Poèmes
à la manière de Jean Joseph Rabearivelo
(Tononkalo nosoratana araka ny fanaon’i Jean Joseph Rabearivelo)
Nangonina sy nadikan’i Narivelo Rajaonarimanana
Décembre 2025
1. Brume d’aubeSous la brume d’aube,un oiseau sans nom réveille le silence. Mon cœur, pareil au ciel, se teinte de rosée. Je n’attends rien, sinon la paix des fleurs qui ferment les yeux. 1. Zavom-ben’ny vao marainaEo ambanin’ny zavom-ben’ny vao maraina,Vorona tsisy anarana iray Manaitra ny fanginana. Ny foko, tahaka ny lanitra, Miloko ranon’ando. Tsy miandry n’ino-n’inona aho Raha tsy ny fitonian’ny voninkazo Manakimpy ny masony. |
2. OffrandeJ’ai cueilli la lunedans le creux de mes mains — elle tremblait comme un rêve. Je l’ai posée sur ton seuil de pierre. Que son éclat te guide, ô toi qui dors dans le sable des anciens. 2. FanatitraNalaikoHo eo am-pelatanako ny volana – Nihararetra toa ny nofy izy. Napetrako Teo an-tokonam-batonao. Aoka ny vakivakin-tarany no hitari-dalana anao Ianao izay matory Am-pasiky ny Ntaolo. |
3. Écho du soirLe soir descend,vêtu d’un chant très doux. Un souffle ancien frôle ma joue — peut-être un mot oublié dans la bouche des morts. 3. Akon’ny harivaMihilana ny harivaMisalotra tononkira tena fy. Fofon’aina taloha Misafo ny takolako – Angamba teny iray hadino Tam-bavan’ny maty. |
4. Les herbes du souvenirLes herbes penchent,et je crois entendre les pas de ceux que j’ai aimés. Sous la terre, leurs songes respirent encore. Je tends la main : rien que le vent. 4. Ireo ahitry ny tsiaroMiondrika ny ahitra,ary toa mandre Ny dian’ireo olona Notiaviko aho Ao ambanin’ny tany Mbola miaina ny nofin’izy ireo. Natolotro ny tanako kanjo Tsy nisy afa-tsy rivotra. |
5. Lune du haut-plateauSur l’herbe rase,un tambour d’argent résonne : la lune danse. Les collines s’inclinent, les chiens se taisent, et la nuit se souvient d’avoir été un poème. 5. Volan’ny lembalembaEo ambony ahitra mangadihady,Midoboka ny amponga vola : Mandihy ny volana. Miondrika ny tendrombohitra, Tsy miloa-peo ny alika, Ary tsaroan’ny alina Fa efa tononkira izy. |
6. MirageJe marche vers l’horizon.Chaque pas efface mon nom. Les nuages sont mes frères, ils m’emportent dans leur blanche dérive. 6. RendrirendryMizotra ho eny amin’ny faravodilanitra aho.Fafan’ny dian-tongotro tsirairay ny anarako. Rahalahiko ny rahona, indaosin’izy ireo Anatin’ny sosam-piviliany botsiaka aho. |
7. Chant funèbreNulle plainte —seulement ce frisson d’air qui passe entre les pierres. L’âme du défunt s’élève, légère, comme un papillon dans la flamme d’une lampe. 7. Hiram-patyTsisy fitarainana¬ –Izany hovitry ny rivotra no hany Mandalo an-tsefaky ny vato. Ny fanahin’ny maty Miakatra, maivana Toy ny lolo Ao anatin’ny lelafon’ny fanaovan-jiro. |
8. À la mer lointaineÔ mer,je ne t’ai jamais vue, mais je t’entends dans le sang de ma mère. Ton sel brûle encore sur mes lèvres d’enfant. 8. Any ranomasina andakiraRanomasina ô !Mbola tsy nahita anao mihitsy aho Kanefa reko Anatin’ny ran’i neny ianao. Mbola mandoro Ireo molo-jazako ny siranao. |
9. Lettres aux étoilesÉtoiles,je vous écris dans l’encre du vent. Que ma voix, si petite, vous atteigne — et qu’elle s’éteigne en vous comme une larme de feu. 9. Taratasy ho an’ny kintanaRy kintana ô!Manoratra ho anao aho amin’ny ranomaintin’ny rivotra. Aoka ny feo keliko hiantefa any aminao — ary enga izy ho faty ao aminao toy ny ranomason’afo. |
10. RenaissanceQuand je mourrai,que l’on m’enterre dans le souffle des aloès. Je renaîtrai dans le parfum du soir, dans la rumeur du riz qu’on bat, dans le rire d’un enfant qui ne me connaît pas. 10. Fahavelomana indrayRehefa. maty ahoAleveno Ao am-pofonain’ny vahona. Ho velona indray aho Ao amin’ny hanitry ny hariva Ao amin’ny siosion’ny vary velezina Ao amin’ny hehin-jaza iray Tsy mahalala ahy akory. |

