Créer un site internet
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 aogositra 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja
 
Fantaro i

Josefa ANDRIANAIVORAVELONA

(1835-1897)
Poeta
Mpitandrina
Mpamoron-kira
Mpikabary
Mpandala ny teny malagasy

— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo —

Hoy i Josefa Andrianaivoravelona - tamin’ny sora-tanany - "Alao hery fa azontsika ny fandresena e !" raha nitantara ny lalan-tsarotra nodiaviny nandritra ny fanenjehana ny fivavahana Kristiana izy (1835-1861).

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MANDIA
Teraka ny 1 Janoary 1835 tao Ambohitromby renivohitry ny Andrianamboninolona i Andriantseheno izay niova anarana ho Josefa Andrianaivoravelona taty aoriana. Fotoana nampieritreritra tokoa tamin’izany satria sady zoma ny andro no mbola maizina antoandro ihany koa. Toa fambara mialoha ny fahamaizinana hitranga vetivety teo amin’ny fiainany ny fahitana taratra izany. Nanao kabary fandrarana ny fivavahana kristiana mantsy Ranavalona I ny 1 marsa 1835 izany hoe roa volana taorian’io fotoana io.

Mpiandry ny omby aman’ondrin-draibeny izy teo amin’ny fahazazany. Maro ireo  asa fanao teny ambanivohitra izay nirotsahany toy ny taozavatra, fanefena vilany tany, fandrariana harona, famolesana landy. Namorona tsilaolao nahafinaritra hatrany izy nandritra izany ary fanaony ihany koa ny nitsoka zavamaneno. Ireny anjara raharaha sy zavamaneno ireny no nanefy azy teo amin’ny fiatrehana ny fiainana taty aoriana.

Ny 1845 dia nalain’ny zokiny nipetraka tany aminy izy ka nomena anjara asa mpiandry raharaha sy mpitsena tao atsinanan-drova. Nianatra namaky teny sy nanoratra izy tamin’izany fa tsy nety nahay velively, hany ka nijanona tsy nianatra intsony. Nanonofy nahita ny litera rehetra A hatramin’ny Z vita soratra fotsy teny amin’ny lanitra  manga anefa izy ny taona 1846. Tadidiny tsara ny litera tsirairay ka nosoratany tamin’ny horona teo amin’ny feny sy ny ranjony ny abidia ary natanjozotrany hatrany amin’ny hato-tongony izany. Naka toky tamin’olona mihitsy ny lehilahy ny amin’ny fomba famakiana teny, hany ka nahavaky soratra ihany rehefa nikiry aoka izany. Nomena teny lavalava tamin’ny solaitra mikasika ny fivavahana izy hovakiny tamin'ny 1847. Nilentika tao am-pony mandra-maty anefa ny andinin-teny voavakiny nanao hoe: "Aza manao ratsy fa mahatezitra Azy izany" (ANDRIANAIVORAVELONA J., 1921)

 Nivaro-tsavony teo Amboanonoka - toerana atsimo andrefan-drova - izy ny 1848-1851; na izany aza anefa dia nentin’Andriamanjato lehiben’ny Andrianamboninolona nanaraka azy ka nahazo vola tamin’ny fanoratana teny Andohalo, Analakely, Mahamasina satria tsara sady milamina ny sora-tanany.

Ny 1852-1853 dia nanaraka an-jokiny tany Fianarantsoa indray izy nefa tsy nahazo vola fa nahazo aretina aza. Nivarotra enta-madinika tao Amboanonoka indray izy ny 1853-1855 nony tafaverina. Tonga fatra-pitia namaky soratra printy loatra i Josefa Andrianaivoravelona tao anatin’ireo taona ireo ka satriny hamaky azy mandrakariva. Fitsimponana taratasy fonon’entana mbamin’ny potipoti-taratasy teny rehetra teny, famakiana sy fandinihana izany no nataony anton-draharaha. Koa na dia tsy azony aza ny hevitry ny teny voalaza dia nangorakoraka ny fony; ary tsy fantany velively izay antony nahatonga izany. Araka ny fiheverany dia mety manakaiky ny fotoana hanehoan’Andriamanitra azy ny teny famonjena ka ny Fanahy Masina no mampiomana ny fony handraisany izany am-pitiavana. Samy mety ho marina ireo hevitra ireo satria ny fanoratana tononkalo hanjary hira sy ny fitoriana ny Filazantsara no fanompoam-panahy maminy sy nampahery azy indrindra taty aoriana. Lova soa navelany ho an’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina malagasy izany.

 

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MANAM-POTOTRA
Zazamarolahy tompomenakely avy any Antanetibe Ambodin’Angavokely ny lafin-drainy, Andrianamboninolona avy any Ambohitromby kosa ny lafin-dreniny. Andrianavalonatomponiloharano (1745-1810) no razambeny izay voalaza fa nateraky Ramorabe reniben’Andrianampoinimerina. Mazava ho azy fa niara-belona tamin’Andrianampoinimerina ny fototra nipoirany. Razakandriatsilavo sy Rabodonavalona kosa  no raibe sy reniben’i Josefa Andrianaivoravelona avy amin-drainy. Nonina tao Ambohitromby izy ireo sady nitondra ny foko tao mihitsy. Efatra mianadahy no naterany dia Andrianavalona, Andriankolo, Andriantsalama ary Ravao.

Andrianavalona no ray niteraka an’i Josefa Andrianaivoravelona; Razafy na Razafimalala kosa no reniny. Maro mpiray tampo izy ireo no naterak’izy mivady toa an-dRasoa, Rainivelo, Razandrina, Andrianambahy, Rainimiandrisoa na Rasoamaka, mpitandrina tao Ambohitromby, Rangory, Rainibozaka na Andriantseheno izay novana anarana ho Josefa Andrianaivoravelona, Raketaka na Ranosy, Rainijaona manamboninahitra tany Fianarantsoa, Rainiketamanga na Rafaralahy, Rafarandriana na Rasoafara, Rainizanabahiny na Rafaralahivahiny ary Rapatsa.

Na dia nilevina tao Ambohitromby aza Razakandriantsilavo raibeny taty aoriana dia nanao fanekena tamin’ny mpiray lova taminy Andrianavalona rainy nanao hoe: "Rasoamaka zanako no hitondra ny anaran’ny razana any fa izaho tsy mahafoy an’Ambohitromby, ka dia mangataka andro kely vao nody tany izy". (ANDRIANAIVORAVELONA J., 1921). Nony vita anefa ny fanekena dia tsy nitodi-doha tany akory Rasoamaka satria tsy foiny indray ny fiainana tao Ambohitromby. Tezitra ireo mpiray lova tamin’Andrianavalona ka nilaza fa:

"Ny razana tsy tianao nefa ny fananan-drazana lasanao, ka dia alaiko avokoa ny andevo rehetra tamin’Andrianavalonatomponiloharano sady lova tsy voazara rahateo ireo; koa izay mamelo-maso no tompony" (ANDRIANAIVORAVELONA J., 1921).

Lasan’ireo mpiray lova avokoa ny andevon-drazana 11. Na izany aza dia mbola tsaroan’ireo menakely tao Antanetibe ny hoe: taranak’Andrianavalonatomponiloharano ihany koa izy ireo nony nitsidika tany i Josefa Andrianaivoravelona na ny sasany tamin’ny fianakaviana; ary itenenan’izy ireo mandrakariva  hoe: "Zanaky ny Tomponay re!"

Tantaran’Andrianamboninolona

Tsara ihany ny manasongadina ny tantaran’Andrianamboninolona izay niavian’i Josefa Andrianaivoravelona amin’izao fampahafantarana ny lalam-piainany izao.

Andriamananitany zandrin’Andriamanelo no nanjaka voalohany nalaza tamin’ny fanjakana Hova (1567). Novonoin’ny vahoaka izy noho ny fialonan-jokiny azy. Nandositra irery ny zanany lahy Andrianamboninolona ary nonina tao Ambohitralantenaina ka tonga razan’ny foko tao. Mba tsy hanovana ny hafatry ny razana ny amin’ny fifandimbiasana eo anivon’ny fanjakana manao hoe "Ny alakamisy an’Andriamanelo, fa ny zoma an’Andriamananitany" (ANDRIANAIVORAVELONA J., 1921) anefa dia nalain’Andriamanelo Ratsitohina izay novana ho Ratsitotoimanjaka zanakavavin’Andrianamboninolona ary nampanambadiany an-dRalambo zanany. Hoy indrindra izy tamin’izany: "Aza manary havana ianao fa aoka ho kibo omby havana "(ANDRIANAIVORAVELONA J., 1921). Taty aoriana dia Andrianjaka zana-dRatsitotoimanjaka tamin-dRalambo no tonga mpanjaka nandimby an-dRainy noho izy nahavonjy ny tafika niantsoana azy sady izy no mpanjaka nalaza nanorina an’Antananarivo sy nanao azy ho renivohitry ny fanjakany.

Noho izany rehetra izany dia azo heverina fa Andrianamboninolona no loharanon’ny Andriana teto Imerina ary ny anaran’Ambohitromby izay Ambohitralantenaina fahizay dia avy amin’ny hoe Ambohitrombihavana na vohitry ny kibo omby havana. Tsikaritra fa anisan’ny foko fatra-piely indrindra manerana ny Nosy ny Andrianamboninolona ankehitriny.

Ankohonany

Ny 1856 i Josefa Andrianaivoravelona no nampakatra an’i Nery Ravelonanahary, Andrianamboninolona ho vady ary enina ambin’ny folo (16) mianadahy no naterak’izy mivady: sivy lahy sy fito vavy. Raketamanga (1861-1862), Estera Ratavy Razanabelona (1863-1937), Josefa Raveloson (1865- 1891), Razafinavalona Rainaivorambelona ( 1867-1868), Josefa Rakoto ( 1870-1882), Josefa Noa Rarinavalona (1871-1927), Josefa Rabetafika (1873-1955), Rakotovao (1875-1876), Jaona Rasolonaina ( 1876), Joseph Andrianaivoravelona (1877-1961), Rahantanavalona (1879-1953), Razafenatapanea (1881- 1949), Rasoarivelo (1883–1929), Ranerivelo (1885-1888), Ranarivelo (1887-1916), Julie Razananivo (1891-1917). Maromaro tamin’ireo zanany lahy no tonga Mpitandrina toa an-drainy: Josefa Raveloson Evanjelistra, Josefa R. Rarinavalona, Joseph Rabetafika, Joseph Andrianaivoravelona.

Hevitry ny anarana

   * Josefa
Anarana mamin’ny Jiosy sy Malagasy loatra ny Josefa. Misy olona 12 no mitondra ny anarana hoe Josefa ao amin’ny Baiboly: dimy (5) no ao amin’ny Testamenta taloha ary olona 7 samihafa no ao amin’ny Testamenta vaovao. Ny Malagasy ihany koa dia nankamamy izany anarana izany satria betsaka ireo fantatra amin’ny fiantso Rajosefa, sy Josefa.

Maro ny fomba Jiosy mitovy amin’ny fomba malagasy toy ny fiovana anarana. Abrama lasa hoe Abrahama; Saray lasa Saraha taty aoriana. Miova anarana toy izany koa ny Malagasy toa an-dRanovona niova ho Rainitiaray, Mpitandrina tao Amparibe; Ramahafadrahona niova ho Rainitrimo, Mpitandrina tao Avaratr’Andohalo ary Andriantseheno niova ho Andrianaivoravelona.

   * Seheno
Ny teny hoe Saheno niova ho Seheno dia ilazana olona tsy manana aretina fa salama sy finaritra avokoa ny vatany manontolo. Mitovy hevitra amin’ny hoe Salama ny Seheno saingy tsy fampiasa firy afa-tsy amin’ny anaran’olona ihany. Toy izao  no anavahana ny teny hoe salama sy seheno: ny salama dia ilazana toe-batana eo ho eo ihany na dia misy aretina mety mandalo aza; ny seheno kosa dia ilazana fahasalamana tanteraka eo amin’ny toe-batana.

  * Andrianaivoravelona
Fanakambanan-teny maro: Andriana + naivo + Ra + velona izany. Ilazana ny olona hajaina sy omen-kaja  ny Andriana. Ny zanaka eo antenantenany na eo afovoany kosa no lazaina fa naivo. Ny Ra indray dia mari-piantsoana ny lehilahy izay mitovy amin’ny hoe Andriamatoa. Ny velona indray dia firariantsoa atao amin’ny olona izay mievina. Tsy mifanalavitra ary mety ho tohin’ny anarana Andriantseheno ihany ny Andrianaivoravelona satria rehefa salama tanteraka ny olona dia azo antoka fa hateza ny fahavelomany.

Raha tomorina ny tantara dia  anisan’ireo Kristiana nirahina hankany Fianarantsoa i Josefa Andrianaivoravelona noho ny fanenjehana. Niery ombieny ombieny izy teny an-dalana ary alina vao tonga tany Fianarantsoa. Tsy nanam-po an’i Josefa Andrianaivoravelona mbola ho velona intsony anefa ny Kristiana fa efa nandre azy ho nosamborina ka novonoina. Tsy nampoizin’i Josefa Andrianaivoravelona ho nisy Fiangonana tao Fianarantsoa. Namantana tao an-tranon-dRafaralahindroso mivady izay Kristiana tany izy ka gaga nahita olona marobe tao an-tokantranon’izy ireo. Nony nahita azy anefa izy rehetra dia nifandrombaka niteny hoe: "velona ihany re velona ihany". Nifanitsy indrindra tamin’ny anarana hoe Andrianaivoravelona izany.

 
JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA NIOVA HO KRISTIANINA
Ny 1856 dia niova lalana ary nanana toe-panahy tsy neken’ny fiarahamonina nisy azy i Josefa Andrianaivoravelona satria nivily ho amin’ny fakana sy fampiasana ody mahery. Nasehony imason’olona mihitsy ny heriny sy ny fahaizany misorona. Nanjary mpisikidy sy mpanandro ny lehilahy ary natahoran’ny olona noho ny hakingany tamin’io sehatra io. Voalaza fa mpampihorohoro ireo Kristiana mihitsy aza izy tamin’izany fotoana izany.

Nampitady vady anefa i Josefa Andrianaivoravelona ny 1856 rehefa avy nanaraka an-dRabodonandrianampoinimerina teny Tsinjoarivo. Raketaka na Nery Ravelonanahary zanak’Andriantsimangidy avy any Ambohimarina sy Rahasinina (Rafotsy Ratoa) — vehivavy kristiana tsara toetra — efa voalaza tetsy aloha no nanaiky azy. Noesoin’ny mpiara-monina anefa izy satria noheverina ho mpilalao ody sy mpanenjika fivavahana. Gaga anefa izy indray andro raha nahita ireto olona mipetraka tao amin’ny rafozany miondrika mivavaka mialoha ny hisakafoana. Teo anatrehan’izany dia tsy naharitra izy ka nanontany ny Testamenta hovakiny tamin’ireto rafozany. Tsy tanany intsony ny faniriany hany ka nosavainy ny tao ambany kidoron’ireto ray aman-dreny ireto. Nahita lahatsoratra fampianarana avy amin’ny voalaza tao amin’ny Soratra Masina: Rom 12, IKor 13; Efes 5,6 izy tamin’izany. Natahotra mafy iretsy rafozany sao hanaparitaka izany Andriantseheno. Novakiny soa aman-tsara anefa izany ary nampiova fo azy ka nahatonga ny fanoloran-tenany ho amin’ny batisa. Nahita izany fiovany izany ny manodidina toa an-dRafotsy Ratoa sy Rafaravavy ka nilaza hoe:

"Isaorana anie Andriamanitra izay nifidy anao fa na dia tovolahy mahatahotra aza ianao dia nofidiny ho mpanompony" (ANDRIANAIVORAVELONA J., 1921).

Ny alahadin’io ihany, izany hoe ny 6 Marsa 1857, dia nentin’ireo voalaza ireo i Josefa Andrianaivoravelona hivavaka tao Atsimon’Imahamasina tao amin-dRainivomanga. Mbola tsy nahalala fomba loatra anefa izy ka nipetraka teny aloha ary nanezaka nihira mafy na dia tsy hainy akory aza ny hira. Revon-kafaliana loatra izy tamin’izany ka tsy nahoany izay olona nijerijery sy nihomehy azy. Tamin’izany no nanolorany tena ho amin’ny batisa sy fandraisana ny fanasan’ny Tompo voalohany ary nitondrany anaram-baovao Josefa Andrianaivoravelona.

Taty aoriana dia nankany Fianarantsoa izy ka niara-niangona tamin’ny Kristiana tao saingy raiki-tahotra ny olona tao satria mbola tsy nahalala ny fiovam-pony.

 
JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MPITORITENY

Tamin’ny fotoanan’ny fanenjehana dia nitoriteny nanatanjaka ny finoan’ny namany i Josefa Andrianaivoravelona. Niovaova hatrany ireo toerana niafenan’izy ireo nanatontosany fotoam-pivavahana. Nankany Fianarantsoa izy ary dia an-tongotra, nanavatsava tendrombohitra, toerana feno jiolahy no nizorany. Hira fiderana hatrany no nataony nandritra izany. Vomanga na mangahazo no nohaniny amin’ny antoandro; misy mampiantrano kosa izy rehefa tonga ny alina. Naharitra efa-bolana i Josefa Andrianaivoravelona no nitarika fanompoam-pivavahana isaky ny tokantrano samihafa nony tonga tao Fianarantsoa. Tsy ela taorian’izay dia nitombo fatratra ireo resy lahatra ka niroso tamin’ny fananganana ny trano Fiangonana tao Ambatosiahina izay Fiangonana voalohany tao Fianarantsoa.

Taorian’ny fahafatesan-dRanavalona I dia efa mpitoriteny mpanampy ny Misionera tao Ambatonakanga izy. Voafidy ho Mpitandrina tao amin’ny Fiangonana Ambonin’Ampamarinana i Josefa Andrianaivoravelona ny alarobia 31 Oktobra 1866. Izy no anisan’ny Malagasy nitondra voalohany io Fiangonana io raha Misionera vahiny hatrany no nitarika izany teo aloha. Noho izany, tsy tena nandray andraikitra feno izy fa mpanampy ihany ary tanana ankavanan’i Rev Briggs izay niandraikitra ny zana-piangonana. Marihina moa fa i Rev Briggs no nitondra ny Fiangonana Ambonin’Ampamarinana nanomboka ny 11 jona 1864 ary naharitra 18 taona tao.

Ankoatra izany andraikitra notanany izany dia voafidy ho mpitoriteny tao amin’ny Fiangonana tao an-dRova niaraka tamin’i Andriambelo sy Rainimanga Rahanamy izy. Nampiaiky ny maro izy rehefa mitoriteny ka hoy i Rev Cousins: "Tsy hadinoko na oviana na oviana ny toriteny anankiray hoe "Itafio Jesoa Kristy Tompo"", ary indray mandeha aho nandre azy nilaza ny tantaran’i Samsona tamin’ny fomba tsy mbola reko na oviana na oviana" (Raveloson, 1961, tak 121-122)

Nanorina ny Fiangonana tao Ambohitrombihavana tanindrazany ny lehilahy ny 1867 ary voatendry ho mpitaiza ara-panahy ny mpanjaka Ranavalona II sy Ranavalona III.

Ny  talata 6 Avrily 1869 no nisokafan’ny Kolejy L.M.S "Theological Institution". Trano hazo tafo-bozaka teo avaratra atsinanan'Andohalo izay misy ny Fiangonana Anglikana ankehitriny no nitoeran’izany. Anisan’ireo mpianatra 35 nisoratra anarana sy voaray i Josefa Andrianaivoravelona. Fampianarana feno no voarain’izy ireo tamin’izany toy ny Jeografia, fitsipika, fandalinana, teny anglisy, kajy, siansa, filozofia, moraly, homiletika, tantaran’ny Fiangonana Kristiana, Teolojia. Koa na dia mbola tsy nahay loatra aza Andrianaivoravelona fony izy nantsoina tao dia tonga niavaka tamin’ireo mpiara-nianatra taminy izy noho ny fitozoany mafy tamin’ny fianarana. Nirehareha taminy mihitsy ireo mpampianatra ary nolazaina fa sangan’Antananarivo teo amin’ny hakingan-tsaina sy ny fahalalana. Niavaka mantsy ny lehilahy teo amin’ny fomba fianatra satria an-kavitsiana no fotoana nandraisany an-tsoratra ny lesona na ny fanazavana fa vitan’ny fihainoana avokoa ny fianarana rehetra. Nony nivoaka tao amin’io toeram-piofanana io izy ny 1873 dia nitana ny laharana voalohany. Vao mainka nihanivelatra ny fahaiza-mitoriteny taorian’izany. Hoy indrindra i G. Mondain: "Andrianaivoravelona dia mpitoriteny nankafizin’ny olona fatratra" (Rakotomahandry S., 1966, tak 38)

Niaiky ny fahaizany mihitsy ny mpanjakavavy ka nanao hoe: "Izy no mpitandriko manokana" (ANDRIANAIVORAVELONA, 1966, tak 38). Tsy teto an-toerana ihany fa nanako hatrany am-pita ny fahaizany mitoriteny, ka hoy ry zareo Anglisy hoe: "Spurgeon Malagasy" (ANDRIANAIVORAVELONA, 1966, tak 38). Teo anatrehan’izany indrindra dia voafidy mitoriteny farany hatrany izy amin’ny fotoanan’ny isan’enimbolana. Tsy mba namaky na nanomana firy ny toriteniny izy fa mazàna eo am-piomanana maraina no hamakiany andinin-tsoratra Masina hotoriany. Indraindray aza hadinony ny sakafo maraina noho ny andinin-tsoratra masina nanetsika ny fony. Mahasondriana ny filazan’ny mpandinika ny fihetsiny: "Eny an-dalana mankany am-piangonana izy mbola mihevi-teny ihany, mibaby tanana, mitsapa tratra, mihevinkevin-doha kely, ka tsy reny hatramin’ny arahaban’ny olona. Tsarava tompoko hoy ilay nifanena taminy indray mandeha ka teny mahatsikaiky no navaliny hoe: "miambena ô!" (Raveloson, 1961, tak 122).

Ankoatra izany, na tampohina aza izy ka tsy omena fotoana anomanana ny toriteny dia mbola mahavita toriteny tsara ihany. Rehefa mampita hafatra i Josefa Andrianaivoravelona dia matetika no manao tantara ary mampifandray izany amin’ny hevi-dehiben’ny toriteny. Lazainy amin’ny feo mafy ary averimberiny izay hevitra mafonja ary mandona latabatra matetika ihany koa izy, hany ka mifantoka sy babo ny mpihaino.

Nanaporofo ny fahaizany nitoriteny ny fahamaroan’ireo olona nanolo-tena ho Kristiana taorian’ny fandrenesana izany hafatra izany nandritra ny diany tany Antsihanaka ny 12-22 Aogositra 1893. Hainy loatra ny nanova ny teny toriny izay an-kandrina ny ankamaroany, hany ka mahasintona hatrany ny olona ny hevitra ampitainy. Nahatratra 210 ny isan’ny olona nanaiky natao batisa nandritra izany.

Maharitra 15 minitra ny faharetan’ny toriteny ataony isam-piangonana ary nisy fotoana aza efa nahavita nitory in-14 izy. Samy hafa avokoa anefa ny vontoatin’ireo toriteny rehetra ireo.

Raha zohina dia mpanorina  izy ary Mpitandrina ny Fiangonana tao  Anatirova, Ambonin’ Ampamarinana, tany Fianarantsoa, Fiangonana malagasy tany La Réunion.

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MISAHANA
Nanam-pifandraisana tamin’ireo mpitondra izy: anisan’izany ny fampianarany ireo mpitsoka mozika tao an-dRova, ny fifandraisana tamin’ireo Mpanjaka Kristiana nifandimby, ny Praiminisitra nifandimby. Voaporofo ihany koa fa nifanakaiky sy nifankahazo i Josefa Andrianaivoravelona sy Rakotondradama. Nisy bokim-pivavahana tonga avy tany andafy nentin’ny Kristiana taty Antananarivo ary tratran’ny mpitsikilon-dRanavalona I. Nomen’ny mpitsikilo an-dRakotondradama anefa izany mba hodorany saingy tsy nodoran’ny zanak’Andriana ny boky fa nomeny an’i Josefa Andrianaivoravelona. Ity farany indray avy eo no nanaparitaka azy tamin’ny Kristiana tany am-pierena.

Notendrena ho Tandapa 12 voninahitra izy ary anisan’ny olom-pantatra indrindra tao an-dRova. Marihina fa ny Tandapa dia manam-boninahitra mahazo miditra ny Rova ambony na ny faritra misy an’i Tsarahafatra, Mahitsielafanjaka, Manampisoa.

Rehefa tonga ny mpanjana-tany dia nisy fanovana ny fomba fiasa tao an-dRova. Ireo olona akaikin’ny mpitondra malagasy fahiny no niezahan’ny Frantsay nailika voalohany mba tsy hanelingelina azy. Ny famongorana ny fihetsiketsehan’ny Menalamba no tena tanjon’ny Frantsa ka tsy nanavahana fa izay nahina dia naripaka avokoa. Voampanga ho nifampiraharaha sy nampitondra taratasy nahitana sonia JA tamin’ny Menalamba mantsy izy saingy tsy izy velively no nanao izany. Teo anatrehan’izany dia nosamborina izy ny 24 Febroary 1897. Noho ny fanelanelanan’i Pastera Benjamin Escande tamin’ny mpitondra frantsay anefa dia tsy notsaraina  hotifirina  toa an’i Printsy  Ramahatra sy Ratsimamanga ary ny Governora Rainandriamampandry izy fa avy hatrany dia nalefa sesitany tany Saint Denis La Réunion.

 

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MANDALA NY TENY MALAGASY
Na dia efa voadika tamin’ny teny malagasy aza ny Baiboly ny 21 Jona 1835 dia mbola tsapan’ireo Misionera fa somary nikaviavia ny dikan-teny malagasy ary tokony ho nasiam-panitsiana. Baiboly tamin’ny teny Anglisy no nadika teny malagasy voalohany. Taty aoriana dia teny Grika sy Latina izay tany am-piandohana mihitsy no nalaina nandikana izany tamin’ny teny malagasy. Maro ireo Malagasy sy vahiny nandray anjara tamin’ny fanitsiana ny Baiboly saingy i Josefa Andrianaivoravelona irery no naharitra hatramin’ny farany (1873-1887). Nisy fanitsiana indroa nivoaka ka ny 28 oktobra 1885 ny voalohany ary 30 avrily 1887 kosa no vita ny fanitsiana faharoa. Nahefa be izy tamin’izany ary maro ny hevitra naposany tamin’ny fanitsiana ny teny malagasy tao amin’ny Baiboly. Nivory imbetsaka izy nandritra ny 13 taona sy  4 volana. Nambaran’ny Misionera toa an-dry Cousins aza fa diksionera velona izy tamin’ny fahaizany mampirindra ny teny malagasy ao amin’ny Baiboly. Hoy indrindra Ingahy Ratrema Mpitandrina: "Andrianaivoravelona rainy no fototry ny firindran’ny teny malagasy ao amin’ny Baiboly". Hoy kosa i Rev. Cousins: "J. Andrianaivoravelona rainy no Malagasy mpanampy tsara indrindra sady matetika izy no fierana tamin’ny zava-tsarotra momba ny teny malagasy" (Rakotomahandry S., 1966, tak 36).

Niara-niasa tamin’i Réverend Richardson izy tamin’ny famoahana ny Diksionera Malagasy-Anglisy ny 1885 ary noderain'ity Misionera ity izy noho ny haranitan-tsainy.

Namoaka lahatsoratra matetika tao amin’ny Gazety Teny soa izy ary niavaka indrindra tamin’ireny ny "Antsibe atsipin’ny manam-panahy". Hafatra roa lehibe no nambarany tamin’izany. Voalohany indrindra ny hafatra ho an’ny zatovo izay tokony handanjalanja ny fomba fiaina sy fitondran-tena mba hahafahana mitsinjo ny any aoriana. Hoy indrindra izy hoe: "Mihafia amin’izay azo ihafiana" (Teny Soa, Desambra 1880, tak 88). Fanampin’izany dia nisy ny lahatsoratra nampitana hafatra ho an’ny manambady ka nizarany fahalalana ny amin’ny trano tokony hitokanana, ny fananana enti-mitokana ary ny mpivady tompon’ny trano. Hoy indrindra izy amin’izany: "Mifandefera, fa izay mahery mandefitra tsy maintsy maharesy" (Teny Soa, Fevrie 1890 tak 101). Ankoatra ireo dia nambarany fa tsara indrindra raha mitovitovy fomba fijery sy fiaina ny olona tokony hivady mba tsy hisian’ny elanelana amin’izy ireo. Hoy indrindra ny voalaza: "Fa raha ny mitovitovy toetra kosa no mivady dia mahafinaritra kosa ireto izy, tahaka ny zaza mifanarakaraka, ka tsy ady fa angolangola" (Teny Soa, 1890, tak 98). Rehefa miombom-po sy saina mantsy ny mpivady dia manjaka eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fiadanana ka ilazany hoe: "Ny fiadanana dia zavatra irina indrindra na ny ho amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy; samy maniry hahazo izany avokoa ny olombelona rehetra". (Teny Soa, 1890, tak 90).

Na eo aza ny fifotorana tamin’ny teny malagasy dia mahafehy tenim-pirenena vahiny i Josefa Andrianaivoravelona. Havanana tokoa izy amin’ny teny Anglisy ka na dia tsy nahavita Diksionera nitondra ny anarany aza izy dia ny tenany mihitsy no nanitsy ny dikan’ny Diksionera Anglisy-Malagasy/Malagasy-Anglisy.

Diksionera velona, hoy isika tetsy ambony, no anarana nomen’ireo vazaha azy tamin’ny fanitsiana ny dikan’ny Baiboly. Nanana anjara betsaka ihany koa izy tamin’ny fandikana ny boky malaza antsoina hoe : "Dian’ny mpivahiny".

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MANAN-TALENTA
Hoy ny Misionera Norveziana Johnson nilaza ny hakanton’ny famoronany: "Na taiza na taiza nalehako ka sendra nandre ny olona nihira ny hirany aho dia nahavatra mihitsy nijajirika nihaino izany". Loa-bolana mihitsy i Miss Bliss ka nilaza fa "samy hainy ny namorona tononkira mifanandrify amin’ny toe-javatra kendrena sy amin’ny fotoan-dehibe mitranga" (Rakotomahandry S., 1966, tak 32). Iray volana sy tapany taorian’ny namoronan’i Josefa Andrianaivoravelona ity tononkalo ity dia lasa zanatany Frantsay i MADAGASIKARA.
 
  Madagasikara
Tanindrazanay
Efa voazara
Ka anjaranay
Foinao zanahary
Ho an-drazanay
Laha-janahary
mba ho lovanay

Madagasikara
Zara-taninay
Nosy voazara
Eto no anay
Vady, tena aina
Tsy mba foy tokoa
Zanaka malala
Sombin’aina koa !

Madagasikara
tena lova soa
eto no anjara
lovanay tokoa
hianao Jehovah
Efa nanome
Tompo tsy miova
Ka mba mamonje

Madagasikara
Hilevenanay
Paradisa tsara
Ho fodianay
Na ho fatin-tsento
Tsy hafoy ity
Raha maty eto
Mody ho àry
(Rakotomahandry S., 1966, tak 33)
   

 

 

Tamin’ny 1894 dia nisy fifaninanana nampanaovin’ny Gazety "Fiangonana sy Sekoly" hahafantarana izay hiram-pivavahana tsara indrindra. Nandray anjara tamin’izany Ranavalona III sy ny Praiminisitra. Nahazo loka kosa i Josefa Andrianaivoravelona tamin’ilay hira hoe "Jesoa Tompo lehibe".
Nambaran’i Rev Cousins mihitsy aza izy hoe: "Tompon’ny teny malagasy, Rain’ny Poeta malagasy". (ANDRIANAIVORAVELONA J., 1921)

Tamin’ny fahatongavan-dRtoa Leavitt Vehivavy Amerikana izay nanorina ny fikambanana vehivavy mpifady toaka ny 1888 dia namorona ny hira hoe "Ry namako mahantra izy".
Hita tamin’ny famoronany rehetra fa tena iainany ny literatiora ary izy aloha no resy lahatra voalohany amin’izay ambarany, mialoha ny hampitany izany amin’ny hafa. Hainy ny nitazona ny foto-kevitra kristiana tsy hivily lalana ho amin’ny faharatsiana. Hainy ihany koa anefa ny nivoy ny fampianarana sy fananarana ho an’ny mpiara-belona aminy. Nasehony fa azo ampifandraisina tsara ny fiainana ara-panahy sy ny zava-misy iainan’ny fiarahamonina. Midadasika araka izany ny sehatra namoahan’ny pôeta ny aingam-panahiny.

Ankoatra ny fanoratana dia havanana teo amin’ny sehatry ny fandaharan-teny i Josefa Andrianaivoravelona ary mpikabary nikoizana. Tia mozika fatratra izy ary hainy avokoa ny mitendry ny karazan-kira malagasy rehetra. Manampy izany ny fahaizany solfa sy naoty. Karazan-javamaneno isan-karazany no tendreny toy ny valiha, lokanga, orga. Voambara fa misy feon-kira fotsiny no noforoniny. Tsikaritra koa anefa ny famoronany tonony sy feony miaraka. Voamarina fa  gadon-kira teo anelanelan’ny hira vahiny sy ny zafindraony ny noforonin’i Josefa Andrianaivoravelona. Feo falifaly kanefa somary mitaraindraina izay mahatorotoro ny fon’ny mpihaino no mampiavaka ny feon-kirany. Mahavariana ny maro ihany koa ny fahaizany mamorona tononkalo manjary hira izay mifandraika indrindra amin’ny fotoan-dehibe lalovana. Porofon’izany ny hira  "Miely lavitra any" izay noforoniny amin’ny fivoriamben’ny isan’enimbolana.

 
"Miely lavitra any
 Ny olo-marobe
 Koa iza no hankany
 Hamonjy azy re,
 Hanorina sekoly
 Hitory teny koa
 Hamaky ny Baiboly
 Milaza zava-tsoa"
 FFPM 311

Mpamoron-kira nahatalanjona ny maro i Josefa Andrianaivoravelona satria 36 no isan’ny hirany ao amin’ny fihirana FFPM. Noho izany talentany izany dia nantsoin’ny Praiminisitra Rainivoninahitriniony izy mba ho mpampianatra ny mpitsoka mozikany tao Andafiavaratra. Ny hirany tian’ny olona indrindra izay noforoniny tamin’ny 1894 dia ny "Jesoa Tompo lehibe".

Nanoratra hatramin’ny ora farany nahafatesany i Josefa Andrianaivoravelona fony izy natao sesintany tany Saint-Denis La Réunion. Hira fanoloran-tena ho an’Andriamanitra feno satria fiomanana sahady ny tontolo vaovao izay hidirany izany.

 
"Raiso ho Anao ny foko
 Ry Jehovah Raiko ô
 Mitoera aty ampoko
 Mba ho tompon-trano ao
 O ry Raiko, o! ry Raiko!
 Mitoera ao izao"
 FFPM 443

Natolony ny zanany roalahy - Joseph Rabetafika sy Joseph Andrianaivoravelona - nandranto fianarana tany Frantsa (1896-1898) izany hira izany. Marihina fa tsy nahita ny fahafatesan-drainy akory ireto zanany ireto.

Efa voatahiry amin’ny raki-kira ankehitriny ny sangan’asan’i Josefa Andrianaivoravelona (kapila manjelatra sy horonam-peo).

Raha fehezina dia anisan’ny fototry ny famoronana Poezia teto Madagasikara ny famoronana tononkira nataon’i J. Andrianaivoravelona.

 

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA NANDAO
Tsy nazava loatra ny antony nahafatesan’i Josefa Andrianaivoravelona ny 1 Aogositra 1897. Nambara mantsy ny fahalasanany tampoka. Toy izao no teniny farany ny alahady tamin’ny 4 ora maraina: "Ray ô! Raha tsy mbola vita ny asako, sitrano aho; rehefa ampy kosa izay, raiso aho ho any Aminao" (RAVELOSON, 1961, tak 128). Mora dia mora ny fialany aina satria toy ny natory sy niala sasatra. Rehefa natao anefa ny fandinihana dia tsy marim-pototra izany fahafatesana izany satria ora telo monja no elanelanam-potoana nahafatesan’i Josefa Andrianaivoravelona sy Razanakombana minisitry ny lalàna tamin’ny andron-dRanavalona III izay niara-nalefa an-tsesitany taminy. Nialoha ny nahafatesan-dRazanakombana dia toy izao no nambarany: "Lasa Andrianaivo sakaizako! Amboary ny fandrianako fa mbola handeha koa aho" (RAVELOSON, 1961, tak 128). Niara-nonina tao amin’ny trano iray tao Saint-Denis La Réunion anefa izy ireo. Tsy dia mitombina loatra araka izany ny fahafatesan’olona roa ao anatin’ny fotoana tsy nifanalavitra loatra. Ny zava-misy fantatra dia ny fihazakazahan’i Gallieni namono ireo Andriam-baventy izay natahorana hamerina indray ny Fanjakana Hova. Novonoina mivantana ry Printsy Ratsimamanga sy ny Governora Rainandriamampandry.

Na izany aza anefa dia efa nandindona an’i Josefa Andrianaivoravelona ihany ny nahafatesany ka nahatonga azy namorona ny soratra maneho fanoloran-tena izay nambara tetsy aloha.

 
JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MIKALO
Mambabo olona maro tokoa ny hafatry ny kalon’i Josefa Andrianaivoravelona. Tsy voatery ho an’ireo izay efa mino an’Andriamanitra ihany akory izany fa na ny tsy mpino ihany koa aza.

Ny fiantorahana tanteraka amin’Andriamanitra no hevitra mafonja ao amin’ny tononkalony izay nanjary tononkira. Zava-dehibe teo amin’ny fiainana kristiana ny fahafahana miresaka amin’Andriamanitra.

Ny fiantsoana an’Andriamanitra no voalohany indrindra amin’izany izay midika fianteherana sy fangatahana azy hihaino ny resaka ifanaovana aminy. Ny olombelona no manatanteraka izany mba hanehoana fa tsy mahavita tena irery izy fa miankina amin’ilay hery tsy hita izay heverina fa manampy sy manohana eo amin’izay atao.

 
"Hianao Jehovah Tompo!
 No hatoninay izao
 Avy izahay hanompo
 Sy hanao ny sitrakao
 Indro raiso
 Raiso ho anao ‘zahay"
 FFPM 609

Tsy takatry ny saina sy tsy voafaritry ny eritreritra ny tranga samihafa mitobaka eo amin’ny fiainana, indrindra raha misy fahasoavana miharihary. Eo anatrehan’izany no isaorana an’Andriamanitra satria Izy no heverina fa tompon’ny fandaminana.
 
"Ry Tomponay mandraisa
 Ny haja entinay
 Tsy volamena anefa
 Fa saotra aterinay
 Ry Jeso Tompo soa!
 Isaoranay hianao
 Fa lehibe tokoa
 Ny fitiavanao"
 FFPM 45

Na izany aza anefa dia miantso ny olona hitodika aminy Andriamanitra mba hiorina amin’ny finoana bebe kokoa ahafahana mampivoatra ny fiainana ka ilazany hoe:
 
"Jeso Tompo eo am-pita
 Ka miantso hoe: Avia!
 Izy koa no mampita
 ka manao hoe: Matokia!"
 FFPM 507

Tsy afa-misaraka amin’ny fiantorahana amin’Andriamanitra ny fangataham-pitahiana eo amin’izay heverina hotanterahina satria zava-dehibe ny fiarovana sy ny fanoloran-tsaina manoloana ny ady mafy hatrehina.
 
"Mba tantano sy arovy
 Fa malemy izahay
 He marary sy farofy
 Hianao no herinay
 Ody aina
 Hitsaboanao anay"
 FFPM 609

Tsikaritra amin’ny kalon’i Josefa Andrianaivoravelona ny fanentanana ny mpiara-belona indrindra ny ray aman-dreny hahay hitaiza sy hikoloko ny taranany. Toro-lalana samihafa manoro azy ireo ny fomba fitaizana sy fanabeazana mahomby no hita taratra amin’izany.
 
"Ray sy reny! Mananara
 Aza mampanaram-po
 Manomeza teny tsara
 Fa ny zaza hankato
 Aza avela mba hanompa
 Aoka hotezainareo
 Mampahory raha manota
 Aoka tsy hafoinareo"
 FFPM 781

Ambaran’i Josefa Andrianaivoravelona fa zava-tsarobidy ny fanambadiana ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Ny fifanajana sy ny fiombonana ho iray no fototra manamafy izany. Tsy ho tratran’ny olon-droa anefa ny tanjona tratrarina raha tsy mandanjalanja izay fihetsika sy fiteny ifanaovana izy ireo.
 
"Ho fanahy mifandanja
 Sady tsy ho toy ny roa
 Ho mpivady mifanaja
 Sady mifanisy soa
 Akambano
 Mba ho iray tokoa"
 FFPM 703

Ankoatra ireo dia nanentana ny olona hifady ny fisotroana toaka ny Poeta. Amin’ny maha mpitarika azy teo amin’ny fifadiana ny zava-mahamamo dia hita taratra amin’ny sorany izany. Aminy dia tsy mahasoa ny vatana sy ny saina ary indrindra mampikororosy ny fiainam-panahy ny fandraisana ny zava-pisotro misy alikaola. Nony nampidirina tao amin’ny fihirana FFPM anefa izany tononkira izany dia nasiam-panovana ny voambolana hoe toaka izay nosoloina ho ota.
 
"Ry namako mahantra
 Manaram-po izao!
 Ny ota no mandratra
 Sao simba hianao
 Izay anao rehetra
 Ho lasa avoko
 Fa tsy mba hisy fetra
 Ho levona avokoa"
 FFPM 355

Hita taratra tamin’ny famoronan’i Josefa Andrianaivoravelona ny firaiketam-po tamin’ny olona izay nifanerasera akaiky. Nampihetsi-po azy ny fiainana nolalovan’ireny sokajin’olona akaiky azy ireny ka nahatonga ny tsiarony manokana ho azy. Ny Mpitandrina Rainimamonjy izay mpitandrina voalohany tao Amparibe (1863-1868) no ambara amin’izany. Nanana herim-po teo amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra mantsy izany lehilahy izany ary niatrika ady sarotra teo amin’ny andraikitra nosahaniny. Rainimamonjy no anisan’ny nanome sakafo ireo Kristiana nandositra tamin’ny andron’ny fanenjehana. Nampisongadina azy ny nahasahiany nanangona tamin’ny alina ny karan-dohan’ireo Maritiora notapahin-doha tao Ambohipotsy ny 18 Jolay 1857. Tao an-tranony ihany koa no nanaovana ny fanompoam-pivavahana niafina. Nony nisokatra ho an’ny rehetra ny fivavahana dia nanolotra ny tokotaniny hanorenana ny fiangonana izy izay lasa Fiangonana Amparibe ankehitriny. (Rabary, 1929 tak 8,19)
 
"Lasa re ilay nihafy
 Ory tena be nanjo
 Fa nanohitra ady mafy
 Nefa mba nahery fo
 Ka nandresy
 Fahavalo maro be"
 FFPM 657

Hita taratra amin’ny asa soratr’i Josefa Andrianaivoravelona  ny fitiavan-tanindrazana. Mamy aminy ny tany niaviana satria noheverina fa lova nomen-janahary ka tokony hotiavina sy lalaina fatratra. Ankoatra izany dia asehony fa mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fiheverana ny mahasoa ny mpiara-belona.
 
"Madagasikara hilevenanay
 Paradisa tsara
 Ho fodianay
 Na ho fatin-tsento
 Tsy hafoy ity
 Raha maty eto
 Mody ho ary"
 (Rakotomahandry S., 1966, tak 33)
 
Fanampin’ireo voalaza ireo dia tsapa fa mikalo ny fihetseham-po i Josefa Andrianaivoravelona. Ny fo no maneho ny hafaliana sy alahelo ary indrindra ivon’ny faharesen-dahatra hiova hanaraka ny fomba amam-pihetsika mendrika.

 
"Ny foko no hidera izao
 Hisaotra sy hanaja Anao
 Hanoa ho vonona hanao
 Ny sitrakao rehetra"
 FFPM 537

"Ny foko ry Jehovah ô!
 Fidio ho lapanao
 Ekeo ho fonenanao
 Ka ao anjakao"
 FFPM 610

Miverimberina hatrany anaty tononkira ny voambolana hoe "fo" izay hanehoana ivon’ny faniriana sy fanantenana eo amin’ny fiainan-ko avy izany. 
 
JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MANEHO KANTO
Anisan’ny sehatra anehoan’ny Poeta ny fahaizany manoratra ny famolahany ireo endrika ivelan’ny sorany. Voalohany amin’izany ny fandrafetany ny andininy. Isa ankasa avokoa no isan’andalana mandrafitra ny andininy amin’ireo kalon’i Josefa Andrianaivoravelona. Midika ho fahafenoana avokoa izany marika izany.
 
"Ny sambokelinay ety
 Mitety rano be
 Misononoka ho ery
 An-dafin’ny ony be"
 FFPM 508

Tsy voateriterin’ny endrika ivelany ny fihetsehampon’ny mpanoratra. Voahaja tsara anefa ny filahatry ny teny mifanaraka amin’ny hevitra ambara. Anisan’ny novolavolain’ny Misionera i Josefa Andrianaivoravelona saingy tsy niala tao aminy ny fihetseham-po tena malagasy. Porofon’izany ny endrika fitantarana ao amin’ny sorany.


 "Teraka Jesosy Tomponay
  Taitra ny olona fahizay
  Nisy anjely nihira teo
  Mahafinaritra tsara feo
  Sady milaza soa aminay
  Dia hihira izahay
  Taona fahasambaranay
  Volana fifalianay
  Andro firavoravoana Anao
  Jesosy, Zanaka Masina ô!"
  FFPM 72

Nampiavaka ity Poeta ity ny fampiasany ny ngadona tena malagasy taralila (UUIU)  amin’ny sorany. Tsy tononkira fotsiny araka izany no voafehiny fa ny fifantenana ireo teny mifanentana amin’ny ngadona nosafidiany.

 
 U   U   I  U    U    U I U
"Ry Jehovah Tomponay !
 U U   I U    U UI U
 Olom-bery izahay
 UU   I    U       UUI  U
 Nefa tsy mba foinao
 U  U  I U      UU IU
 Fa vonjen’ny zanakao"
 FFPM 514

 Tsikaritra fa efa namolaka ny rima i Josefa Andrianaivoravelona na dia mbola tsy nisy fampianarana tonga lafatra aza tamin’ny androny. Nampiasainy ihany koa ny filalaovana karazam-peo hanatsarany ny rima napetrany. Rima mifanjohy sy mifaningotra hatrany no manavanana azy.
 
"Atolotro anao ny tenako ry Raiko
 Fa hianao no tena loharanon-tsoa
 Izao tontolo izao manintona ny saiko
 Hihataka aminao ho babony tokoa"
 FFPM 446

Miharihary amin’ny kalon’i Josefa Andrianaivoravelona ny fampiasana mpisolo tena tampisaka isan’andalana. Eo am-pandrenesana ny fiafaran’ny feo isaky ny faran’andalana dia heno ny fitovian’ny feo izay mandona fo avy hatrany.
 
"Hajain’ny saiko
 Fototry ny aiko
 Itsaohan’ny fanahiko
 Tokana iriko
 Malala tiako
 Hianao Jeso Mpamonjiko!"
 FFPM 770

Teo amin’ny voambolana nampiasaina dia niverimberina tanaty kalon’i Josefa Andrianaivoravelona  hatrany ny ondry izay manana toetra malemy paika, tsy manan-tsiny, tsy manan-kilema kanefa mbola novonoina sy nampahoriana ihany.
 
"Ory loatra fahizay
 Zanak’ondry mora
 Maty mba ho solonay
 Sady voakora"
 FFPM 115

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA SY NY PROTESTANTISMA
Hita taratra tamin’ny tononkiran’i Josefa Andrianaivoravelona ireo hevi-baventy maneho ny maha Protestanta azy dia ny fiheverana fa Jehovah Andriamanitra no mpanjakan’ny mpanjaka. Izy no namorona izao tontolo izao. Azy ny fahefana rehetra na any an-danitra na ety an-tany. Ny Protestanta araka izany dia nandray ho fitsipi-piainana ny fankatoavana an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona. Maro ireo teny maneho ny herin’Andriamanitra, eny fa na dia haningotra ny aina aza. Manaporofo izany ny fisian’ireo maritiora nahafoy ny ainy. Araka izany amin’ny maha mpanjakan’ny mpanjaka Azy dia maro ireo teny maneho ny herin’Andriamanitra ao amin’ny kalony.
 
"Mpanjaka hianao
 Ry Zanahary ô!
 Avia anjakao izao
 Ny ao anatinay"
 FFPM 234

Raha tonga teto an-tany Jesoa Kristy dia Izy no voambara fa teny tonga nofo. Tanteraka amin’olombelona rehetra araka izany ny famonjena. Ny fifotorana amin’izany no mampiavaka ny Protestanta.
 
"He tonga ho antsika
 Ny Tompo mora fo
 Mpamonjy havantsika
 Ilay mamindra fo
 Andeha mba hifaly
 Isika ry zareo
 Nahazo Mpampifaly
 Ka manandrata feo"
 FFPM FFPM 45

Vokatry ny fahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany dia nanam-pinoana ny olombelona fa voavotr’Andriamanitra ny zanany ka mahatsiaro faly. Fiderana sy fihobiana manoloana ny fanavotana nataony no hita tamin’izany.
 
"Finaritra ny masoko
 Mijery ny mpanjakako
 Ny vavako hisokatra
 Hidera ny mpanavotro
 Andro soa, andro soa
 Fa Jesoa no mpanavotra
 He ravo ny fanahiko
 Mihira ao anatiko
 Andro soa andro soa,
 Fa Jesoa no mpanavotra"
 FFPM 538

 

 

JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA MIAVAKA
Maro ireo lafiny mampiavaka an’i Josefa Andrianaivoravelona teo amin’ny tantara, teo amin’ny fiarahamonina indrindra teo amin’ny finoana.

Nitety vanimpotoana
Niaina tamin’ny vanimpotoana nanjakan’ny mpanjaka nifandimby i Josefa Andrianaivoravelona:

 
- Ranavalona I (1828- 1861)
- Radama II (1861-1863)
- Rasoherina (1863-1868)
- Ranavalona II ( 1868- 1883)
- Ranavalona III (1883-1897)

Ambondrobe
Ny razambe dia nino ny fisian’ny fiainana any ankoatra. Maro ny fomba hamaritana ny fanahy toy ny fahasivy, avelo, ambiroa, matoatoa, lolo, angatra, tandindona. Ambondrombe no heveriny fa toerana fitobian’ny fanahy. Araka izany dia i Josefa Andrianaivoravelona no Malagasy voalohany nihanika an’Ambondrombe. Tamin’ny diany nandositra tany amin’ny faritra Betsileo dia nanaovany izany ary raha nahita azy ny mpitazana dia nivolana hoe: "Ho may kila any ny lambany raha toa ka tafakatra any izy" (Rakotomahandry S., 1966, tak 41). Kinanjo talanjona ny olon-drehetra nahita azy niverina.

Hita tamin’ny Fantaro i Josefa Andrianaivoravelona teo fa anisan’ny faka nitsirian’ny literatiora malagasy ny famoronan’ity poeta ity. Nampiasainy tamin’ny fanasongadinana ny haisoratra sy ny fampandrosoana ny mpiara-belona taminy ny aingam-panahy sy ny talenta nananany. Nandia vanimpotoana maro ihany koa izy ary mampitombo ny fitiavan’ny olona ny sorany hatrany izany.

 

 

SITRAKA
Isaorana manokana Andrianaivoravelona Razakandriatsilavo taranaka , Mpahaitantara tamin’ny fanampim-panazavana samihafa.

LOHARANON-KEVITRA
* Boky
- ANDRIANAIVORAVELONA, J. (1921). Tantaran’i Josefa Andrianivoravelona, (sora-tanana).
- ANDRIANAIVORAVELONA, J. (1950). Akon’ny fo. Antananarivo: Imprimerie Ny Antsiva Ambanidia.
- RAKOTOMAHANDRY, S., RAMIALISOA, A. (1966). Fahatsiarovana an'Itompokolahy Joseph Andrianaivoravelona sy Itompokovavy Ramihamina Mary mivady. Antananarivo: Industrie graphique Tananarivienne, Behoririka
- LA SOCIETE  BIBLIQUE MALGACHE, (1965). Ny baiboly, Antananarivo
- RABARIOELA, L. (1997). Ny hiram-pivavahana tian’ny olona indrindra tamin’ny taona 1894 sy ny hiran’Andrianaivoravelona Josefa rainy. Mémoire de CAPEN. ENS Antananarivo
- RABARY, (1931). Daty malaza III. Antananarivo: Imprimerie LMS
- RABARY, (1930). Daty malaza II. Antananarivo: Imprimerie LMS
- RABARY, (1929). Daty malaza I. Antananarivo: Imprimerie LMS
- RATOLOJANAHARY, (1994). Ny anjara toeran’ny hiram-pivavahana tao amin’ny fiangonana tamin’ny vanimpotoana nanjakan-dRanavalona II (1868-1883). Thèse, Faculté de Théologie Ambatonakanga
- RAVELOJAONA sy ny namany, (1939). Firaketana ny Fiteny sy ny zavatra Malagasy. Antananarivo
- RAVELOSON, G. (1966). Fahatsiarovana an'Itompokolahy Joseph Andrianaivoravelona sy itompokovavy Ramihamina Mary. Toamasina: Imprimerie Tamatavienne, Collection n°2
- Tantaran’ny Fiangonan’Ampamarinana 1974. Antananarivo, tak 30

* Gazety sy revio
- ANDRIANAIVORAVELONA, J. (1890). Antsibe atsipin’ny manam-panahy, in Teny Soa
- ANDRIANAIVORAVELONA, J. (1880). Antsibe atsipin’ny manam-panahy, in Teny soa
- ANDRIANAIVORAVELONA, J. (1879). Ny tazo Alahady, in Teny Soa
- GILBERT, R. (2004). Josefa Andrianaivoravelona tsy afa-miala amin’ny tantaran’ny Fiangonana sy ny fivavahana teto Madagasikara, in Le Quotidien,lah 0076 .
- RAHARIJAONA, B. (1971). Une grande figure malgache: Josefa Andrianaivoravelona, in Bulletin de l’Académie Malagasy, Tome 49 fasc 2
- RAVELOSON, G. (1961). Tantaran’olo-malaza: J. Andrianaivoravelona Mpitandrina, in Mpanolotsaina lah 233
- SUZY, R. (2004). Josefa Andrianaivoravelona, in Gazetiko, lah 1741
- Tantaran-dRamatoa Razafimalala in Ny Fiangonana sy ny Sekoly Tak 90-91 15 Novambra 1888

* Aterineto
- RAKOTOMAVO, T. (2019). Fantaro i Joseph Andrianaivoravelona. Tsikaritra ao amin'ny:
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-74-1.html

- Taranak'i Pasitera Rabetafika Josepf. Tsikaritra tao amin'ny:
http://taranakarabetafika.e-monsite.com/pages/histoire/histoire.html

 
  JESOA TOMPO LEHIBE   RAISO HO ANAO NY FOKO  


 
Jesoa Tompo lehibe
Iraky ny Rainy
Nolatsain’ny marobe
Tsy mba nohajainy
Jesoa tia, Jesoa tia
Maty voahombo
Maty tany Kalvary
Maty re ny Tompo

Ory loatra fahizay
Zanak’ondry mora
Maty mba ho solonay
Sady voakora
 
Nalahelo, be nanjo
Nefa tsy nanota
Fa nijaly sitrapo
Tany Gologota

Jesoa no Mpamonjy tia
Nahafoy ny ainy
Mba hamory ‘izay mania
Hody amin-drainy
FFPM 115
  Raiso ho Anao ny foko
Ry Jehovah Raiko ô
Mitoera aty ampoko
Mba ho tompon-trano ao
O ry Raiko, o! ry Raiko!
Mitoera ao izao
Raiso ho Anao ny foko
Ry Jesosy Tompo o!
Tsy mba vola fa ny foko
No atolotro Anao
Raiso Tompo, Raiso Tompo!
Fa fanati-tsitrapo

Raiso ho Anao ny foko
Ry Fanahy Masina o!
Hazavao ny ao am-poko
Diovy ho Tempolinao
Indro raiso! Indro raiso!
Itokany ho Anao

Tsy harindriko ny foko
Fa vohako ho Anao
Ka midira aty am-poko
Manjakà irery ao
Eny Tompo! Eny Tompo!
Raiso aho ho anao
FFPM 443
 

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

© poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/09/2020