Créer un site internet

Ny Tsikitsikinao - Dox, fandalinan'i Ny Avo Elabakaka

Ny Tsikitsikinao, tononkalon'i Dox
Ny Avo Elabakaka — 19/12/2025

PoetawebsZavakanto enti-maneho hevitra sy fihetseham-po amin’ny alalan’ny teny voarindra ny tononkalo. Amin’ny teny tsotra nefa manan-danja no anehoan’ny poeta ny fomba fijeriny ny fiainana. Anisan’ireo miresaka an’izany ity andininy voalohany amin'ny “Ny Tsikitsikinao” tononkalon’i Dox, nalaina tao amin'ny boky Folihala tak 61, manasongadina fa manan-danja amin'ny fifandraisan'ny olombelona ny tsiky.

PoetawebsAngamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana…
Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany…
Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana…
Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !

Raha eo amin’ny fiainana andavanandro, mifantoka amin’ny fihetsika tsotra izay mety hiteraka vokatra lalina ity tononkalo ity. Ny tsikitsiky, izay heverina ho fihetsika madinika sy tsy misy lanjany firy, no ampiasain’ny mpanoratra hanehoana fa mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny hafa ny zavatra atao tsy am-piheverana.

Ao amin’ny andalana voalohany sy faharoa dia asehon’ny poeta ny tsy fahatsapan’ilay nandefa tsikitsiky ny vokatra aterany. "Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana…" Tsy nampoiziny akory fa nisy olona nandray izany ho zava-manan-danja. "Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany…" Hita mazava eto ny fahasamy hafana misy eo amin’ny fikasana sy ny vokatra ateraky ny fihetsika iray.

Manaraka izany, fanoharana lehibe tsy azo odian-tsy hita ny fampitahana ny tsikitsiky amin’ny voninkazo. Mariky ny hatsarana sy ny fifaliana ny voninkazo, ka amin’ny alalan’izany no anehoan'ny mpanoratra fa mitondra haravoana sy fahazavana ho an’ny hafa ny tsikitsiky, na dia tsy tsapan’ilay nandefa aza ny hasarobidiny. Hoy indrindra i Dox manamafy izany eo amin’ny an-dalana fahatelo hoe : "Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana…"

Farany, ny filazana fa "nisy tia nioty” ilay tsikitsiky dia manambara fa noraisina sy notahirizina tao am-po izany. Tsy nandalo fotsiny ilay fihetsika, fa lasa loharanom-pifaliana ho an’izay nandray azy. Hamafisina eto fa mety hiteraka fifandraisana ara-pihetseham-po lalina ny fahatsorana sy ny hatsaram-panahy.

Araka izany, mampianatra ity tononkalo ity fa tsy tokony hatao tsinontsinona ny tsiky izay zava-madiniky ny andavanandro kanefa manome fifaliana, fitoniana, fiadanam-po ho an'ny manodidina. Mety hanova toe-po sy hitondra fanantenana ho an’ny hafa ny tsikitsiky tsotra. Koa manentana ny tsirairay ny mpanoratra mba hizara hatsaram-panahy amin’ny manodidina azy, satria mety ho lasa zava-dehibe ho an’ny hafa ny fihetsika kely ataontsika.

Ny Avo Elabakaka
• Ny Tsikitsikinao - Dox, fandalinan'i Ny Avo Elabakaka

Ajouter un commentaire

 
×