Créer un site internet

Léo Eden, poetan'ny zavaboahary

Léo Eden, poetan'ny zavaboahary
Toetra Ràja — 07/12/2025

PoetawebsManam-bahiny ny Poetawebs, renim-pianakaviana, mpivoy ny tontolo iainana sy ny soatoavina malagasy ary tsy vahiny amin'ny famolahana ny hainteny. Mpanoratra tantara koa izy ary mitapatapakahitra amin'i Toetra Ràja.

Toetra Ràja
Miarahaba tompoko ary mankasitraka amin'izao dinidinika izao. Azonao hazavaina ve ny anaranao Léo Eden?

Léo Eden
Miarahaba anao Toetra Raja. Ny tena anarako : Razanoelina Léontine. Avy amin'ny Léontine ny Léo ary ny Eden dia anarana nomen'ny olona anay mivady fahiny. Nividy toerana nisy alaala sy voankazo efa haolohaolo izahay ka mitsidika azy isan-kariva, misangy, mifanenjika, mihomehy, mihirahira sns. Noho izany indrindra no nanomezan'ny olona anarana azy hoe Sahan'i Edena. Nanorina trano lehibe izahay roa natao sekoly ka Fanantenana Edena no iantsoana azy hatramin'zao. Avy tamin'ireo no nandraisako ny solon'anaraķo Léo Eden. Maty ny vadiko raha mbola 36 taona fotsiny aho. Nifankatia tokoa izahay sady ho fahatsiarovako ilay volan-tantely izany. Fifindran-toerana amin'ny asa no nahatongavanay teto Ambatolampy.

Toetra Ràja
Azo lazaina ho efa ela izany ianao no nanomboka nanoratra? Azonao fintinina ve ny lalana nodiavinao tamin'izany?

Léo Eden
Mbola 13 taona aho dia efa nanoratra. Kilasimandry tao amin'dry Masera Saint-Joseph de Chambéry tao Manantenasoa Antsirabe aho saingy tsy afaka nivelatra. Mipoitra ihany anefa ny talenta ka tsy levona. Teo amin'ny faha-18 taonako aho efa nahatsangana boky "Iny lalana iny", dia mitohy tsy mijanona. 18 isa no boky mirakitra ny asasoratro efa nivoaka. Lalan-tsarotra fa tsy natao hahakivy. Oh : fametrahana ara-dalàna (dépôt légal) mba hivelarana bebe kokoa. Indrisy anefa fa nianto-tena tamin'ny fanatontosana azy ireo. Nametraka boky roa avy amin'ireo 18 nosoratako aho tany amin'ny Ministeran'ny atitany ary 3 avy ny tany amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy. Mafy tokoa saingy niezaka. Tena tolona! Te hanaparitaka ireo boky ireo saingy tsy afa-manoatra. Ny fanampianao no andrasako!

Toetra Ràja
Mifanohana hatrany tompoko isika mpanoratra. Inona avy moa ireo karazana asasoratra vokarinao sy ny lohahevitra voizinao?

Léo Eden
Ireo karazana asasoratro : tononkalo sy hainteny. Nahavitako boky 3 amin'ireo 18 nosoratako izany:

• Somambisamby amorom-parihy
• Manjombona maraina
• Tomarataratra

Tsy ireo ihany ny asasoratro fa misy tantara sy sombintantara mampita hafatra, m
ampifandray ny olombelona sy ny zavaboahary. Ny tena mafy amiko dia ny doro tanety sy ny voka-dratsiny. Ohariko amin'ny olombelona i Madagasikara, mandre manaintaina raha dorana na aringana ny ala. Ireo boky tantara, amin'ny maha fampitan-kafatra azy dia tsy boky fampianarana an-tsekoly akory. Ao anatin'izy ireny ohatra no ahitana fehezanteny toy ny hoe: "Miringiringy toy ny osy nasosan'ny vato malama efa nampoizina any an'hantsana no mivarina"

Ny hainteny no tena mandravaka na ny tononkalo na ny lahasoratra. Manavanana ahy ny manohana hevitra amin'ny fampitahana toy ny hoe: "Tsy mitsinjo vodiandro ho merika ka manahy vary an'erikerika".


PoetawebsIreto no taratry ny asasoratro mazana:

Mivoy tontolo iainana
• Soatoavina
Fahatsiarovana
Embona
Fampitahana
(sary : Léo Eden tany Nosy-Be Andoany)

Toetra Ràja
Ahoana indray ny loharanon'ny aingam-panahinao?

Léo Eden
Kasinga tsikaritro eny am-pitetezana tany eny no iaingako. Mazàna hoentiko ampitana hafatra amin'ny endriny kanto sy manaitra. Tsapako izany rehefa manao tamberina aty amiko ireo efa namaky ny bokiko. Manana efitrano famakiana boky nosoratako aho ary misy ny an'ireo hafa ihany koa.

Toetra Ràja
Ao anatin'ireo "hafa" ireo angamba ny an'ny Faribolana Sandratra maha mpikambana anao. Inona no anton'ny niantefan'ny safidinao ho mpiraifaribolana? Manana andraikitra ao ve ianao?

PoetawebsLéo Eden
Tsy hoe safidy fa kisendrasendra. Niasa irery aho dia io fahalianana io ahitan-draha. Hitako tao amin'ny Facebook fa hisy antsa tononkalo tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy. Sendra taty Antananarivo aho ka mba nankao ary nifankahita tamin'i J. Nalisoa Ravalitera. Dia raikitra! Vao tamin'ny 2018 ange e!

Nandrindra ny sampana ao Ambatolampy aho tamin'ny 2020 ka hatramin'ny 2024. Lany avy eo ny fe-potoana fiasako.

Toetra Ràja
Ho an'izay tsy mahafantatra an'Ambatolampy, azonao ambara ve ny kalitaon'izany tanàna izany ka mahatamana anao?

Léo Eden
Ambatolampy aloha dia tena mivoatra tanteraka ara fizika. Miitatra be ny tanàna. Efa feno trano ny manamorona ny arabe rehetra. Misy hatramin'ny rihiba efatra. Ny banky rehetra ohatra efa eto daholo afa tsy ny BMOI. Hita avy eto Ambatolampy ny toeram-pitaterana maro toy ny Soatrans, Ficotrans, Trasam, Cotram, sns. izay eda hita manerana ny Nosy afa-tsy Antsiranana tampon-tanàna. Ny olona eto dia tia miasa, tsy mba mitangorongorona. Maro no azo lazaina akoatra ny maha toerana milamina azy.

Toetra Ràja
Raiamandreny eo amin'ny tontolon'ny poezia ianao. Azo fantarina ve ireo poeta sy mpanoratra nifanerasera taminao?

PoetawebsLéo Eden
J. Nalisoa Ravalitera. Ramandason niara-niasa tamiko. Dera niara-niasa tamiko. Ao koa i Salomon, Raphi Ni, Niry Solosoa, Tsikimilamina Rakotomavo, Felana Kelly, Riambola Mitia, sns. Manasa anao aho rehefa sendra tonga aty Madagasikara ianao.

Toetra Ràja
Mankasitraka tompoko amin'ny fanasana. Amin'izao vanimpotoanan'ny fanavaozana izao, misy lafiny manokana irinao hatsaraina ve amin'ny fandrindrana ny tontolon'ny literatiora malagasy?

Léo Eden
Ny irina dia mba ifantenana izay asasoratra mitondra fanabeazana, mampieritreritra, mampisaina, mampivoatra tsy manary ny soatoavina izay efa tena manjavozavo. Tsy andrasana efa maty ilay mpanoratra vao voizina ny asasorany. Ho ahy manokana, tsy ny fisehon-javatra toa ireny no ihazakazahan'ny Mpanoratra fa ny fandinihan-tenan'ny tsirairay hisin'ny fivoaran'ny antom-pisiany ao amin'ny firenena. Lavitra ezaka, tsy mifampihaino ny olona ary tsikaritra hatraiza hatraiza izany, hany la tsy misy zavatra mirindra.

Toetra Ràja
Eto am-pamaranana tompoko, mangataka andinin-tononkalo fohy hotsakotsakoin'ny mpisera.

Léo Eden

MANGETAHETA

Nahoana ny rano no ritraina.
Izy mamelon'aina.
Zavamaniry zavamananaina
Milofika tsy misy azy karakaina.

Rano an'ala
Madio mangalahala.
Loharano tsy ritra.
Mamelona antsika.

Rediredy izany.
Izaho mila afo andoroko ny tany.
Amboleko mangahazo vomanga sy vary.
Vary an-tanety hitsenana fahavaratra.

Dray havandra ve no hiraradraraka.
Maneran-tany feno zavona.
Tsy maraina tsy atoandro tsy hariva
Tara-masoandro madivadiva.

Ho karakaina ny tany.
Tsy ho ela hiseho izany.
Handrotsaka tomany.

Omeo rano aho aloha ho sotroiko.
Hafanana mandoro misoko.

Ndeha maka any an'ala.
Any tsy misy tsingala.

Rano no ilaiko f'aza mandrebireby.

Han! .Ny afonao no nandritra azy f'aza mirediredy.

Léo Eden "Hafanana mivaivay lohataona", septambra 2018

FITIAVANA

Fitiavana
Fitiavan-dray
Fitiavan-dreny
Fitiavan-tsakaiza
Fitiavan-tsipa
Maro loko tsy voatanisa

Fitiavan-joky
Fitiavan-jandry
Fitiavan-kavana
Manery anao tsy hanavangavana

Fitiavam-boninkazo
MampivazoLéo Eden
Fitiavan-doka
Manodoka

Fitiavan-karena
Sesehena
Hanadinoina ny marina
Mampivarina

Rahoviana no hangina
Fitiavana malia
Fanariana dia

Léo Eden 2011

KILA

Nofiko misalotra jaky midorehitra
Hiatrika lanonana malok'endrika
Mamikavika
ali-mangina
Manodidina tony sy gina

Mamakivaky ala miova loko
Reny feo maro mitoloko
Tody teo ankodimirana
Nanantena endrika miramirana

Ireo mpanompo rehetra
Nitoloko nanjoretra
Nangataka rano izy maimaina
Namoaka feo toa mitaraina

Ritra hoy ireo ny tao an-davadrano
Maina ny dobo fatsakana rano
Ha! hoy izy nihika mafy
Taitra tamin'ny torimaso

Doro tanety, doro ala
Afo mijoalajoala
Nanenika an'i Gasikara

Ry fireneko !
Onena anao aho ka misento
Eo am-pandinihana
Ny hoavinao variana
Dia ho sanatria ve?

Leo Eden, septambra 2020

Toetra Ràja
Voaray ny tononkalo kanto sy mampita hafatra. Mankasitraka tompoko ary misaotra indrindra nahafoy fotoana ho an'ny literatiora malagasy.

Léo Eden
Mankasitraka tompoko! Mirary fiaraha-miasa mahafinaritra.

Poetawebs
Tao amin'ny saha iray ao Ambatolampy no nanorenan'i Léo Eden sy ny vadiny sekoly, trano biriky antsoina hoe FANANTENANA EDENA

Poetawebs
Ity fotsy ity no tranony, mifanao amboony sy ambany amin'ny sekoly, elanelanina fefy bararata, antsoina hoe EDENA FANANTENANA

SANTIONAN'IREO BOKINY

1. Boky tononkalo. Amboaran-tononkalo - Riankalo

Teny faneva

"Ny soratra mipetraka,ny teny mandalo fa mitamberina ihany". Léo Eden
"Soratra ventesiin'ny vava miako mangina ao am-po". Léo Eden

Poetawebs
Somambisamby amorom-parihy

Poetawebs
Manjombona maraina

Poetawebs
Tomarataratra

2. Boky tantara sy sombintantara

Poetawebs
Ilay mpivahiny

Poetawebs
Fitiavana nahasakodiavatra

Poetawebs
Fitia  fahazaza

Poetawebs
Hafatra nahasavolaina

Poetawebs
Renikely

Poetawebs
Zanatsipika nandefona ny fo

Poetawebs
Ankodimirana

• Léo Eden, poetan'ny zavaboahary

Ajouter un commentaire