Créer un site internet
Sorapiainan-dRajaonary, fandalinan'i Narivelo Rajaonarimanana
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 jolay 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs

Ho an'ny Pôetawebs Fantaro
Rajaonary

(1850 - 1902)
Mpitandrina
Pôeta
Mpandika teny

— Fandalinan'i Narivelo Rajaonarimanana*

Tantaram-piangonana sy tantaran’ny literatiora no azo ametrahana izao tantaran'olomangam-piangonana iray izao dia Rajaonary (1850 - 1902) izany.
Nahoana moa no mbola mila hosoratana ny tantaran'ny fiangonana tamin'ny taonjato faha-19? Moa ve tsy efa maro ireo boky nosoratan'ny misionera tenany tahaka an-dry Ellis, ry Sibree tao amin'ny LMS, ry Chapus sy ry Mondain tao amin'ny MPF ary ry Clark tao amin'ny FFMA?

Sorapiainana
vokarin'ny
Pôetawebs


Tsy ambaka koa ny Malagasy fa tao ry Rabary, nanoratra ny boky : Ny Maritiora malagasy (1905) sy Ny Daty malaza na Ny Dian'i Jesosy Kristy teto Madagasikara (1929).

Marina tokoa fa tsy azo odian-tsy hita ireo asa soratra saingy, rehefa tena dinihina akaiky, dia maso vahiny ary fanandratana ny asa nataon'ny misionera sy fanasohasoana azy ireo no tena nimasoana ka hadino ny asa vitan'ny mpitandrina malagasy. Ny mpanoratra malagasy toa an-dRabary koa etsy andaniny miombon-kevitra sy manaraka ambokony izay voasoratry ny misionera, na indraindray aza manatsara ny voalazany. Koa hanova izany koa no anton'izao fikarohana izao, izany hoe, maso tera-tany no entina mijery ny tantara, ary raisina faobe ny asan'ny misionera sy ny asan'ny mpitandrina malagasy ka apetraka eo amin'ny tantaran'ny fiaraha-monina sy ny fanjakana nisy tamin'izany satria mifaningotra izy ireo.

Manaraka izany, misokatra ankehitriny ireo arsiva ahitana ny soratra vavolombelona navelan'ireo misionera sy ireo mpitandrina malagasy, tahaka ny arsivan'ny LMS any Londres izany. Efa nisy mpikaroka za-draharaha rahateo nikirakira sy nanadihady ireo tahiry ireo. Voalohany amin'izany ilay kanadianina B. A. Gow izay nampiseho ny fanamparam-pahefana nataon'ny misionera ary ny "fizahozahoana teo amin'ny fiaraha-monina" (arrogance sociale), tao koa ny profesora frantsay, Françoise Raison, izay heverina ho tena manam-pahaizana manokana momba ny tantaram-piangonana malagasy tamin'io vanim-potoana io, tao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe : Bible et pouvoir à Madagascar au XIXe siècle. Invention d'une identité chrétienne et construction de l'État (1991).

Farany, mivoaka tsikelikely koa ny boky soratanana nataon'ireo Malagasy vitsivitsy velona tamin'izany fotoana izany, toy ny tantara nosoratan-dRaombana, ny bokin-dRakotovao, ny diarin-dRafiringa (Union catholique), ny diarin-dRainilaiarivony. Toraka izany koa ny fanadihadiana mikasika ny fiainan'ireo olo-manan-daza tamin'izany, toy ny tantaran-dRainilaiarivony, ny an-dRasanjy, ny an'ny olon-tsambatra Rasoamanarivo Victoire, ny an'i Frera Raphaël Rafiringa, sy i Pierre Ratsimba tany Fianarantsoa.

Koa araka izany, dia azo atao tsara ankehitriny ny manentina ny madilana sy mameno ny banga ary manitsy ny diso amin'ireo tantara maintimolaly voasoratry ny teo aloha. Azo atao koa ny manova indrindra indrindra ny fomba fijery sy fanoratra, mba tsy ho fanasohasoana na fankalazana ranofotsiny, na ho fijerin'ny tompom-pahefana (version officielle) fotsiny no ho voasoratra fa tantara mifanaraka kosa amin'ny zava-nisy marina tamin'izany fotoana izany.

Dia toraka izany koa ny tantaran’ny literatora malagasy. Tsy mbola voatrandraka sy voasoratra tsara izy io indrindra ny momba ny fiandohany sy ny fivoarany tamin’ny taon-jato faha-19. Mila arenina sy fenoina ihany koa izany fahabangana lehibe izany.


Nahoana àry no Rajaonary no voafidy?

Voalohany aloha dia mamelà ahy ianareo, haneho fohy ny lalana nombako tamin'ny fikarohana. Raha vao niana-nandeha tamin'izany aho dia ny faritry sakalava-menabe iny, any amin'ny fivondronan'Antsalova no notrandrahiko tamin'ny taona 1969. Avy eo dia nanao fikarohana sy nanoratra boky momba ny tantaran'ny Betsileo any Manandriana (1972 - 1977). Nanao fikarohana sy nanoratra boky ihany koa momba ny tantaran'ny Antemoro indrindra momba ny sorabe (1980 - 1990). Ary farany momba ny fiteny Antandroy (1995). Niditra tamin'ny fandrafetana rakibolan'ny fiteny malagasy taty aoriana, ary izao mitrandraka ny tantaran'ny fiangonana izao ankehitriny, izay tarafina amin'ny tantaran'ny mpitandrina Rajaonary izao, izay tsy iza fa raiben'ny raiko ihany.

Ho an'ny PôetawebsRehefa nataoko ny fanadihadiana dia hitako fa efa voasoratra ny tantaran'ireo mpitandrina ngezalahy tamin'ny andron'ny fanjanahantany, toa an-dRabary, Ravelojaona ary Razafimahefa. Saingy amin'ireo mpitandrina zokiny kosa, toa an-dRajaonary na Andriambelo, Rainimanga Rahanamy, Andrianaivoravelona Rainy, dia lahatsoratra vitsivitsy sady fohy no mba hita any amin'ny gazety boky na any amin'ny rakibolana.

Raha ny mpitandrina Rajaonary fotsiny no asian-teny dia indroa monja, raha tsy diso ny fitadidiako, no voatonona ao amin'ny boky Ny Daty malaza ny anarany, nefa dia olona nanana ny naha-izy azy teo amin'ny tantaran'ny fiangonana. Tsy tafiditra akory ao amin'ny "Dictionnaire historique et géographique" nataon-dRajemisa-Raolison izy.

Tamin'ny taona 1978 vao nanomboka fantapantatra ny sombintsombiny momba an-dRajaonary satria izy no nanorina ny fiangonana malagasy tsy miankina amin'ny misionera vahiny voalohany teto Madagasikara.

Nanaovan-dry Simon Ayache sy ry Charles Richard fikarohana ny tantaran'ny Tranozozoro, ka navoakan'izy ireo tao amin'ny bokin'ny Sampana Tantara ao amin'ny Oniversiten'i Madagasikara, Omaly sy Anio, ny vokatra azony tamin'izany.

  Famintinana an'io indray no hitantsika ao amin'ilay boky : I Madagasikara sy ny fivavahana kristiana, nifarimbonan'ny mpampianatra - mpikaroka  miisa 21 avy amin'ny antokom-pinoana samihafa ary navoakan'ny edisiona Ambozontany tamin'ny taona 1992.

Izany sy izany àry no nanosika ahy hanao fikarohana momba an-dRajaonary (1850 - 1902) mpitandrina, poety ary mpandika teny.


Iza àry Rajaonary mpitandrina ary inona avy ireo sahan'asa nifantohany sy novokariny?

Lehilahy nitana toerana lehibe teo amin’ny Fiangonana protestanta malagasy Rajaonary. Isan’ny loholona tompon’andraikitra tao amin’ny fiangonana Antsampanimahazo (Tranovato — Ambatonakanga ankehitriny), hatramin’ny niandohany, ry Ingahy Rainijaonary, Dekan’ny Praiministra, 11 voninahitra, rainy. Koa taizan’ny Fiangonana Antsampanimahazo hatramin’ny fahazazany Rajaonary ary Ratsilainga, kristianina maintimolaly, isan’ny olona mpandray ny Fanasan’ny Tompo voalohany indrindra, Mpitandrina, no nampianatra azy hamaky teny sy hanoratra. Mpihira malaza tao amin’io Fiangonana io Rajaonary sy Rafiringa, maintienindreny, raha mpampianatra hira tao ry Ingahy Ragolonaitra sy Joseph Andrianaivoravelona rainy (1867)

Ho an'ny Pôetawebs
Ho an'ny Pôetawebs
Ny nanorenana ny Tranovato Ambatonakanga
Saritana an'i W. Ellis : Madagascar Revisited


Fiangonana Tranovato Antsampanimahazo (1867) (Tranovato Ambatonakanga taty aoriana)

Rehefa tonga ny Misionera Joseph Sewell avy amin’ny F.F.M.A. ka nanorina sekoly (Kolejy sy Sekolary) tao Ambohijatovo Atsimo (1870), dia nianatra tao Rajaonary ka isan’ny mpianatra nazoto tokoa. Nahafolaka sy nahay ny teny anglisy tsara izy tao, koa lasa mpanampy an’i J. Sewell izay nihevitra azy ho toy ny zanany mihitsy.

Tamin’ny taona 1873, dia nahavita ny fe-potoam-pianarany ny mpianatra voalohany tao amin’ny Kolejy ka nifandrombahana ny naka azy ireo ho Evanjelistra sy ho Mpitandrina, ohatra amin’izany Joseph Andrianaivoravelona tao Ambonin’Ampamarinana, sy Andrianony tao Ambohitantely. Rajaonary kosa mbola nijanona tao amin’ireo Misionera ka ny taona 1875 izy no voafidy ho Mpitandrina tao Antsampanimahazo ho mpanampy an’Ingahy Andrianangaly, izay efa antitra tokoa, ary koa ho naman’ny Rév. C. Moss. Tovolahy vao 25 taona Rajaonary tamin’izany ary izy no zandriny indrindra tamin’ireo mpitandrina tera-tany nitondra renifiangonana teto Antananarivo.


I — Rajaonary sy ny Fiangonana Tranovato Ambatonakanga (1875 – 1893)
Ambatonakanga no zokiny indrindra amin’ny fiangonana teto Imerina satria tamin’ny 5 jona 1831 no niorenany ary misionera LMS malaza maro no nifandimby nitantana tao, toa an-dry Rév. David Johns (1831 – 1835), nantsoin’ny Malagasy hoe Jonjifohy, ry Rév. W. Ellis (1863 – 1865), ry G. Cousins (Kaozina zandriny, 1865 – 1870), ry Rév. C. F. Moss (1870 – 1882), ary ry Rév. C. F. Matthews (1882 – 1899) sy William Evans (1899 – 1948). Araka izany, dia ireo telo farany talohan’ny Rév. W. Evans no niara-niasa tamin-dRajaonary.

Tamin’ny taona 1863 dia niezaka nandamina ny rafitra sy ny fifehezana teo amin’ny fiangonana malagasy ny Rév. W. Ellis ary namporisika ihany koa ny loholona hanorina fiangonana hafa amin’ny faritra ambony sy manodidina. Niroborobo fatratra koa tetsy andaniny ny fiangonana tany ambanivohitra rehetra tany.
Tamin’ny 21 febroary 1869, dia nataon’ny Mpitandrina Andriambelo batisa tao an-tokantranony tao Manampisoa ny mpanjaka Ranavalona II sy ny P.M. Rainilaiarivony, vadiny, ary noraisina ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo koa izy ireo efa-bola taty aoriana. Dia nodorana koa, tamin’ny septambra 1869, ny sampin’Andriana rehetra ary nalatsaka ny vato fehizoron’ny fiangonana Anatirova. Hatreo dia tsy nitsaha-nitombo hatrany ny firotsahan’ny manamboninahitra sy ny olon-tsotra ho mpivavaka protestanta.

1876 : Nihahenjana ny fanehoam-pahefana nataon’ny Misionera tamin’ireo mpianatra Kolejy sy tamin’ireo mpitandrina malagasy araka ny fanadihadiana nataon’ny profesora Françoise Raison (1991 : 653), ka santionany amin’izany ny nandavan’ny mpianatra an’i Rev. Houlder (resaka fanandevozana) sy nahatezitra mafy ny mpitandrina malagasy teto andrenivohitra tamin’ny valinteny nataony ampahibemaso momba ny fangatahan-dry zareo karama sy mpilanja rehefa hitory teny any ambanivohitra. Noho io tsy fifanarahana io dia nohidian’ny Misionera nandritra ny iray volana ny Kolejy. Tamin’io fotoana io koa no nivoahan’ny boky fihirana protestanta tsy nahazoan-dalana tamin’ny LMS, misy hira 127 ka vaovao ny 40 : "Fihirana mety hatao ao am-piangonana sy ao an-tranon-tsekoly ary an-tokan-trano" (impr. F.F.M.A., 84 pejy).

Rivotra politika tahaka izany no niainan-dRajaonary tamin’ny fiantombohan’ny fitandremany tao Ambatonakanga. Nandray anjara tamin’ny fampiorenana sy fampivelarana ny fiangonana ary ny fampandrosoana ny Fitoriana ny Filazantsara Rajaonary nandritra ny 27 taona naha mpitandrina azy.
 Mbola tsaroana mandrak’ankehitriny ny nandaharany, tamin’ny 12 jolay 1877, "ny mety atao amin’ny volam-piangonana; ny antony amoriana azy; ny fitahirizana azy; ny famoahana azy; ary filazana ny fivoahany sy ny fidirany" tamin’ny fivoriamben’ny Isan’Enimbolana tao Ambonin’Ampamarinana (Rabary, Daty Malaza, IV, p. 36).

Tamin’ny 1 Aogositra 1879, dia nijoro tao Ambatonakanga ny fikambanana ho an’ny lehilahy, natao hoe saosaity ifampandrosoam-pirenena, ka Rajaonary sy Andriamanga, avy eny Manandriana, no sekreterany ary ny zandrin-dRajaonary, Rajafetra, no isan’ny tanora nafana fo sy lohalaharana tamin’ny adihevitra (diskosina) na tamin’ny Filozofy moraly. Tovolahy sy mpitoriteny no tafakambana tao ka nampianarin’ny Rév. Moss  isaky ny sabotsy maraina ny Filozofy moraly (Ethika), Heviteny (amin’ny Salamo), Diskosina, Elokisiona (fanononan-teny), Homiletika (loha teny), sy Esay ary lektora.

Fikambanana natao hamolavolana sy hanofanana ny tanora ara-tsaina sy ara-panahy ity saosaity ity, ka nandray anjara matetika Rajaonary. Isan’ny lohateny novoaboasany tamin’izany ny hoe : "Ny adidin’ny tanora hanasoa ny tanindrazany". Koa io saosaity io koa no loharano niteraka ny sampana Kristianina Tanora  taty aoriana.

Tamin’ny andron-dRajaonary koa no nisehoan’ny kaonseritra masina (3 jaonary 1880), izany hoe "fihiran-kira mahafinaritra kanefa miankina amin’ny fivavahana", ka Ratany (Ratsimamakitany) no mpitarika ny mozika tamin’izany. Izany kaonseritra masina izany dia hampisehoana tantara nalaina tao amin’ny Baiboly ary elanelanin’ny hira feno fananarana. Feno hipoka hatrany ny fiangonana isaky ny misy fampisehoana ary lasa modely nalain’ny teatra malagasy sy ny hira gasy tahaka izy taty aoriana.

Tamin’ny 6 septambra 1874 no nanombohan’ny FFMA (Kingdon, Joseph Swell... sy ry F. Rasoamanana mbamin-dry Rainizafimanga) tao amin’ny sekoly Ambohijatovo ny Sekoly Alahady voalohany indrindra. Valo taona taty aoriana, ny 10 oktobra 1882, dia nitsangana tao Ambatonakanga ny Sekoly Alahadim-piangonana voalohany ka ny Rév. Matthews sy Rajaonary no tompon-kevitra tamin’izany. Taty aoriana dia nihetsika ka nanorina koa ny isam-piangonana.


II — Rajaonary, mpitory teny malaza

Mpitory teny tiam-bahoaka Rajaonary fa sady tsara hevitra sy mahay mandahatra izy no mikarantsam-peo sy mirana endrika. Nitory teny matetika tamin’ny fivorian-dehibe izy (lohavolana, fitokanam-piangonana, andro manan-daza samihafa...), na teto an-drenivohitra na tany ivelany, eran’ny Imerina manontolo, ary tsy mena-milahatra tamin’ireo misionera sy mpitandrina kalaza indray nihira taminy.

Singaninay amin’izany ireto vitsivitsy ireto izay voatahiry ao amin’ny gazetim-piangonana Ny Teny Soa :
    — tamin’ny 5 janoary 1881 dia nitory teny tao Ambatondratrimo niaraka tamin’ny fiangonana 16 izy sy ny Rév. Briggs.
    — 30 jiona 1881, tamin’ny fitokanana ny fiangonana tao Belanitra dia anisan’ny nitory teny niaraka tamin’ny Rév. W. D. Cowan sy Rainimanga izy, ka ny 8 Joba 11 – 13 no notoriany.
    — 17 martsa 1882, nitory teny tamin’ny fitokanana ny fiangonana Ambohitrandriamanitra  Rajaonary, nalaina tao amin’ny  62 Gen. 36, ary ny Rév. C. F. Moss kosa tao amin’ny 5 Mat. 47.
    — 11 janoary 1883, notokanana ny trano fiangonana Ambohinaorina. Tamin’ny maraina dia notorian-dRajaonary ny teny ao amin’ny 19 Lio. 10 ary ny Rév. T. T. Matthews nitory ny 33 Isa. 2.
    — tamin’io 11 janoary 1883 io ihany dia nanao fotoam-pivavahana ho an’ny tanindrazana ny fiangonana teto an-drenivohitra ho fangataham-pitahiana noho ny ady voalohany nifanaovanan’ny fanjakana malagasy amin’ny frantsay (1883-1885). Tao ambonin’Ampamarinana no natao izany ka anisany nikarakara izany Rajaonary. Toy izao ny filazan’ny Teny Soa azy.

Isan’ny mpitory teny teo anatrehan’ny Mpanjaka sy ny P. M. tao amin’ny Fiangonana Anatirova koa Rajaonary. Tamin’ny fitokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny Taranovato Anatirova nandritra ny tapa-bolana ny 8 avrily 1880, dia ny rainy, Rainijaonary, 11 vtra, sy Andriamboalavo, 10 vtra, no nitarika ny fiangonana Antsampanimahazo sy ireo mpiray fitandremana aminy ny 14 avrily. Noho ny habetsahan’ny olona dia impito niditra ny fotoam-pivavahana, ary Rajaonary no nanao vavaka fangataham-pitahiana.

1 oktobra 1881 : nanamasina ny fanambadian-dRavaoarinjanahary zana-dRakotovao, 10 Vtra, dekan’ny P.M. sy Rabarijaona, zana-dRainijaon, 11 Vtra, Off.D.P. tao Antsapanimahazo sy tao Atsinanan’Anjoma, fonenan-drainy Rajaonary. (Bokin-dRakotovao : 84).

17 novambra 1884 : nanamasina ny fanambadian-dRasanjy, 11 Vtra, sekreteran’ny PM sy Ravololona (vadiny faharoa tao aorianan’ny nahafatesan’ny vadiny Ramina 1882), zanak’Andriamanga, tao an-tranony tao Andrefandrova. (Ombalahivelo :   )

III — Rajaonary sy ny fanitsiana Baiboly (1873 — 1887)

Tamin’ny 1872 dia nifanaraka ny misionera fa mila fanitsiana ny Baiboly malagasy voadika tamin’ny taona 1835. Natsangana ny komity notarihin’ny Rév. W. E. Cousins, nifarimbonan’ny misionera (L.M.S., F.F.M.A., C.M.S, S.P.G., N.M.S.) sy ny mpitandrina malagasy anti-panahy, toa an’Andriambelo, Rainimanga Rahanamy, J. Andrianaivoravelona, Rainijesy, Rainibao, Rabesihanaka, Ratsiarovana  Andrianony, Andriamifidy ary F. Rasoamanana.

Ho an'ny Pôetawebs
Mpitandrina 5 anisan'ireo nitsara ny Baiboly tamin'ny 1872 no tazana eto amin'ny sary :
Rainimanga, F. Rasoamanana, Andriambelo, Rainibao ary Andriamifidy
Sary: Album B, Foiben'ny Arisivam-pirenena ahitana ireo mpitandrina teto Antananarivo — 1901
Mitsangana miankavanana : Rabary, Ramanitra, Andriamananizao, Rainialijemisa, Rainitiaray, Rainimanga, F. Rasoamanana, Rainimankaola, Radaniela.
Mipetraka miankavanana : Rainidamary, Ramaka, Andriambelo, Rainibao, Rainitrimo, Andriamifidy.


Folo no isan’ny misionera L.M.S. tao amin’ny komity ka izy ireo dia nanana mpanampy malagasy tsirairay avy. Ny anarana vitsivitsy voatahiry amin’izy ireo dia : Ralaiarivony, loholona tao amin’ny Fiangonana Anatirova sy Andriamamanga, mpitandrina tao Isotry nanampy ny filohan’ny komity ary Rajaonary, mpitandrina tao Antsampanimahazo, nanampy ny Rév. Ch. Jukes.

Mandrakariva dia ny anaran’ny misionera ihany no voasoratra sy voarakitra any amin’ny tahirin-kevitra fa ny an’ireto mpanampy malagasy dia tsy mitranga na aiza na aiza.


IV — Rajaonary sy ny literatiora

Mpandika teny mahay, mpamoron-kira nikoizana ary mpamaky lay teo amin'ny pôezia Rajaonary.
 

Mpandika teny mahay

Mpandika teny mahay Rajaonary. Ilay boky hoe : Rakitry ny Soratra Masina, izay nanampy tokoa ny mpitoriteny, dia izy samy irery no nandika azy ho teny malagasy avy tamin’ny teny anglisy. Araka izany dia ny dika teny anglisy – malagasy no tian-kolazaina eto. Araka ny filazan’i F. Rasoamanana (1876) dia nanampy be an’i J. Swell, Rajaonary sy Andriankola tamin’ny nanaovany ilay Diksionary Englisy sy Malagasy (ho an'izay mianatra teny englisy) (1875) sy nandikany an’i Palissy the Potter.

Mpamoron-kira nikoizana

Mpamoron-kira nikoizana koa izy ambonin’izany. Raha ny hamaroan’ny hira noforoniny ao amin’ny Fihirana, na ny hasoan’ny hevitra sy ny teny andaharany azy no jerena, dia milahatra amin’Ingahy J. Andrianaivoravelona rainy izy.

15 ny hirany mbola voatana ao amin’ny boky Fihirana protestanta mandraka ankehitriny. Mahalana foana no tsy andrenesana ny hiran-dRajaonary any amin'ny isam-piangonana rehetra any ao anatin’ny ny fotoam-pivavahana, isaky ny alahady. Ao ireo maneho ny fiainana kristianina mitory fibebahana sy mangata-pamonjena ka manolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Isan’izany ny : Avia, Jehovah Tomponay (438), Jeso Sakaizanay (513), Jesosy ô, Hianao no faleha (474). Ao ireo fanao amin’ny fotoana manokana tahaka ny : Ilay havoana (96), Fony Jeso nivahiny (774), He, vokatra ny tany (273)...

Anisan’ny nampiavaka an-dRajaonary koa ny fanohanany sy ny fankasitrahany ny ban-kira zafindraony izay nezahin’ny Misionera fatratra ny hanafoana azy satria tsy manaraka ny tiona anglisy.

Pôezia : mpamaky lay

Mpamaky lay Rajaonary teo amin’ny fanaovana pôezia tsotra ka nahaloa-bava an’i F. Rasoamanana sakaizany hiantso azy ho "ny pôety malagasy voalohany indrindra". Ny tena nampalaza azy dia ilay Abidian’ny Toaka nivoaka tao amin’ny Sakaizan’ny Ankizy Madinika tamin’ny taona 1880. Tsy hita isa ny olona, na kely na lehibe, eran’i Madagasikara, nahay tsianjery azy io. Araka ny filazan’ny mpahalala dia io no "Abidian’ny Toaka tsara indrindra, ka tsy nisy olona hafa izay nahavita tahaka azy intsony, na dia maro aza no nanao taty aoriana".

Toy izao no filazan’ny mpanorina ny Mitady ny very, Ny Avana Ramanantoanina, Charles Rajoelisolo, Jean Joseph Rabearivelo, mikasika an’io Abidin’ny toaka nataon-dRajaonary io :

"...
- Ary ny amin’ny Abidin’ny toaka atsangany ho sampy ankehitriny mba ahoana?
- Ny iray tamintsika moa tsy efa nilaza ny heviny momba io tao amin’ny Mpanolo-tsaina?
- Eny, nefa aoka aloha tsy hohadinointsika fa Itompokolahy Rajaonary namorona azy dia azo lazaina ho isan’ny nahavita ny tsara indrindra tamin’ny androny, dia toa an-dry Itompokolahy Rajaofera, Rasandy, etsetra. Azo itompoana koa fa mbola tsy nisy mpanoratra nahavita versification vazaha amin’ny teny gasy hoatra azy, na dia fomba hafahafa sy tsy tontosa aza ny karazan-drima nampiasainy ao, dia ilay mitovitovy amin’ny rime serée izay iray amin’ireo iraikambinifolo fanao efa ho efajato taona lasa izay."

Ny Fandrosoam-baovao, n°36, 18 mai 1932

NY TOAKA

INDRAY Sabata hariva izay dia vory tao an-trano ireto izy mianakavy, sady nisy vahiny koa tonga teo ka tafandriana. Nahafinaritra ny resaka nataon’izy rehetra ireo; ka nony inona dia nisampy ny resaka ka tafahatra tamy ny toaka izay nahavoa any Noa (Jen. ix. 18—29). Dia notohizan-dRangahy tompon-trano izany teny izany sady nampiany anatra mahasoa koa : ary izy rehetra samy nangina nihaino azy avokoa. Kanefa Jaona zanany lahimatoa
dia tsy naharitra ka niteny tamin-drainy hoe : —

"Hay! ny toaka ratsy ela be tokoa,
Hatrizay niainan-tany !
Nisy fony mbola velona ry Noa ;
Loza loatra re izany !"

Dia nisento rainy nony nandre izany tenin-janany izany, fa tsaroany be hiany ny maro izay nitondra fahoriana tamy ny toaka, ka dia hoy izy taminy Jaona : —

"Eny, ratsy ela, sombinaiko !
Fony hatrizany
Be no nanjakany ;
Maro be izao no mby an-tsaiko
Azo tantaraina
'Zay nalany aina ;
Moa tsy tadidinao, ry Jaona,
'Lay naratra teo ambony laona ?
Mamo izy iny ka nitondra ratra nody—
Ratra nahafaty, fa tsy laitram-panafody ;
Nefa maro koa,
Tsy iray na roa,
Betsaka tsy tambonao isaina,
Maro be tsy azoko lazaina."

Dia nanjonitra tery Jaona nahatsiaro ilay olona naratra, ka ory tokoa ny fony nahare azy hoe maty tamin’izany. Dia nipararetra ila tsy hahaloa-peo akory izy noho ny alahelony, sady ela nanganohano ny ranomasony, dia hoy izy tamin-drainy : —

"Edrey ! fa maty ve rangahy
Ilay naratra teo fahiny ?
lndrisy ! mahonena lahy !
Hay ! mamo izy androtriny !
Kanefa ankehitriny, moa tsy maro be
No mbola mamo lava. Ka nahoana re ?

Mba ta-handre ka ilazao,
Izay fanaony tantarao."

Dia tafatsangana tery rainy tamin’izay ka nampiseho ny haratsin’ny toaka ; ary noho ny hafanan’ny fony loatra dia hoatra ilay nisy olona maro be iny nihaino ny teniny. Nasesiny araka ny Abidy no filaza azy, sady ny anarany koa aza dia nataony hoe "NY ÀBIDIN' NY TOAKA." Dia izao no teny nalahany :—

ABIDIN’NY TOAKA


A
Adala ny olona izay tia toaka 
Adabok’ireny ny vola ka lany 
Ataony ambody barika avy hatrany 
Areti-mandoza no vokatr’izany


B
Bedain’ny sasany ilay tia toaka
Babon’ny Satana ny fony rehetra
Barika mandeha toa manjoretra
Baikoan’ny vola tsy misy fetra



D
Doran’ny sain’ilay tia toaka
Daka diamanga ireo mampijaly azy
Difotra ny ainy tsy vazivazy
Daroka sisa no mananatra azy


E
Efitrin’ny helo no fiainan’lay tia toaka
Eso, latsa no ravakin’ny androny
Efa lefy matroka izato masoandrony
Esorin’ny Satana ny kely manome ny heriny



F
Fasana no miandry an’ilay tia toaka
Fongana avokoa izay hany fananany
Fandrika miandry ny lalan-kalehany
Fonja manjohy ka mitady ny tenany


G
Godraka ny tenan’ilay tia taoka
Gaga ny olona mijery ny toetrany
Gidragidra lava no androm-piainany
Gaigy sy romotra no fomba fijeriny



H
Hetahatan’adala ny an’ilay tia toaka
Hevitra taingina no avoakan’ny vavany
Henatra baraka no mameno ny tenany
Hosoka halatra no fihetsiketsehany


I
Iza no mba havan’ilay tia toaka
Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany
Ilaozan’ny maro fa kely ny sainy
Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany



J
Janga no lalan’ilay tia toaka
Jereny ny marina toa fahavalony
Jesoa halany ka tsy ankasitrahany
Jonon’ny Satana izy fa tena rembiny


K
Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka
Kamboty velona ireto taranany
Kitraitraina ny vady aman-janany
Kamo be tenda no tena talentany



L
Lova ratsy no anjaran’ilay tia toaka
Lany ny harena noho ity fahadalany
Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
Lalan’ny helo no indro izorany


M
Mangozohozo ny tenan’ilay tia toaka
Mikainkona ny voa vokatr’izany
Matimaty foana ny vady aman-janany
Mijaly maloka no fiafaran’ny fiainany



N
Nahoana no manjombona ilay tia toaka
Nanafina ny tava noho izato ditrany
Natahotra sao  hijinja ny vokany 
Ny antson’i Jesoa tsy nasiany dikany


O
Ozona no miandry an’ilay tia toaka
Olona meloka ireto taranany
Ory misento ny androm-piainany
Omby mahia tsy lelafin’ny namany



P
Potika ny androm-piainan’ilay tia toaka
Potraka faona ka hopitaly no tranony
Pentina sisa no mamantatra ny tenany
Peratra sarotavohangy no hany ravany


R
Rovitra akanjo no anjaran’ilay tia toaka
Ratsy fitafy izato vady aman-janany
Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
Ratra, rangotra no valim-pananarany



S
Sempotra lava ilay tia toaka
Sady bila fandeha no mena ny masony
Safotra miakatra ambony ny tosidrany
Sahirana lava ka makanimakany


T
Taranaka mijaly ny an’ilay tia taoka
Tenany very ary koa izato hajany
Tapitra sy levona ny fahasambarany
Tranomaizina no toa mba anjarany



V
Voa mikainkona sisa ny an’ilay tia toaka
Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany
Very haja ny tenany fa lany izato harenany
Vitsika mandady avy toa tsy matiny


Z
Zara raha velona ity tia toaka
Zovy no manana fo mifora sabora
Zovy no mpangataka voa korakora
Zatovo naditra iny fony Tanora



R-J-Y
Ny Sakaizan’ny Ankizy Madinika, taona 1880, tak. 164-166



Langehatra  dia anaran’ny toaka vao noforonin’ ny mpisotro toaka ho enti-manafina azy
Barisa=toaka, teny Sakalava.  
Barandro = toaka, teny betsileo



AO NY LANITRA TSARA TOKOA
N° 223 ao amin’ny Fihirana LMS nivoaka 1879 (mpanoratra : R-J-Y sy JA). N°  684  ao amin’ny Fihirana protestanta ankehitriny (ahitana andalana nasiam-panovana sady nofafana ny anaran-dRajaonary ka Josefa Andrianaivoravelona sisa no mpanoratra)


1. Ao ny lanitra tsara tokoa
Izay fonenana mandrakizay
Tsy mba misy aretina koa* :
Ao isika hihaona indray

Ref:
Mifalia, mihobia
Fa ao isika mihaona indray

2. Ao ny lova tsy misy manjo**
Sy fiainana mandrakizay
Voninahitra tsy mba ho lo
Ao isika hihaona indray

3. Ao ny Ray mpanome zava-tsoa***
Hovantanina rahatrizay
Izay hampiditra hoe "mandrosoa"
Ao isika hihaona indray

4. Ao ny Zanaka be indrafo
Izay nijaly taty fahizay
Nefa tsy mba nahita ny lo
Fa efa velona mandrakizay

5. Ny Fanahiny masina koa****
Izay mitarika antsika izao
Sy mananatra antsika ho soa
No mitondra antsika hankao

6. Matokia, miravoa, mifalia
Fa azontsika ny lapan'ny Ray
Miderà, mihirà, mihobia
Fiadanana mandrakizay

J A sy R-J-Y


*Tany be hasambarana koa   ** izay mamin'ny fo   *** loharanon'ny soa   **** Fanahin'ny Ray ao tokoa

MITSANGANA RY MPIVAHINY
INDRO, AVY JESO TOMPO


N°52 Fihirana 1879
N°59 Fihirana 1879

1. Mitsangana ry mpivahiny
Indro, Jeso Tomponao ;
Be ny helokao fahiny,
Izy manadio anao.

2. Mandehana, mpivahiny !
Jesoa no alehanao ;
Izy re no lalana any,
Ka ho tonga hianao.

3. Mahereza, mpivahiny !
Misy ta-hanimba anao ;
Ka aza mety hamboseny,
Fa reseo ny rafinao.

4. E ! Faingana, mpivahiny !
Jeso ta-handray anao ;
Izy ao ankehitriny,
Ao ny lova ho anao.

R-J-Y

1. Indro, avy  Jeso Tompo,
‘Lay mpamonjy tianao ;
He ! Arahin’ny anjely
Avy ao an-dapa ao.
Indro, tamy Jeso Tompo,
Indro tamy ka jereo ;
Mba derao ilay Mpanjaka
Sy Mpitsara lehibe,
Fa ho avy izy haka
‘Zay rehetra mino e

2. Fa ny firenen-drehetra
‘Zay tsy nino hatrety
Ory sady manjoretra
Raha mahita ny ary.
Indro, tamy Jeso Tompo,
Mba hamaly ny mpandà ;
Fa endrey ! tomany mafy
Sady ory, fa handray
Valin’asa, ‘zay nafafy
Fony ela hatrizay.

3. Ao ny havany rehetra
Ho finaritra tokoa,
Sambatra ka tsy mitsetra,
Fa handova tany soa.
Indro, tamy Jeso Tompo,
Indro, tamy ka jereo :
He ! Injao, fa hoe "Midira,"
Ka andeha mba hankao ;
Dia any no hihira,
Haleloia no hatao.

 R-J-Y


V — Rajaonary sy ny fahaleovantenan’ny fiangonana

Tsy misononoka sy tsy misy raorao araka ny fitantaran’i Clark (Tantaran’ny Fiangonana) sy Rabary (Daty Malaza) azy akory ny fifandraisan’ny Misionera vazaha tamin’ny fanjakana malagasy, tamin’ny vahoaka kristianina ary indrindra tamin’ireo Mpitandrina malagasy mpiara-miasa taminy.

Nitombo hatrany ny lazan-dRajaonary teo Antsampanimahazo sy eran’Antananarivo sy ny manodidina. Ireo mpitandrina zokiny tahaka an’Andrianaivoravelona dia tsy nanaiky koa ho ambanin’ny Misionera anglisy. Ry Andrianony tao Ambohitantely aza tsy nanaiky ho fehezin’ny Misionera anglisy mihitsy ka voatery niala ny LMS ka nomeny ny FFMA io distrika io. Ny Fiangonana tao Anatirova koa dia tsy nananan’ny Misionera fahefana mihitsy.

Toy izao no fanazavan’ny Rev. Toy io hantsana mampisaraka ny Misionera anglisy sy ny mpitandrina malagasy io (taratasy ho an’ny foibe LMS tamin’ny 13 nov 1875).

"Miaina loatra amin’ny maha-olon’ny fikambanana sy ny maha-teratany anglisy antsika isika hany ka tsy mahay manaraka firy ny fomba fisainan’ny mponina eto. Manahy aho fa misy hantsana manelanelana antsika roa tonta izay mihalalina hatrany isan-taona, ary misy toe-javatra misoko moramora izay azo antoka ny vokany fa hampisaraka antsika tanteraka.... Mora tohina izy ireo amin’ny tsy fanajana azy. Tsy ekeny ny hiheverana azy ho olona ambany noho isika... Na ny mpitandrina koa aza mba voahodinkodina amin’izany ny lohany, ka eo amin’ny lafin-javatra tsy mampifanaraka antsika aminy, dia tokony ho fantatsika fa tsy maintsy hiaro azy ireo ny kaongregasiona misy azy". (F. Raison : 654, note 3).

Araka ny fikarohana nataon’i Bonar A. Gow (1979) dia betsaka ireo Misionera no tsy azoazon’ny olona tany ambanivohitra tany toa an-dry Briggs tany Ambohibeloma sy ry Rev. Thomas Matthews tany Vonizongo ka matetika izy ireo no voaroba ka voatery nangataka fiarovana manokana mihitsy tamin’ny fanjakana. Nanampy trotraka rahateo moa ny fiezahan’ny Misionera hanadio ny fiangonana malagasy amin’ny fanandevozana, amin’ny fampirafesana, amin’ny fimamoana, amin’ny zafindraony, amin’ny lalao isan-karazany.

Nanomboka teo amin’ny 1887 teo dia toa sosoa notampohan-drano ny hafanam-pon’ny olona hivavaka na hiditra ho kristianina. Asa na vokatry ny ady nifanaovan’ny Frantsay sy Malagasy na noho io "fanadiovana" mivaivay nataon’ny Misionera io satria ny tanjona nokendreny moa dia ny hampiditra ny fombam-pivavahana vazaha tsisy fangarony teto Madagasikara. Toa nihanahazo vahana indray ny fiverenana tamin’ny fivavahan-drazana.

RajaonaryTeo anatrehan’izany rehetra rehetra izany, tamin’io vanim-potoana (1887-1893) io, dia nihetsika ireo mpianatra tanora toa an-dry Rabary (sary ankavia) sy ry Razafimahefa ka namerina ny fiangonan-kariva tany an-tranon’olona ary nitory teny, nanao andiany, teny an-tsena.

Tetsy andaniny izany anefa dia nihaniseho lany ny fanirian’ireo mpitandrina malagasy hahaleontena kanefa tsy afa-nanoatra ka teo amin’ny fanandratana ny hira zafindraony no nanehoany an’izany araka ny efa voalazantsika tetsy ambony. Noheverin’ireo Misionera fa mitady hioko izy ireo ka nilany voatsiary.

Tamin’ny taona 1890, dia naely ny tsaho fa tsy mendri-pitondran-tena Rajaonary. Ny Rev. Matthews no nandimby ny Rev. C.F. Moss tao Antsampanimahazo tamin’izay. Rehefa navadibadik’io Misionera io anefa izany honohono izany dia hitany ihany fa tsy mitombina ilay izy. Tamin’ny taona 1893, rehefa tafaverina avy tany Angletera Rajaonary, dia nampangain’ny Rev. B. Briggs, misionera tao Ambonin’Ampamarinana, ankitsirano ho maloto fitondran-tena. Nentina teo anatrehan’ny fiangonana ny raharaha ka nangataka ny loholona sy ny diakonina ny hanomezana mazava ny porofo manamarina izany fiampangana izany. Tsy nahita porofo anefa ireo Misionera ka dia nolavin’ny fiangonana ny fandroahana ny pasitera Rajaonary. Noho ny fizirizirin’ny Misionera amin’ny heviny dia niditra ho mpanelanelana ireo mpitandrina malagasy toa an-dry Rainitrimo tao Ambodin’Andohalo sy ry Andrianony tao Ambohitantely. Rehefa nohadihadian’izy ireo dia tsapany fa tsy manam-pahotana Rajaonary ka noho izany dia afaka mampandray ny Fanasan’ny Tompo tahaka ny mpitandrina rehetra. Tsy neken’ny Misionera anefa izany fanelanelanana izany satria nolazainy fa ny fiangonana masin’Andriamanitra dia tsy maintsy diovina ary azy ny fiangonana koa dia mandidy manapaka ry zareo. Noho izany, nohidiany ny trano fiangonana ny 8 oktobra 1893 ka voatery niangona teo an-tokotany ry Rajaonary sy ireo mpanara-dia azy.

Manoloana  izany fanamparam-pahefan’ny Misionera LMS izany dia niala ry Rajaonary sy ireo Malagasy namany ka nanorina Trano Zozoro teo am-pita atsinanana tsy dia lavitra teo Ambatovinaky, ny 1 avrily 1894.

"Tena akanga sisa nananborana ny tao Ambatonakanga, taloha kelin’ny nahatongavan’i Joseph Rabetafika (1 sept 1906), hoy ny mpitantara, satria ny akamaroan’ny olomanga tao dia nandeha nanao Tranozozoro"


VI — Rajaonary sy ny Fiangonana Malagasy Zanaky ny Baiboly

Io alakamisy 1 avrily 1894 io izany no daty fitsangananan’ ny Fiangonana Zanaky Ny Baiboly tamin’ny fomba ofisialy ary ny alahady 4 avrily no nankalazana an’Andriamanitra.
Ireto ny Komity nitondra ny fiangonana :

Filoha : Rajaonary, pasitera
Mpitan-tsoratra : Rafilipo sy Rainisolofo
Mpitahiry vola : Andriamanga sy Andriantefy
Mpikambana : Rasanjy, Razafindralambo, Andrianaivo, Rainibao, Ranarijesy, Andrianambo, Rainijaona, Rainimiarandraisoa, Rainijaonary, Andriamamonjy, Rainibenoro, Rabesikina, Rainimamonjy, Rainibeonja, Ratsarahoela, Andriatavy
(ARDM F.128)

Hitantsika amin’io anarana nofidian-dry zareo ho an’ny Fiangonana io fa mahatsiaro tena ho matotra sy vontom-pinoana ny mpikambana tao, tahaka ireo maritiora tamin’ny andron’ny fanenjehana, ka afaka hahazaka tena tsy mila misionera mpitantana intsony.

Nahatratra 350 ny mpiangona tamin’ny voalohany ary hira malagasy zafindraony no nentina nankalazana an’Andriamanitra. Nanohana hatrany an’ity fiangonana malagasy voalohany mahaleotena tsy eo ambany vahohon’ny Misionera vazaha ity ireo mpitandrina zokiny saingy taona vitsivitsy taty aoriana dia nampiana mpitandrina tanora izy ireo.

Taty aoriana dia nifindra teo amin’ny toerana misy azy ankehitriny ny fiangonana izay natsangana tamin’ny biriky ka izany no naharaikitra azy ho Antranobiriky mandrak’izao na Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky (FMTA).

Dia nitandrina tao Rajaonary mandra-pahafatiny tamin’ny 12 septambra 1902 ka fatratra tokoa ny alahelon’ny olona azy.

Rajaonary

Rajaonary
Rajaonary Mpitandrina, Mpandika teny mahay, Mpanao tononkira malaza

Rasoanaly
vadin'ny Mpitandrina Rajaonary

"Nisaona azy avokoa ny mpiangona rehetra tamin’io fiangonana notandremany io, ary tsy mbola nisy toy izany teto Antananarivo". Lasa Rajaonary fa ny Tompo no hiahy ny vadiny Rasoanaly sy ireo kamboty kely telo mianadahy (Raliza, Rasoarinaly ary Rafaralahy Georges).


Fehiny


Ho famaranana dia indramintsika ireo andalan-tsoratr'Andriamatoa isany Charles Ravaloson sy Mbato Ravaloson, tao amin'ny boky nosoratan'izy ireo ho fankalazana ny fahazatotaonan'ny fiangonana FMTA, izay mampiseho sy mamintina tsara ny maha izy azy an-dRajaonary.

" Isan'ny kintana namirapiratra teto Madagasikara Itompokolahy Rajaonary, ka nalefan'ny L.M.S. hanatevina ny fiofanany naha-mpitandrina azy tany Angletera. Nanomboka nitsoka teto Imerina tamin'izany ny rivotry ny fanjanahantany sy fanjanaham-panahy.

Tsy zakan'ny fo amam-panahin'Itompokolahy Rajaonary sy ireo kristiana niara-dalana taminy izany ka teraka teo ny Fiangonana mahaleotena voalohany, Fiangonana Zanaky ny Baiboly, izay loharano nipoiran'ny Fiangonana Mahaleotena Tranobiriky Antranozozoro (F.M.T.A.) ankehitriny.

Nanan-danja lehibe teo amin-dRajaonary ny toe-tsaina sy toe-panahy maha Malagasy ny Malagasy nohamafisin'ny Filazantsara, ka misarika fahasahiana hijoro sy hanohitra izay tsapa fa tsy mifanaraka amin'ilay "Fitiavana" sy "Fifankatiavana" notandroin'ny Malagasy, koa dia teraka teo ny F.M.T.A.

Isan'ny mampiavaka ny firenena tsirairay ny vako-drazany sy ny zava-kantony. Nolazain'ny Misionera anefa fa tsy mendrika ny fiangonana kristiana ireny ka nohenjehiny tsy navelany hokasihin'ny kristiana. Rajaonary kosa dia nitazona sy nikolokolo ireny vako-drazana ireny satria Malagasy midera an'Andriamanitra sy miaraka amin'Andriamanitra ka midera Azy sy miaraka Aminy amin'ny maha Malagasy azy. Tsapa fa mbola iainan' ireo kristiana maro ao Tranozozoro izany hatramin'izao fotoana izao.

Fanoherana ny fomba fitondran'ny Misionera sy ny mpanao fanjakana izay nihevitra ny Malagasy ho ambany no fototra niorenan'ny Tranozozoro ary azo heverina ho endrika iray nanehoan'ny Malagasy ny fijoroany amin'ny maha izy azy izany".

Farany, mampiseho ny hambom-po malagasy ny tantaran’ny fiangonana Tranozozoro. Talohan’ny Menalamba (1896), ny VVS (1915), ny tolona nataon-dRalaimongo sy ny namany (1920-1929), ary ny sisa nanaraka taty aoriana dia efa nitaky sahady fizakantena (tsy hiankina amin’ny misionera vazaha) sy fahafahana ara-pivavahana ry Rajaonary sy ny namany tamin’ny taona 1893. Taty aoriana, io hetahetam-pahaleovan-tena mivaivay io dia nanjary hetaheta politika mivelatra ho an’ny firenena.

Boky nanovozan-kevitra

- Françoise Raison-Jourde, Bible et pouvoir à Madagascar au XIXè siècle. Invention d’une identité chrétienne et construction de l’Etat, éd. Karthala 1991.
- Françoise Raison-Jourde, La fondation des temples protestants à Tananarive entre 1861 et 1869. Annales de l’Université de Madagascar n°11 p.11-55. 1970
- Ravelojaona sy Rajaonah Gabriel, Firaketana ny Fiteny sy ny Zavatra malagasy, Impr. Industrielle, 1937-1972 (A-M).
- Rajaonarimanana N. sy Ranaivosoa A. D., Rajaonary (1850-1902). "Or tombé dans la poussière…", Antananarivo, Tezaboky, 2019
- Rajhonson Emile, Tantaran’ny fiangonana Antranobiriky, 1928-1937, Boky telo
Rahamefy Jacques, Tantaran’ny fiangonana Mission Indépendante Tranozozoro Antranobiriky (Mita), Imp. Ambatonakanga 1957.
- Tantaran’ny fiangonana Ambatonakanga sy ny misionera ary ny mpitandrina nifandimby tao, ho fahatsiarovana ny faha-100-n’ny Tranovato, tonian’ny fanoratana Ramiliarison Henri, Imp. NIAG 1967
- Fiangonana tranovato Ambatonakanga F.J.K.M : ny tantarany nandritra ny 110 taona, tonian’ny fanoratana Ramiliarison Henri, Imp. NIAG 1977.
- Fiangonana tranovato Ambatonakanga FJKM fahatsiarovana amboaran-tsary, Imp. NIAG 1977
- Simon Ayache et Charles Richard, Une dissidence protestante malgache : l’Eglise Tranozozoro, Omaly sy Anio n° 7-8 pp. 133-181, 1978.
- Bonar. A. Gow, Madagascar and the protestant impact. The work of the British misions, 1818-95, Longman and Dalhousie University Press, 1979.
- Topimaso, taratra, banjina : tadidin’ny 100-n’ny sekoly alahadim-piangonana voalohany, tonian’ny fanoratana Ranaivosoa A. Désiré, ronéotypé, 1982
- Ravaloson Charles sy Ravaloson Mbato, Antranobiriky, Fiangonana tsy miankina voalohany teto Madagasikara, ronéotypé 1982.
- Lucien Emmanuel Randrianarivelo, Ratany (1856-1944), mpampianatra tao anatirova ary ny tantaran’i Madagasikara, boky roa, Antananarivo, Newprint, 2004, 1528p.
- Regis Rajemisa Raolison, Dictionnaire historique et géographique de Madagascar, Fianarantsoa, Ambozontany, 1968
________________________
* Rajaonarimanana Narivelo
   Professeur émérite des Universités
   Inalco — Paris

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
 © Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 15/07/2020

×