Tapatapakahitra nifanaovan'i Hanitr'Ony tamin'i Toetra Ràja
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

08 janoary 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

Hanitr'Ony, manolotra ny "Mitepo - Tempo"
Pôetawebs Mitombo iray indray ny bokin-tononkalo malagasy novokarina ivelan'ny Nosy. Ambonin'izay dia nosoratana tamin'ny teny roa izy. Nahasarika ny Pôetawebs ny nitapatapakahitra tamin'ny mpanoratra azy. I Hanitr'Ony no manolotra ho antsika ny "Mitepo - Tempo".

Mandray azy eo amorom-patana i Toetra Ràja.

Toetra Ràja

Miarahaba anao Hanitr'Ony nahatafavoaka boky vaovao. Araka ny lohateniny, nokajiana manokana ve ny gadona sy ny lohahevitra fitiavana ao amin'ny boky?

Hanitr'Ony
Faly miarahaba anao sy ny mpamaky ny Pôetawebs Toetra Ràja. Ny fo no mitepo, fo miaina, fo miaina fitiavana, fo miaina fitiavana amin’ny endriny maro. Ireny no manome rindra sy paika ho an’ny fiainana, ngadona amin’ny endriny maro koa, satria mifanaraka amin’ny toe-po, ny fihetseham-po sy ny toe-javatra mitranga samihafa. Ny tononkalo koa anefa dia manana ngadona : Tsy nokajiana manokana akory izany ireo fa mandeha ho azy manaraka ny fiainana.
Ny lohateny natao hoe Mitepo – Tempo kosa dia safidy satria lalaom-peo eo amin’ny teny mitovitovy fanoratra, nefa tena ary teny samy hafa. Teny misaraka fa tsy teny verin-droa ary tenim-pirenena roa miavaka. Mitepo amin’ny teny malagasy, izay mitovy hevitra amin’ny hoe mitepotepo ihany : matoantenin’ny mpanao midika hoe "Mipaipaika, midondòna moramora, miemponempona" hoy ny Rakibolan-dRajemisa Raolison. Ny fo no mitepo. Ny "Tempo" kosa dia ny teny frantsay midika hoe ngadona na paika. Izany hoe ny ngadon’ny fitepon’ny fon’ny Olona ety amin’ny lalamben’ny velona.
Hita taratra eto koa amin’izay, Toetra Raja, fa tsy tokony handiso intsony isika ny fanoratra ny teny malagasy mitepotepo, izay tsy misy "m" !
Farany dia manome sary sahady fa amin’ny teny roa ny boky satria ny tononkalo ao dia voadika teny avokoa (Malagasy sy Frantsay). Misy tsipi-panohizana ho an’ireo liana hamaky ny aingam-panahy malagasy nefa tsy mahafolaka tanteraka ny teny, mety mba hanentana azy ireo hitia sy handalina bebe kokoa e.

Toetra Ràja
Boky fahafiry navoakanao moa ny "Mitepo - Tempo"?

Hanitr'Ony
Maro ny boky niaraha-navoaka tamina mpanoratra na amin’ny fikambanana na tsia, isany ny miaraka amin’ny Havàtsa-Upem (Tatamo, Havatsa Notsongaina, Mirazotra, Santa-bokatra), ny amin’ny fandalinana samihafa notarihin’ny mpampianatra Dominique Ranaivoson (Dox, écrivain et musicien à Madagascar, Editions Sepia 2009 ; Ecrire en français à Madagascar, Sommet de la Francophonie, Editions Tsipika, 2016), ny Takelaka Tsara Soratra (lah 000, lah 001, lah 002, lah 003), Lettres de Lémurie (Editions Dodo Vole, 2019), Project’Iles Revue (lah.06, 2019), sns. Fa ny an’ny tenako manokana dia faniefany izao i Mitepo-Tempo, taorian’ny "Bitsik’Ony" (Felan-tatamo Havàtsa, 1997), Tsirin-kalokalo (2011), Deux fois une (Editions Sépia, 2016).


Pôetawebs Pôetawebs

Toetra Ràja

Nosoratana tamin'ny teny roa ny boky "Mitepo Tempo" toy ny "Deux fois une" ihany. Mirona amin'izay endrika izay ve i Hanitr'Ony amin'ny ho avy?

Hanitr'Ony
Misaotra Toetra Ràja amin’izay fanontaniana manan-danja izay. Isan’ireo firenena tsy dia hita firy eo amin’ny sehatry ny haisoratra iraisam-pirenena i Madagasikara ankehitriny satria vitsy no mivoaka sy voadika amin’ny teny vahiny ny mpanoratra malagasy. Na eo aza ireo mpanoratra malagasy mampiasa ny teny frantsay, dia vitsy ny mpanoratra manoratra amin’ny teny malagasy no fantatra ivelan’ny Nosy. Izany dia noho ny havitsian’ny sangan’asa voadika teny. Safidy izany no namoahako ny « Deux fois une » amin’ny teny roa, mba ho fampahafantarana ny haisoratra malagasy ankehitriny amin’ireo vahiny na ireo tsy mahafolaka ny teny, sy ivelarany ivelan’ny Nosy. Indrindra koa mba anehoana ny herin’ny tenintsika mahalaza ny lohahevitra lehibe avy amin’ny mpanoratra andrarezina amin’ny firenen-kafa (Victor Hugo, Paul Verlaine, Léopold Sedar-Senghor, William Shakespeare,…). Noho ny fangatahan’ny mpamaky sy ny fanohizana izay ezaka fizarana izay no nahatonga ny « Mitepo-Tempo » ho amin’ny teny roa koa. Ny ho avy kosa no aoka hilaza ny tohiny, ny amin’ny fironana amin’io endrika io na tsia, tsy manisy fefy aloha ny tenako fa mamokatra amin-kalalahana araka ny tanjona voafaritro isaky ny vinan’asa.


Toetra Ràja
Nisy manampy anao ve tamin'ny fanolorana ny boky sy ny rangotsiaro tamin'ny 16 desambra 2019 ?

Hanitr'Ony
Eny, tena tsy miasa irery akory ny mpanoratra fa misy fikambanana manohana fatratra amin’izao ezaka izao, isaorako manokana izy ireo. Ny nandrisika sy nanampy dieny tany am-boalohany dia ny P’Art Ile Madagascar (Promotion de l’Art et de la Culture de la Grande Ile Madagascar), nanao ny fanontana ny boky kosa ny RanjaSoa Publishing izay mpanonta efa nahavokatra boky maromaro manandratra ny haisoratra malagasy, ary tamin’ny fanolorana ny boky "Mitepo-Tempo" sy ny rangotsiaro indray dia ny Restaurant Marianina no niara-nisalahy tao Parisy, nanolotra ny takarivan’ny 16 desambra 2019. Nandravaka ny antsa ny mozikan’ny Tarika Sorajavona. Sakafo malagasy tena matsiro no naroson’i Marianina ireto vahininy mpankafy haisoratra sy tononkalo. Teo amin’ny serasera indray dia ny Radio Bitsika sy i Ralf Mifalia no nifarimbona taminay.

Pôetawebs Pôetawebs

Toetra Ràja

Azonao faritana tsotsotra ve ny endriky ny boky?

Hanitr'Ony
Boky miloko manga volontsolitany, misy fo mena midorehitra araikitry ny litera T izay zarain’ny MiTepo sy ny Tempo, eo ambony lafika fotsy. Misoratra mainty ny soratra rehetra eo amin’ny pejy fanehoana. Misy pejy miisa 102, ary ny habeny dia 13,97 (sakany) x 21,59 (lavany) santimetatra.
Ny filohan’ny fikambanana P’Art Ile Madagascar na Promotion de l’Art et de la Culture de la Grande Ile Madagascar, Ramatoa Rahelinantoanina Marie na Raivo Patricia Salomon no nanao ny sasin-teny, izy izay nanohana ity atrik’asa ity fatratra moa dia mpanankanto ihany koa ary efa 45 taona no mihoatra izao no nanandratra ny kolontsaina malagasy eran’izao tontolo izao, amin’ny endrika hetsika maro. Voninahitra lehibe ho ahy mpanoratra ny nanekeny hanolotra ny boky.

Pôetawebs Pôetawebs

Toetra Ràja

Aiza moa no mety ahitana ny boky?

Hanitr'Ony
Amidy amin’ny vidiny mirary mba ahafahan’ny mpamaky rehetra manjifa azy ny boky "Mitepo – Tempo", nosoratan’i Hanitr’Ony.

- Aty Madagasikara dia ao amin’ny Librairie Prediff (Editions Jeunes Malgaches), 51 lalana Tsiombikibo Ambatovinaky, Antananarivo 101 no ahitana azy aloha izao.
- Any Frantsa sy Eoropa dia ao amin’ny Restaurant Marianina, 88 rue Blanche 75009 Paris sy ao amin’ny Boutique Laterit Productions, 9 rue de Terre Neuve 75020 Paris.
- Eo amin’ny rohy aterineto koa dia azo alaina tsara ny boky fa tonga na aiza na aiza, alefa paositra, hafarana eto :
http://www.lulu.com/.../paperback/product-24340166.html

Azo anoratana mivantana koa ny mpanoratra amin'ny MP Facebook Hanitra Salomon, na amin'ny mailaka hanitrony@gmail.com, afaka manolotra rangotsiaro mivantana izy.

Misaotra indrindra Toetra Ràja. Mirary takariva finaritra ho anao sy ny mpamaky ny Pôetawebs koa.

Pôetawebs Pôetawebs
Pôetawebs Pôetawebs
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 09/01/2020