana Nirhy-Lanto — 03/12/2025

Loka literera : ny hevitra mitovona

Efa hitantsika, tany am-boalohany, fa ny loka literera amin’ny ankapobeny dia fanomezam-pankasitrahana ny asasoratra mendrika taorian’ny fifaninanana.

Ny teny malagasy izay antoka iray lehibe iankinan’ny fahaveloman’ny maha Malagasy ny Malagasy no indro nisongadina na nasongadina mihitsy tamin’ity fifaninanana mpisava lalana nokarakarain’ny gazety Ny Mpanolo-tsaina ity (1904). Zava-dehibe loatra ho antsika Malagasy sy ny firenentsika, izay zanatany, izany. Azo heverina àry fa nisy fanamby avy tamin’ny gazety tao, indrindra fa ny tantaraforonina izay karazan-dahatsoratra vahiny no lasitry ny fifaninanana. Vao nanomboka nifanerasera tamin’ny sombintantara sy ny tantaraforonina tokoa ny tontolon’ny literatiora malagasy. Koa fanamby fa ny anjara biriky entin’ny mpanoratra sy ny loka literera ho fiarovana ny teny malagasy dia tsy ho voakosoka eo amin’ny tantaram-pirenena. 

Tsapa àry fa mety hisy hevitra mitovona eo ambonin’ny famaritana ankapobeny arakaraka ny lalam-piainan’ny firenena tsirairay avy. Koa, indro ohatra, fa teraka ny Grand Prix littéraire d’Afrique noire, izay nokarakarain’ny ADELF (Association Des Écrivains de Langue Française), tamin’ny taona 1960, tao anatin’ny vanim-potoana nahazoan’ny ankamaroan’ireo firenena afrikanina zanatany frantsay sy britanika ny fahaleovantenany indrindra. Hany ka nilaina ny fiarovana tamin’ny alalan’ny loka ny lanjan’ny teny frantsay sao ho voahozongozona. Ho an’i Madagasikara, izay tsy ao amin’io fizaran-tany afrikanina io koa, satria tafaverina soa aman-tsara ny fahaleovantenam-pirenena, dia indro fa teraka koa ny fifaninanana literera ho an’ny haisoratra amin’ny teny fransay. I Daoudbay Akbaraly no naka ny toeran’ny ADELF namolavola izany; mpandraharaha, teraka sy lehibe teto Madagasikara, mpifindra monina tonga efa ela teto Madagasikara ny fianakaviany. Olon’ny haisoratra izy, namoaka boky*, nandray anjara koa hampiroborobo ny haisoratra sy hanamafy orina ny loka literera amin’ny teny malagasy (Loka Akbaraly) teo amin’ny fiandohan’ny vondron-taona 60.

Lafin-javatra iray tsy azo lavina àry ny hevitra mitovona eo amin’ny fanomanana ny loka literera. Mety ho hevitra hahazoana tombon-tsoa manokana, mety ho hevitra kendrena hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena. Fanadihadiana hafa moa izany ary tsy horaisintsika eto. Fa ny zava-misy dia sampana telo lehibe no mandrafitra ny tontolon’ny literatiora malagasy ankehitriny ka iray amin’izany ireo asasoratra literera amin’ny teny frantsay, novokarina mpanoratra malagasy na vahiny. Noho izany, loka literera karazany roa no misy ao amin’ny ny tontolon’ny haisoratra malagasy. Fa ny tena ifantohan’izao fanadihadiana izao dia ny zotram-piainan’ny loka literera amin’ny teny malagasy,  natao ho an’ny Malagasy rehetra vonona handray anjara. 

_______________________________

 *Geneviève Chaumel-Gentil, Daoudbay Akbaraly, « Les Indes ; impressions, contes, poèmes », Impr. de l’Imerina, Tananarive, 1934, 126 p., L’Express de Madagascar https://lexpress.mg 16/01/2019 mecenat.

Solotiana Nirhy-Lanto
• Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy
Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy
Solotiana Nirhy-Lanto — 08/03/2026
Maro ny zavatra nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena tamin’iny vanim-potoana manodidina ny fahaterahan’ny loka literera iny. Nisongadina tamin’izany ny fampandrian-tany niadidian’ny Jeneraly Galliéni taorian’ny hetsi-panoheran’ny Menalamba. Jeneraly masiaka moa no anaram-bosotra nomen’ny Malagasy azy. Miteny ho azy loatra izany ! Nanerana ny Nosy mihitsy ny tsy fandriampahalemana[1]. Fa, vanim-potoana ihany koa iny izay nivoahan’ireo gazety malagasy “tsy miankina” voalohany toy Ny Basivava (1906), Ny Lakolosy volamena (1910), Ny Mifoha i Madagasikara (1907)… izay notanan’ireo nofaritan’ny profesora Charles Ravoajanahary hoe mpanoratra zokiny, taty aoriana (1964). Niroborobo fatratra àry ny literatiora malagasy izay lalana nahafahan’ny mpanoratra naneho ankolaka ny fihetseham-pony no sady nisoloany tena ny vahoaka malagasy manoloana ny fahavoazan’ny tenin-drazany sy ny Tanindrazany. Nefa voasembantsemban’ny fiantraikan’ny ady lehibe voalohany indray. Nanampy trotraka koa ny vokatry ny fitsarana ireo nivondrona tao amin’ny fikambanana miafina Vy Vato Sakelika (V.V.S.),  ny taona 1916. Azo lazaina ho izao no hetsika voalohany nanehoan’ny Malagasy ny fitiavany ny tanindrazany izay voagejan’ny mpanjanatany. Nandritra ny taona 1915 dia nahazo faka teto Antananarivo ny fikambanana, niparitaka nianatsimo hatrany Fianarantsoa, Ambalavao ny sampana, niantsinanana nihazo an’i Moramanga ary nipaka hatrany Toamasina. Henjana ny sazy ary ny ankabeazan’ireo mpanoratra zokiny efa nanomboka fanta-daza dia indro fa voaheloka folo taona an-tsesitany tany Mayotte, toa an-dry Edouard Andrianjafitrimo (Stella), Ny Avana Ramanantoanina, na koa ry Jasmina Ratsimiseta sy ny maro hafa…
 
Tsy maintsy namerina namintina fohy izany tantara izany isika mba hampahazava tsara ny nampitsipozipozy ny tontolon’ny literatiora  nandritra ny fito taona (1916-1922) ka tsy nandrenesana fanomanana loka literera. Nahazo famotsoran-keloka ka tafaverina soa aman-tsara ireo voasazy ny taona 1922. Nanatevin-daharana ireo mpanoratra zokiny tonga soa indray teo amin’ny tontolon’ny literatiora no sady nahazo mpitari-dalana ireo mpanoratra vao misondrotra, mpanoratra zandriny, hoy ny profesora Charles Ravoajanahary.
 
Nanomboka teo dia niseho indray ny fiantsoana tan-gazety ny fifaninana literera. Tany am-piaingana moa dia ny tompon’andraikitra amina gazety hatrany no mikarakara izany, toy iny nataon’ny gazety Ny Mpanolo-tsaina hitantsika teo ambony iny. Ny gazety mantsy no lalana nahafahana nanaparita-baovao, satria voarara ho an’ny Malagasy ny manangana fikambanana na ara-kolontsaina aza no tanjony. Tsy mahagaga, ohatra, raha namorona ny gazety Ny Fandrosoam-baovao (1931) ry Ny Avana Ramanantoanina mbamin-dry Charles Rajoelisolo ary Jean-Joseph Rabearivelo mba hanaparitahana ny antso Hitady ny very, izay lasa vanimpotoana iray eo amin’ny tantaran’ny haisoratra malagasy (1931-1939).
 
Koa ny taona 1922 dia nampanao fifaninana avy hatrany ny gazety Ny Mpanoro lalana.

 Nitondra ny anjara biriky teo amin’ny fanarenam-pirenena ny loka

Raha fehezina ny voalaza hatreto dia hita fa mifamatotra tsy afa-misaraka ny tantaran’ny literatiora sy ny tantaram-pirenena. Nentin’ny vahiny niditra teto amintsika ny fianarana sy ny soratra tamin’ny andron-dRadama Rainy dia nanomboka ny fifaninanana fahaiza-manoratra tany am-pianarana. Rehefa zanatany i Madagasikara dia zandrin’ny fahaterahan’ny loka literera tany Frantsa (Goncourt 1903) herintaona monja ny teto Madagasikara (Ny Mpanolo-tsaina, 1904). Dia hita niandalana teny fa olan’ny firenena efa niaina ela niaraka tamin’ny soratra sy ny fandrosoana no nanamarika ary mbola manamarika mandraka ankehitriny ny zotram-piainan’ny loka literera teo amin’ny andaniny ary olan’ny firenena voazanaka tiana hofoanana ny maha izy azy kosa no mbola atrehin’ny ankilany mandrakizao. Raha lazaina fohy dia ny lafiny ara-ekonomika entin’ny loka ho an’ny trano famoahamboky no manan-danja lehibe ho an’iry voalohany raha ny fitandroana izay tsy hahavery tanteraka ny hasin’ny Tanindrazana, amin’ny alalan’ny fikajiana ny tenin-drazana, no nimasoana ary mbola imasoan’ity faharoa.

Porofo voalohany amin’izany ny fahavononan’ireo mpanoratra zandriny, nandray anjara nifaninana tamin’ny loka literera na vonton’ny fanabeazana tandrefana tany an-tsekoly aza, satria nabahan-toerana ny fampianarana ny teny frantsay araka ny lalàna nivoaka tamin’ny taona 1916: Solonanarana fantatra loatra eo amin’ny tontolo’ny literatiora malagasy ny hoe Harioley, nahazo ny loka faharoa : fifaninanana 1922, nampanaovin’ny gazety Ny Mpanoro lalana sy Bolespara, nahazo ny loka faharoa : fifaninanana 1933, nokarakarain’ny gazety La Tribune. Tsy azo lavina àry fa sady fanoitra no fitaovam-piadiana nenti-nanarim-pirenena ny loka literera ! Vokany : Tsy nahafoana ny teny malagasy sy ny famoronan’ny mpanoratra amin’ny teny malagasy ny fanjanahantany.  Tsy teto an-toerana ihany no afaka nirehareha tamin’izany isika. Raha nampanao fifaninana manohana ny asasoratra amin’ny teny afrikanina tao Londres ny Institut International Africain (IAI), tamin’ny taona 1930, dia isan’ny mendrika, voafantina, ny asasoratry ny mpanoratra malagasy Wast Ravelomoria. Na izany aza tsy mbola vita ny ady. Efa aty amin’ny taona 2026 isika, mbola misy ny loka literera ary tsy miova ny foto-kevitra ijoroany. Mandia fotoan-tsarotra mihitsy ny teny malagasy efa taona misimisy ihany izay: tsy voafehy ny tsipelina; disoina ara-panononana; ampifangaroina be fahatany amin’ny teny vahiny; efa tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20 no nanao antso avo hiarovana ny teny malagasy tamin’izany ry pasitera Andriamifidy mbamin-dry Ravelojaona nefa dia tsy mbola tena nahitam-bokatra hatramin’izao. Tsy miraviravy tanana noho izany anefa ny loka literera.  
         
Nanomboka ny taona 1958: Nanangasanga teny amin’ny lanitr’i Madagasikara ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Fifaninanana telo no tontosa tamin’iny taona iny: ny iray, tantaraforonina, nokarakarain’ny trano printy Takariva, ny roa, rindrambolana na tononkalo, niandraiketan’ny kaominin’Antananarivo. Tsikaritra ho nisy sori-dalana ara-kolontsaina mazava mihitsy, rehefa izany, satria nisy tsy tapaka ny fifaninanana tantaraforonina taorian’izay. Nirotsaka nampanao fifaninanana avokoa na ny fikambanana samihafa misahana momba ny kolontsaina na ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Kolontsaina, ny sendikàn’ny mpampianatra, ireo olona malala-tanana, ny taranaka mpanoratra, sy ny maro hafa.
 
(Hitohy amin’ny manaraka)
_______________________________
[1] Manome antsika fanazavana amin’ny antsipiriany momba izany ny boky nosoratan’ny profesora Pierre Vérin, Madagascar, Karthala, 1990.

Solotiana Nirhy-Lanto
• Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy

Commentaires (1)

Heriarilala
  • 1. Heriarilala | 11/12/2025
Manan-danja be ity lahatsoratra ity satria ahitana ampahany amin'ny tantaran'ny literatiora. Mahaliana koa ilay tantara foronina nisantatra ny loka voalohany teo amin'ny fifaninanana literera malagasy.
Mbola mangetaheta izay tohiny na torohay mifandray amin'ity lahatsoratra ity.

Ajouter un commentaire