Sambatra
i Madagasikara manana anao misalotra anarana ampoka angola tokana
aman-tany. Ianao Ilay mivolana ombieny ny teny malagasy na aiza na aiza
tontolo iseharana .
Tsy hadinonao mihitsy ny mianjaika fatratra amin'ny alalan'ireo taovolo
sy fitafy efa nolalain'ireo mpialoha lalana. Eny fa na ny haitao
rehetra entina andrariana ny fiainam-piarahamonina aza dia voafehinao.
Sambatra, eny, sambatra i Madagasikara mahita anao mifikitra amin'ireo
fomba sy fanao mikolo ny toe-tsaina mandala ny fiombonana,
mitera-pihavanana ombam-piraisankina eo amin'ny mpiara-belona.
Ahariharinao hatrany fa Malagasy ianao sy ireo handimby anao rahatrizay.
Fahendrena isafatsiroa mendrika holovain'ny taranaka amin'ny ho avy ny
fifaharanao amin'izany Soatoavina izany.
IFAHARO NY MAHA MALAGASY !
![]() |
![]() |


Ny tahaka izao no efa nilazako, indray maka, hoe ny mpanoratra no mandranitra ny maha mpanoratra. Raha mpanoratra no tsy mandranitra ny talenta sy ny fahaiza-manoratra amin'ny mpanoratra namany dia manadombo ny maha mpanoratra azy izy izay. Rehefa dombo ny mpanoratra dia ny firenena na ny olom-pirenena manontolo ny tsy zarizary.