Créer un site internet
poetawebs

Ny  poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny .

(T.Ràja)
30 novambra 2018

FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

LOKA INDIANOCEANIE
NOROMBAHIN’I JEAN-PIERRE HAGA, POETA SY MPANORATRA MALAGASY 


Tanteraka soa aman-tsara ny alakamisy 29 novambra 2018 teo ny lanonana fanomezam-boninahitra ny Loka Indianocéanie avy tamin'ny fifaninanana manoratra tononkalo, tantara, sombintantara, tantara tsangana, tantara foronina, fanadihadiana, angano... eo anivon'ireo Nosin'ny Ranomasimbe Indiana.

Tantarao an-takila maro
Izany no lohahevitra novoizina nandritra ny fifaninanana. Anisan’ny mari-tsivana nitsarana ireo asa soratra ireo ny haifanoratra sy ny fahavaon’ny soratra (originalité) ary ny fifandraisany amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana.
Asa soratra 56 an’ireo Poeta sy mpanoratra no nandalo teo ambany mason’ireo vondron’ny mpitsara dimy voafantina nahitana an'i Aboubacar Ben Said Salim (Kaomoro), Tsiky Rakotomavo (Madagasikara), Issa Asgarally (Maorisy), Dominique Dambreville (La Réunion) ary i Zitabella Labiche (Seisela).

Dingan'ny fitsarana
Nisedra dingana telo mazava tsara ny fitsarana izany, ka ny andiany voalohany no namaritan’ireo mpitsara ny fomba fiasa nitondrana ny fitsarana. Ny andiany faharoa no nifantenana ireo asa soratra valo mandresy lahatra ny mpitsara tsirairay. Ny andiany fahatelo no namelabelaran’ny mpitsara tsirairay ireo  telo heverina fa mendrika. Taorian’izay no  nahafantarana izay tena mendrika. Koa i Jean Pierre Haga Andriamampandry izay nanoratra ilay tantara hoe “Le Jumeau” no nahazo ny isa be indrindra.

Lanonana fankasitrahana
Ho fankasitrahana sy ho fahatsiarovana ity andrarezin’ny literatiora malagasy sy ny Ranomasimbe Indiana ity no anton'ny lanonanana notontosaina tao amin’ny “La Demeure Sainte Antoine, Route Royale Goodlands, Nosy Maorisy" ny alakamisy 29 Novambra 2018 teo.

Notolorana ny loka Rtoa Vonifanja Andriamampandry Ramparany, vady navelan'i Jean-Pierre Haga (anaran'i Jean Pierre Haga ANDRIAMAMPANDRY eo amin'ny penina), mpanoratra malagasy nahazo ny fandresena. Nodimandry tamin'ny 24 septambra teo mantsy ity mpanoratra andrarezina ity, fotoana fohy tao aorian'ny andro niantefan'ny safidin'ireo mpitsara tany aminy. Mitentina 1000 euros miaraka amin’ny fanontana ho 300 isa izany boky izany no loka azony.
 
Olo-manan-kaja maro avy amin'ireo Nosy ireo sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no nanotrona izany.

Ireo nandray fitenenana

- ny Sekretera Jeneralin'ny COI (Commission de l'Océan Indien)
- ny Ambasadaoron'ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie)
- ny Solontenan'ny Tale Jeneralin'ny Blue Sky, mpanohana
- ny Solontenan'ny Département de la Réunion, mpiara-miasa
- ny Filohan'ny vondron'ny mpitsara



Ny Sekretera Jereralin'ny COI

Ny Solontenan'ny Blue Sky
Rtoa Vonifanja Andriamampandry Ramparany no namarana ny lahateny ka nanoritsoritany ny fiaimpiainan'i Jean-Pierre Haga ary namakiany ny tononkalony hoe AMOURS OCEANES (etsy ankavanana). Rehefa vita izany dia natolotra tamin'ny fomba ofisialy sy tam-boninahitra an-dRtoa Fanja Andriamampandry Ramparany ity loka lehibe ity.
 
Fanehoan-kevitra
Manana ny fomba fijeriny manokana ny mpitsara avy aty Madagasikara.

"Nahatsiaro ho faly teo amin’ny fitsarana satria fantatra mandritra ny famakiana ny lahatsoratra ny maha Malagasy ny mpanoratra, noho ny aingam-panahy malagasy atosany. Niady mafy mihitsy tamin’ny famelabelarana ny maha tsara io asa soratra io tamin’ny dingana farany. Ary vao mainka faly toy ny afa-panadinana nony nahita tamin’ny fanokafana ny valopin’ny mpandray anjara fa Malagasy no nandresy. Na dia tsy eo intsony aza i Jean Pierre Haga  (satria nodimandry  ny volana septambra 2018, iray volana taorian’ny fametrahany ny antonta taratasin’ny fifaninanana) dia faly ihany koa fa afaka nandresy lahatra ny vadiny - izay nisalasala tany am-piandohana - mba handray ny loka ho fahatsiarovana azy sy ho voninahitr’i Madagasikara" aty amin'ny Nosy Maorisy".

Mikasika an'izay fankasitrahana izay ihany dia nametraka hafatra koa i Vonifanja Andriamampandry Ramparany.

"Mankasitraka ny mpikarakara  avy amin'ny COI, indrindra fa i Tsiky Rakotomavo, nanao izay tratry ny heriny hahatongavako aty amin'ny Nosy Maorisy. Misy ny fihetseham-po saingy mahatsiaro mandrakariva fa mbola manatrika eo hatrany i Jean-Pierre Haga".

Marihina fa nanatrika ity fotoana ity Atoa Pilaza Joreh, Tale Jeneralin'ny Kolontsaina sy ny vakoka eo anivon'ny MKFAFV. Hoy indrindra mantsy izy :
 
"Zava-dehibe ny fandraisana anjaran'ny Malagasy amin'ny sehatra goavana tahaka itony. Fifaliana sy voninahitra ho an'ny Minisitera ny fahazoan'i Madagasikara ny laharana voalohany tamin'ny alalan'i Jean-Pierre Haga. Na tsy eo intsony aza izy dia mitoetra eo amin'ny tantaran'ny Kolontsaina sy literatiora ny anarany. Ny Ministera moa dia mbola hieritreritra ny fomba mendrika hanolorana fankasitrahana manokana ho an'ny vady navelany".
 
Nofaranana tamin'ny fiarahana maka sary, fialana hetaheta sy tsakitsaky ny fotoana.

AMOURS OCEANES
(1er prix du concours « Chansons sans frontières 2007 »
 
Océanes amours,
Je polygame à mort
Je vous ferai ma cour,
Me ferai vos décors
Lèverai l’ancre pour
La mouiller en vos ports
 
J’ai donné mon amour à quelques sœurs lascives
Et abreuvé mon cœur à leurs sources d’eaux vives,
J’ai caressé leurs monts et parcouru leurs plaines,
Ri de leurs cris de joies et pleuré de leurs peines.
Elles sont belles une à une, différentes à la fois
Et réchauffent au soleil, leur croyance et leur foi
Pour une sororité qui murmure enivrée
Dans les sonorités d’un vent chaud enfiévré.
 
Elles sont sept, quatre et trois, cinq et deux, six et une
Et s’entêtent à trouver dans une histoire commune
A défaut d’un ancêtre, une passion sans voile
Un même émoi bercé sous les mêmes étoiles.
Je pourrais vous conter, sans rougir, nos ébats
Car ces belles, désirées de leurs hauts à leurs bas
N’ont jamais eu pour moi un battement de cils
Ni des gestes de femmes ou des envies graciles.
 
Et pourtant, ces pudiques, ont ensemble un amant
Qui effleure leurs côtes et leur fait mil’ tourments
Et les sept adorées retrouvent en lui le lien
Les tenant à jamais : c’est l’Océan Indien.
Car elles sont îles ces « Elles » et leurs doux noms naviguent :
Madagascar, Seychelles, les Comores ou Rodrigue
Aussi les sœurs jumelles, La Réunion, Maurice
Et Mayotte si belle où les cœurs se languissent.
 
Océanes amours,
Je polygame à mort
Je vous ferai ma cour,
Me ferai vos décors
Lèverai l’ancre pour
La mouiller en vos ports

Jean Pierre Haga

Miankavanana : Atoa Pilaza Joreh, Vonifanja Andriamampandry, Tsikimilamina Rakotomavo



Vonifanja Andriamampandry sy Tsikimilamina Rakotomavo
Eo am-pelatanany ny boky sy ny loka...


Jean Pierre Haga Andriamampandry

Andeha àry ampahafantarina antsika mpanjohy ny Pôetawebs amin’ny fomba mifintina i Jean Pierre Haga Andriamampandry, Poeta, mpanoratra, mpamoronkira (1961-2018).

Teraka ny 1961 tao Parisy izy ary tany Toulouse no nandaniany ny fahazazany. Teo amin’ny fahafito taonany dia niverina taty Madagasikara niaraka tamin'ireo nahitany masoandro izy. Noho ny toe-draharaha teto amin’ny firenena anefa dia nalefa nanohy fianarana tany chalons-sur-Marnes (Frantsa) izy teo amin’ny faha 17 taonany. Nitoetra tany Frantsa am-polo taonany izy vao nifindra tao amin’ny nosy la Réunion mialoha ny fiverenany indray teto Madagasikara ny 2005. Tao Antsirabe izy no niaraka nanorina sekoly tamin’i Vonifanja vadiny.

Maro ireo fifaninanana iraisam-pirenena nandraisany anjara ary saiky nahazoany loka hatrany nanomboka ny taona 2004. Namoaka boky maro izy ary olon'ny sehatra amin'ny maha mpamoron-kira sy mpihira azy.
Na dia havanana amin’ny tantara foronina aza izy dia pôeta satria efa nahazo loka tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena mikasika ny tononkalo izy ny taona ny 2004 sy 2006.

Maro be ihany koa ireo atrikasa sy hetsika ho fanandratana ny literatiora na teto Madagasikara na tany ivelany nandraisany anjara ampahavitrihana.
Ny boky nandresy lahatra ireo mpitsara

Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Pôetawebs

Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/12/2018

×