Vaka
ny maso, valalanina ny saina, taitra ny fanahy rehefa miantraika any
anaty ireny sorakanton'ny mpanoratra sy poeta ireny. Tsianjery any
an-tsekoly ny hoe talenta izy ireny, teraky ny fo sy ny saina, lova,
natao hanabeazana sy hampiala voly ary hampitana hafatra. Tsy diso
akory izany rehetra izany fa mikitika ny saina hoe fanahy avy aiza no
niavin'izy ireny ?
Samy mahatsapa fa misy vokany eo amin'ny fiainana ny rango-tsoratra na
ho an'ny mpanoratra azy na ho an'ny mpamaky. Misy efa miaina izay
voasoratra ary misy soratra manambara ny hoavy.
Raha dinihina lalindalina, indraindray tsy ny zava-misy no miteraka
ny soratra fa ny soratra no niteraka ny zava-misy. Misarika alahelo ny
soratra malahelo; misarika fanantenana ny soratra miabo; mitondra tsiky
ny soratra maneho hafaliana. Manoloana izany, azon'ny fakam-panahy ny
sain'ny mpankafy hanao petra-kevitra mivantana hoe maninona no tsy ny
mahasoa daholo no soratana ary dia ho sambatra isika?
Satrin'ny mpanoratra tokoa hilomano hasambarana lalandava ny
aingam-panahiny saingy ny fanahin'ny soratra sy teny tonga ao aminy tsy
voatery ho izany. Fanahin'ny fiainana hita sy tsy hita io ary ny
fiainana dia fifandimbiasan'ny hafaliana sy ny fahasahiranana.
Soratan'ny poeta avokoa ireo ary tonga amin'ny fotoanany avy. Mpaminany
ve izany izy ireo? Azo valiana ho eny mivantana izany. Miantefa aminy
sy ny manodidina azy ny sora-tanany. Mahatsapa mivantana ireo tena
miaina ao anatin'izany fa tsy azo fefena ny aingam-panahy na inona
lokony na inona volony satria izao tontolo izao mihitsy no habaka
ivelarany. Tsy azo terena hitovy tantana, tsy azo didiana ho endrika
tokana, tsy azo tsaraina ho mendrika na soketaina ho maloto fa masina
avokoa izy rehetra. Tahaka ny fidiran'ny rivotra eo an-davakoron'ny
olombelona ka mitondra aina ho azy ny fidiran'ny fanahy maro ao
anatin'ny poeta. Manosika azy hanakorisa ny penina izany ary fanahy
samy hafa tonga amin'ny mpanoratra samihafa ka miteraka ainga samy
hafa. Ary ny fahasamihafana mihitsy no endriky ny misy rehetra izay
miteraka ny kanto. Ilay miavaka amin'ny hafa iny indrindra ny tena
kanto.
Raha fehezina, tonga mpamantatra ny hoavy ny poeta sy ny mpanoratra
noho ilay fanahy mpamangy ny tononkirany, mpibitsika ny kalokalony izay
mbola miafitra ao anaty rany. Manenika azy ny fahasamihafana, ary samy
mandray izay tandrifiny ny mpianoka azy. Mandoko azy ny hazavana sy ny
haizina ka tsy azo idifiana na terena hifanaraka amin'ny lokon-danitra
eken'ny maha olombelona izy. Tsy manambara ny fiainana fotsiny ny
kanton'ireo poeta fa tena fiainana mihitsy, miandrandra azy ny fo
mangetaheta, mihira ao aminy ny voary rehetra.