varavarana

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

15 Jolay 2011

TAPATAPAK'AHITRA IARAHANA AMIN'I RADO RAMAHERISON


Ramaherison Radoarijaona misalotra ny anarana hoe RADO RAMAHERISON eo amin'ny penina no vahinin'ny poetawebs anio. Isaorana manokana izy satria na dia eo aza ireo fotoana vonjivonjena sy ny adidy maro iandraiketany dia tsy nampandeferiny ny fanasana azy hiara-mitapatapak'ahitra amintsika eto amorom-patana. Ankoatra ny maha poeta azy moa dia mpikabary koa izy. Efa hatramin'ny 1994 anefa izy no nanomboka namindra tamin'ny famoronana tononkalo ary efa namoaka boky telo. Mpiraifaribolan'ny Sandratra izy ary mitarika izany "ara-panjakana" ankehitriny.

Miarahaba anao RADO RAMAHERISON ary manantitra ny fisaorana amin'izao fiantranoanao ato amin'ny poetawebs izao. Mahaliana ny mpisera ny anton'ny nahatonga anao hanoratra efa ho 17 taona lasa izay.
Raha ny antony mazava nanoratana tamin’izany fotoana izany dia tsy fantatra mihitsy raha tsy efa taona maromaro taty aoriana dia ny faharesen-dahatra fa tahaka ny asan’ny Mpitandrina, ny asa fanabeazana, dia antso ihany ny mahapoeta na mpanoratra ny olombelona iray; araka izany RADO RAMAHERISON raha manoratra dia satria nantsoina ho Poeta.

 

Nantsoina ho poeta, hoy ianao, kanefa mety ho tao ihany koa ny famolavolan'ny fiaraha-monina, toy ny naha mpianatry Nanisana (Antananarivo) anao. Anisan’ny namolavola anao ho poeta ve ny fanabeazana tao amin’io sekoly io ?

Tsy isalasalana fa dia eny avy hatrany satria dia nandritra ny fanadinana isan-telovolana indray maka izay tao raha nasaina nanadihady ilay tononkalon’i Rado ( Georges ANDRIAMANANTENA ) mitondra ny lohateny hoe HANORATRA izahay ka avy namaky ilay andininy farany aho manao hoe :

Hanoratra ihany aho ombieny ombieny
Hitory ny tanjona izay itolomako
Fa raha nahalala ka dia tsy niteny
Dia inona foana no nahavelomako

no nanapa-kevitra hamaly ny antso mahapoeta ny tena.

 

Azonao ambara ve ny anton'ny niantefan’ny safidinao ho Mpiraifaribolana ?

Tsara aloha ny mitondra fanazavana ny amin’ity hoe Mpiraifaribolana ity; araka izany ny Mpiraifaribolana dia tsy iza fa ireo izay ao anatin’ny FARIBOLANA SANDRATRA na sampana aiza na aiza no misy azy. Ny volana May taona 2000 aho no voaray ho Mpiraifaribolana eto Antananarivo, raha ny antony dia satria tao no hitako tamin’izany fotoana izany fa mety amiko ary hatramin’izao fotoana izao dia tsy mbola diso izay eritreritro izay.

 

Efa miresaka FARIBOLANA SANDRATRA ihany isika. Voalaza fa tsy misy mpitondra sy taritina ao amin’ny Faribolana, voafidy ho filoha anefa ianao tamin’ny taona 2010; inona no andraikitrao amin’izany ?

Ny hoe tsy misy mpitondra sy taritina ao amin’ny Faribolana Sandratra dia marina tokoa, ny antony dia satria izay no toetsaina ifampitondrana ao (ara-panjakana ihany ity no fikambanana fa ankoatra izay dia faribolana ka tsy misy ambony sy ambany isika fa mitovy ny rehetra), ny fisian’ny filohan’ny Faribolana Sandratra izany dia noho izay resaka ara-panjakana izay ary amin’izay ihany. Miverina kely aho amin’ilay hoe Mpiraifaribolana tetsy aloha, izay tsy maha fikambanana ny Faribolana Sandratra afa-tsy amin’ny ara-panjakana izay no mahatonga anay ao tsy mampiasa ny hoe mpikambana fa Mpiraifaribolana.

 

Mahavariana ny olona tokoa ireo sehatra sy boky maro be vokarin’ny Faribolana Sandratra. Araka ny hevitrao, inona no tsiambaratelon’izany fahombiazana izany ?

Teo aloha isika dia niresaka hoe toetsaina ary eto dia mbola izay toetsaina izay ihany koa no nibaiko, mibaiko ary hibaiko ny FARIBOLANA SANDRATRA matoa mahavita ireny rehetra ireny izy, santionany amin’ireny toetsaina sandratra ireny ny hoe "izay tsy mihetsika, mihitsoka", "mamorona fa tsy mamerina".

 

Izany teny filamatra nolovaina tamin'i elie rajaonarison izany no novoizinao koa ka nahafahanao namolavola ny bokinao "RANONTANY" ?

Nampiasaina ny hoe RANONTANY hanehoana fa tahaka ny fahitana ireo izay tao ambanin’ny tany tao dia tahaka izany koa ny asasoratra izay maneho ny tao ambanin’ny fiarahamonina tao ary dia ireny no voasoratra ka nahatonga ny RANONTANY. Amboara mirakitra tononkalo 77 izy io, navoaka tamin’ny volana desambra 2009 ho fanamarihana ny 15 taona nanoratana; mahakasika ny lohahevitra resahana dia mivelatra tanteraka ary misy karazany maro izany ao anatin’ny RANONTANY.



Talohan’izay anefa dia efa niara-namoaka boky tamin’i Avelo-Nidor sy Lanto Tsiory ianao. Azonao fintinina amin’ny mpisera koa ve ny momba ireo ?

Ny FARIBOLANA SANDRATRA nanomboka ny taona 1990 dia manao antsatononkalo ao amin’ny CGM Analakely rehefa alarobia fahefatra; amin’izany dia mety ho antsamparibolana no hatao fa mety ihany koa ho antsa hiarahana Mpiraifaribolana roa na mihoatra ary dia tamin’ireny no nivoahan’ny RONJOM-BAZO niarahako tamin’i AVELO-NIDOR ny Janoary 2002 sy ny FANALAHIDY nifandrombonako tamin'i LANTO TSIORY ny Febroary 2004.



Inona no mety ho fahasarotan’ny fandrindrana sanganasan’ny poeta roa samy manana ny maha izy azy ?

Na tamin’ny RONJOM-BAZO na tamin’ny FANALAHIDY dia azo lazaina fa ny teo amin’ny fanatontosana ny antsa ihany no nanahirana fa raha hoe fandrindrana ny sanganasa dia tsy nipetraka ny olana satria volana maromaro mialoha dia efa tsikaritra izay fifandrindrana izay, na tsy mbola nisy eritreritra hiaraka hiantsa akory aza, noho ilay fifampitakosenana sy fifandranitan’ny mpirahalahy (tavan-drahalahy mandranitra ny tavan-drahalahy na misy ihany aza vehivavy) ao anatin’ny FARIBOLANA SANDRATRA.

 
Maro ny mpanatalenta sady Poeta no mpikabary toa anao. Mifameno ve ireo talenta ireo ?

Izay fifamenoan’ny asasoratra sy ny kabary izay mihitsy ankehitriny no endrika vaovao hita amin’ny kabary am-panambadiana satria dia efa misy amin’izao fotoana izao ireo mpikabary no mampiditra andalan-tononkalo any anatin’ny kabariny ary heverina fa tsy misy ny maharatsy izany satria na ny kabary na ny asasoratra dia samy literatiora avokoa.

 
Eo amin’ny tononkalo, anisan’ireo manomana hetsika manokana ve ianao ato ho ato ( boky, sehatra sns ) ?

Hatreto aloha dia ny fanapariahana ny RANONTANY ihany no heverina hotohizana hatrany saingy tsy mbola afa-mihetsika firy raha amin’izao fotoana izao noho ny olana ara-politika eto amin’ny firenena ka tsy mbola hananan’ny olona saina hifantoka ny amin’izany.

Toy ny mahazatra eto amin’ny tapatapak’ahitra dia mangataka andalan-tononkalo avy aminao ny mpisera.

Tiana indrindra ny hizara izany amin’ny mpisera anefa mamelà ahy ianareo raha toa ka tsy izay aloha no omena eto fa voka-pandinihana vitsivitsy ihany natambatro ao anatin’ny REHEFA NANDINIKA AHO toy ny hoe "Ny aingam-panahy dia herim-pamoretana ho amin’ny fahafahana" na ihany koa hoe «Andry tena ilaina mampijoro ny literatiora ankoatra ny mpanoratra sy ny soratra ihany koa ny mpamaky"izay ao anatin’ny Lovako T12. Misaotra indrindra tompoko.

 

Ianao no isaoran'ny poetawebs nizara zava-mahasoa sy mahaliana amin'ny mpisera. Mirary soa ho anao hahavita be amin'ny fanandratana ny haisoratra sy ny poezia malagasy. Veloma mandra-pihaona !

Nanomana ny dinika : Toetra RAJA
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety