Malagasy mankany fa eto... hatrany! - Toetra Ràja

Malagasy mankany fa eto... hatrany!
Toetra Ràja — 19/12/2025

PoetawebsAnisan'ny mety ho tombony ho an'ny Malagasy ny maha mponin'ny nosy, sady lehibe no manan-karena, azy. Tsy voatery ho voafaritry ny loharanon-javaboahary ihany izany harena izany fa ao indrindra koa ny olony, ny kolony, ny teniny, ny soatoaviny...

Tsy misakana ny Malagasy tsy "hankany" anefa izany, izany hoe hivelatra amin'ny firenen-kafa, na amin'ny alalan'ny fiampitana ranomasina, na amin'ny fifehezana ny tenin'ny hafa, na amin'ny fanjifana sy fampiasana ny vokatra avy any ivelany...

Ny zava-dehibe sady manan-danja anefa dia ilay fon'ny Malagasy mitepo ho an'ny fireneny ka hahavitany asa goavana ho azy. Tsy fahalemena ny "mankany" satria "eto... hatrany" ny hery amam-panahy manontolo. Iray amin'izany ny kolontsaina malagasy fikirina lalina ao anaty ary apariaka ho fantatr'izao toontolo izao, satria fanoitra lehibe ho fampandrosoana ny firenena iombonana.

Toetra Ràja
• Malagasy mankany fa eto... hatrany! - Toetra Ràja

Ajouter un commentaire