Hery Serasera

Tapatapakahitra nifanaovan'i Hery Serasera tamin'i Toetra Ràja
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
13 mey 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

 HERY SERASERA : POETA MPAMPIHAONA NY MALAGASY

Fahatelopolo taonan'ny Faribolana SandratraRaha vao Hery Serasera no resahina dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny serasera.org, tranonkala lehibe noforoniny sy kolokoloiny ary mampifanerasera Malagasy maro dia maro eto ambonin'ny tany. Pôeta koa anefa ny lehilahy ka nomeny toerana manokana sy malalaka ary tsy voafetra ao amin'ny tranonkala vetso.serasera.org ny pôeta sy ny tononkalo malagasy. Mahasarika ny Pôetawebs ny mitapatapakahitra aminy noho izany adidy lehibe iantsorohany izany. I Toetra Ràja no mandray azy eo amorom-patana.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Hery Serasera ary misaotra anao manaiky mivahiny eto aminay. Azonao fintinina ve ny tantaran'ny tranonkala vetso.serasera.org ambohipihaonan'ny Malagasy?


"12 000 ny tononkalo voatahiry ao
ary maherin’ny 1 600 kosa ny mpanoratra"

Hery Serasera
Miarahaba anao Toetra Ràja ary misaotra mampiantrano ahy. Ny hevitra sy ny asa voalohany hamorona ny serasera dia tamin’ny 1999. Fifandraisan’ny Malagasy tamin’ny mailaka izy tamin’izany kanefa efa nahafahana sahady nanangona zavatra maro ka nahavitana namorona ny takelaka serasera.org roa taona taty aoriana. Nanomboka teo amin’izay ny hevitra hametraka an-takelaka ireo zavatra mety hahaliana rehetra toa ny tononkira, tononkalo... Nahita masoandro, araka izany, ny takelaka fitahirizana tononkalo vetso.serasera.org. Nanoratsoratra tononkalo koa aho tahaka ny ankamaroan’ny tanora rehetra ka ny tononkaloko aloha no nampidiriko tao tamin’izany fotoana izany. Amin’izao anoratana izao dia efa maherin’ny 12 000 ny tononkalo voatahiry ao ary maherin’ny 1 600 kosa ny mpanoratra.

Toetra Ràja
Azo ambara ve ny fivoaran'ny vetso.serasera.org tato ho ato sy ny mety ho endriny atsy ho atsy?

Hery Serasera
Amin’ny ankamaroan’ny takelaka tantanako dia ny votoatiny foana no laharam-pahamehana. Tsotra, malaky sy mora vakiana no tanjona ka matetika tsy dia eritreretiko loatra ny haingony ety ivelany. Amin’izao fivoaran’ny teknolojia izao anefa dia afaka miaraka tsara amin’ny bika sy kanto ety ivelany ny halaky sy haren’ny takelaka iray. Ka ny hampifandanja ireo no fanatsarana tena ezahina hatao ato ho ato. Indraindray mantsy tsy mahasarika ny tanora raha tsy maro loko, nefa tsy tokony ho very amin’izany endrika ivelany izany koa ny votoatin’ny hafatra.

Toetra Ràja
Momba izay ezaka izay indrindra, teraka tato ho ato ny "tononkalo misy feony" ao amin'ny vetso.serasera. Inona no fepetra hahafahan'ny rehetra mandray anjara?

Hery Serasera
Hevitra efa tao an-tsaina hatry ny taona maro ny hanisy feony ny tononkalo. Amin’izao fotoana izao anefa vao hita ny fomba mahamora hanaovana izany koa dia efa natomboka izy io. Ny tononkalo rehetra dia azo asiana feony avokoa ary ny tena faniriana dia ny tompon’ny tononkalo no miantsa azy. Ny mpanoratra tononkalo mantsy no tena mahay ny gadona sy ny lantom-peo teo am-pamoronany azy. Mbola sarotra ihany anefa izany amin’izao fotoana izao koa dia izay tratra sy vitan’ny mpiantsa aloha no ataonay. Manentana hatrany ny rehetra anefa izahay hanampy amin’ny fiantsana tononkalo indrindra moa fa ho an’ireo mpanoratra. Tsy dia mila fitaovana betsaka ny fanaovana izany fa na finday aza dia efa ampy. Ilaina fotsiny mba ho ao anaty efitra mangina no anaovana ny fandraisam-peo. Alefa aty aminay fotsiny amin'ny vetso@serasera.org avy eo rehefa vita.

Toetra Ràja
Araka ny fahitanao azy, inona no mety ho lafy tsarany sy ratsiny ateraky ny fahalalahana mampiely tononkalo amin'ny tambajotra sy ny tranonkala?

"Amiko anefa dia mety ho fiarovana ny mpanoratra koa ny famoahany avy hatrany ny tononkalo amin’ny tambajotra na amin’ny tranonkala"

Hery Serasera
Fitaovana lehibe azo hararaotina hanaparitahana ny kolontsaina sy vakoka tahaka ny tononkalo ny tambajotra sy tranonkala. Betsaka loatra ny zavatra miparitaka amin’ireo fitaovana ireo ka tokony hanana anjara ao ihany koa ny tononkalo. Fitaovana hampahafantarana ny mpanoratra, ny fivoaran’ny haikalo, ny tantara... hatramin’izay ihany koa ny fisian’ny tranonkala ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Vitsy mantsy amin’izao ny mpanoratra afaka manoratra boky sy mamoaka ny tononkalony anaty boky. Vitsy rahateo koa ny olona afaka mividy boky. Ny olana anefa matetika dia ny fomba famehezana an’io fitaovana goavana io. Ny tahotry ny mpanoratra matetika dia ny momba ny fiarovana ny zony. Ny tononkalo avoaka an-tranonkala dia mety hisy handika, hanaparitaka, hangalatra sy hisy hilaza ho tompony hafa mihitsy. Amiko anefa dia mety ho fiarovana ny mpanoratra koa ny famoahany avy hatrany ny tononkalo amin’ny tambajotra na amin’ny tranonkala. Mety azony raisina ho porofo mantsy ny daty namoahany azy tamin’ny tranonkala. Raha izy no namoaka azy voalohany. Dia mpandika izany ny hafa namoaka izany taty aoriana.

Toetra Ràja
Eto am-pamaranana Hery Serasera, misy hafatra azo apetraka ho an'ny mpisera ve?

Hery Serasera
Hamaranako ny teniko angamba dia ilay tononkalo iray nosoratako izay hoe “Manorata tononkalo”. Manorata tononkalo fa aza avelanao handalo fotsiny amin’izao ny zava-mitranga amin’ny fiainana.
http://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-dia-ampy/manorata-tononkalo
Misaotra ny Pôetawebs koa.

Toetra Ràja
Voaray ny hafatra. Manorata tononkalo. Tohano ny vitan'ny Malagasy. Ianao no isaorana Hery Serasera nanaiky nitafatafa tamin'ny Pôetawebs. Mirary soa!
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 29/05/2019