Créer un site internet

Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

14 Mey 2015

 

Vazon'ny lavitra, tononkalon'Ny Avana Ramanantoanina, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala

  VAZON'NY LAVITRA

Iry tendrombohitra tomandavana,
Soa malomaloka mavamavana;
Topazo maso fa raha tazanina;
Manerinerina mahamanina!
Izay tsy ho manina, ho'aho,mandainga,
Fa olon-te hody ,ka te hanainga!

Ity rivodrivotra an-tanin'olona:
Mitsoka maraina dia mitambolona
Hariva ny andro vao mba miritsoka,
Kanefa malefaka,mahaditsoka!
Raha maso no ditsoka,leoko ihany,
Fa ny fo re no ditsoka, ka tomany.

Itony aviavy tomarotaroka
Maha te hipetra hialokaloka
Tsy mba arovana tsy ambenana,
Kinanjo hatonina itombenana,
Ny maso mijoy toa patrakala,
Ka vao tafatombina dia miala!

Sakeli-dalana an-kodimirana,
Ilaozy foana,fa manahirana,
Mamelovelo sy mahatsikaritra
Mahatsinjotsinjo sy mahafinaritra;
Ny maso mitsinjo dia afa-diana
Ny kibo manembona no tsindriana.

Tsy ary ho tambo raha dia tononina
Ity alahelo,ka aleo ononina,
Andrao mankaray raha toa tohizana,
Veloma,masina,ry nahafoizana,
Tratraran'ny ela ka dia soava,
Hiadam-pinaritra lalandava!

Ny Avana Ramanantoanina
Kalokalo Tatsinanana, takila fahafito
  Misy karazan-dahatsoratra maro ao anatin'ny literatiora, anisan'izany ny tononkalo ao anatin'ny sokajy maneho toe-po. Tononkalo nosoratan'Ny Avana ity fakafakaina ity, nampitondrainy ny lohateny hoe "vazon'ny lavitra", nalaina tao amin'ny boky Kalokalo Tatsinanana takila fahafito izay milaza olona iray any an-tanin'olona ka manina ny toerana niaviany. Ahoana ny fomba nanehoan'ny mpanoratra izany foto-kevitra izany tamin'ny fomba kanto? Ho setrin'izany fanontaniana izany dia handeha hojerentsika aloha ny lafiny kanto eo amin'ny endrika (formes),manaraka izany eo amin'ny filalaovana feo (jeux de sonorités), ary farany eo amin'ny sarin-teny (figures des styles).

RH1* : endrika

 - miendrika andininy, ahitana andininy 5 (5 strophes)
 - mitovy ny isan'ny andalana isaky ny andininy, andalana 6 (sizains)
 - ahitana vanin-teny 12 isan'andalana (dodecasyllabe/vers alexandrin)

 I/ry te/ndro/mbo/hi/tra to/ma/nda/va/na
 So/a ma/lo/ma/lo/ka ma/va/ma/va/na
 Isaina koa ny vaninteny malemy ohatra soa vanin-teny 2: so/a

RH2 : jeux de sonorités

- Rimes suivies/rimes plates (aabbcc): rima mifanjohy

- Rimes riches : rima feno mihoatra, feo 3 na mihoatra be izao no mitovy
    tomandAVANA
    mavamAVANA

- Rythmes : ba kidaombaramita kidaomita, teny maromaro misy tsindry
    Tamberin-drenifeo m: "iry tendrombohitra tomandavana"
    "Soa malomaloka mavamavana"

RH3 : FIGURES - SARIN-TENY -

- Tamberin-teny verin-droa : mavamavana, manerinerina, rivodrivotra
   Entina maneho ny alahelo tsisy farany. Alahelo miverina foana no antompisian'ny teny verin-droa eto fa tsy hanalefahan-kevitra.

- Hyperbole (filaza masaka) : "izay tsy ho manina ho'aho mandainga".

- Synecdoque : fanovana anarana misy fifandraisana ampahany sy manontolo "ny maso mijoy", andalana 17. Eto dia ny "manontolo" no entina manondro ny ampahany, ny maso mihitsy no lazaina fa mijoy ny ranomaso fotsiny, ampahany kely ao amin'ny maso ihany.

- fanovana anarana - métonymie - "ny kibo manembona no tsindriana" andalana 24.

Ny endrika no mahakanto ny tononkalo. Nifantoka tanteraka tamin'ny endrika ny famakafakana hatreto. Tsy hiverenana intsony ireo voambolana teknika nampiasaina teo fa ny tiana asongadina dia ny hoe : "Indraindray dia tsapa ny mahakanto ny tononkalo kanefa tsy manavanana ny fanaporofoana azy". Tsy voatery ho ny mpandalina ihany anefa no mahavita izany. Na manara-drafitra aza ity tononkalo ity dia azo hazavaina tsara ny mahakanto ny tononkalo malala-drafitra rehefa tena kanto tokoa.Navelany ho an'ny mpamaky eto ny famakafakana ny hevitra izay inoana fa hifanaraka amin'ny endrika efa novoaboasana eto.

Ratsimbazafy Heriarilala
        * RH = Renihevitra
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021