Créer un site internet

Nodimandry i Solofo José

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

15 Febroary 2014

Nodimandry i SOLOFO JOSE na RAKOTOSOLOFO JOSEPH

Nikimpy i Solofo José. Tamim-pahatairana tokoa no nandraisana ny vaovao mampalahelo tao amin'ny facebook fa nodimandry tamin'ny alakamisy 13 Febroary 2014 izy teo amin'ny faha 68 taonany. Mbola manakoako ao antsofin'ny maro ny feo mangany fandre isanandro ao amin'ny radio isaky ny amin'ny iray sy dimy, na ny indray miseho isaky ny sabotsy alina. Misalotra matetika ny toeran'ny raimpianakaviana misedra ady mazana izy eo amin'ny tantara saingy mijoro amin'ny teniny sy ny heviny ka tsy azo hozongozonina. Tadidinao ve "Ilay moday fony kely"? Olon'ny sehatra i Solofo José no sady mpandrindra sehatra ihany koa.

Raha hiato kely eo amin'izany sehatra izany isika dia hanamarika fa anisan'ireo nitaiza ireo poeta zandriny ao amin'ny Faribolana Sandratra izy. Fomba amam-panao zary tsy tapaka indroa isam-bolana mantsy ny sehatra ao amin'izany fikambanana izany, izay izy rahateo no anisan'ireo nanangana azy. Diso marina loatra araka izany ny vetsovetson'ireo tanoran'ny Sandratra mamerimberina fa kamboty tsy satry ireo kolokolo dimbin'ny vary namelàny ny mamy ilehibiazana. Tsy ireo poetan'ny Sandratra nokolokoloina ihany no nandray ny mamy avy taminy fa ny haisoratra malagasy mihitsy. Araka ny resaka mandeha aza dia efa  andalam-piketrehana ny fandraisana azy ho mpikambana ao amin'ny Akademiam-pirenena Malagasy. Nanolotra ny ainy manontolo ho an'ny literatiora malagasy i Solofo José.

Mpanoratra tononkalo, sombintantara, tantara an'onjam-peo, famakafakana lahatsoratra i Solofo José ary tamin'ny taona 1967 no nanombohany namindra. Maro araka izany ny sanganasany fa andeha hosinganina eto amin'ity takelaka ity ireo bokin-tononkalo nosoratany niaraka tamin'ireo mpiray faribolana taminy :

Ireo niarahana tamin'ny poeta
• ANGALIANTSA (27 Aprily 2013 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin’i TOLY)
• INONA NO MIAFINA ETO ? (23 Novambra 2011 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin’i RATSIFA)
• FOTOANA MIHANTONA (27 Mey 2009 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin’i TAHIRINTSOA sy AVELO-NIDOR)
• ANOKANTSA (24 Aprily 1996 - Amboaran-tononkalo niarahany tamin’ILAY)

Ireo niarahana tamin'ny rehetra
• Sandratr’Antsa (2005-2006 )
• SOMBINTANTARA VOAFANTINA (1999)
• Sandra-kalo (teny malagasy sy teny frantsay - 1994)
• Tontolo Isainana (1991)
• Amboaran-tononkalo I (1989)

Eo amin'ny fiainana andavanandro dia mpampianatra filôzôfia i Solofo José ary misalotra ny mariboninahitra "Grand-Officier de l’Ordre National Malagasy". Miarak'ory amin'ireo zanany efatra ny Poetawebs ary mampionona azy ireo.

Mateti-pihavy rafahafatesana satria tato anatin'ny taona vitsy dia vitsy dia andrarezin'ny Sandratra telo no nandao antsika, izay itanisana an'i elie rajaonarison sy Lidiary vadiny nialoha lalana azy. Vao herintaona mahery kely tokoa mantsy izao no naha mananon-tena an'i Solofo José, zioga navesatra tokoa nolanjainy. Aretin'ny voa, izay tsy azo ivalozana, no nahalavo an'izany voara ben'ny literatiora izany.

Androany sabotsy faha 15 febroary 2014 ny vata mangatsiakan-dRatompokolahy no miainga ao antranony ao Ampefiloha ary andrasana ao amin'ny Tranombokimpirenena Malagasy etsy Anosy, mialoha ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny EKAR St Vincent de Paul Ambatonilita rahampitso alahady faha 16 febroary 2014 amin’ny 01 ora atoandro. Rehefa izany dia aterina eny amin’ny fasan-drazany eny Andrambato Itaosy izy.

 
Toetra RAJA
poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021