Poeta tonga saina, mijoro, miavotra

Velakevitr'i Valiha Gasy sy Tana Miranty
Rita Ralamboarijaona — 11/12/2025

PoetawebsVelakevitra manaitra ny hambom-po ho tonga poeta misongadina eo amin'ny fiarahamonina no nanakoako tao amin'ny Efitrano DOX, tranombokim-pirenena ny alarobia 10 desambra 2025.

‎ "Ny tombam-bidin'ny literatiora miohatra amin'ny zavakanto hafa" no nohazavain'i Valiha Gasy, mpianatra mpikaroka, mpandalina literatiora sy lahabolana malagasy. Tana Miranty, Poeta, mpanoratra, Mpampianatra kosa no nampahafantatra "Ny tambin-karaman'ny poeta na mpanoratra".

‎Nosafidin'izy ireo manokana ny  lohahevitra  noho ny fiheverana fa ny sorakanto amin'ny fijerin'ny ankamaroan'ny olona dia fialamboly sy famoahana fihetseham-po fotsiny ihany. Tsapa anefa ny fahasarotana atrehin'ny mpanoratra eo am-pamoronana ny sorakanto. Ny tanjona àry dia ny hampahafantarana ireo antony lehibe tokony hahalafo vidy kokoa ny sorakanto miohatra amin'ny hira, dihy, sary... Miantefa amin'ny mpanoratra, mpihaino, mpamaky, mpikaroka ary ho an'ny ambaratongam-pahefana sy ny fanjakana izany. Mbola kitay lavitry ny afo eto amintsika  manko ny mpanao tsikera amin'ny tontolon'ny kanto.

‎Ireny antony lehibe ireny no tokony hahalafo vidy indrindra ny sorakanto miohatra amin'ireo zavakanto hafa. Zava-dehibe ny maha angaly azy dia ny retsi-po,  akon-tadidy na aingam-panahy, mpitondra hira, sivan'ny saina,... ranomainty sy ny vakiraoka iraketana azy.

‎Ny hanombanam-bidy ny sorakanto araka izany dia ny fahefana mankany amin'ny ho avy, ny fahefana mandresy lahatra, ny fahefana manasitrana mitondra amin'ny finoana sy fanantenana.

‎Sosokevitra avy amin'ny mpanao velakevitra ny tokony hisian'ny vidim-pidirana amin'ny hetsika poetika. Tokony handoa vola ireo mpanao gazety amin'ny lahatsoratra sy sary avoakany mahakasika ny hetsika sy ilay mpanoratra satria mahazo vola izy ireo amin'ny vaovao avoakany amin'ny gazety.

‎Nisy tamin'ireo mpanatrika ny velakevitra no niombon-kevitra tamin'izany fiheverana izany. Nisy kosa anefa ireo nilaza fa miainga amin'ny andran-tsira maimaim-poana aloha vao manjifa ny vokatry ny famoronana ny olona rehefa maheno ny tsirony.
‎Tsikaritra  tamin'ity hetsika ity tokoa fa tonga saina ny poeta, hany ka mijoro ho olona manana ny maha izy azy ary miezaka ny hiavotra hitovy amin'ny mpikanto samihafa.

Poetawebs
Nirihaja, nanokatra sy namarana ny fotoana

Poetawebs
Valiha Gasy teo amin'ny velakevitra

Poetawebs
Valiha Gasy nandresy lahatra

Poetawebs
Tana Miranty teo amin'ny velakevitra

Poetawebs
Tana Miranty niantsa tononkalo
nandrenesana ny poeta mitolona

Teo amin'ny fanontaniana
Poetawebs
Tombam-bidy sy kalitao

Poetawebs
Hetsika mpanoratra maimaimpoana vitsy mpijery
Hetsika mpihira andoavam-bola be mpijery
Inona no antony?
 
Poetawebs
Mpanoratra ao amin'ny rafitra OMDA
Sao dia tokony hiova rafitra?

Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary : Hery Rakotonirainy
• Poeta tonga saina, mijoro, miavotra

Ajouter un commentaire

 
×